T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 11

1 Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao, ka tandremo mandrakariva Izay asainy hotandremana, dia ny lalàny sy ny fitsipiny ary ny didiny.

2 Ary aoka ho fantatrao anio, fa izaho tsy miteny amin'ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fahalehibiazany sy ny tànany mahery sy ny sandriny nahinjitra

3 sy ny famantarany sy ny asany, izay nataony tany Egypta tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, sy ny taniny rehetra,

4 sy izay nataony tamin'ny miaramilan'ny Egyptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin'ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo Izy, dia voaringan'i Jehovah mandraka androany,

5 ary izay nataony taminareo tany an-efitra, hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity tany ity,

6 ary izay nataony tamin'i Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba, zanak'i Robena, teo amin'ny Isiraely rehetra, dia izay nisokafan'ny tany sy nitelemany azy mbamin'ny ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan'aina izay nomba azy;

7 fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon'i Jehovah.

8 Koa tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery ianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana;

9 ary, mba ho maro andro ianareo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.

10 Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman'ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen'anana.

11 Fa ny tany izay efa halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin'ny ranonoran-danitra,

12 dia tany izay tandreman'i Jehovah Andriamanitrao; ny mason'i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin'ny fiandohan'ny taona ka hatramin'ny fiafarany.

13 Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra,

14 dia halatsako eo amin'ny taninareo ny ranonorana amin'ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao;

15 ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an'ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky.

 

16 Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo;

17 ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah anareo.

18 Koa alatsaho ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinareo;

19 ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha;

20 ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao izy;

21 mba ho maro ny andronareo sy ny andron'ny taranakareo eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy, toy ny faharetan'ny lanitra ambonin'ny tany.

22 Fa raha hitandrina tsara izao lalàna rehetra izao izay andidiako anareo ianareo ka manaraka azy ary ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handeha eo amin'ny lalany rehetra sy hifikitra aminy,

23 dia horoahin'i Jehovah eo anoloanareo ireo firenena rehetra ireo, ary ianareo haharesy firenena maro, izay lehibe sy mahery noho ianareo.

24 Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladian'ny tongotrareo dia ho anareo: hatramin'ny efitra sy Libanona ary hatramin'ny ony Eofrata ka hatramin'ny ranomasina andrefana no ho fari-taninareo.

25 Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho azon'ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.

26 Indro, Izaho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio:

27 fitahiana, raha hohenoinareo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio;

28 ary ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin'ny lalana izay andidiako anareo anio mba haleha ianareo ka hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.

29 Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin'ny tany izay alehanao holovana, dia ny fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizinia, ary ny fanozonana kosa eo an-tendrombohitra Ebala.

30 Tsy any an-dafin'i Jordana va izy roa, any ankoatry ny lalana andrefana, amin'ny tanin'ny Kananita, izay monina eo amin'ny tani-hay tandrifin'i Gilgaly, eo anilan'ny hazo terebintan'i More?

31 Fa ianareo efa handeha hita an'i Jordana ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo, ary handova azy ianareo ka honina eo;

32 koa tandremo mba harahinareo ny didy rehetra sy ny fitsipika izay ataoko eo anoloanareo anio.

 

Chapitre 11

11:1 Therefore you shall love Yahweh your God, and keep his instructions, and his statutes, and his ordinances, and his commandments, always. 11:2 Know this day: for I don’t speak with your children who have not known, and who have not seen the chastisement of Yahweh your God, his greatness, his mighty hand, and his outstretched arm, 11:3 and his signs, and his works, which he did in the midst of Egypt to Pharaoh the king of Egypt, and to all his land; 11:4 and what he did to the army of Egypt, to their horses, and to their chariots; how he made the water of the Red Sea to overflow them as they pursued after you, and how Yahweh has destroyed them to this day; 11:5 and what he did to you in the wilderness, until you came to this place; 11:6 and what he did to Dathan and Abiram, the sons of Eliab, the son of Reuben; how the earth opened its mouth, and swallowed them up, and their households, and their tents, and every living thing that followed them, in the midst of all Israel: 11:7 but your eyes have seen all the great work of Yahweh which he did. 11:8 Therefore you shall keep all the commandment which I command you this day, that you may be strong, and go in and possess the land, where you go over to possess it; 11:9 and that you may prolong your days in the land, which Yahweh swore to your fathers to give to them and to their seed, a land flowing with milk and honey. 11:10 For the land, where you go in to possess it, isn’t as the land of Egypt, that you came out from, where you sowed your seed, and watered it with your foot, as a garden of herbs; 11:11 but the land, where you go over to possess it, is a land of hills and valleys which drinks water of the rain of the sky, 11:12 a land which Yahweh your God cares for: the eyes of Yahweh your God are always on it, from the beginning of the year even to the end of the year. 11:13 It shall happen, if you shall listen diligently to my commandments which I command you this day, to love Yahweh your God, and to serve him with all your heart and with all your soul, 11:14 that I will give the rain of your land in its season, the former rain and the latter rain, that you may gather in your grain, and your new wine, and your oil. 11:15 I will give grass in your fields for your livestock, and you shall eat and be full. 11:16 Take heed to yourselves, lest your heart be deceived, and you turn aside, and serve other gods, and worship them; 11:17 and the anger of Yahweh be kindled against you, and he shut up the sky, so that there shall be no rain, and the land shall not yield its fruit; and you perish quickly from off the good land which Yahweh gives you. 11:18 Therefore you shall lay up these my words in your heart and in your soul; and you shall bind them for a sign on your hand, and they shall be for symbols between your eyes. 11:19 You shall teach them your children, talking of them, when you sit in your house, and when you walk by the way, and when you lie down, and when you rise up. 11:20 You shall write them on the door posts of your house, and on your gates; 11:21 that your days may be multiplied, and the days of your children, in the land which Yahweh swore to your fathers to give them, as the days of the heavens above the earth. 11:22 For if you shall diligently keep all this commandment which I command you, to do it, to love Yahweh your God, to walk in all his ways, and to cling to him; 11:23 then will Yahweh drive out all these nations from before you, and you shall dispossess nations greater and mightier than yourselves. 11:24 Every place whereon the sole of your foot shall tread shall be yours: from the wilderness, and Lebanon, from the river, the river Euphrates, even to the hinder sea shall be your border. 11:25 No man shall be able to stand before you: Yahweh your God shall lay the fear of you and the dread of you on all the land that you shall tread on, as he has spoken to you. 11:26 Behold, I set before you this day a blessing and a curse: 11:27 the blessing, if you shall listen to the commandments of Yahweh your God, which I command you this day; 11:28 and the curse, if you shall not listen to the commandments of Yahweh your God, but turn aside out of the way which I command you this day, to go after other gods, which you have not known. 11:29 It shall happen, when Yahweh your God shall bring you into the land where you go to possess it, that you shall set the blessing on Mount Gerizim, and the curse on Mount Ebal. 11:30 Aren’t they beyond the Jordan, behind the way of the going down of the sun, in the land of the Canaanites who dwell in the Arabah, over against Gilgal, beside the oaks of Moreh? 11:31 For you are to pass over the Jordan to go in to possess the land which Yahweh your God gives you, and you shall possess it, and dwell therein. 11:32 You shall observe to do all the statutes and the ordinances which I set before you this day.

 

Chapitre 11
1 Tu aimeras l'Éternel, ton Dieu, et tu observeras toujours ses préceptes, ses lois, ses ordonnances et ses commandements. 2 Reconnaissez aujourd'hui-ce que n'ont pu connaître et voir vos enfants-les châtiments de l'Éternel, votre Dieu, sa grandeur, sa main forte et son bras étendu, 3 ses signes et ses actes qu'il a accomplis au milieu de l'Égypte contre Pharaon, roi d'Égypte, et contre tout son pays. 4 Reconnaissez ce qu'il a fait à l'armée d'Égypte, à ses chevaux et à ses chars, comment il a fait couler sur eux les eaux de la mer Rouge, lorsqu'ils vous poursuivaient, et les a détruits pour toujours; 5 ce qu'il vous a fait dans le désert, jusqu'à votre arrivée en ce lieu; 6 ce qu'il a fait à Dathan et à Abiram, fils d'Éliab, fils de Ruben, comment la terre ouvrit sa bouche et les engloutit, avec leurs maisons et leurs tentes et tout ce qui était à leur suite, au milieu de tout Israël. 7 Car vos yeux ont vu toutes les grandes choses que l'Éternel a faites. 8 Ainsi, vous observerez tous les commandements que je vous prescris aujourd'hui, afin que vous ayez la force de vous emparer du pays où vous allez passer pour en prendre possession, 9 et afin que vous prolongiez vos jours dans le pays que l'Éternel a juré à vos pères de leur donner, à eux et à leur postérité, pays où coulent le lait et le miel. 10 Car le pays dont tu vas entrer en possession, n'est pas comme le pays d'Égypte, d'où vous êtes sortis, où tu jetais dans les champs ta semence et les arrosais avec ton pied comme un jardin potager. 11 Le pays que vous allez posséder est un pays de montagnes et de vallées, et qui boit les eaux de la pluie du ciel; 12 c'est un pays dont l'Éternel, ton Dieu, prend soin, et sur lequel l'Éternel, ton Dieu, a continuellement les yeux, du commencement à la fin de l'année. 13 Si vous obéissez à mes commandements que je vous prescris aujourd'hui, si vous aimez l'Éternel, votre Dieu, et si vous le servez de tout votre coeur et de toute votre âme, 14 je donnerai à votre pays la pluie en son temps, la pluie de la première et de l'arrière-saison, et tu recueilleras ton blé, ton moût et ton huile; 15 je mettrai aussi dans tes champs de l'herbe pour ton bétail, et tu mangeras et te rassasieras. 16 Gardez-vous de laisser séduire votre coeur, de vous détourner, de servir d'autres dieux et de vous prosterner devant eux. 17 La colère de l'Éternel s'enflammerait alors contre vous; il fermerait les cieux, et il n'y aurait point de pluie; la terre ne donnerait plus ses produits, et vous péririez promptement dans le bon pays que l'Éternel vous donne. 18 Mettez dans votre coeur et dans votre âme ces paroles que je vous dis. Vous les lierez comme un signe sur vos mains, et elles seront comme des fronteaux entre vos yeux. 19 Vous les enseignerez à vos enfants, et vous leur en parlerez quand tu seras dans ta maison, quand tu iras en voyage, quand tu te coucheras et quand tu te lèveras. 20 Tu les écriras sur les poteaux de ta maison et sur tes portes. 21 Et alors vos jours et les jours de vos enfants, dans le pays que l'Éternel a juré à vos pères de leur donner, seront aussi nombreux que les jours des cieux le seront au-dessus de la terre. 22 Car si vous observez tous ces commandements que je vous prescris, et si vous les mettez en pratique pour aimer l'Éternel, votre Dieu, pour marcher dans toutes ses voies et pour vous attacher à lui, 23 l'Éternel chassera devant vous toutes ces nations, et vous vous rendrez maîtres de nations plus grandes et plus puissantes que vous. 24 Tout lieu que foulera la plante de votre pied sera à vous: votre frontière s'étendra du désert au Liban, et du fleuve de l'Euphrate jusqu'à la mer occidentale. 25 Nul ne tiendra contre vous. L'Éternel, votre Dieu, répandra, comme il vous l'a dit, la frayeur et la crainte de toi sur tout le pays où vous marcherez. 26 Vois, je mets aujourd'hui devant vous la bénédiction et la malédiction: 27 la bénédiction, si vous obéissez aux commandements de l'Éternel, votre Dieu, que je vous prescris en ce jour; 28 la malédiction, si vous n'obéissez pas aux commandements de l'Éternel, votre Dieu, et si vous vous détournez de la voie que je vous prescris en ce jour, pour aller après d'autres dieux que vous ne connaissez point. 29 Et lorsque l'Éternel, ton Dieu, t'aura fait entrer dans le pays dont tu vas prendre possession, tu prononceras la bénédiction sur la montagne de Garizim, et la malédiction sur la montagne d'Ébal. 30 Ces montagnes ne sont-elles pas de l'autre côté du Jourdain, derrière le chemin de l'occident, au pays des Cananéens qui habitent dans la plaine vis-à-vis de Guilgal, près des chênes de Moré? 31 Car vous allez passer le Jourdain pour entrer en possession du pays que l'Éternel, votre Dieu, vous donne; vous le posséderez, et vous y habiterez. 32 Vous observerez et vous mettrez en pratique toutes les lois et les ordonnances que je vous prescris aujourd'hui.