| Chapitre 10 1 Tamin'izany andro izany no nilazan'Jehovah tamiko hoe: Manamboara vato fisaka roa ho anao tahaka ilay teo, ka miakara ho etỳ amiko etỳ an-tendrombohitra, ary manaova fiara hazo ho anao; 2 dia hosoratako amin'ny vato fisaka ilay teny teo amin'ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin'ny fiara ireny. 3 Dia nanao fiara tamin'ny hazo akasia aho ka nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo, dia niakatra tao an-tendrombohitra aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako. 4 Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny afo tamin'ny andro nivoriana; dia nomen'i Jehovah ahy ireny. 5 Dia nihodina aho ka nidina niala teo amin'ny tendrombohitra, ary ny vato fisaka napetrako tao anatin'ny fiara izay efa nataoko, dia mbola ao ihany ireny, araka izay nandidian'i Jehovah ahy. 6 Ary ny Zanak'Isiraely nandeha niala tamin'ny fantsakan'i Bene-jakana ka nankany Mosera; tao no nahafatesan'i Arona, ary tao no nandevenana azy; ary Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy. 7 Ary nony niala tao izy, dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy, dia nankany Jotbata, tany be ony. 8 Tamin'izany andro izany no nanokanan'1 Jehovah ny firenen'i Levy hitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy hijanona eo anatrehan'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny anarany mandraka androany. 9 Izany no tsy ananan'ny Levita anjara na lova eo amin'ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrao taminy. 10 Ary izaho nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany; ary Jehovah nihaino ahy tamin'izany andro izany koa ka tsy nety nandringana anao. 11 Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, mandehana eo alohan'ny olona, hidirany sy handovany ny tany, izay nianianako tamin'ny razany homena azy. 12 [Anatra ny amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fitiavana Azy, ary filazana ny soa ho azon'ny manaraka ny lalàna sy ny loza hanjo ny tsy manaraka azy] Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, 13 hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao? 14 Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. 15 Kanefa ny razanao no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao. 16 Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo. 17 Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly; 18 manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. 19 Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo. 20 Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao. 21 Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan'ny masonao. 22 Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon'i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra ianao.
| | Chapitre 10 10:1 At that time Yahweh said to me, “Cut two tables of stone like the first, and come up to me onto the mountain, and make an ark of wood. 10:2 I will write on the tables the words that were on the first tables which you broke, and you shall put them in the ark.” 10:3 So I made an ark of acacia wood, and cut two tables of stone like the first, and went up onto the mountain, having the two tables in my hand. 10:4 He wrote on the tables, according to the first writing, the ten commandments, which Yahweh spoke to you on the mountain out of the midst of the fire in the day of the assembly: and Yahweh gave them to me. 10:5 I turned and came down from the mountain, and put the tables in the ark which I had made; and there they are as Yahweh commanded me. 10:6 (The children of Israel traveled from Beeroth Bene Jaakan to Moserah. There Aaron died, and there he was buried; and Eleazar his son ministered in the priest’s office in his place. 10:7 From there they traveled to Gudgodah; and from Gudgodah to Jotbathah, a land of brooks of water. 10:8 At that time Yahweh set apart the tribe of Levi, to bear the ark of the covenant of Yahweh, to stand before Yahweh to minister to him, and to bless in his name, to this day. 10:9 Therefore Levi has no portion nor inheritance with his brothers; Yahweh is his inheritance, according as Yahweh your God spoke to him.) 10:10 I stayed on the mountain, as at the first time, forty days and forty nights: and Yahweh listened to me that time also; Yahweh would not destroy you. 10:11 Yahweh said to me, “Arise, take your journey before the people; and they shall go in and possess the land, which I swore to their fathers to give to them.” 10:12 Now, Israel, what does Yahweh your God require of you, but to fear Yahweh your God, to walk in all his ways, and to love him, and to serve Yahweh your God with all your heart and with all your soul, 10:13 to keep the commandments of Yahweh, and his statutes, which I command you this day for your good? 10:14 Behold, to Yahweh your God belongs heaven and the heaven of heavens, the earth, with all that is therein. 10:15 Only Yahweh had a delight in your fathers to love them, and he chose their seed after them, even you above all peoples, as at this day. 10:16 Circumcise therefore the foreskin of your heart, and be no more stiff-necked. 10:17 For Yahweh your God, he is God of gods, and Lord of lords, the great God, the mighty, and the awesome, who doesn’t respect persons, nor takes reward. 10:18 He does execute justice for the fatherless and widow, and loves the foreigner, in giving him food and clothing. 10:19 Therefore love the foreigner; for you were foreigners in the land of Egypt. 10:20 You shall fear Yahweh your God; you shall serve him; and you shall cling to him, and you shall swear by his name. 10:21 He is your praise, and he is your God, who has done for you these great and awesome things, which your eyes have seen. 10:22 Your fathers went down into Egypt with seventy persons; and now Yahweh your God has made you as the stars of the sky for multitude.
| | Chapitre 10 1 En ce temps-là, l'Éternel me dit: Taille deux tables de pierre comme les premières, et monte vers moi sur la montagne; tu feras aussi une arche de bois. 2 J'écrirai sur ces tables les paroles qui étaient sur les premières tables que tu as brisées, et tu les mettras dans l'arche. 3 Je fis une arche de bois d'acacia, je taillai deux tables de pierre comme les premières, et je montai sur la montagne, les deux tables dans ma main. 4 L'Éternel écrivit sur les tables ce qui avait été écrit sur les premières, les dix paroles qu'il vous avait dites sur la montagne, du milieu du feu, le jour de l'assemblée; et l'Éternel me les donna. 5 Je retournai et je descendis de la montagne, je mis les tables dans l'arche que j'avais faite, et elles restèrent là, comme l'Éternel me l'avait ordonné. 6 Les enfants d'Israël partirent de Beéroth-Bené Jaakan pour Moséra. C'est là que mourut Aaron, et qu'il fut enterré; Éléazar, son fils, lui succéda dans le sacerdoce. 7 Ils partirent de là pour Gudgoda, et de Gudgoda pour Jothbatha, pays où il y a des cours d'eaux. 8 En ce temps-là, l'Éternel sépara la tribu de Lévi, et lui ordonna de porter l'arche de l'alliance de l'Éternel, de se tenir devant l'Éternel pour le servir, et de bénir le peuple en son nom: ce qu'elle a fait jusqu'à ce jour. 9 C'est pourquoi Lévi n'a ni part ni héritage avec ses frères: l'Éternel est son héritage, comme l'Éternel, ton Dieu, le lui a dit. 10 Je restai sur la montagne, comme précédemment, quarante jours et quarante nuits. L'Éternel m'exauça encore cette fois; l'Éternel ne voulut pas te détruire. 11 L'Éternel me dit: Lève-toi, va, marche à la tête du peuple. Qu'ils aillent prendre possession du pays que j'ai juré à leurs pères de leur donner. 12 Maintenant, Israël, que demande de toi l'Éternel, ton Dieu, si ce n'est que tu craignes l'Éternel, ton Dieu, afin de marcher dans toutes ses voies, d'aimer et de servir l'Éternel, ton Dieu, de tout ton coeur et de toute ton âme; 13 si ce n'est que tu observes les commandements de l'Éternel et ses lois que je te prescris aujourd'hui, afin que tu sois heureux? 14 Voici, à l'Éternel, ton Dieu, appartiennent les cieux et les cieux des cieux, la terre et tout ce qu'elle renferme. 15 Et c'est à tes pères seulement que l'Éternel s'est attaché pour les aimer; et, après eux, c'est leur postérité, c'est vous qu'il a choisis d'entre tous les peuples, comme vous le voyez aujourd'hui. 16 Vous circoncirez donc votre coeur, et vous ne roidirez plus votre cou. 17 Car l'Éternel, votre Dieu, est le Dieu des dieux, le Seigneur des seigneurs, le Dieu grand, fort et terrible, qui ne fait point acception des personnes et qui ne reçoit point de présent, 18 qui fait droit à l'orphelin et à la veuve, qui aime l'étranger et lui donne de la nourriture et des vêtements. 19 Vous aimerez l'étranger, car vous avez été étrangers dans le pays d'Égypte. 20 Tu craindras l'Éternel, ton Dieu, tu le serviras, tu t'attacheras à lui, et tu jureras par son nom. 21 Il est ta gloire, il est ton Dieu: c'est lui qui a fait au milieu de toi ces choses grandes et terribles que tes yeux ont vues. 22 Tes pères descendirent en Égypte au nombre de soixante-dix personnes; et maintenant l'Éternel, ton Dieu, a fait de toi une multitude pareille aux étoiles des cieux. | |