| Chapitre 1 1 Izao no teny izay nolazain'i Mosesy tamin'ny Isiraely rehetra tany an-dafin'i Jordana, tany an-efitra, dia tany amin'ny tani-hay tandrifin'i Sofa, tanelanelan'i Parana sy Tofela sy Labana sy Hazerota ary Dizahaba. 2 (lalana Iraika ambin'ny folo andro Kadesi-barnea raha ao Horeba, raha ny lalana mahazo ny tendrombohitra Seira no aleha.) 3 Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo tamin'ny taona fahefa-polo dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely Mosesy, araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy holazainy aminy, 4 rehefa namono an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, ilay nonina tao Astarta tany Edrehy, izy. 5 Tany an-dafin'i Jordana, dia tany amin'ny tany Moaba, no nanombohan'i Mosesy nanazava izao lalàna izao hoe: 6 Jehovah Andriamanitsika niteny tamintsika tany Horeba ka nanao hoe: Aoka izay ny itoeranareo amin'ny tendrombohitra ity; 7 mihodìna ianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin'ny tany havoan'ny Amorita sy any amin'izay rehetra ao akaikiny, dia any amin'ny tani-hay sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany atsimo sy ny amoron'ny ranomasina, dia any amin'ny tanin'ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata. 8 Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy. 9 Ary niteny taminareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Tsy zakako izaho irery ny hitondra anareo; 10 Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, efa maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra ianareo izao. 11 (Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo!) 12 Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny fahasahirananareo sy ny entanareo any ny adinareo? 13 Mifidiana izay lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra amin'ny firenenareo, ka hataoko ho lehibenareo izy. 14 Dia namaly ahy ianareo ka nanao hoe: Tsara ny teny izay nolazainao ka tokony hankatoavina. 15 Ary nalaiko ny lohan'ny firenenareo, dia olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo sy mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin'ny firenenareo. 16 Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin'ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy. 17 Aza mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an'Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento etỳ amiko ka hohenoiko. 18 Dia nandidy anareo tamin'izany andro izany aho ny amin'ny zavatra rehetra izay hataonareo. 19 Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin'ny lalana mankany amin'ny tany havoan'ny Amorita, araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika. 20 Dia hoy izaho taminareo: Hianareo efa tonga eto amin'ny tany havoan'ny Amonita, izay omen'i Jehovah Andriamanitsika ho antsika; 21 indro, efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po ianao. 22 Dia nanatona ahy ianareo rehetra ka nanao hoe: Aoka haniraka olona hialoha isika, mba hisafo ny tany ho antsika izy ka hitondra teny amintsika hilaza ny lalana izay halehantsika sy ny tanàna izay hiakarantsika. 23 Ary sitrako ny teny ka dia nifidy roa ambin'ny folo lahy teo aminareo aho, may avy isam-pirenena; 24 ary niainga ireo ka niakatra tany amin'ny tany havoana, dia tonga tao amin'ny lohasaha Eskola ka nisafo ny tany; 25 dia nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika, dia nilaza tamintsika hoe izy: Tsara ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitsika ho antsika. 26 Kanefa tsy nety niakatra ianareo, fa nandà ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo. 27 Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: Halan'i Jehovah isika, no nitondrany antsika nivoaka avy tany Egypta hanolorany antsika eo an-tànan'ny Amorita handringanana antsika. 28 Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin'ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita. 29 Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy; 30 Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo, 31 ary tany an-efitra, izay nahitanao ny fitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany, dia teny amin'ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin'ity tany ity. 32 Kanefa, na dia nataoko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany Jehovah Andriamanitrareo, 33 Izay nandeha tamin'ny lalana teo alohanareo hitady tany ho anareo hitobianareo, ka ny afo nony alina sy ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo. 34 Any nandre ny teninareo Jehovah, dia tezitra Izy ka nianiana hoe: 35 Tsy hisy olona mihitsy amin'izao taranaka ratsy fanahy izao hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo, 36 afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone; izy no hahita azy, any izy sy ny zanany no homeko ny tany izay nodiaviny, satria efa tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah izy. 37 Ary izaho koa dia notezeran'i Jehovah noho ny aminareo ka nataony hoe: Hianao koa tsy hiditra any; 38 fa Josoa, zanak'i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao, izy no hiditra any, koa izy no ampaherezo, fa izy no hampandova ny Zanak'Isiraely ny tany. 39 Ary ny zanakareo madinika, izay nolazainareo fa ho babo, any ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin'izao andro izao, dia izy no hiditra any, ary izy no homeko ny tany, ary izy no handova azy. 40 Fa ianareo kosa dia miverena, ka mandehana any an-efitra, dia any amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena. 41 Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah izahay; hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin'ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra. 42 Dia hoy Jehovah tamiko: Lazao aminy hoe: Aza miakatra ianareo, ary aza miady, fa tsy eo aminareo Aho; fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo. 43 Dia niteny taminareo aho, nefa tsy nihaino ianareo; ary nandà ny tenin'i Jehovah ianareo, dia nanao sahisahy ka niakatra tany an-tendrombohitra ihany. 44 Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin'izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny reni-tantely, dia nandringana anareo tany Seira ka hatrany Horma. 45 Dia niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan'i Jehovah; nefa tsy nihaino ny feonareo Jehovah, na nanongilana ny sofiny taminareo. 46 Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao.
| | Chapitre 1 1:1 These are the words which Moses spoke to all Israel beyond the Jordan in the wilderness, in the Arabah over against Suph, between Paran, and Tophel, and Laban, and Hazeroth, and Dizahab. 1:2 It is eleven days’ journey from Horeb by the way of Mount Seir to Kadesh Barnea. 1:3 It happened in the fortieth year, in the eleventh month, on the first day of the month, that Moses spoke to the children of Israel, according to all that Yahweh had given him in commandment to them; 1:4 after he had struck Sihon the king of the Amorites, who lived in Heshbon, and Og the king of Bashan, who lived in Ashtaroth, at Edrei. 1:5 Beyond the Jordan, in the land of Moab, began Moses to declare this law, saying, 1:6 “Yahweh our God spoke to us in Horeb, saying, You have lived long enough in this mountain: 1:7 turn, and take your journey, and go to the hill country of the Amorites, and to all the places near there, in the Arabah, in the hill country, and in the lowland, and in the South, and by the seashore, the land of the Canaanites, and Lebanon, as far as the great river, the river Euphrates. 1:8 Behold, I have set the land before you: go in and possess the land which Yahweh swore to your fathers, to Abraham, to Isaac, and to Jacob, to give to them and to their seed after them.” 1:9 I spoke to you at that time, saying, “I am not able to bear you myself alone: 1:10 Yahweh your God has multiplied you, and behold, you are this day as the stars of the sky for multitude. 1:11 Yahweh, the God of your fathers, make you a thousand times as many as you are, and bless you, as he has promised you! 1:12 How can I myself alone bear your encumbrance, and your burden, and your strife? 1:13 Take wise men of understanding and well known according to your tribes, and I will make them heads over you.” 1:14 You answered me, and said, “The thing which you have spoken is good to do.” 1:15 So I took the heads of your tribes, wise men, and known, and made them heads over you, captains of thousands, and captains of hundreds, and captains of fifties, and captains of tens, and officers, according to your tribes. 1:16 I commanded your judges at that time, saying, “Hear cases between your brothers, and judge righteously between a man and his brother, and the foreigner who is living with him. 1:17 You shall not show partiality in judgment; you shall hear the small and the great alike; you shall not be afraid of the face of man; for the judgment is God’s. The case that is too hard for you, you shall bring to me, and I will hear it.” 1:18 I commanded you at that time all the things which you should do. 1:19 We traveled from Horeb, and went through all that great and terrible wilderness which you saw, by the way to the hill country of the Amorites, as Yahweh our God commanded us; and we came to Kadesh Barnea. 1:20 I said to you, “You have come to the hill country of the Amorites, which Yahweh our God gives to us. 1:21 Behold, Yahweh your God has set the land before you: go up, take possession, as Yahweh, the God of your fathers, has spoken to you; don’t be afraid, neither be dismayed.” 1:22 You came near to me everyone of you, and said, “Let us send men before us, that they may search the land for us, and bring us word again of the way by which we must go up, and the cities to which we shall come.” 1:23 The thing pleased me well; and I took twelve men of you, one man for every tribe: 1:24 and they turned and went up into the hill country, and came to the valley of Eshcol, and spied it out. 1:25 They took of the fruit of the land in their hands, and brought it down to us, and brought us word again, and said, “It is a good land which Yahweh our God gives to us.” 1:26 Yet you wouldn’t go up, but rebelled against the commandment of Yahweh your God: 1:27 and you murmured in your tents, and said, “Because Yahweh hated us, he has brought us forth out of the land of Egypt, to deliver us into the hand of the Amorites, to destroy us. 1:28 Where are we going up? our brothers have made our heart to melt, saying, ‘The people are greater and taller than we; the cities are great and fortified up to the sky; and moreover we have seen the sons of the Anakim there.’” 1:29 Then I said to you, “Don’t dread, neither be afraid of them. 1:30 Yahweh your God who goes before you, he will fight for you, according to all that he did for you in Egypt before your eyes, 1:31 and in the wilderness, where you have seen how that Yahweh your God bore you, as a man does bear his son, in all the way that you went, until you came to this place.” 1:32 Yet in this thing you didn’t believe Yahweh your God, 1:33 who went before you in the way, to seek you out a place to pitch your tents in, in fire by night, to show you by what way you should go, and in the cloud by day. 1:34 Yahweh heard the voice of your words, and was angry, and swore, saying, 1:35 “Surely not one of these men of this evil generation shall see the good land, which I swore to give to your fathers, 1:36 except Caleb the son of Jephunneh: he shall see it; and to him will I give the land that he has trodden on, and to his children, because he has wholly followed Yahweh.” 1:37 Also Yahweh was angry with me for your sakes, saying, “You also shall not go in there: 1:38 Joshua the son of Nun, who stands before you, he shall go in there: encourage you him; for he shall cause Israel to inherit it. 1:39 Moreover your little ones, whom you said should be a prey, and your children, who this day have no knowledge of good or evil, they shall go in there, and to them will I give it, and they shall possess it. 1:40 But as for you, turn, and take your journey into the wilderness by the way to the Red Sea.” 1:41 Then you answered and said to me, “We have sinned against Yahweh, we will go up and fight, according to all that Yahweh our God commanded us.” Every man of you put on his weapons of war, and presumed to go up into the hill country. 1:42 Yahweh said to me, “Tell them, ‘Don’t go up, neither fight; for I am not among you; lest you be struck before your enemies.’” 1:43 So I spoke to you, and you didn’t listen; but you rebelled against the commandment of Yahweh, and were presumptuous, and went up into the hill country. 1:44 The Amorites, who lived in that hill country, came out against you, and chased you, as bees do, and beat you down in Seir, even to Hormah. 1:45 You returned and wept before Yahweh; but Yahweh didn’t listen to your voice, nor gave ear to you. 1:46 So you stayed in Kadesh many days, according to the days that you remained.
| | Chapitre 1 1 Voici les paroles que Moïse adressa à tout Israël, de l'autre côté du Jourdain, dans le désert, dans la plaine, vis-à-vis de Suph, entre Paran, Tophel, Laban, Hatséroth et Di-Zahab. 2 Il y a onze journées depuis Horeb, par le chemin de la montagne de Séir, jusqu'à Kadès-Barnéa. 3 Dans la quarantième année, au onzième mois, le premier du mois, Moïse parla aux enfants d'Israël selon tout ce que l'Éternel lui avait ordonné de leur dire. 4 C'était après qu'il eut battu Sihon, roi des Amoréens, qui habitait à Hesbon, et Og, roi de Basan, qui habitait à Aschtaroth et à Édréi. 5 De l'autre côté du Jourdain, dans le pays de Moab, Moïse commença à expliquer cette loi, et dit: 6 L'Éternel, notre Dieu, nous a parlé à Horeb, en disant: Vous avez assez demeuré dans cette montagne. 7 Tournez-vous, et partez; allez à la montagne des Amoréens et dans tout le voisinage, dans la plaine, sur la montagne, dans la vallée, dans le midi, sur la côte de la mer, au pays des Cananéens et au Liban, jusqu'au grand fleuve, au fleuve d'Euphrate. 8 Voyez, j'ai mis le pays devant vous; allez, et prenez possession du pays que l'Éternel a juré à vos pères, Abraham, Isaac et Jacob, de donner à eux et à leur postérité après eux. 9 Dans ce temps-là, je vous dis: Je ne puis pas, à moi seul, vous porter. 10 L'Éternel, votre Dieu, vous a multipliés, et vous êtes aujourd'hui aussi nombreux que les étoiles du ciel. 11 Que l'Éternel, le Dieu de vos pères, vous augmente mille fois autant, et qu'il vous bénisse comme il vous l'a promis! 12 Comment porterais-je, à moi seul, votre charge, votre fardeau et vos contestations? 13 Prenez dans vos tribus des hommes sages, intelligents et connus, et je les mettrai à votre tête. 14 Vous me répondîtes, en disant: Ce que tu proposes de faire est une bonne chose. 15 Je pris alors les chefs de vos tribus, des hommes sages et connus, et je les mis à votre tête comme chefs de mille, chefs de cent, chefs de cinquante, et chefs de dix, et comme ayant autorité dans vos tribus. 16 Je donnai, dans le même temps, cet ordre à vos juges: Écoutez vos frères, et jugez selon la justice les différends de chacun avec son frère ou avec l'étranger. 17 Vous n'aurez point égard à l'apparence des personnes dans vos jugements; vous écouterez le petit comme le grand; vous ne craindrez aucun homme, car c'est Dieu qui rend la justice. Et lorsque vous trouverez une cause trop difficile, vous la porterez devant moi, pour que je l'entende. 18 C'est ainsi que je vous prescrivis, dans ce temps-là, tout ce que vous aviez à faire. 19 Nous partîmes d'Horeb, et nous parcourûmes en entier ce grand et affreux désert que vous avez vu; nous prîmes le chemin de la montagne des Amoréens, comme l'Éternel, notre Dieu, nous l'avait ordonné, et nous arrivâmes à Kadès-Barnéa. 20 Je vous dis: Vous êtes arrivés à la montagne des Amoréens, que l'Éternel, notre Dieu, nous donne. 21 Vois, l'Éternel, ton Dieu, met le pays devant toi; monte, prends-en possession, comme te l'a dit l'Éternel, le Dieu de tes pères; ne crains point, et ne t'effraie point. 22 Vous vous approchâtes tous de moi, et vous dîtes: Envoyons des hommes devant nous, pour explorer le pays, et pour nous faire un rapport sur le chemin par lequel nous y monterons et sur les villes où nous arriverons. 23 Cet avis me parut bon; et je pris douze hommes parmi vous, un homme par tribu. 24 Ils partirent, traversèrent la montagne, et arrivèrent jusqu'à la vallée d'Eschcol, qu'ils explorèrent. 25 Ils prirent dans leurs mains des fruits du pays, et nous les présentèrent; ils nous firent un rapport, et dirent: C'est un bon pays, que l'Éternel, notre Dieu, nous donne. 26 Mais vous ne voulûtes point y monter, et vous fûtes rebelles à l'ordre de l'Éternel, votre Dieu. 27 Vous murmurâtes dans vos tentes, et vous dîtes: C'est parce que l'Éternel nous hait, qu'il nous a fait sortir du pays d'Égypte, afin de nous livrer entre les mains des Amoréens et de nous détruire. 28 Où monterions-nous? Nos frères nous ont fait perdre courage, en disant: C'est un peuple plus grand et de plus haute taille que nous; ce sont des villes grandes et fortifiées jusqu'au ciel; nous y avons même vu des enfants d'Anak. 29 Je vous dis: Ne vous épouvantez pas, et n'ayez pas peur d'eux. 30 L'Éternel, votre Dieu, qui marche devant vous, combattra lui-même pour vous, selon tout ce qu'il a fait pour vous sous vos yeux en Égypte, 31 puis au désert, où tu as vu que l'Éternel, ton Dieu, t'a porté comme un homme porte son fils, pendant toute la route que vous avez faite jusqu'à votre arrivée en ce lieu. 32 Malgré cela, vous n'eûtes point confiance en l'Éternel, votre Dieu, 33 qui allait devant vous sur la route pour vous chercher un lieu de campement, la nuit dans un feu afin de vous montrer le chemin où vous deviez marcher, et le jour dans une nuée. 34 L'Éternel entendit le bruit de vos paroles. Il s'irrita, et jura, en disant: 35 Aucun des hommes de cette génération méchante ne verra le bon pays que j'ai juré de donner à vos pères, 36 excepté Caleb, fils de Jephunné; il le verra, lui, et je donnerai à lui et à ses enfants le pays sur lequel il a marché, parce qu'il a pleinement suivi la voie de l'Éternel. 37 L'Éternel s'irrita aussi contre moi, à cause de vous, et il dit: Toi non plus, tu n'y entreras point. 38 Josué, fils de Nun, ton serviteur, y entrera; fortifie-le, car c'est lui qui mettra Israël en possession de ce pays. 39 Et vos petits enfants, dont vous avez dit: Ils deviendront une proie! et vos fils, qui ne connaissent aujourd'hui ni le bien ni le mal, ce sont eux qui y entreront, c'est à eux que je le donnerai, et ce sont eux qui le posséderont. 40 Mais vous, tournez-vous, et partez pour le désert, dans la direction de la mer Rouge. 41 Vous répondîtes, en me disant: Nous avons péché contre l'Éternel; nous monterons et nous combattrons, comme l'Éternel, notre Dieu, nous l'a ordonné. Et vous ceignîtes chacun vos armes, et vous fîtes le projet téméraire de monter à la montagne. 42 L'Éternel me dit: Dis-leur: Ne montez pas et ne combattez pas, car je ne suis pas au milieu de vous; ne vous faites pas battre par vos ennemis. 43 Je vous parlai, mais vous n'écoutâtes point; vous fûtes rebelles à l'ordre de l'Éternel, et vous montâtes audacieusement à la montagne. 44 Alors les Amoréens, qui habitent cette montagne, sortirent à votre rencontre, et vous poursuivirent comme font les abeilles; ils vous battirent en Séir, jusqu'à Horma. 45 A votre retour, vous pleurâtes devant l'Éternel; mais l'Éternel n'écouta point votre voix, et ne vous prêta point l'oreille. 46 Vous restâtes à Kadès, où le temps que vous y avez passé fut de longue durée.
| |