T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

vakitenin'i R. Ida (FJKM Viany Tempoly Malala)

1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Belsazara mpanjaka dia nisy fahitana niseho tamiko, izaho Daniela, taorian'ilay niseho tamiko tamin'ny voalohany.

2 Ary nahita tamin'ny fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin'ny lapan'ny mpanjaka izay ao amin'ny tany Elama aho; ary nahita tamin'ny fahitana aho, ka teo amoron'ny ony Olay aho.

3 Dia natopiko ny masoko, ka hitako, fa, indro, nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron'ny ony, izay nanana tandroka roa; lava ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.

4 Hitako ny ondrilahy manoto miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo; ary tsy nisy biby nahajanona teo anoloany, ary tsy nisy naharombaka izay mby teny an-tanany; fa nanao araka izay sitrapony izy ka tonga lehibe.

5 Ary raha mbola nandinika aho, dia, indro, nisy osilahy nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny tany rehetra, nefa tsy nikasika ny tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony.

6 Ary izy nankeo amin'ilay ondrilahy nanana tandroka roa, dia ilay efa hitako nitsangana eo amoron'ny ony, ka nanazakazaka azy tamin'ny fahatezeran'ny heriny.

7 Ary hitako nanatona ho eo anilan'ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin'ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.

8 Ary dia nihahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin'ny rivotra efatry ny lanitra.

9 Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin'ny anankiray amin'ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin'ny tany mahafinaritra.

10 Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin'ireo maro be eny amin'ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin'ny tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny.

11 Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin'ny Komandin'ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan'andro, ary ny fitoerana masina noravana.

12 Ary nisy maro be mbamin'ny fanatitra isan'andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin'ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.

13 Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koa nanao tamin'ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masina sy ireo maro be ho fanitsaka?

14 Ary hoy izy tamiko: Taon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin'izay vao hodiovina ny fitoerana masina.

15 Ary nony nahita ny fahitana izaho Daniela ka nitady hahafantatra izany, dia, indro, nisy nanana tarehy tahaka ny olona nitsangana teo anatrehako.

16 Ary nandre feon'olona tao afovoan'i Olay aho, izay niantso ka nanao hoe: Ry Gabriela, ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity.

17 Ary dia nankeo amin'ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak'olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.

18 Ary raha niresaka tamiko izy, dia renoky ny torimaso teo amin'ny tany aho; fa izy nanohina nampitsangana ahy.

19 Dia hoy izy: Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin'ny fahatezerana farany; fa ho amin'ny fotoana any am-parany izany.

20 Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan'i Media sy Persia.

21 Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan'i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony dia ny mpanjaka voalohany.

22 Ary ny amin'ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin'ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.

23 Ary ny hiafaran'ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina.

24 Ary ho be ny heriny, nefa tsy amin'ny herin'ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny mahery sy ny olo-masina.

25 Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin'izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan'ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona.

26 Ary dia marina ny amin'ireo andro voalaza ireo, nefa ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro izany.

27 Ary izaho Daniela dia torana ka nandraiky narary andro vitsivitsy; ary nony afaka izany dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan'ny mpanjaka; ary ka aho ny amin'ny fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany.

 

 1 In the third year of the reign of king Belshazzar a vision appeared unto me, even unto me, Daniel, after that which appeared unto me at the first.

 2 And I saw in the vision; now it was so, that when I saw, I was in Shushan the palace, which is in the province of Elam; and I saw in the vision, and I was by the river Ulai.

 3 Then I lifted up mine eyes, and saw, and, behold, there stood before the river a ram which had two horns: and the two horns were high; but one was higher than the other, and the higher came up last.

 4 I saw the ram pushing westward, and northward, and southward; and no beasts could stand before him, neither was there any that could deliver out of his hand; but he did according to his will, and magnified himself.

 5 And as I was considering, behold, a he-goat came from the west over the face of the whole earth, and touched not the ground: and the goat had a notable horn between his eyes.

 6 And he came to the ram that had the two horns, which I saw standing before the river, and ran upon him in the fury of his power.

 7 And I saw him come close unto the ram, and he was moved with anger against him, and smote the ram, and brake his two horns; and there was no power in the ram to stand before him; but he cast him down to the ground, and trampled upon him; and there was none that could deliver the ram out of his hand.

 8 And the he-goat magnified himself exceedingly: and when he was strong, the great horn was broken; and instead of it there came up four notable horns toward the four winds of heaven.

 9 And out of one of them came forth a little horn, which waxed exceeding great, toward the south, and toward the east, and toward the glorious land.

 10 And it waxed great, even to the host of heaven; and some of the host and of the stars it cast down to the ground, and trampled upon them.

 11 Yea, it magnified itself, even to the prince of the host; and it took away from him the continual burnt-offering, and the place of his sanctuary was cast down.

 12 And the host was given over to it together with the continual burnt-offering through transgression; and it cast down truth to the ground, and it did its pleasure and prospered.

 13 Then I heard a holy one speaking; and another holy one said unto that certain one who spake, How long shall be the vision concerning the continual burnt-offering, and the transgression that maketh desolate, to give both the sanctuary and the host to be trodden under foot?

 14 And he said unto me, Unto two thousand and three hundred evenings and mornings; then shall the sanctuary be cleansed.

 15 And it came to pass, when I, even I Daniel, had seen the vision, that I sought to understand it; and, behold, there stood before me as the appearance of a man.

 16 And I heard a man's voice between the banks of the Ulai, which called, and said, Gabriel, make this man to understand the vision.

 17 So he came near where I stood; and when he came, I was affrighted, and fell upon my face: but he said unto me, Understand, O son of man; for the vision belongeth to the time of the end.

 18 Now as he was speaking with me, I fell into a deep sleep with my face toward the ground; but he touched me, and set me upright.

 19 And he said, Behold, I will make thee know what shall be in the latter time of the indignation; for it belongeth to the appointed time of the end.

 20 The ram which thou sawest, that had the two horns, they are the kings of Media and Persia.

 21 And the rough he-goat is the king of Greece: and the great horn that is between his eyes is the first king.

 22 And as for that which was broken, in the place whereof four stood up, four kingdoms shall stand up out of the nation, but not with his power.

 23 And in the latter time of their kingdom, when the transgressors are come to the full, a king of fierce countenance, and understanding dark sentences, shall stand up.

 24 And his power shall be mighty, but not by his own power; and he shall destroy wonderfully, and shall prosper and do his pleasure; and he shall destroy the mighty ones and the holy people.

 25 And through his policy he shall cause craft to prosper in his hand; and he shall magnify himself in his heart, and in their security shall he destroy many: he shall also stand up against the prince of princes; but he shall be broken without hand.

 26 And the vision of the evenings and mornings which hath been told is true: but shut thou up the vision; for it belongeth to many days to come.

 27 And I, Daniel, fainted, and was sick certain days; then I rose up, and did the king's business: and I wondered at the vision, but none understood it.

 

1 La troisième année du règne de Belshatsar le roi, une vision m’apparut, à moi, Daniel, après celle qui m’était apparue au commencement.

2 Et je vis dans la vision ; et il arriva, quand je vis, que j’étais à Suse, le palais*, qui est dans la province d’Élam. Et je vis dans la vision, et j’étais près du fleuve Ulaï.

3 Et je levai les yeux, et je vis ; et voici, un bélier se tenait devant le fleuve, et il avait deux cornes ; et les deux cornes étaient hautes, et l’une était plus haute que l’autre, et la plus haute s’éleva la dernière.

4 Je vis le bélier heurtant vers l’occident, et vers le nord, et vers le midi ; et aucune bête ne pouvait tenir devant lui, et il n’y avait personne qui pût délivrer de sa main ; et il fit selon son gré, et devint grand.

5 Et je considérais, et voici, un bouc* venant du couchant sur la face de toute la terre, et qui ne touchait pas la terre ; et le bouc avait une corne de grande apparence entre ses yeux.

6 Et il vint jusqu’au bélier qui avait les deux cornes, que j’avais vu se tenir devant le fleuve, et courut sur lui dans la fureur de sa force.

7 Et je le vis arriver tout près du bélier, et il s’exaspéra contre lui et frappa le bélier, et brisa ses deux cornes, et le bélier fut sans force pour tenir devant lui : il le jeta par terre et le foula aux pieds, et il n’y eut personne qui pût délivrer le bélier de sa main.

8 Et le bouc devint très-grand ; et lorsqu’il fut devenu fort, la grande corne fut brisée, et quatre cornes de grande apparence s’élevèrent à sa place, vers les quatre vents des cieux.

9 Et de l’une d’elles sortit une petite corne, et elle grandit extrêmement vers le midi, et vers le levant, et vers le [pays] de beauté*.

10 Et elle grandit jusqu’à l’armée des cieux, et fit tomber à terre une partie de l’armée et des étoiles, et les foula aux pieds.

11 Et elle s’éleva jusqu’au chef de l’armée ; et le [sacrifice] continuel fut ôté à celui-ci, et le lieu de son sanctuaire fut renversé.

12 (Et un temps de détresse fut assigné au [sacrifice] continuel, pour cause de transgression). Et elle jeta la vérité par terre, et agit*, et prospéra.

13 Et j’entendis un saint qui parlait ; et un autre saint dit au personnage qui parlait : Jusqu’où [va] la vision du [sacrifice] continuel et de la transgression qui désole, pour livrer le lieu saint et l’armée pour être foulés aux pieds ?

14 Et il me dit : Jusqu’à deux mille et trois cents soirs [et] matins ; alors le lieu saint sera purifié.

15 Et il arriva que, lorsque moi, Daniel, j’eus vu la vision, j’en cherchai l’intelligence ; et voici, comme l’apparence d’un homme se tint vis-à-vis de moi ;

16 et j’entendis la voix d’un homme au milieu de l’Ulaï ; et il cria et dit : Gabriel, fais comprendre à celui-ci la vision.

17 Et il vint près du lieu où j’étais, et quand il vint, je fus effrayé et je tombai sur ma face ; et il me dit : Comprends, fils d’homme, car la vision est pour le temps de la fin.

 

18 Or, comme il parlait avec moi, j’étais dans une profonde stupeur, ma face contre terre ; et il me toucha et me fit tenir debout à la place où j’étais.

19 Et il dit : Voici, je te fais connaître ce qui aura lieu à la fin de l’indignation ; car à un temps déterminé sera la fin.

20 Le bélier que tu as vu, qui avait deux cornes, ce sont les rois de Médie et de Perse.

21 Et le bouc velu, c’est le roi de Javan ; et la grande corne qui était entre ses yeux, c’est le premier roi ;

22 et qu’elle ait été brisée et que quatre [autres cornes] se soient élevées à sa place, c’est que quatre royaumes s’élèveront de la nation, mais non avec sa puissance.

23 Et au dernier temps de leur royaume, quand les transgresseurs auront comblé la mesure, il s’élèvera un roi au visage audacieux, et entendant les énigmes ;

24 et sa puissance sera forte, mais non par sa propre puissance ; et il détruira merveilleusement, et il prospérera et agira ; et il détruira les [hommes] forts et le peuple des saints ;

25 et, par son intelligence, il fera prospérer la fraude dans sa main ; et il s’élèvera dans son cœur ; et, par la prospérité il corrompra beaucoup de gens ; et il se lèvera contre le prince des princes, mais il sera brisé sans main.

26 Et la vision du soir et du matin, qui a été dite, est vérité. Et toi, serre la vision, car [elle est] pour beaucoup de jours.

27 Et moi, Daniel, je défaillis, et je fus malade quelques jours ; puis je me levai, et je m’occupai des affaires du roi. Et je fus stupéfié de la vision, mais personne ne la comprit.