T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

vakitenin'i R. Voahangy (Vinany Tempoly Malala)

1 Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky.

2 Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay.

3 Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.

4  Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin'ny andro farany; maro no hazoto mandinika*, ka hitombo ny fahalalana.

5 Dia nijery aho Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa nitsangana ny anankiray teto amoron'ny ony, ary ny anankiray kosa teroa an-dafiny.

6 Ary hoy ny anankiray tamin'ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony: Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran'ireo fahagagana ireo?

7 Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin'ny lanitra ka reko nianiana tamin'Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin'ny olo-masina, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.

8 Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran'ireo zavatra ireo?

9 Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin'ny andro farany.

10 Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.

11 Ary hatramin'ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan'andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.

12 Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.

13 Fa mandehana ianao mandra-pihavin'ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin'ny anjaranao amin'ny andro farany.

  1 And at that time shall Michael stand up, the great prince who standeth for the children of thy people; and there shall be a time of trouble, such as never was since there was a nation even to that same time: and at that time thy people shall be delivered, every one that shall be found written in the book.

2 And many of them that sleep in the dust of the earth shall awake, some to everlasting life, and some to shame and everlasting contempt.

3 And they that are wise shall shine as the brightness of the firmament; and they that turn many to righteousness as the stars for ever and ever.

4 But thou, O Daniel, shut up the words, and seal the book, even to the time of the end: many shall run to and fro, and knowledge shall be increased.

5 Then I, Daniel, looked, and, behold, there stood other two, the one on the brink of the river on this side, and the other on the brink of the river on that side.

6 And one said to the man clothed in linen, who was above the waters of the river, How long shall it be to the end of these wonders?

7  And I heard the man clothed in linen, who was above the waters of the river, when he held up his right hand and his left hand unto heaven, and sware by him that liveth for ever that it shall be for a time, times, and a half; and when they have made an end of breaking in pieces the power of the holy people, all these things shall be finished.

8 And I heard, but I understood not: then said I, O my lord, what shall be the issue of these things?

9 And he said, Go thy way, Daniel; for the words are shut up and sealed till the time of the end. 

10 Many shall purify themselves, and make themselves white, and be refined; but the wicked shall do wickedly; and none of the wicked shall understand; but they that are wise shall understand. 11 And from the time that the continual burnt-offering shall be taken away, and the abomination that maketh desolate set up, there shall be a thousand and two hundred and ninety days. 

12 Blessed is he that waiteth, and cometh to the thousand three hundred and five and thirty days. 

13 But go thou thy way till the end be; for thou shalt rest, and shalt stand in thy lot, at the end of the days.

1 Et en ce temps-là se lèvera Micaël, le grand chef, qui tient pour les fils de ton peuple ; et ce sera un temps de détresse tel, qu’il n’y en a pas eu depuis qu’il existe une nation jusqu’à ce temps-là. Et en ce temps-là ton peuple sera délivré : quiconque sera trouvé écrit dans le livre.

2 Et plusieurs qui dorment dans la poussière de la terre se réveilleront, les uns pour la vie éternelle, et les autres pour l’opprobre, pour être un objet d’horreur éternelle.

3 Et les sages brilleront comme la splendeur de l’étendue, et ceux qui ont enseigné la justice à la multitude*, comme les étoiles, à toujours et à perpétuité.

4 Et toi, Daniel, cache les paroles et scelle le livre jusqu’au temps de la fin. Plusieurs courront çà et là* ; et la connaissance sera augmentée.

5 Et moi, Daniel, je regardai ; et voici deux autres  qui se tenaient, l’un deçà, sur le bord du fleuve, et l’autre delà, sur le bord du fleuve.

6 Et il dit à l’homme vêtu de lin qui était au-dessus des eaux du fleuve : Jusques à quand la fin de ces merveilles ?

7 Et j’entendis l’homme vêtu de lin qui était au-dessus des eaux du fleuve ; et il leva sa main droite et sa main gauche vers les cieux, et jura par celui qui vit éternellement que ce serait pour un temps déterminé*, et des temps déterminés, et une moitié [de temps] ; et lorsqu’il aura achevé de briser** la force du peuple saint, toutes ces choses seront achevées.

— v. 7* : période entre une fête et l’anniversaire qui suit (Lév. 23:2). — v. 7** : ou : disperser.

8 Et moi, j’entendis, mais je ne compris pas. Et je dis : Mon seigneur, quelle sera l’issue de ces choses ?

9 Et il dit : Va, Daniel ; car ces paroles sont cachées et scellées jusqu’au temps de la fin.

10 Plusieurs seront purifiés et blanchis et affinés ; et les méchants agiront méchamment, et aucun des méchants ne comprendra ; mais les sages comprendront.

11 Et depuis le temps où le [sacrifice] continuel sera ôté et où l’abomination qui désole sera placée, [il y aura] mille deux cent quatre-vingt-dix jours.

12 Bienheureux celui qui attend et qui parvient à mille trois cent trente-cinq jours !

13 Et toi, va jusqu’à la fin ; et tu te reposeras, et tu te tiendras dans ton lot, à la fin des jours.