T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 8.

1. Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany. 2. Ary mpivavaka tsara no nandevina an'i Stefana sady nisaona azy fatratra. 3. Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-trano-maizina. 4. Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny. 5. Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao. 6. Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony. 7. Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny. 8. Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany. 9. Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra; 10. ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe. 11. Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona tamin'ny odiny. 12. Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran' i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy. 13. Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an'i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny soa lehibe izay natao. 14. Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy. 15. Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. 16. Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia izay akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo ihany izy. 17. Ary izy roa lahy nametra-tànana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo. 18. Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tànana no nanomezany ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy 19. ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tànana. 20. Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra. 21. Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany hianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra. 22. Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao. 23. Fa hitako fa mbola mitoetra amin'ny fangidian'ny afero sy ny fehin-keloka ihany hianao. 24. Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo. 25. Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin'ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin'ny vohitra maro izay an'ny Samaritana. 26. Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin'ny làlana midina avy any Jerosalema mankany Gaza, dia efitra izany. 27. Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy, mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka, 28. dia nody izy ka nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany. 29. Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io. 30. Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao? 31. Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. 32. Ary izao no tenin'ny Soratra Masina novakiny: "Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, ary tsy niloa-bava, tahaka ny zanak'ondy moana eo anoloan'ny mpanety azy; 33. Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy ? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany" (Isa.53.7.8) 34. Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masìna hianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa? 35. Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i Jesosy taminy. 36. Ary raha nandeha teny an-dàlana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? 37. [Dia hoy Filipo: Raha mino amin'ny fonao rehetra hianao, dia azo atao ihany. Ary izy namaly ka nanao hoe: Mino aho fa Jesosy Kristy no Zanak'Andriamanitra.] 38. Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy. 39. Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly. 40. Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.

Chapitre 8

1 And Saul gave approval to his death. Now at that time a violent attack was started against the church in Jerusalem; and all but the Apostles went away into all parts of Judaea and Samaria. 2 And God-fearing men put Stephen's body in its last resting-place, making great weeping over him. 3 But Saul was burning with hate against the church, going into every house and taking men and women and putting them in prison.

4 But those who had gone in flight went everywhere preaching the word. 5 And Philip went down to Samaria and was teaching them about Christ. 6 And all the people gave attention to the words which Philip said, when they saw the signs which he did. 7 For unclean spirits came out from those who had them, crying with a loud voice; and a number of those who were ill and broken in body were made well. 8 And there was much joy in that town.

9 But there was a certain man named Simon, who in the past had been a wonder-worker and a cause of surprise to the people of Samaria, saying that he himself was a great man: 10 To whom they all gave attention, from the smallest to the greatest, saying, This man is that power of God which is named Great. 11 And they gave attention to him, because for a long time his wonder-working powers had kept them under his control. 12 But when they had faith in the good news given by Philip about the kingdom of God and the name of Jesus Christ, a number of men and women had baptism. 13 And Simon himself had faith and, having had baptism, he went with Philip and, seeing the signs and the great wonders which he did, he was full of surprise.

 

14 Now when the Apostles at Jerusalem had news that the people of Samaria had taken the word of God into their hearts, they sent to them Peter and John; 15 Who, when they came there, made prayer for them, that the Holy Spirit might be given to them: 16 For up to that time he had not come on any of them; only baptism had been given to them in the name of the Lord Jesus. 17 Then they put their hands on them, and the Holy Spirit came on them. 18 Now when Simon saw that the Holy Spirit was given through the touch of the Apostles' hands, he made them an offering of money, saying, 19 Give me this power, so that when I put my hands on anyone he may get the Holy Spirit. 20 But Peter said, May your money come to destruction with you, because you had the idea that what is freely given by God may be got for a price. 21 You have no part in this business, because your heart is not right before God. 22 Let your heart be changed, and make prayer to God that you may have forgiveness for your evil thoughts. 23 For I see that you are prisoned in bitter envy and the chains of sin. 24 And Simon, answering, said, Make prayer for me to the Lord, so that these things which you have said may not come on me.

25 So they, having given their witness and made clear the word of the Lord, went back to Jerusalem, giving the good news on their way in a number of the small towns of Samaria.

26 But an angel of the Lord said to Philip, Get up, and go to the south, to the road which goes from Jerusalem to Gaza, through the waste land. 27 And he went and there was a man of Ethiopia, a servant of great authority under Candace, queen of the Ethiopians, and controller of all her property, who had come up to Jerusalem for worship; 28 He was going back, seated in his carriage, and was reading the book of the prophet Isaiah. 29 And the Spirit said to Philip, Go near, and get on his carriage. 30 And Philip, running up to him, saw that he was reading Isaiah the prophet, and said to him, Is the sense of what you are reading clear to you? 31 And he said, How is that possible when I have no guide? And he made Philip get up by his side.

32 Now the place in the book where he was reading was this: He was taken, like a sheep, to be put to death; and as a lamb is quiet when its wool is being cut, so he made no sound:

33 Being of low degree, his cause was not given a hearing: who has knowledge of his family? for his life is cut off from the earth.

34 And the Ethiopian said to Philip, About whom are these words said by the prophet? about himself, or some other? 35 So Philip, starting from this writing, gave him the good news about Jesus. 36 And while they were going on their way, they came to some water, and the Ethiopian said, See, here is water; why may I not have baptism? 37  38 And he gave orders for the carriage to be stopped, and the two of them went down into the water, and Philip gave him baptism. 39 And when they came up out of the water, the Spirit of the Lord took Philip away; and the Ethiopian saw him no more, for he went on his way full of joy. 40 But Philip came to Azotus, and went through all the towns, preaching the good news, till he came to Caesarea.

Chapitre 8

1 et Saul consentait à sa mort.Or en ce temps-là, il y eut une grande persécution contre l’assemblée qui était à Jérusalem ; et tous furent dispersés dans les contrées de la Judée et de la Samarie, excepté les apôtres.
2 Et des hommes pieux emportèrent Étienne pour l’ensevelir, et menèrent un grand deuil sur lui.

3 Or Saul ravageait l’assemblée, entrant dans les maisons ; et traînant hommes et femmes, il les livrait [pour être jetés] en prison.

4 Ceux donc qui avaient été dispersés allaient çà et là, annonçant la parole.
5 Et Philippe, étant descendu dans une ville de la Samarie, leur prêcha le Christ.
6 Et les foules, d’un commun accord, étaient attentives aux choses que Philippe disait, l’entendant, et voyant les miracles qu’il faisait ;
7 car les esprits immondes, criant à haute voix, sortaient de plusieurs qui en étaient possédés ; et beaucoup de paralytiques et de boiteux furent guéris ;
8 et il y eut une grande joie dans cette ville-là.

9 Or, avant cela, il y avait dans la ville un homme nommé Simon, qui exerçait la magie et étonnait le peuple de la Samarie, se disant être quelque grand personnage ;
10 auquel tous s’attachaient, depuis le petit jusqu’au grand, disant : Celui-ci est la puissance de Dieu appelée la grande.
11 Et ils s’attachaient à lui, parce que depuis longtemps il les étonnait par sa magie.
12 Mais quand ils eurent cru Philippe qui leur annonçait les bonnes nouvelles touchant le royaume de Dieu et le nom de Jésus Christ, tant les hommes que les femmes furent baptisés.
13 Et Simon crut aussi lui-même ; et après avoir été baptisé, il se tenait toujours auprès de Philippe ; et voyant les prodiges et les grands miracles qui se faisaient, il était dans l’étonnement.

14 Or les apôtres qui étaient à Jérusalem, ayant appris que la Samarie avait reçu la parole de Dieu, leur envoyèrent Pierre et Jean,
15 qui, étant descendus, prièrent pour eux, pour qu’ils reçussent l’Esprit Saint :
16 car il n’était encore tombé sur aucun d’eux, mais seulement ils avaient été baptisés pour le nom du seigneur Jésus.
17 Puis ils leur imposèrent les mains, et ils reçurent l’Esprit Saint.
18 Or Simon, voyant que l’Esprit Saint était donné par l’imposition des mains des apôtres, leur offrit de l’argent,
19 disant : Donnez-moi aussi ce pouvoir, afin que tous ceux à qui j’imposerai les mains reçoivent l’Esprit Saint.
20 Mais Pierre lui dit : Que ton argent périsse avec toi, parce que tu as pensé acquérir avec de l’argent le don de Dieu.

21 Tu n’as ni part ni portion dans cette affaire ; car ton cœur n’est pas droit devant Dieu.

22 Repens-toi donc de cette méchanceté, et supplie le Seigneur, afin que, si faire se peut, la pensée de ton cœur te soit pardonnée ;


23 car je vois que tu es dans un fiel d’amertume et dans un lien d’iniquité.
24 Et Simon, répondant, dit : Vous, suppliez le Seigneur pour moi, en sorte que rien ne vienne sur moi de ce dont vous avez parlé.
25 Eux donc, après avoir rendu témoignage et avoir annoncé la parole du Seigneur, s’en retournaient à Jérusalem ; et ils évangélisaient plusieurs villages des Samaritains.

26 Et un ange du Seigneur parla à Philippe, disant : Lève-toi, et va vers le midi, sur le chemin qui descend de Jérusalem à Gaza, lequel est désert.
27 Et lui, se levant, s’en alla. Et voici, un Éthiopien eunuque, homme puissant à la cour de Candace, reine des Éthiopiens, intendant de tous ses trésors, et qui était venu pour adorer à Jérusalem, s’en retournait ;
28 et il était assis dans son char et lisait le prophète Ésaïe.
29 Et l’Esprit dit à Philippe : Approche-toi et joins-toi à ce char.
30 Et Philippe étant accouru, l’entendit qui lisait le prophète Ésaïe ; et il dit : Mais comprends-tu ce que tu lis ?
31 Et il dit : Comment donc le pourrais-je, si quelqu’un ne me conduit ? Et il pria Philippe de monter et de s’asseoir avec lui.
32 Or le passage de l’écriture qu’il lisait était celui-ci : «Il a été mené comme une brebis à la boucherie ; et comme un agneau, muet devant celui qui le tond, ainsi il n’ouvre point sa bouche ;
33 dans son humiliation, son jugement a été ôté ; et qui racontera sa génération ? car sa vie est ôtée de la terre» [Ésaïe 53:7-8].
34 Et l’eunuque, répondant, dit à Philippe : Je te prie, de qui le prophète dit-il cela ? De lui-même, ou de quelque autre ?
35 Et Philippe, ouvrant sa bouche et commençant par cette écriture, lui annonça Jésus.
36 Et comme ils continuaient leur chemin, ils arrivèrent à une eau, et l’eunuque dit : Voici de l’eau, qu’est-ce qui m’empêche d’être baptisé ?
38 Et il donna l’ordre qu’on arrêtât le char, et ils descendirent tous deux à l’eau, et Philippe et l’eunuque ; et [Philippe] le baptisa.
39 Et, quand ils furent remontés hors de l’eau, l’Esprit du Seigneur enleva Philippe, et l’eunuque ne le vit plus, car il continua son chemin tout joyeux ;
40 mais Philippe fut trouvé à Azot ; et en passant au travers [du pays], il évangélisa toutes les villes, jusqu’à ce qu’il fut arrivé à Césarée.