T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 6

1 [Ny nifidianana ny fito lahy, sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan'ny mpianatra, dia nimonomonona tamin'ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin'ny fiantrana isan'andro ny mpitondratenany.

2 Ary ny roa ambin'ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin'Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.

3 Koa amin'izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.

4 Fa izahay kosa haharitra amin'ny fivavahana sy ny fampianarana.

5 Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),

6 ireo dia narosony teo anatrehan'ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.

7 Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.

 

8 [Ny amin'i Stefana] Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka.

9 Fa ny sasany, izay avy amin'ny synagoga atao hoe Synagogan'ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin'izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin'i Stefana.

10 Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;

11 dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy* an'i Mosesy sy Andriamanitra ity. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9.3]

12 Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin'i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin'ny Synedriona;

13 ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masina ity sy ny lalàna;

14 Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr'i Mosesy antsika.

15 Ary izay rehetra nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin'anjely. ]

 

Chapitre 6 

6:1 Now in those days, when the number of the disciples was multiplying, a complaint arose from the Hellenists against the Hebrews, because their widows were neglected in the daily service. 6:2 The twelve summoned the multitude of the disciples and said, “It is not appropriate for us to forsake the word of God and serve tables. 6:3 Therefore select from among you, brothers, seven men of good report, full of the Holy Spirit and of wisdom, whom we may appoint over this business. 6:4 But we will continue steadfastly in prayer and in the ministry of the word.”

6:5 These words pleased the whole multitude. They chose Stephen, a man full of faith and of the Holy Spirit, Philip, Prochorus, Nicanor, Timon, Parmenas, and Nicolaus, a proselyte of Antioch; 6:6 whom they set before the apostles. When they had prayed, they laid their hands on them. 6:7 The word of God increased and the number of the disciples multiplied in Jerusalem exceedingly. A great company of the priests were obedient to the faith.

6:8 Stephen, full of faith and power, performed great wonders and signs among the people. 6:9 But some of those who were of the synagogue called “The Libertines,” and of the Cyrenians, of the Alexandrians, and of those of Cilicia and Asia arose, disputing with Stephen. 6:10 They weren’t able to withstand the wisdom and the Spirit by which he spoke. 6:11 Then they secretly induced men to say, “We have heard him speak blasphemous words against Moses and God.” 6:12 They stirred up the people, the elders, and the scribes, and came against him and seized him, and brought him in to the council, 6:13 and set up false witnesses who said, “This man never stops speaking blasphemous words against this holy place and the law. 6:14 For we have heard him say that this Jesus of Nazareth will destroy this place, and will change the customs which Moses delivered to us.” 6:15 All who sat in the council, fastening their eyes on him, saw his face like it was the face of an angel.

 

Chapitre 6 

1 En ce temps-là, le nombre des disciples augmentant, les Hellénistes murmurèrent contre les Hébreux, parce que leurs veuves étaient négligées dans la distribution qui se faisait chaque jour. 2 Les douze convoquèrent la multitude des disciples, et dirent: Il n'est pas convenable que nous laissions la parole de Dieu pour servir aux tables. 3 C'est pourquoi, frères, choisissez parmi vous sept hommes, de qui l'on rende un bon témoignage, qui soient pleins d'Esprit-Saint et de sagesse, et que nous chargerons de cet emploi. 4 Et nous, nous continuerons à nous appliquer à la prière et au ministère de la parole. 5 Cette proposition plut à toute l'assemblée. Ils élurent Étienne, homme plein de foi et d'Esprit-Saint, Philippe, Prochore, Nicanor, Timon, Parménas, et Nicolas, prosélyte d'Antioche. 6 Ils les présentèrent aux apôtres, qui, après avoir prié, leur imposèrent les mains. 7 La parole de Dieu se répandait de plus en plus, le nombre des disciples augmentait beaucoup à Jérusalem, et une grande foule de sacrificateurs obéissaient à la foi. 8 Étienne, plein de grâce et de puissance, faisait des prodiges et de grands miracles parmi le peuple. 9 Quelques membres de la synagogue dite des Affranchis, de celle des Cyrénéens et de celle des Alexandrins, avec des Juifs de Cilicie et d'Asie, se mirent à discuter avec lui; 10 mais ils ne pouvaient résister à sa sagesse et à l'Esprit par lequel il parlait. 11 Alors ils subornèrent des hommes qui dirent: Nous l'avons entendu proférer des paroles blasphématoires contre Moïse et contre Dieu. 12 Ils émurent le peuple, les anciens et les scribes, et, se jetant sur lui, ils le saisirent, et l'emmenèrent au sanhédrin. 13 Ils produisirent de faux témoins, qui dirent: Cet homme ne cesse de proférer des paroles contre le lieu saint et contre la loi; 14 car nous l'avons entendu dire que Jésus, ce Nazaréen, détruira ce lieu, et changera les coutumes que Moïse nous a données. 15 Tous ceux qui siégeaient au sanhédrin ayant fixé les regards sur Étienne, son visage leur parut comme celui d'un ange.