T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 20

1 [Ny nankanesan'i Paoly tany Grisia indray, sy ny niverenany tany Asia] Ary rehefa nitsahatra ny tabataba, dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Makedonia izy.

2 Ary rehefa nitety izany tany izany sy nananatra ny olona tamin'ny teny maro izy, dia tonga tany Grisia.

3 Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an'i Makedonia.

4 Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak'i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.

5 Ireo dia efa nialoha ka niandry anay tany Troasy.

6 Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana.

7 Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy.

8 Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonanay.

9 Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.

10 Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.

11 Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain'ny andro izy, dia lasa nandeha.

12 Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly.

13 Ary izahay nialoha ho any an-tsambo, dia niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an'i Paoly, satria eo no fotoana nataony, fa nikasa handeha an-tanety* izy. [* Na: handeha tongotra]

14 Ary rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia noraisinay, ary dia lasa nankany Mitylena izahay.

15 Ary rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin'i Kio nony ampitso; ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka* tonga tany Mileto izahay nony ampitson'iny. [ Ampio hoe: (rehefa nitoetra any Trogilio, dia)]

16 Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.

17 [Ny anatra nataon'i Paoly tamin'ny loholon'ny fiangonana tao Efesosy] Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon*'ny fiangonana** hankeo aminy. [* Gr. presbytera] [**Gr. eklesia]

18 Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin'ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin'izany andro rehetra izany,

19 dia ny nanompoako ny Tompo tamin'ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin'ny fanotrehan'ny Jiosy,

20 ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao amin'ny isan-trano;

21 ary nambarako tamin'ny Jiosy sy ny jentilisa* koa ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika. [* Gr. Grika]

22 Ary ankehitriny, indro, tery* am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, [* mifatotra]

23 afa-tsy izay ambaran'ny Fanahy Masina amiko amin'ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy.

24 Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.

25 Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana.

26 Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin'ny ranareo rehetra aho.

27 Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra.

28 Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina*, hiandrasanareo ny fiangonan**'Andriamanitra***, izay novidiny tamin'ny ràny. [*Gr. episkopo] [** Gr. eklesia'] [*** Na: [ny fiangonan'ny Tompo]

29 Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia* masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. [* Gr. lopa]

30 Ary avy aminareo no hiposahan'ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.

31 Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman'alina tamin'ny ranomaso.

32 Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin'izay rehetra nohamasinina.

33 Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban'olona aho.

34 Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay.

35 Efa nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.

36 Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin'izy rehetra.

37 Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon'i Paoly ka nanoroka azy,

38 sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy. [Ny nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony hampihena ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy]

 

Chapitre 20

20:1 After the uproar had ceased, Paul sent for the disciples, took leave of them, and departed to go into Macedonia. 20:2 When he had gone through those parts, and had encouraged them with many words, he came into Greece. 20:3 When he had spent three months there, and a plot was made against him by Jews as he was about to set sail for Syria, he determined to return through Macedonia. 20:4 These accompanied him as far as Asia: Sopater of Beroea; Aristarchus and Secundus of the Thessalonians; Gaius of Derbe; Timothy; and Tychicus and Trophimus of Asia. 20:5 But these had gone ahead, and were waiting for us at Troas. 20:6 We sailed away from Philippi after the days of Unleavened Bread, and came to them at Troas in five days, where we stayed seven days.

20:7 On the first day of the week, when the disciples were gathered together to break bread, Paul talked with them, intending to depart on the next day, and continued his speech until midnight. 20:8 There were many lights in the upper room where we were gathered together. 20:9 A certain young man named Eutychus sat in the window, weighed down with deep sleep. As Paul spoke still longer, being weighed down by his sleep, he fell down from the third story, and was taken up dead. 20:10 Paul went down, and fell upon him, and embracing him said, “Don’t be troubled, for his life is in him.”

20:11 When he had gone up, and had broken bread, and eaten, and had talked with them a long while, even until break of day, he departed. 20:12 They brought the boy in alive, and were greatly comforted.

20:13 But we who went ahead to the ship set sail for Assos, intending to take Paul aboard there, for he had so arranged, intending himself to go by land. 20:14 When he met us at Assos, we took him aboard, and came to Mitylene. 20:15 Sailing from there, we came the following day opposite Chios. The next day we touched at Samos and stayed at Trogyllium, and the day after we came to Miletus. 20:16 For Paul had determined to sail past Ephesus, that he might not have to spend time in Asia; for he was hastening, if it were possible for him, to be in Jerusalem on the day of Pentecost.

20:17 From Miletus he sent to Ephesus, and called to himself the elders of the assembly. 20:18 When they had come to him, he said to them, “You yourselves know, from the first day that I set foot in Asia, how I was with you all the time, 20:19 serving the Lord with all humility, with many tears, and with trials which happened to me by the plots of the Jews; 20:20 how I didn’t shrink from declaring to you anything that was profitable, teaching you publicly and from house to house, 20:21 testifying both to Jews and to Greeks repentance toward God, and faith toward our Lord Jesus.* 20:22 Now, behold, I go bound by the Spirit to Jerusalem, not knowing what will happen to me there; 20:23 except that the Holy Spirit testifies in every city, saying that bonds and afflictions wait for me. 20:24 But these things don’t count; nor do I hold my life dear to myself, so that I may finish my race with joy, and the ministry which I received from the Lord Jesus, to fully testify to the Good News of the grace of God.

20:25 “Now, behold, I know that you all, among whom I went about preaching the Kingdom of God, will see my face no more. 20:26 Therefore I testify to you this day that I am clean from the blood of all men, 20:27 for I didn’t shrink from declaring to you the whole counsel of God. 20:28 Take heed, therefore, to yourselves, and to all the flock, in which the Holy Spirit has made you overseers, to shepherd the assembly of the Lord and God which he purchased with his own blood. 20:29 For I know that after my departure, vicious wolves will enter in among you, not sparing the flock. 20:30 Men will arise from among your own selves, speaking perverse things, to draw away the disciples after them. 20:31 Therefore watch, remembering that for a period of three years I didn’t cease to admonish everyone night and day with tears. 20:32 Now, brothers, I entrust you to God, and to the word of his grace, which is able to build up, and to give you the inheritance among all those who are sanctified. 20:33 I coveted no one’s silver, or gold, or clothing. 20:34 You yourselves know that these hands served my necessities, and those who were with me. 20:35 In all things I gave you an example, that so laboring you ought to help the weak, and to remember the words of the Lord Jesus, that he himself said, ‘It is more blessed to give than to receive.’”

20:36 When he had spoken these things, he knelt down and prayed with them all. 20:37 They all wept a lot, and fell on Paul’s neck and kissed him, 20:38 sorrowing most of all because of the word which he had spoken, that they should see his face no more. And they accompanied him to the ship.

 

Chapitre 20
1 Lorsque le tumulte eut cessé, Paul réunit les disciples, et, après les avoir exhortés, prit congé d'eux, et partit pour aller en Macédoine. 2 Il parcourut cette contrée, en adressant aux disciples de nombreuses exhortations. (20:3) Puis il se rendit en Grèce, 3 où il séjourna trois mois. Il était sur le point de s'embarquer pour la Syrie, quand les Juifs lui dressèrent des embûches. Alors il se décida à reprendre la route de la Macédoine. 4 Il avait pour l'accompagner jusqu'en Asie: Sopater de Bérée, fils de Pyrrhus, Aristarque et Second de Thessalonique, Gaïus de Derbe, Timothée, ainsi que Tychique et Trophime, originaires d'Asie. 5 Ceux-ci prirent les devants, et nous attendirent à Troas. 6 Pour nous, après les jours des pains sans levain, nous nous embarquâmes à Philippes, et, au bout de cinq jours, nous les rejoignîmes à Troas, où nous passâmes sept jours. 7 Le premier jour de la semaine, nous étions réunis pour rompre le pain. Paul, qui devait partir le lendemain, s'entretenait avec les disciples, et il prolongea son discours jusqu'à minuit. 8 Il y avait beaucoup de lampes dans la chambre haute où nous étions assemblés. 9 Or, un jeune homme nommé Eutychus, qui était assis sur la fenêtre, s'endormit profondément pendant le long discours de Paul; entraîné par le sommeil, il tomba du troisième étage en bas, et il fut relevé mort. 10 Mais Paul, étant descendu, se pencha sur lui et le prit dans ses bras, en disant: Ne vous troublez pas, car son âme est en lui. 11 Quand il fut remonté, il rompit le pain et mangea, et il parla longtemps encore jusqu'au jour. Après quoi il partit. 12 Le jeune homme fut ramené vivant, et ce fut le sujet d'une grande consolation. 13 Pour nous, nous précédâmes Paul sur le navire, et nous fîmes voile pour Assos, où nous étions convenus de le reprendre, parce qu'il devait faire la route à pied. 14 Lorsqu'il nous eut rejoints à Assos, nous le prîmes à bord, et nous allâmes à Mytilène. 15 De là, continuant par mer, nous arrivâmes le lendemain vis-à-vis de Chios. Le jour suivant, nous cinglâmes vers Samos, et le jour d'après nous vînmes à Milet. 16 Paul avait résolu de passer devant Éphèse sans s'y arrêter, afin de ne pas perdre de temps en Asie; car il se hâtait pour se trouver, si cela lui était possible, à Jérusalem le jour de la Pentecôte. 17 Cependant, de Milet Paul envoya chercher à Éphèse les anciens de l'Église. 18 Lorsqu'ils furent arrivés vers lui, il leur dit: Vous savez de quelle manière, depuis le premier jour où je suis entré en Asie, je me suis sans cesse conduit avec vous, 19 servant le Seigneur en toute humilité, avec larmes, et au milieu des épreuves que me suscitaient les embûches des Juifs. 20 Vous savez que je n'ai rien caché de ce qui vous était utile, et que je n'ai pas craint de vous prêcher et de vous enseigner publiquement et dans les maisons, 21 annonçant aux Juifs et aux Grecs la repentance envers Dieu et la foi en notre Seigneur Jésus-Christ. 22 Et maintenant voici, lié par l'Esprit, je vais à Jérusalem, ne sachant pas ce qui m'y arrivera; 23 seulement, de ville en ville, l'Esprit-Saint m'avertit que des liens et des tribulations m'attendent. 24 Mais je ne fais pour moi-même aucun cas de ma vie, comme si elle m'était précieuse, pourvu que j'accomplisse ma course avec joie, et le ministère que j'ai reçu du Seigneur Jésus, d'annoncer la bonne nouvelle de la grâce de Dieu. 25 Et maintenant voici, je sais que vous ne verrez plus mon visage, vous tous au milieu desquels j'ai passé en prêchant le royaume de Dieu. 26 C'est pourquoi je vous déclare aujourd'hui que je suis pur du sang de vous tous, 27 car je vous ai annoncé tout le conseil de Dieu, sans en rien cacher. 28 Prenez donc garde à vous-mêmes, et à tout le troupeau sur lequel le Saint-Esprit vous a établis évêques, pour paître l'Église du Seigneur, qu'il s'est acquise par son propre sang. 29 Je sais qu'il s'introduira parmi vous, après mon départ, des loups cruels qui n'épargneront pas le troupeau, 30 et qu'il s'élèvera du milieu de vous des hommes qui enseigneront des choses pernicieuses, pour entraîner les disciples après eux. 31 Veillez donc, vous souvenant que, durant trois années, je n'ai cessé nuit et jour d'exhorter avec larmes chacun de vous. 32 Et maintenant je vous recommande à Dieu et à la parole de sa grâce, à celui qui peut édifier et donner l'héritage avec tous les sanctifiés. 33 Je n'ai désiré ni l'argent, ni l'or, ni les vêtements de personne. 34 Vous savez vous-mêmes que ces mains ont pourvu à mes besoins et à ceux des personnes qui étaient avec moi. 35 Je vous ai montré de toutes manières que c'est en travaillant ainsi qu'il faut soutenir les faibles, et se rappeler les paroles du Seigneur, qui a dit lui-même: Il y a plus de bonheur à donner qu'à recevoir. 36 Après avoir ainsi parlé, il se mit à genoux, et il pria avec eux tous. 37 Et tous fondirent en larmes, et, se jetant au cou de Paul, (20:38) ils l'embrassaient, 38 affligés surtout de ce qu'il avait dit qu'ils ne verraient plus son visage. Et ils l'accompagnèrent jusqu'au navire.