| Chapitre 2 1 [Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. 2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. 3 Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. 4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. 5 Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra. 6 Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra. 7 Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? 8 Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika 9 - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia 10 sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, 11 Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra? 12 Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr'izany? 13 Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo. 14 Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: 15 Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro. 16 Fa izao ilay nampilazaina an'i Joela mpaminany hoe: 17 Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; 18 Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy; 19 Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon'ny setroka; 20 Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza; 21 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena (Joela 3. 1-5). 22 Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany, 23 Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan'Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin'ny tanan'ny olona tsy tan-dalàna; 24 fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan'ny fahafatesana, satria tsy laitr'izany hohazonina Izy. 25 Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an'i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho, 26 Dia izany no nifalian'ny foko sy niravoravoan'ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin'ny fanantenana; 27 Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; [*Gr. Hadesy] 28 Nampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin'ny tavanao (Sal. 16. 8-11). 29 Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany. 30 Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka* eo ambonin'ny seza fiandrianany, [*Na: hapetrany] 31 koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. [*Gr. Hadesy] 32 Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra. 33 Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. [* Na: ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra] 34 Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana 35 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1). 36 Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. 37 Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? 38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; 39 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. 40 Ary nanambara sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin'ity taranaka maditra ity ianareo. 41 Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany. 42 Ary izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana. 43 Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly. 44 Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra, 45 ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy. 46 Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, 47 nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.
| | 2:1 Now when the day of Pentecost had come, they were all with one accord in one place. 2:2 Suddenly there came from the sky a sound like the rushing of a mighty wind, and it filled all the house where they were sitting. 2:3 Tongues like fire appeared and were distributed to them, and one sat on each of them. 2:4 They were all filled with the Holy Spirit, and began to speak with other languages, as the Spirit gave them the ability to speak. 2:5 Now there were dwelling in Jerusalem Jews, devout men, from every nation under the sky. 2:6 When this sound was heard, the multitude came together, and were bewildered, because everyone heard them speaking in his own language. 2:7 They were all amazed and marveled, saying to one another, “Behold, aren’t all these who speak Galileans? 2:8 How do we hear, everyone in our own native language? 2:9 Parthians, Medes, Elamites, and people from Mesopotamia, Judea, Cappadocia, Pontus, Asia, 2:10 Phrygia, Pamphylia, Egypt, the parts of Libya around Cyrene, visitors from Rome, both Jews and proselytes, 2:11 Cretans and Arabians: we hear them speaking in our languages the mighty works of God!” 2:12 They were all amazed, and were perplexed, saying one to another, “What does this mean?” 2:13 Others, mocking, said, “They are filled with new wine.” 2:14 But Peter, standing up with the eleven, lifted up his voice, and spoke out to them, “You men of Judea, and all you who dwell at Jerusalem, let this be known to you, and listen to my words. 2:15 For these aren’t drunken, as you suppose, seeing it is only the third hour of the day. 2:16 But this is what has been spoken through the prophet Joel: 2:17 ‘It will be in the last days, says God, that I will pour out my Spirit on all flesh. Your sons and your daughters will prophesy. Your young men will see visions. Your old men will dream dreams. 2:18 Yes, and on my servants and on my handmaidens in those days, I will pour out my Spirit, and they will prophesy. 2:19 I will show wonders in the sky above, and signs on the earth beneath; blood, and fire, and billows of smoke. 2:20 The sun will be turned into darkness, and the moon into blood, before the great and glorious day of the Lord comes. 2:21 It will be, that whoever will call on the name of the Lord will be saved.’* 2:22 “Men of Israel, hear these words! Jesus of Nazareth, a man approved by God to you by mighty works and wonders and signs which God did by him in the midst of you, even as you yourselves know, 2:23 him, being delivered up by the determined counsel and foreknowledge of God, you have taken by the hand of lawless men, crucified and killed; 2:24 whom God raised up, having freed him from the agony of death, because it was not possible that he should be held by it. 2:25 For David says concerning him, ‘I saw the Lord always before my face, For he is on my right hand, that I should not be moved. 2:26 Therefore my heart was glad, and my tongue rejoiced. Moreover my flesh also will dwell in hope; 2:27 because you will not leave my soul in Hades, neither will you allow your Holy One to see decay. 2:28 You made known to me the ways of life. You will make me full of gladness with your presence.’* 2:29 “Brothers, I may tell you freely of the patriarch David, that he both died and was buried, and his tomb is with us to this day. 2:30 Therefore, being a prophet, and knowing that God had sworn with an oath to him that of the fruit of his body, according to the flesh, he would raise up the Christ to sit on his throne, 2:31 he foreseeing this spoke about the resurrection of the Christ, that neither was his soul left in Hades, nor did his flesh see decay. 2:32 This Jesus God raised up, to which we all are witnesses. 2:33 Being therefore exalted by the right hand of God, and having received from the Father the promise of the Holy Spirit, he has poured out this, which you now see and hear. 2:34 For David didn’t ascend into the heavens, but he says himself, ‘The Lord said to my Lord, “Sit by my right hand, 2:35 until I make your enemies a footstool for your feet.”’* 2:36 “Let all the house of Israel therefore know certainly that God has made him both Lord and Christ, this Jesus whom you crucified.” 2:37 Now when they heard this, they were cut to the heart, and said to Peter and the rest of the apostles, “Brothers, what shall we do?” 2:38 Peter said to them, “Repent, and be baptized, every one of you, in the name of Jesus Christ for the forgiveness of sins, and you will receive the gift of the Holy Spirit. 2:39 For the promise is to you, and to your children, and to all who are far off, even as many as the Lord our God will call to himself.” 2:40 With many other words he testified, and exhorted them, saying, “Save yourselves from this crooked generation!” 2:41 Then those who gladly received his word were baptized. There were added that day about three thousand souls. 2:42 They continued steadfastly in the apostles’ teaching and fellowship, in the breaking of bread, and prayer. 2:43 Fear came on every soul, and many wonders and signs were done through the apostles. 2:44 All who believed were together, and had all things in common. 2:45 They sold their possessions and goods, and distributed them to all, according as anyone had need. 2:46 Day by day, continuing steadfastly with one accord in the temple, and breaking bread at home, they took their food with gladness and singleness of heart, 2:47 praising God, and having favor with all the people. The Lord added to the assembly day by day those who were being saved.
| | Chapitre 2 1 Le jour de la Pentecôte, ils étaient tous ensemble dans le même lieu. 2 Tout à coup il vint du ciel un bruit comme celui d'un vent impétueux, et il remplit toute la maison où ils étaient assis. 3 Des langues, semblables à des langues de feu, leur apparurent, séparées les unes des autres, et se posèrent sur chacun d'eux. 4 Et ils furent tous remplis du Saint-Esprit, et se mirent à parler en d'autres langues, selon que l'Esprit leur donnait de s'exprimer. 5 Or, il y avait en séjour à Jérusalem des Juifs, hommes pieux, de toutes les nations qui sont sous le ciel. 6 Au bruit qui eut lieu, la multitude accourut, et elle fut confondue parce que chacun les entendait parler dans sa propre langue. 7 Ils étaient tous dans l'étonnement et la surprise, et ils se disaient les uns aux autres: Voici, ces gens qui parlent ne sont-ils pas tous Galiléens? 8 Et comment les entendons-nous dans notre propre langue à chacun, dans notre langue maternelle? 9 Parthes, Mèdes, Élamites, ceux qui habitent la Mésopotamie, la Judée, la Cappadoce, le Pont, l'Asie, 10 la Phrygie, la Pamphylie, l'Égypte, le territoire de la Libye voisine de Cyrène, et ceux qui sont venus de Rome, Juifs et prosélytes, 11 Crétois et Arabes, comment les entendons-nous parler dans nos langues des merveilles de Dieu? 12 Ils étaient tous dans l'étonnement, et, ne sachant que penser, ils se disaient les uns aux autres: Que veut dire ceci? 13 Mais d'autres se moquaient, et disaient: Ils sont pleins de vin doux. 14 Alors Pierre, se présentant avec les onze, éleva la voix, et leur parla en ces termes: Hommes Juifs, et vous tous qui séjournez à Jérusalem, sachez ceci, et prêtez l'oreille à mes paroles! 15 Ces gens ne sont pas ivres, comme vous le supposez, car c'est la troisième heure du jour. 16 Mais c'est ici ce qui a été dit par le prophète Joël: 17 Dans les derniers jours, dit Dieu, je répandrai de mon Esprit sur toute chair; Vos fils et vos filles prophétiseront, Vos jeunes gens auront des visions, Et vos vieillards auront des songes. 18 Oui, sur mes serviteurs et sur mes servantes, Dans ces jours-là, je répandrai de mon Esprit; et ils prophétiseront. 19 Je ferai paraître des prodiges en haut dans le ciel et des miracles en bas sur la terre, Du sang, du feu, et une vapeur de fumée; 20 Le soleil se changera en ténèbres, Et la lune en sang, Avant l'arrivée du jour du Seigneur, De ce jour grand et glorieux. 21 Alors quiconque invoquera le nom du Seigneur sera sauvé. 22 Hommes Israélites, écoutez ces paroles! Jésus de Nazareth, cet homme à qui Dieu a rendu témoignage devant vous par les miracles, les prodiges et les signes qu'il a opérés par lui au milieu de vous, comme vous le savez vous-mêmes; 23 cet homme, livré selon le dessein arrêté et selon la prescience de Dieu, vous l'avez crucifié, vous l'avez fait mourir par la main des impies. 24 Dieu l'a ressuscité, en le délivrant des liens de la mort, parce qu'il n'était pas possible qu'il fût retenu par elle. 25 Car David dit de lui: Je voyais constamment le Seigneur devant moi, Parce qu'il est à ma droite, afin que je ne sois point ébranlé. 26 Aussi mon coeur est dans la joie, et ma langue dans l'allégresse; Et même ma chair reposera avec espérance, 27 Car tu n'abandonneras pas mon âme dans le séjour des morts, Et tu ne permettras pas que ton Saint voie la corruption. 28 Tu m'as fait connaître les sentiers de la vie, Tu me rempliras de joie par ta présence. 29 Hommes frères, qu'il me soit permis de vous dire librement, au sujet du patriarche David, qu'il est mort, qu'il a été enseveli, et que son sépulcre existe encore aujourd'hui parmi nous. 30 Comme il était prophète, et qu'il savait que Dieu lui avait promis avec serment de faire asseoir un de ses descendants sur son trône, 31 c'est la résurrection du Christ qu'il a prévue et annoncée, en disant qu'il ne serait pas abandonné dans le séjour des morts et que sa chair ne verrait pas la corruption. 32 C'est ce Jésus que Dieu a ressuscité; nous en sommes tous témoins. 33 Élevé par la droite de Dieu, il a reçu du Père le Saint-Esprit qui avait été promis, et il l'a répandu, comme vous le voyez et l'entendez. 34 Car David n'est point monté au ciel, mais il dit lui-même: Le Seigneur a dit à mon Seigneur: Assieds-toi à ma droite, 35 Jusqu'à ce que je fasse de tes ennemis ton marchepied. 36 Que toute la maison d'Israël sache donc avec certitude que Dieu a fait Seigneur et Christ ce Jésus que vous avez crucifié. 37 Après avoir entendu ce discours, ils eurent le coeur vivement touché, et ils dirent à Pierre et aux autres apôtres: Hommes frères, que ferons-nous? 38 Pierre leur dit: Repentez-vous, et que chacun de vous soit baptisé au nom de Jésus-Christ, pour le pardon de vos péchés; et vous recevrez le don du Saint-Esprit. 39 Car la promesse est pour vous, pour vos enfants, et pour tous ceux qui sont au loin, en aussi grand nombre que le Seigneur notre Dieu les appellera. 40 Et, par plusieurs autres paroles, il les conjurait et les exhortait, disant: Sauvez-vous de cette génération perverse. 41 Ceux qui acceptèrent sa parole furent baptisés; et, en ce jour-là, le nombre des disciples s'augmenta d'environ trois mille âmes. 42 Ils persévéraient dans l'enseignement des apôtres, dans la communion fraternelle, dans la fraction du pain, et dans les prières. 43 La crainte s'emparait de chacun, et il se faisait beaucoup de prodiges et de miracles par les apôtres. 44 Tous ceux qui croyaient étaient dans le même lieu, et ils avaient tout en commun. 45 Ils vendaient leurs propriétés et leurs biens, et ils en partageaient le produit entre tous, selon les besoins de chacun. 46 Ils étaient chaque jour tous ensemble assidus au temple, ils rompaient le pain dans les maisons, et prenaient leur nourriture avec joie et simplicité de coeur, 47 louant Dieu, et trouvant grâce auprès de tout le peuple. Et le Seigneur ajoutait chaque jour à l'Église ceux qui étaient sauvés.
| |