| Chapitre 19 1 Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy 2 ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. 3 Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona. 4 Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. 5 Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo. 6 Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany. 7 Ary tokony ho roa ambin'ny folo lahy no isan'izy rehetra. 8 Ary Paoly niditra tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 9 Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana* izany teo imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano. [* Gr. lalana] 10 Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika] 11 Ary ny tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro, 12 ka dia ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy. 13 Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran'i Jesosy Tompo koa teo ambonin'ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin'i Jesosy Izay torin'i Paoly aho. 14 Ary nisy fito mirahalahy, zanak'i Skeva, Jiosy, lohan'ny mpisorona, izay nanao izany. 15 Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo? 16 Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin'ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin'izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra. 17 Ary fantatry ny Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran'i Jesosy Tompo. 18 Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany. 19 Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany. 20 Fatratra toy izany no fandroson'ny tenin'Andriamanitra sy ny heriny. 21 Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an'i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an'i Roma koa. 22 Ary ny roa lahy tamin'izay nanompo ary, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa. 23 [Ny tabataba nataon'i Demetrio sy ny namany tao Efesosy] Ary tamin'izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin'izany fampianarana* izany. [* Gr. lalana] 24 Fa nisy lehilahy anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin'ny tempolin'i Diana* tamin'ny volafotsy, dia nampahazo harena be ny mpanefy; [* Gr. Artemisy] 25 ireny mbamin'ny mpanao zavatra hafa koa toy izany dia nantsoiny hiangona ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin'izao tao-zavatra izao no ahazoantsika harena. 26 Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an'i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny samy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana. 27 Ka dia tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin'i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan'i Asia rehetra sy izao tontolo izao. 28 Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana! 29 Ary nanerana ny tanàna ny tabataba; ary rehefa nisarika an'i Gaio sy Aristarko, lehilahy Makedoniana niara-dia tamin'i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana. 30 Ary raha te-hiditra ho any amin'ny olona Paoly, dia tsy navelan'ny mpianatra. 31 Ary ny lehibe sasany tany Asia*, izay sakaizany, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana. [* Gr. Asiarka] 32 Ary ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton'ny niangonany teo. 33 Ary nisy nisarika an'i Aleksandro avy teo amin'ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin'ny olona. 34 Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana! 35 Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan'ny Efesiana no mpitahiry an'i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin'i Jopitera *? [* Gr. Zeosy] 36 Ary satria tsy azo toherina izany, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona an-kamehana. 37 Fa nentinareo etỳ ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika. 38 Koa raha manan-teny hifamaliana amin'olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora. 39 Fa raha mitady zavatra hafa kosa ianareo, dia hotsaraina amin'izay fivoriana voatendrin'ny lalàna. 40 Fa andrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androany, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana izao. 41 Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.
| | Chapitre 19 19:1 It happened that, while Apollos was at Corinth, Paul, having passed through the upper country, came to Ephesus, and found certain disciples. 19:2 He said to them, “Did you receive the Holy Spirit when you believed?” They said to him, “No, we haven’t even heard that there is a Holy Spirit.” 19:3 He said, “Into what then were you baptized?” They said, “Into John’s baptism.” 19:4 Paul said, “John indeed baptized with the baptism of repentance, saying to the people that they should believe in the one who would come after him, that is, in Jesus.” 19:5 When they heard this, they were baptized in the name of the Lord Jesus. 19:6 When Paul had laid his hands on them, the Holy Spirit came on them, and they spoke with other languages and prophesied. 19:7 They were about twelve men in all. 19:8 He entered into the synagogue, and spoke boldly for a period of three months, reasoning and persuading about the things concerning the Kingdom of God. 19:9 But when some were hardened and disobedient, speaking evil of the Way before the multitude, he departed from them, and separated the disciples, reasoning daily in the school of Tyrannus. 19:10 This continued for two years, so that all those who lived in Asia heard the word of the Lord Jesus, both Jews and Greeks. 19:11 God worked special miracles by the hands of Paul, 19:12 so that even handkerchiefs or aprons were carried away from his body to the sick, and the evil spirits went out. 19:13 But some of the itinerant Jews, exorcists, took on themselves to invoke over those who had the evil spirits the name of the Lord Jesus, saying, “We adjure you by Jesus whom Paul preaches.” 19:14 There were seven sons of one Sceva, a Jewish chief priest, who did this. 19:15 The evil spirit answered, “Jesus I know, and Paul I know, but who are you?” 19:16 The man in whom the evil spirit was leaped on them, and overpowered them, and prevailed against them, so that they fled out of that house naked and wounded. 19:17 This became known to all, both Jews and Greeks, who lived at Ephesus. Fear fell on them all, and the name of the Lord Jesus was magnified. 19:18 Many also of those who had believed came, confessing, and declaring their deeds. 19:19 Many of those who practiced magical arts brought their books together and burned them in the sight of all. They counted their price, and found it to be fifty thousand pieces of silver. 19:20 So the word of the Lord was growing and becoming mighty. 19:21 Now after these things had ended, Paul determined in the spirit, when he had passed through Macedonia and Achaia, to go to Jerusalem, saying, “After I have been there, I must also see Rome.” 19:22 Having sent into Macedonia two of those who served him, Timothy and Erastus, he himself stayed in Asia for a while. 19:23 About that time there arose no small stir concerning the Way. 19:24 For a certain man named Demetrius, a silversmith, who made silver shrines of Artemis, brought no little business to the craftsmen, 19:25 whom he gathered together, with the workmen of like occupation, and said, “Sirs, you know that by this business we have our wealth. 19:26 You see and hear, that not at Ephesus alone, but almost throughout all Asia, this Paul has persuaded and turned away many people, saying that they are no gods, that are made with hands. 19:27 Not only is there danger that this our trade come into disrepute, but also that the temple of the great goddess Artemis will be counted as nothing, and her majesty destroyed, whom all Asia and the world worships.” 19:28 When they heard this they were filled with anger, and cried out, saying, “Great is Artemis of the Ephesians!” 19:29 The whole city was filled with confusion, and they rushed with one accord into the theater, having seized Gaius and Aristarchus, men of Macedonia, Paul’s companions in travel. 19:30 When Paul wanted to enter in to the people, the disciples didn’t allow him. 19:31 Certain also of the Asiarchs, being his friends, sent to him and begged him not to venture into the theater. 19:32 Some therefore cried one thing, and some another, for the assembly was in confusion. Most of them didn’t know why they had come together. 19:33 They brought Alexander out of the multitude, the Jews putting him forward. Alexander beckoned with his hand, and would have made a defense to the people. 19:34 But when they perceived that he was a Jew, all with one voice for a time of about two hours cried out, “Great is Artemis of the Ephesians!” 19:35 When the town clerk had quieted the multitude, he said, “You men of Ephesus, what man is there who doesn’t know that the city of the Ephesians is temple keeper of the great goddess Artemis, and of the image which fell down from Zeus? 19:36 Seeing then that these things can’t be denied, you ought to be quiet, and to do nothing rash. 19:37 For you have brought these men here, who are neither robbers of temples nor blasphemers of your goddess. 19:38 If therefore Demetrius and the craftsmen who are with him have a matter against anyone, the courts are open, and there are proconsuls. Let them press charges against one another. 19:39 But if you seek anything about other matters, it will be settled in the regular assembly. 19:40 For indeed we are in danger of being accused concerning this day’s riot, there being no cause. Concerning it, we wouldn’t be able to give an account of this commotion.” 19:41 When he had thus spoken, he dismissed the assembly.
| | Chapitre 19 1 Pendant qu'Apollos était à Corinthe, Paul, après avoir parcouru les hautes provinces de l'Asie, arriva à Éphèse. Ayant rencontré quelques disciples, 2 (19:1) il leur dit: (19:2) Avez-vous reçu le Saint-Esprit, quand vous avez cru? Ils lui répondirent: Nous n'avons pas même entendu dire qu'il y ait un Saint-Esprit. 3 Il dit: De quel baptême avez-vous donc été baptisés? Et ils répondirent: Du baptême de Jean. 4 Alors Paul dit: Jean a baptisé du baptême de repentance, disant au peuple de croire en celui qui venait après lui, c'est-à-dire, en Jésus. 5 Sur ces paroles, ils furent baptisés au nom du Seigneur Jésus. 6 Lorsque Paul leur eut imposé les mains, le Saint-Esprit vint sur eux, et ils parlaient en langues et prophétisaient. 7 Ils étaient en tout environ douze hommes. 8 Ensuite Paul entra dans la synagogue, où il parla librement. Pendant trois mois, il discourut sur les choses qui concernent le royaume de Dieu, s'efforçant de persuader ceux qui l'écoutaient. 9 Mais, comme quelques-uns restaient endurcis et incrédules, décriant devant la multitude la voie du Seigneur, il se retira d'eux, sépara les disciples, et enseigna chaque jour dans l'école d'un nommé Tyrannus. 10 Cela dura deux ans, de sorte que tous ceux qui habitaient l'Asie, Juifs et Grecs, entendirent la parole du Seigneur. 11 Et Dieu faisait des miracles extraordinaires par les mains de Paul, 12 au point qu'on appliquait sur les malades des linges ou des mouchoirs qui avaient touché son corps, et les maladies les quittaient, et les esprits malins sortaient. 13 Quelques exorcistes juifs ambulants essayèrent d'invoquer sur ceux qui avaient des esprits malins le nom du Seigneur Jésus, en disant: Je vous conjure par Jésus que Paul prêche! 14 Ceux qui faisaient cela étaient sept fils de Scéva, Juif, l'un des principaux sacrificateurs. 15 L'esprit malin leur répondit: Je connais Jésus, et je sais qui est Paul; mais vous, qui êtes-vous? 16 Et l'homme dans lequel était l'esprit malin s'élança sur eux, se rendit maître de tous deux, et les maltraita de telle sorte qu'ils s'enfuirent de cette maison nus et blessés. 17 Cela fut connu de tous les Juifs et de tous les Grecs qui demeuraient à Éphèse, et la crainte s'empara d'eux tous, et le nom du Seigneur Jésus était glorifié. 18 Plusieurs de ceux qui avaient cru venaient confesser et déclarer ce qu'ils avaient fait. 19 Et un certain nombre de ceux qui avaient exercé les arts magiques, ayant apporté leurs livres, les brûlèrent devant tout le monde: on en estima la valeur à cinquante mille pièces d'argent. 20 C'est ainsi que la parole du Seigneur croissait en puissance et en force. 21 Après que ces choses se furent passées, Paul forma le projet d'aller à Jérusalem, en traversant la Macédoine et l'Achaïe. Quand j'aurai été là, se disait-il, il faut aussi que je voie Rome. 22 Il envoya en Macédoine deux de ses aides, Timothée et Éraste, et il resta lui-même quelque temps encore en Asie. 23 Il survint, à cette époque, un grand trouble au sujet de la voie du Seigneur. 24 Un nommé Démétrius, orfèvre, fabriquait en argent des temples de Diane, et procurait à ses ouvriers un gain considérable. 25 Il les rassembla, avec ceux du même métier, et dit: O hommes, vous savez que notre bien-être dépend de cette industrie; 26 et vous voyez et entendez que, non seulement à Éphèse, mais dans presque toute l'Asie, ce Paul a persuadé et détourné une foule de gens, en disant que les dieux faits de main d'homme ne sont pas des dieux. 27 Le danger qui en résulte, ce n'est pas seulement que notre industrie ne tombe en discrédit; c'est encore que le temple de la grande déesse Diane ne soit tenu pour rien, et même que la majesté de celle qui est révérée dans toute l'Asie et dans le monde entier ne soit réduite à néant. 28 Ces paroles les ayant remplis de colère, ils se mirent à crier: Grande est la Diane des Éphésiens! 29 Toute la ville fut dans la confusion. Ils se précipitèrent tous ensemble au théâtre, entraînant avec eux Gaïus et Aristarque, Macédoniens, compagnons de voyage de Paul. 30 Paul voulait se présenter devant le peuple, mais les disciples l'en empêchèrent; 31 quelques-uns même des Asiarques, qui étaient ses amis, envoyèrent vers lui, pour l'engager à ne pas se rendre au théâtre. 32 Les uns criaient d'une manière, les autres d'une autre, car le désordre régnait dans l'assemblée, et la plupart ne savaient pas pourquoi ils s'étaient réunis. 33 Alors on fit sortir de la foule Alexandre, que les Juifs poussaient en avant; et Alexandre, faisant signe de la main, voulait parler au peuple. 34 Mais quand ils reconnurent qu'il était Juif, tous d'une seule voix crièrent pendant près de deux heures: Grande est la Diane des Éphésiens! 35 Cependant le secrétaire, ayant apaisé la foule, dit: Hommes Éphésiens, quel est celui qui ignore que la ville d'Éphèse est la gardienne du temple de la grande Diane et de son simulacre tombé du ciel? 36 Cela étant incontestable, vous devez vous calmer, et ne rien faire avec précipitation. 37 Car vous avez amené ces hommes, qui ne sont coupables ni de sacrilège, ni de blasphème envers notre déesse. 38 Si donc Démétrius et ses ouvriers ont à se plaindre de quelqu'un, il y a des jours d'audience et des proconsuls; qu'ils s'appellent en justice les uns les autres. 39 Et si vous avez en vue d'autres objets, ils se régleront dans une assemblée légale. 40 Nous risquons, en effet, d'être accusés de sédition pour ce qui s'est passé aujourd'hui, puisqu'il n'existe aucun motif qui nous permette de justifier cet attroupement. 41 (19:40) Après ces paroles, il congédia l'assemblée. | |