T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 17

1 [Ny nankanesan'i Paoly sy Silasy tany Tesalonika sy Beria] Ary rehefa nandeha namaky an'i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan'ny Jiosy tao.

2 Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin'ny Soratra Masina tamin'ny olona tao.

3 Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin'ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy.

4 Ary ny sasany tamin'ireo dia nino ka nanampy ho isan'ny mpianatr'i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin'ny jentilisa* izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy nanan-kaja. [* Gr. Grika]

 

5 Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon'i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin'ny olona.

6 Ary raha tsy nahita azy roa lahy izy, dia nisarika an'i Jasona sy ny rahalahy sasany ho ao amin'ny lehiben'ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tongay koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo;

7 ary efa nampandrosoin'i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin'i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.

8 Dia taitra ny vahoaka sy ny lehiben'ny tanàna, raha nahare izany.

9 Ary rehefa nasainy nametraka antoka Jasona sy ny sasany teo aminy, dia navelany handeha izy.

 

10 Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin'ny rahalahy niaraka tamin'izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.

11 Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina izany, na tsia.

12 Koa maro tamin'ireo no nino, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy jentilisa* nanan-kaja sy ny lehilahy. [*Gr. Grika]

13 Fa raha ren'ny Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory ny tenin'Andriamanitra tany Beria, dia nankany izy ka nampikotrana sy nampitabataba ny vahoaka.

14 Ary niaraka tamin'izay dia nasain'ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina Paoly; fa Silasy sy Timoty kosa dia mbola nijanona teo ihany.

15 Ary izay nanatitra an'i Paoly dia nitondra azy nankany Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy amin'i Silasy sy Timoty izy mba hankanesan'izy roa lahy any aminy faingana, dia lasa nandeha ireo.

16 [Ny nataon'i Paoly tany Atena] Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanàna feno sampy izy.

17 Ary izy niady hevitra tamin'ny Jiosy sy ny proselyta tao amin'ny synagoga sy tamin'izay tafavory tany an-tsena isan'andro.

18 Ary ny olon-kendry sasany tamin'ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian'io mpibedibedy* io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan'ny maty no notoriny. [* Gr. mpitsindroka]

19 Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay?

20 Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr'izany zavatra izany.

21 (Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin'ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.)

22 Ary Paoly nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra ianareo.

23 Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo,

24 dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana,

25 sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra;

26 ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany,

27 mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;

28 fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.

29 Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona.

30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka,

31 satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty.

32 Ary raha nahare ny amin'ny fitsanganan'ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'izany zavatra izany.

33 Ary Paoly dia niala teo aminy.

34 Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman'izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.

 

Chapitre 17

1 Now when they had passed through Amphipolis and Apollonia, they came to Thessalonica, where was a synagogue of the Jews:

2 And Paul, as his manner was, went in unto them, and three sabbath days reasoned with them out of the scriptures,

3 Opening and alleging, that Christ must needs have suffered, and risen again from the dead; and that this Jesus, whom I preach unto you, is Christ.

4 And some of them believed, and consorted with Paul and Silas; and of the devout Greeks a great multitude, and of the chief women not a few.

5 But the Jews which believed not, moved with envy, took unto them certain lewd fellows of the baser sort, and gathered a company, and set all the city on an uproar, and assaulted the house of Jason, and sought to bring them out to the people.

6 And when they found them not, they drew Jason and certain brethren unto the rulers of the city, crying, These that have turned the world upside down are come hither also;

7 Whom Jason hath received: and these all do contrary to the decrees of Caesar, saying that there is another king, one Jesus.

8 And they troubled the people and the rulers of the city, when they heard these things.

9 And when they had taken security of Jason, and of the other, they let them go.

10 And the brethren immediately sent away Paul and Silas by night unto Berea: who coming thither went into the synagogue of the Jews.

11 These were more noble than those in Thessalonica, in that they received the word with all readiness of mind, and searched the scriptures daily, whether those things were so.

12 Therefore many of them believed; also of honourable women which were Greeks, and of men, not a few.

13 But when the Jews of Thessalonica had knowledge that the word of God was preached of Paul at Berea, they came thither also, and stirred up the people.

14 And then immediately the brethren sent away Paul to go as it were to the sea: but Silas and Timotheus abode there still.

15 And they that conducted Paul brought him unto Athens: and receiving a commandment unto Silas and Timotheus for to come to him with all speed, they departed.

16 Now while Paul waited for them at Athens, his spirit was stirred in him, when he saw the city wholly given to idolatry.

17 Therefore disputed he in the synagogue with the Jews, and with the devout persons, and in the market daily with them that met with him.

18 Then certain philosophers of the Epicureans, and of the Stoicks, encountered him. And some said, What will this babbler say? other some, He seemeth to be a setter forth of strange gods: because he preached unto them Jesus, and the resurrection.

19 And they took him, and brought him unto Areopagus, saying, May we know what this new doctrine, whereof thou speakest, is?

20 For thou bringest certain strange things to our ears: we would know therefore what these things mean.

21 (For all the Athenians and strangers which were there spent their time in nothing else, but either to tell, or to hear some new thing.)

22 Then Paul stood in the midst of Mars' hill, and said, Ye men of Athens, I perceive that in all things ye are too superstitious.

23 For as I passed by, and beheld your devotions, I found an altar with this inscription, TO THE UNKNOWN GOD. Whom therefore ye ignorantly worship, him declare I unto you.

24 God that made the world and all things therein, seeing that he is Lord of heaven and earth, dwelleth not in temples made with hands;

25 Neither is worshipped with men's hands, as though he needed any thing, seeing he giveth to all life, and breath, and all things;

26 And hath made of one blood all nations of men for to dwell on all the face of the earth, and hath determined the times before appointed, and the bounds of their habitation;

27 That they should seek the Lord, if haply they might feel after him, and find him, though he be not far from every one of us:

28 For in him we live, and move, and have our being; as certain also of your own poets have said, For we are also his offspring.

29 Forasmuch then as we are the offspring of God, we ought not to think that the Godhead is like unto gold, or silver, or stone, graven by art and man's device.

30 And the times of this ignorance God winked at; but now commandeth all men every where to repent:

31 Because he hath appointed a day, in the which he will judge the world in righteousness by that man whom he hath ordained; whereof he hath given assurance unto all men, in that he hath raised him from the dead.

32 And when they heard of the resurrection of the dead, some mocked: and others said, We will hear thee again of this matter.

33 So Paul departed from among them.

34 Howbeit certain men clave unto him, and believed: among the which was Dionysius the Areopagite, and a woman named Damaris, and others with them.

 

 

Chapitre 17
1 Paul et Silas passèrent par Amphipolis et Apollonie, et ils arrivèrent à Thessalonique, où les Juifs avaient une synagogue. 2 Paul y entra, selon sa coutume. Pendant trois sabbats, il discuta avec eux, d'après les Écritures, 3 expliquant et établissant que le Christ devait souffrir et ressusciter des morts. Et Jésus que je vous annonce, disait-il, c'est lui qui est le Christ. 4 Quelques-uns d'entre eux furent persuadés, et se joignirent à Paul et à Silas, ainsi qu'une grande multitude de Grecs craignant Dieu, et beaucoup de femmes de qualité. 5 Mais les Juifs, jaloux prirent avec eux quelques méchants hommes de la populace, provoquèrent des attroupements, et répandirent l'agitation dans la ville. Ils se portèrent à la maison de Jason, et ils cherchèrent Paul et Silas, pour les amener vers le peuple. 6 Ne les ayant pas trouvés, ils traînèrent Jason et quelques frères devant les magistrats de la ville, en criant: Ces gens, qui ont bouleversé le monde, sont aussi venus ici, 7 (17:6) et Jason les a reçus. (17:7) Ils agissent tous contre les édits de César, disant qu'il y a un autre roi, Jésus. 8 Par ces paroles ils émurent la foule et les magistrats, 9 qui ne laissèrent aller Jason et les autres qu'après avoir obtenu d'eux une caution. 10 Aussitôt les frères firent partir de nuit Paul et Silas pour Bérée. Lorsqu'ils furent arrivés, ils entrèrent dans la synagogue des Juifs. 11 Ces Juifs avaient des sentiments plus nobles que ceux de Thessalonique; ils reçurent la parole avec beaucoup d'empressement, et ils examinaient chaque jour les Écritures, pour voir si ce qu'on leur disait était exact. 12 Plusieurs d'entre eux crurent, ainsi que beaucoup de femmes grecques de distinction, et beaucoup d'hommes. 13 Mais, quand les Juifs de Thessalonique surent que Paul annonçait aussi à Bérée la parole de Dieu, ils vinrent y agiter la foule. 14 Alors les frères firent aussitôt partir Paul du côté de la mer; Silas et Timothée restèrent à Bérée. 15 Ceux qui accompagnaient Paul le conduisirent jusqu'à Athènes. Puis ils s'en retournèrent, chargés de transmettre à Silas et à Timothée l'ordre de le rejoindre au plus tôt. 16 Comme Paul les attendait à Athènes, il sentait au dedans de lui son esprit s'irriter, à la vue de cette ville pleine d'idoles. 17 Il s'entretenait donc dans la synagogue avec les Juifs et les hommes craignant Dieu, et sur la place publique chaque jour avec ceux qu'il rencontrait. 18 Quelques philosophes épicuriens et stoïciens se mirent à parler avec lui. Et les uns disaient: Que veut dire ce discoureur? D'autres, l'entendant annoncer Jésus et la résurrection, disaient: Il semble qu'il annonce des divinités étrangères. 19 Alors ils le prirent, et le menèrent à l'Aréopage, en disant: Pourrions-nous savoir quelle est cette nouvelle doctrine que tu enseignes? 20 Car tu nous fais entendre des choses étranges. Nous voudrions donc savoir ce que cela peut être. 21 Or, tous les Athéniens et les étrangers demeurant à Athènes ne passaient leur temps qu'à dire ou à écouter des nouvelles. 22 Paul, debout au milieu de l'Aréopage, dit: Hommes Athéniens, je vous trouve à tous égards extrêmement religieux. 23 Car, en parcourant votre ville et en considérant les objets de votre dévotion, j'ai même découvert un autel avec cette inscription: A un dieu inconnu! Ce que vous révérez sans le connaître, c'est ce que je vous annonce. 24 Le Dieu qui a fait le monde et tout ce qui s'y trouve, étant le Seigneur du ciel et de la terre, n'habite point dans des temples faits de main d'homme; 25 il n'est point servi par des mains humaines, comme s'il avait besoin de quoi que ce soit, lui qui donne à tous la vie, la respiration, et toutes choses. 26 Il a fait que tous les hommes, sortis d'un seul sang, habitassent sur toute la surface de la terre, ayant déterminé la durée des temps et les bornes de leur demeure; 27 il a voulu qu'ils cherchassent le Seigneur, et qu'ils s'efforçassent de le trouver en tâtonnant, bien qu'il ne soit pas loin de chacun de nous, 28 car en lui nous avons la vie, le mouvement, et l'être. C'est ce qu'ont dit aussi quelques-uns de vos poètes: De lui nous sommes la race... 29 Ainsi donc, étant la race de Dieu, nous ne devons pas croire que la divinité soit semblable à de l'or, à de l'argent, ou à de la pierre, sculptés par l'art et l'industrie de l'homme. 30 Dieu, sans tenir compte des temps d'ignorance, annonce maintenant à tous les hommes, en tous lieux, qu'ils aient à se repentir, 31 parce qu'il a fixé un jour où il jugera le monde selon la justice, par l'homme qu'il a désigné, ce dont il a donné à tous une preuve certaine en le ressuscitant des morts... 32 Lorsqu'ils entendirent parler de résurrection des morts, les uns se moquèrent, et les autres dirent: Nous t'entendrons là-dessus une autre fois. 33 Ainsi Paul se retira du milieu d'eux. 34 Quelques-uns néanmoins s'attachèrent à lui et crurent, Denys l'aréopagite, une femme nommée Damaris, et d'autres avec eux.