T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 9 toriteny. mana isan'andro

1 [Ny nitsofana ny trompetra fahadimy, sy ny nahatongavan'ny loza voalohany] Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin'ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa.

2 Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra ary tamin'ny lavaka, tahaka ny setroka ary amin'ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habahabaka noho ny setroka avy tao amin'ny lavaka.

3 Ary nisy valala nivoaka avy tamin'ny setroka nankamin'ny tany; ary nomena hery* ireny, tahaka ny herin*'ny maingoka amin'ny tany. [* Gr. fahefana]

4 Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin'ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny handriny ihany.

5 Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny maingoka, raha mamely olona.

6 Ary amin'izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa mandositra ary ny fahafatesana.

7 Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin'ny lohany nisy satro-boninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan'olona.

8 Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an'ny liona.

9 Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin'ny soavaly betsaka miriotra ho amin'ny ady.

10 Ary manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady misy fanindronana; ary amin'ny rambony no misy ny heriny* hampahoriany ny olona dimy volana. [* Gr. fahefana]

11 Ary manana ny anjelin'ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin'ny teny Hebreo dia Abadona*, fa amin'ny teny Grika kosa dia Apolyona** no anarany. [* Abadona = Fandringanana] [** Apolyona = Mpandringana]

12 Lasa ny loza anankiray; indreo, ho avy ny loza roa hafa koa, rehefa afaka izao.

13 [Ny nitsofana ny trompetra fahenina, sy ny nahatongavan'ny loza faharoa] Ary ny anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo ary tamin'ny tandroky ny alitara volamena eo anatrehan'Andriamanitra aho,

14 nanao tamin'ny anjely fahenina, izay nanana ny trompetra, hoe: Vahao ny anjely efatra izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe.

15 Dia novahana ny anjely efatra izay voaomana ho amin'ny ora sy ny andro sy ny volana ary ny taona mba hahafaty ny ampahatelon'ny olona.

16 Ary ny isan'ny miaramila an-tsoavaly dia roa alinalina; nahare ny isany aho.

17 Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin'ny fahitana sy izay nitaingina azy: manana-piarovan-tratra tahaka ny afo sy ny setroka ary ny solifara izy; ary ny lohan'ny soavaly dia tahaka ny lohan'ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka ary amin'ny vavany.

18 Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka ary tamin'ny vavany, no nahafaty ny ampahatelon'ny olona.

19 Fa ny herin*'ny soavaly dia eo amin'ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady manan-doha, ka ireny no entiny mampahory.

20 Nefa ny olona sisa, izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin'ny asan'ny tànany, mba tsy hivavaka amin'ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;

21 ary tsy nibebaka tamin'ny namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa.


 

Chapitre 9

1 The fifth angel sounded, and I saw a star from the sky which had fallen to the earth. The key to the pit of the abyss was given to him.

2 He opened the pit of the abyss, and smoke went up out of the pit, like the smoke from a* burning furnace. The sun and the air were darkened because of the smoke from the pit.

3 Then out of the smoke came forth locusts on the earth, and power was given to them, as the scorpions of the earth have power.

4 They were told that they should not hurt the grass of the earth, neither any green thing, neither any tree, but only those people who don’t have God’s seal on their foreheads.

5 They were given power not to kill them, but to torment them for five months. Their torment was like the torment of a scorpion, when it strikes a person. 6 In those days people will seek death, and will in no way find it. They will desire to die, and death will flee from them.

7 The shapes of the locusts were like horses prepared for war. On their heads were something like golden crowns, and their faces were like people’s faces.

8 They had hair like women’s hair, and their teeth were like those of lions.

9 They had breastplates, like breastplates of iron. The sound of their wings was like the sound of chariots, or of many horses rushing to war.

10 They have tails like those of scorpions, and stings. In their tails they have power to harm men for five months.

11 They have over them as king the angel of the abyss. His name in Hebrew is “Abaddon,” but in Greek, he has the name “Apollyon.”

12 The first woe is past. Behold, there are still two woes coming after this.

13 The sixth angel sounded. I heard a voice from the horns of the golden altar which is before God,

14 saying to the sixth angel who had one trumpet, “Free the four angels who are bound at the great river Euphrates!”

15 The four angels were freed who had been prepared for that hour and day and month and year, so that they might kill one third of mankind.

16 The number of the armies of the horsemen was two hundred million. I heard the number of them.

17 Thus I saw the horses in the vision, and those who sat on them, having breastplates of fiery red, hyacinth blue, and sulfur yellow; and the heads of lions. Out of their mouths proceed fire, smoke, and sulfur.

18 By these three plagues were one third of mankind killed: by the fire, the smoke, and the sulfur, which proceeded out of their mouths.

19 For the power of the horses is in their mouths, and in their tails. For their tails are like serpents, and have heads, and with them they harm.

20 The rest of mankind, who were not killed with these plagues, didn’t repent of the works of their hands, that they wouldn’t worship demons, and the idols of gold, and of silver, and of brass, and of stone, and of wood; which can neither see, nor hear, nor walk.

21 They didn’t repent of their murders, nor of their sorceries, nor of their sexual immorality, nor of their thefts.


 

Chapitre 9
1 Le cinquième ange sonna de la trompette. Et je vis une étoile qui était tombée du ciel sur la terre. La clef du puits de l'abîme lui fut donnée,

2 et elle ouvrit le puits de l'abîme. Et il monta du puits une fumée, comme la fumée d'une grande fournaise; et le soleil et l'air furent obscurcis par la fumée du puits.

3 De la fumée sortirent des sauterelles, qui se répandirent sur la terre; et il leur fut donné un pouvoir comme le pouvoir qu'ont les scorpions de la terre.

4 Il leur fut dit de ne point faire de mal à l'herbe de la terre, ni à aucune verdure, ni à aucun arbre, mais seulement aux hommes qui n'avaient pas le sceau de Dieu sur le front.

5 Il leur fut donné, non de les tuer, mais de les tourmenter pendant cinq mois; et le tourment qu'elles causaient était comme le tourment que cause le scorpion, quand il pique un homme.

6 En ces jours-là, les hommes chercheront la mort, et ils ne la trouveront pas; ils désireront mourir, et la mort fuira loin d'eux.

7 Ces sauterelles ressemblaient à des chevaux préparés pour le combat; il y avait sur leurs têtes comme des couronnes semblables à de l'or, et leurs visages étaient comme des visages d'hommes.

8 Elles avaient des cheveux comme des cheveux de femmes, et leurs dents étaient comme des dents de lions.

9 Elles avaient des cuirasses comme des cuirasses de fer, et le bruit de leurs ailes était comme un bruit de chars à plusieurs chevaux qui courent au combat.

10 Elles avaient des queues semblables à des scorpions et des aiguillons, et c'est dans leurs queues qu'était le pouvoir de faire du mal aux hommes pendant cinq mois.

11 Elles avaient sur elles comme roi l'ange de l'abîme, nommé en hébreu Abaddon, et en grec Apollyon.

12 Le premier malheur est passé. Voici il vient encore deux malheurs après cela.

13 Le sixième ange sonna de la trompette. Et j'entendis une voix venant des quatre cornes de l'autel d'or qui est devant Dieu,

14 et disant au sixième ange qui avait la trompette: Délie les quatre anges qui sont liés sur le grand fleuve d'Euphrate.

15 Et les quatre anges qui étaient prêts pour l'heure, le jour, le mois et l'année, furent déliés afin qu'ils tuassent le tiers des hommes.

16 Le nombre des cavaliers de l'armée était de deux myriades de myriades: j'en entendis le nombre.

17 Et ainsi je vis les chevaux dans la vision, et ceux qui les montaient, ayant des cuirasses couleur de feu, d'hyacinthe, et de soufre. Les têtes des chevaux étaient comme des têtes de lions; et de leurs bouches il sortait du feu, de la fumée, et du soufre.

18 Le tiers des hommes fut tué par ces trois fléaux, par le feu, par la fumée, et par le soufre, qui sortaient de leurs bouches.

19 Car le pouvoir des chevaux était dans leurs bouches et dans leurs queues; leurs queues étaient semblables à des serpents ayant des têtes, et c'est avec elles qu'ils faisaient du mal.

20 Les autres hommes qui ne furent pas tués par ces fléaux ne se repentirent pas des oeuvres de leurs mains, de manière à ne point adorer les démons, et les idoles d'or, d'argent, d'airain, de pierre et de bois, qui ne peuvent ni voir, ni entendre, ni marcher;

21 et ils ne se repentirent pas de leurs meurtres, ni de leurs enchantements, ni de leur impudicité ni de leurs vols.