T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 15toriteny. mana isan'andro

1 [Ny amin'ny lovia fito nisy ny loza fito, izay nentin'ny anjely fito ka naidiny tamin'ny tany] Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra.

2 Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron*'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Andriamanitra.

3 Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.

4 Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.

5 Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia* ny tabernakelin'ny vavolombelona** tany an-danitra; [* Na: tao amin'] [* Dia ny Didy Folo]

6 ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin'ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy mamirapiratra* izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany. [* Na: (niakanjo rongony fotsy sady madio no mangatsakatsaka)]

7 Ary ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny fahatezeran' Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay.

8 Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito.

 


Chapitre 15

 15:1 I saw another great and marvelous sign in the sky: seven angels having the seven last plagues, for in them God’s wrath is finished.

15:2 I saw something like a sea of glass mixed with fire, and those who overcame the beast, his image,* and the number of his name, standing on the sea of glass, having harps of God.

15:3 They sang the song of Moses, the servant of God, and the song of the Lamb, saying,

“Great and marvelous are your works, Lord God, the Almighty!
Righteous and true are your ways, you King of the nations.
15:4 Who wouldn’t fear you, Lord,
and glorify your name?
For you only are holy.
For all the nations will come and worship before you.
For your righteous acts have been revealed.”
15:5 After these things I looked, and the temple of the tabernacle of the testimony in heaven was opened.

15:6 The seven angels who had the seven plagues came out, clothed with pure, bright linen, and wearing golden sashes around their breasts.

15:7 One of the four living creatures gave to the seven angels seven golden bowls full of the wrath of God, who lives forever and ever. 15:8 The temple was filled with smoke from the glory of God, and from his power. No one was able to enter into the temple, until the seven plagues of the seven angels would be finished.


 

Chapitre 15

1 Puis je vis dans le ciel un autre signe, grand et admirable: sept anges, qui tenaient sept fléaux, les derniers, car par eux s'accomplit la colère de Dieu.

2 Et je vis comme une mer de verre, mêlée de feu, et ceux qui avaient vaincu la bête, et son image, et le nombre de son nom, debout sur la mer de verre, ayant des harpes de Dieu.

3 Et ils chantent le cantique de Moïse, le serviteur de Dieu, et le cantique de l'agneau, en disant: Tes oeuvres sont grandes et admirables, Seigneur Dieu tout-puissant! Tes voies sont justes et véritables, roi des nations!

4 Qui ne craindrait, Seigneur, et ne glorifierait ton nom? Car seul tu es saint. Et toutes les nations viendront, et se prosterneront devant toi, parce que tes jugements ont été manifestés.

5 Après cela, je regardai, et le temple du tabernacle du témoignage fut ouvert dans le ciel.

6 Et les sept anges qui tenaient les sept fléaux sortirent du temple, revêtus d'un lin pur, éclatant, et ayant des ceintures d'or autour de la poitrine.

7 Et l'un des quatre êtres vivants donna aux sept anges sept coupes d'or, pleines de la colère du Dieu qui vit aux siècles des siècles.

8 Et le temple fut rempli de fumée, à cause de la gloire de Dieu et de sa puissance; et personne ne pouvait entrer dans le temple, jusqu'à ce que les sept fléaux des sept anges fussent accomplis.