T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 12 toriteny. mana isan'andro

1 [Ny amin'ny vehivavy mitafy ny masoandro, izay nenjehin'ny dragona] Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany,

2 sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.

3 Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany.

4 Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon'ny kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny ho amin'ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka;

5 ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka* ny firenena rehetra amin'ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany. [* Gr. handry]

6 Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.

7 Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady,

8 nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.

9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.

10 Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina.

11 Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza.

12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.

13 Ary rehefa hitan'ilay dragona fa nazera tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.

14 Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an'ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin'ny fitoerany, izay itaizana azy fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba tsy ho hitan'ilay menarana izy.

15 Ary ilay menarana namoaka rano tamin'ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin'ny riaka iry.

16 Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin'ny vavany.

17 Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.


 

Chapitre 12

12:1 A great sign was seen in heaven: a woman clothed with the sun, and the moon under her feet, and on her head a crown of twelve stars. 12:2 She was with child. She cried out in pain, laboring to give birth. 12:3 Another sign was seen in heaven. Behold, a great red dragon, having seven heads and ten horns, and on his heads seven crowns. 12:4 His tail drew one third of the stars of the sky, and threw them to the earth. The dragon stood before the woman who was about to give birth, so that when she gave birth he might devour her child. 12:5 She gave birth to a son, a male child, who is to rule all the nations with a rod of iron. Her child was caught up to God, and to his throne. 12:6 The woman fled into the wilderness, where she has a place prepared by God, that there they may nourish her one thousand two hundred sixty days.

12:7 There was war in the sky. Michael and his angels made war on the dragon. The dragon and his angels made war. 12:8 They didn’t prevail, neither was a place found for him any more in heaven. 12:9 The great dragon was thrown down, the old serpent, he who is called the devil and Satan, the deceiver of the whole world. He was thrown down to the earth, and his angels were thrown down with him.

12:10 I heard a loud voice in heaven, saying, “Now the salvation, the power, and the Kingdom of our God, and the authority of his Christ has come; for the accuser of our brothers has been thrown down, who accuses them before our God day and night. 12:11 They overcame him because of the Lamb’s blood, and because of the word of their testimony. They didn’t love their life, even to death. 12:12 Therefore rejoice, heavens, and you who dwell in them. Woe to the earth and to the sea, because the devil has gone down to you, having great wrath, knowing that he has but a short time.”

12:13 When the dragon saw that he was thrown down to the earth, he persecuted the woman who gave birth to the male child. 12:14 Two wings of the great eagle were given to the woman, that she might fly into the wilderness to her place, so that she might be nourished for a time, and times, and half a time, from the face of the serpent. 12:15 The serpent spewed water out of his mouth after the woman like a river, that he might cause her to be carried away by the stream. 12:16 The earth helped the woman, and the earth opened its mouth and swallowed up the river which the dragon spewed out of his mouth. 12:17 The dragon grew angry with the woman, and went away to make war with the rest of her seed, who keep God’s commandments and hold Jesus’ testimony.


 

Chapitre 12
1 Un grand signe parut dans le ciel: une femme enveloppée du soleil, la lune sous ses pieds, et une couronne de douze étoiles sur sa tête.

2 Elle était enceinte, et elle criait, étant en travail et dans les douleurs de l'enfantement.

3 Un autre signe parut encore dans le ciel; et voici, c'était un grand dragon rouge, ayant sept têtes et dix cornes, et sur ses têtes sept diadèmes.

4 Sa queue entraînait le tiers des étoiles du ciel, et les jetait sur la terre. Le dragon se tint devant la femme qui allait enfanter, afin de dévorer son enfant, lorsqu'elle aurait enfanté.

5 Elle enfanta un fils, qui doit paître toutes les nations avec une verge de fer. Et son enfant fut enlevé vers Dieu et vers son trône.

6 Et la femme s'enfuit dans le désert, où elle avait un lieu préparé par Dieu, afin qu'elle y fût nourrie pendant mille deux cent soixante jours.

7 Et il y eut guerre dans le ciel. Michel et ses anges combattirent contre le dragon. Et le dragon et ses anges combattirent,

8 mais ils ne furent pas les plus forts, et leur place ne fut plus trouvée dans le ciel.

9 Et il fut précipité, le grand dragon, le serpent ancien, appelé le diable et Satan, celui qui séduit toute la terre, il fut précipité sur la terre, et ses anges furent précipités avec lui.

10 Et j'entendis dans le ciel une voix forte qui disait: Maintenant le salut est arrivé, et la puissance, et le règne de notre Dieu, et l'autorité de son Christ; car il a été précipité, l'accusateur de nos frères, celui qui les accusait devant notre Dieu jour et nuit.

11 Ils l'ont vaincu à cause du sang de l'agneau et à cause de la parole de leur témoignage, et ils n'ont pas aimé leur vie jusqu'à craindre la mort.

12 C'est pourquoi réjouissez-vous, cieux, et vous qui habitez dans les cieux. Malheur à la terre et à la mer! car le diable est descendu vers vous, animé d'une grande colère, sachant qu'il a peu de temps.

13 Quand le dragon vit qu'il avait été précipité sur la terre, il poursuivit la femme qui avait enfanté l'enfant mâle.

14 Et les deux ailes du grand aigle furent données à la femme, afin qu'elle s'envolât au désert, vers son lieu, où elle est nourrie un temps, des temps, et la moitié d'un temps, loin de la face du serpent.

15 Et, de sa bouche, le serpent lança de l'eau comme un fleuve derrière la femme, afin de l'entraîner par le fleuve.

16 Et la terre secourut la femme, et la terre ouvrit sa bouche et engloutit le fleuve que le dragon avait lancé de sa bouche.

17 Et le dragon fut irrité contre la femme, et il s'en alla faire la guerre aux restes de sa postérité, à ceux qui gardent les commandements de Dieu et qui ont le témoignage de Jésus.