| Chapitre 9 1 [Ny fahitana ny amin'ny handravana ny fanjakana be ota, sy ny hananganana indray ny tabernakelin'i Davida] Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan*'ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan'ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin'ny lohan'izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin'ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory. [Na: ambonin'] 2 Na dia mibosesika ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* aza izy, dia any no hanalan'ny tanako azy; Ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy. [Heb. Sheola] 3 Ary na dia miery any an-tampon'i Karmela aza izy, dia any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary na dia manafin-tena any ambanin'ny ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan'ny masoko, dia any no handidiako ny menarana, ka hanaikitra azy. 4 Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony aza izy, dia any no handidiako ny sabatra, ka hamono azy; Ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy ny soa. 5 Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no manendry ny tany, ka dia miempo izany, ka misaona ny mponina rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka tahaka an'i Neily avokoa Izany, ary hihena indray izy toy ny Neilin'i Egypta, 6 Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin'ny tany; Ary miantso ny rano eny an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny amin'ny tany, Jehovah no anarany. 7 Moa tsy toy ny taranaky ny Etiopiana va ianareo raha amiko, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah. Tsy ny Isiraely va no nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta. Ary ny Filistina avy tany Kaftora, Ary ny Syriana avy tany Kira? 8 Indro, ny mason'i Jehovah Tompo no manandrina ity fanjakana feno ota ity, ka dia hofongorako tsy ho eo ambonin'ny tany izy; Kanefa tsy dia hofongorako avokoa ny taranak'i Jakoba, hoy Jehovah. 9 Fa, indro, Izaho no handidy, ka hosivaniko any amin'ny firenena rehetra ny taranak'Isiraely, tahaka ny fanasivana vary amin'ny sivana; Nefa tsy hisy voam-bary ho latsaka amin'ny tany na dia iray akory aza. 10 Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra amin'ny oloko, dia ireo izay manao hoe: Ny loza tsy hanakaiky na hahatratra anay. 11 Amin'izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon'i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy, 12 Mba hananany izay sisa amin'i Edoma sy amin'ny jentilisa rehetra, izay hantsoina amin'ny anarako, hoy Jehovah, Izay manao izany. 13 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo. 14 Ary hampodiko ny Isiraely avy amin'ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra. 15 Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.
| | Chapitre 9 9:1 I saw the Lord standing beside the altar, and he said, “Strike the tops of the pillars, that the thresholds may shake; and break them in pieces on the head of all of them; and I will kill the last of them with the sword: there shall not one of them flee away, and there shall not one of them escape. 9:2 Though they dig into Sheol, there my hand will take them; and though they climb up to heaven, there I will bring them down. 9:3 Though they hide themselves in the top of Carmel, I will search and take them out there; and though they be hidden from my sight in the bottom of the sea, there I will command the serpent, and it will bite them. 9:4 Though they go into captivity before their enemies, there I will command the sword, and it will kill them. I will set my eyes on them for evil, and not for good. 9:5 For the Lord, Yahweh of Armies, is he who touches the land and it melts, and all who dwell in it will mourn; and it will rise up wholly like the River, and will sink again, like the River of Egypt. 9:6 It is he who builds his rooms in the heavens, and has founded his vault on the earth; he who calls for the waters of the sea, and pours them out on the surface of the earth; Yahweh is his name. 9:7 Are you not like the children of the Ethiopians to me, children of Israel?” says Yahweh. “Haven’t I brought up Israel out of the land of Egypt, and the Philistines from Caphtor, and the Syrians from Kir? 9:8 Behold, the eyes of the Lord Yahweh are on the sinful kingdom, and I will destroy it from off the surface of the earth; except that I will not utterly destroy the house of Jacob,” says Yahweh. 9:9 “For, behold, I will command, and I will sift the house of Israel among all the nations, as grain is sifted in a sieve, yet not the least kernel will fall on the earth. 9:10 All the sinners of my people will die by the sword, who say, ‘Evil won’t overtake nor meet us.’ 9:11 In that day I will raise up the tent of David who is fallen, and close up its breaches, and I will raise up its ruins, and I will build it as in the days of old; 9:12 that they may possess the remnant of Edom, and all the nations who are called by my name,” says Yahweh who does this. 9:13 “Behold, the days come,” says Yahweh, “that the plowman shall overtake the reaper, and the one treading grapes him who sows seed; and sweet wine will drip from the mountains, and flow from the hills. 9:14 I will bring my people Israel back from captivity, and they will rebuild the ruined cities, and inhabit them; and they will plant vineyards, and drink wine from them. They shall also make gardens, and eat their fruit. 9:15 I will plant them on their land, and they will no more be plucked up out of their land which I have given them,” says Yahweh your God.
| | Chapitre 9 1 Je vis le Seigneur qui se tenait sur l'autel. Et il dit: Frappe les chapiteaux et que les seuils s'ébranlent, Et brise-les sur leurs têtes à tous! Je ferai périr le reste par l'épée. Aucun d'eux ne pourra se sauver en fuyant, Aucun d'eux n'échappera. 2 S'ils pénètrent dans le séjour des morts, Ma main les en arrachera; S'ils montent aux cieux, Je les en ferai descendre. 3 S'ils se cachent au sommet du Carmel, Je les y chercherai et je les saisirai; S'ils se dérobent à mes regards dans le fond de la mer, Là j'ordonnerai au serpent de les mordre. 4 S'ils vont en captivité devant leurs ennemis, Là j'ordonnerai à l'épée de les faire périr; Je dirigerai contre eux mes regards Pour faire du mal et non du bien. 5 Le Seigneur, l'Éternel des armées, touche la terre, et elle tremble, Et tous ses habitants sont dans le deuil; Elle monte tout entière comme le fleuve, Et elle s'affaisse comme le fleuve d'Égypte. 6 Il a bâti sa demeure dans les cieux, Et fondé sa voûte sur la terre; Il appelle les eaux de la mer, Et les répand à la surface de la terre: L'Éternel est son nom. 7 N'êtes-vous pas pour moi comme les enfants des Éthiopiens, Enfants d'Israël? dit l'Éternel. N'ai-je pas fait sortir Israël du pays d'Égypte, Comme les Philistins de Caphtor et les Syriens de Kir? 8 Voici, le Seigneur, l'Éternel, a les yeux sur le royaume coupable. Je le détruirai de dessus la face de la terre; Toutefois je ne détruirai pas entièrement la maison de Jacob, Dit l'Éternel. 9 Car voici, je donnerai mes ordres, Et je secouerai la maison d'Israël parmi toutes les nations, Comme on secoue avec le crible, Sans qu'il tombe à terre un seul grain. 10 Tous les pécheurs de mon peuple mourront par l'épée, Ceux qui disent: Le malheur n'approchera pas, ne nous atteindra pas. 11 En ce temps-là, je relèverai de sa chute la maison de David, J'en réparerai les brèches, j'en redresserai les ruines, Et je la rebâtirai comme elle était autrefois, 12 Afin qu'ils possèdent le reste d'Édom et toutes les nations Sur lesquelles mon nom a été invoqué, Dit l'Éternel, qui accomplira ces choses. 13 Voici, les jours viennent, dit l'Éternel, Où le laboureur suivra de près le moissonneur, Et celui qui foule le raisin celui qui répand la semence, Où le moût ruissellera des montagnes Et coulera de toutes les collines. 14 Je ramènerai les captifs de mon peuple d'Israël; Ils rebâtiront les villes dévastées et les habiteront, Ils planteront des vignes et en boiront le vin, Ils établiront des jardins et en mangeront les fruits. 15 Je les planterai dans leur pays, Et ils ne seront plus arrachés du pays que je leur ai donné, Dit L'Éternel, ton Dieu.
| |