| Chapitre 8 1 [Ny fahitana nentin'Andriamanitra nilaza tamin'i Amosa ny fahantomotry ny loza hanjo ny Isiraely] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko; Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra. 2 Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin'ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy* intsony Aho. [Heb. handalo azy] 3 Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa* amin'izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangina re! [Na: tempoly] 4 Mihanoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin'ny tany 5 Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga 6 Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary? 7 Jehovah nianiana tamin'ny Reharehan'i Jakoba ka nanao hoe: Tsy hisy hobadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza! 8 Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an'i Neily sy hihena indray toy ny Neilin'i Egypta. 9 Ary amin izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany; 10 Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana* ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy. [Heb. lamba malailay] 11 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana* handre ny tenin'i Jehovah; [Heb. mosary] 12 Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita. 13 Amin'izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy, 14 Dia ireo izay mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.
| | Chapitre 8 8:1 Thus the Lord Yahweh showed me: behold, a basket of summer fruit. 8:2 He said, “Amos, what do you see?” I said, “A basket of summer fruit.” Then Yahweh said to me, “The end has come on my people Israel. I will not again pass by them any more. 8:3 The songs of the temple will be wailings in that day,” says the Lord Yahweh. “The dead bodies will be many. In every place they will throw them out with silence. 8:4 Hear this, you who desire to swallow up the needy, and cause the poor of the land to fail, 8:5 Saying, ‘When will the new moon be gone, that we may sell grain? And the Sabbath, that we may market wheat, making the ephah small, and the shekel large, and dealing falsely with balances of deceit; 8:6 that we may buy the poor for silver, and the needy for a pair of shoes, and sell the sweepings with the wheat?’” 8:7 Yahweh has sworn by the pride of Jacob, “Surely I will never forget any of their works. 8:8 Won’t the land tremble for this, and everyone mourn who dwells in it? Yes, it will rise up wholly like the River; and it will be stirred up and sink again, like the River of Egypt. 8:9 It will happen in that day,” says the Lord Yahweh, “that I will cause the sun to go down at noon, and I will darken the earth in the clear day. 8:10 I will turn your feasts into mourning, and all your songs into lamentation; and I will make you wear sackcloth on all your bodies, and baldness on every head. I will make it like the mourning for an only son, and its end like a bitter day. 8:11 Behold, the days come,” says the Lord Yahweh, “that I will send a famine in the land, not a famine of bread, nor a thirst for water, but of hearing the words of Yahweh. 8:12 They will wander from sea to sea, and from the north even to the east; they will run back and forth to seek the word of Yahweh, and will not find it. 8:13 In that day the beautiful virgins and the young men will faint for thirst. 8:14 Those who swear by the sin of Samaria, and say, ‘As your god, Dan, lives;’ and, ‘As the way of Beersheba lives;’ they will fall, and never rise up again.”
| | Chapitre 8 1 Le Seigneur, l'Éternel, m'envoya cette vision. Voici, c'était une corbeille de fruits. 2 Il dit: Que vois-tu, Amos? Je répondis: Une corbeille de fruits. Et l'Éternel me dit: La fin est venue pour mon peuple d'Israël; Je ne lui pardonnerai plus. 3 En ce jour-là, les chants du palais seront des gémissements, Dit le Seigneur, l'Éternel; On jettera partout en silence une multitude de cadavres. 4 Écoutez ceci, vous qui dévorez l'indigent, Et qui ruinez les malheureux du pays! 5 Vous dites: Quand la nouvelle lune sera-t-elle passée, Afin que nous vendions du blé? Quand finira le sabbat, afin que nous ouvrions les greniers? Nous diminuerons l'épha, nous augmenterons le prix, Nous falsifierons les balances pour tromper; 6 Puis nous achèterons les misérables pour de l'argent, Et le pauvre pour une paire de souliers, Et nous vendrons la criblure du froment. 7 L'Éternel l'a juré par la gloire de Jacob: Je n'oublierai jamais aucune de leurs oeuvres. 8 Le pays, à cause d'elles, ne sera-t-il pas ébranlé, Et tous ses habitants ne seront-ils pas dans le deuil? Le pays montera tout entier comme le fleuve, Il se soulèvera et s'affaissera comme le fleuve d'Égypte. 9 En ce jour-là, dit le Seigneur, l'Éternel, Je ferai coucher le soleil à midi, Et j'obscurcirai la terre en plein jour; 10 Je changerai vos fêtes en deuil, Et tous vos chants en lamentations, Je couvrirai de sacs tous les reins, Et je rendrai chauves toutes les têtes; Je mettrai le pays dans le deuil comme pour un fils unique, Et sa fin sera comme un jour d'amertume. 11 Voici, les jours viennent, dit le Seigneur, l'Éternel, Où j'enverrai la famine dans le pays, Non pas la disette du pain et la soif de l'eau, Mais la faim et la soif d'entendre les paroles de l'Éternel. 12 Ils seront alors errants d'une mer à l'autre, Du septentrion à l'orient, Ils iront çà et là pour chercher la parole de l'Éternel, Et ils ne la trouveront pas. 13 En ce jour, les belles jeunes filles et les jeunes hommes mourront de soif. 14 Ils jurent par le péché de Samarie, Et ils disent: Vive ton Dieu, Dan! Vive la voie de Beer-Schéba! Mais ils tomberont, et ne se relèveront plus.
| |