T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 5

1 [Ny handravana ny fanjakan'Isiraely] Henoinareo izao teny izao, izay entiko milaza anareo, dia hira fahalahelovana, ry taranak'Isiraely;

2 Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; Nazera tamin'ny taniny izy, ka tsy misy mangana azy.

3 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an'ny taranak'Isiraely.

4 Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;

5 Fa aza mitady an'i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona.

6 Mitadiava an'i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin'ny taranak'i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo,

7 Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin'ny tany.

8 Ilay nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin'ny tany: Jehovah no anarany,

9 Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin'ny tanàna mimanda ny fandravana.

10 Halany eo am-bavahady izay mananatra,11 ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina. [Na: Halany izay mananatra eo am-bavahady]

11 Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.

12 Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly* ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady. [Heb. avotra]

13 Koa izay manan-tsaina dia hangina amin'izao andro izao, fa andro mampahory izao.

14 Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.

15 Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana* ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa. [Heb. am-bavahady]

16 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.

17 Ary any amin'ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah.

 

18 Lozan'izay maniry ny andron'i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron'i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana,

19 Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera, ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin- tanana amin'ny rindrina, dia kekerin'ny menarana.

20 Moa tsy aizina va ny andron'i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?

21 Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina.

22 Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak'omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.

23 Atsaharo ny finaonaonan'ny hiranareo*, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon'ny lokanganareo* Aho. [Heb. Hiranao, lokanganao]

24 Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.

25 Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak'i Isiraely?

26 Tsia, fa ny nitondra* ny tabernakelin'ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan'ny sampinareo ihany no nataonareo**, dia ny kintan'ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo [*Na: Dia ho entinareo][**Na: Tsia fa ny mitondra an'i Sikota, mpanjakanareo, sy Kiona, sampinareo, no nataonareo]

27 Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr'i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.

 

Chapitre 5

5:1 Listen to this word which I take up for a lamentation over you, O house of Israel.

5:2 “The virgin of Israel has fallen;
She shall rise no more.
She is cast down on her land;
there is no one to raise her up.”
5:3 For thus says the Lord Yahweh:

“The city that went forth a thousand shall have a hundred left,
and that which went forth one hundred shall have ten left to the house of Israel.”
5:4 For thus says Yahweh to the house of Israel:

“Seek me, and you will live;
5:5 but don’t seek Bethel,
nor enter into Gilgal,
and don’t pass to Beersheba:
for Gilgal shall surely go into captivity,
and Bethel shall come to nothing.
5:6 Seek Yahweh, and you will live;
lest he break out like fire in the house of Joseph,
and it devour, and there be no one to quench it in Bethel.
5:7 You who turn justice to wormwood,
and cast down righteousness to the earth:
5:8 seek him who made the Pleiades and Orion,
and turns the shadow of death into the morning,
and makes the day dark with night;
who calls for the waters of the sea,
and pours them out on the surface of the earth, Yahweh is his name,
5:9 who brings sudden destruction on the strong,
so that destruction comes on the fortress.
5:10 They hate him who reproves in the gate,
and they abhor him who speaks blamelessly.
5:11 Forasmuch therefore as you trample on the poor,
and take taxes from him of wheat:
You have built houses of cut stone,
but you will not dwell in them.
You have planted pleasant vineyards,
but you shall not drink their wine.
5:12 For I know how many your offenses,
and how great are your sins—
you who afflict the just,
who take a bribe,
and who turn aside the needy in the courts.
5:13 Therefore a prudent person keeps silent in such a time,
for it is an evil time.
5:14 Seek good, and not evil,
that you may live;
and so Yahweh, the God of Armies, will be with you,
as you say.
5:15 Hate evil, love good,
and establish justice in the courts.
It may be that Yahweh, the God of Armies, will be gracious to the remnant of Joseph.”
5:16 Therefore thus says Yahweh, the God of Armies, the Lord:

“Wailing will be in all the broad ways;
and they will say in all the streets, ‘Alas! Alas!’
and they will call the farmer to mourning,
and those who are skillful in lamentation to wailing.
5:17 In all vineyards there will be wailing;
for I will pass through the midst of you,” says Yahweh.
5:18 “Woe to you who desire the day of Yahweh!
Why do you long for the day of Yahweh?
It is darkness,
and not light.
5:19 As if a man fled from a lion,
and a bear met him;
Or he went into the house and leaned his hand on the wall,
and a snake bit him.
5:20 Won’t the day of Yahweh be darkness, and not light?
Even very dark, and no brightness in it?
5:21 I hate, I despise your feasts,
and I can’t stand your solemn assemblies.
5:22 Yes, though you offer me your burnt offerings and meal offerings,
I will not accept them;
neither will I regard the peace offerings of your fat animals.
5:23 Take away from me the noise of your songs!
I will not listen to the music of your harps.
5:24 But let justice roll on like rivers,
and righteousness like a mighty stream.
5:25 “Did you bring to me sacrifices and offerings in the wilderness forty years, house of Israel? 5:26 You also carried the tent of your king and the shrine of your images, the star of your god, which you made for yourselves. 5:27 Therefore will I cause you to go into captivity beyond Damascus,” says Yahweh, whose name is the God of Armies.

 

Chapitre 5
1 Écoutez cette parole, Cette complainte que je prononce sur vous, Maison d'Israël! 2 Elle est tombée, elle ne se relèvera plus, La vierge d'Israël; Elle est couchée par terre, Nul ne la relève. 3 Car ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: La ville qui mettait en campagne mille hommes N'en conservera que cent, Et celle qui mettait en campagne cent hommes N'en conservera que dix, pour la maison d'Israël. 4 Car ainsi parle l'Éternel à la maison d'Israël: Cherchez-moi, et vous vivrez! 5 Ne cherchez pas Béthel, N'allez pas à Guilgal, Ne passez pas à Beer-Schéba. Car Guilgal sera captif, Et Béthel anéanti. 6 Cherchez l'Éternel, et vous vivrez! Craignez qu'il ne saisisse comme un feu la maison de Joseph, Et que ce feu ne la dévore, sans personne à Béthel pour l'éteindre, 7 O vous qui changez le droit en absinthe, Et qui foulez à terre la justice! 8 Il a créé les Pléiades et l'Orion, Il change les ténèbres en aurore, Il obscurcit le jour pour en faire la nuit, Il appelle les eaux de la mer, Et les répand à la surface de la terre: L'Éternel est son nom. 9 Il fait lever la ruine sur les puissants, Et la ruine vient sur les forteresses. 10 Ils haïssent celui qui les reprend à la porte, Et ils ont en horreur celui qui parle sincèrement. 11 Aussi, parce que vous avez foulé le misérable, Et que vous avez pris de lui du blé en présent, Vous avez bâti des maisons en pierres de taille, Mais vous ne les habiterez pas; Vous avez planté d'excellentes vignes, Mais vous n'en boirez pas le vin. 12 Car, je le sais, vos crimes sont nombreux, Vos péchés se sont multipliés; Vous opprimez le juste, vous recevez des présents, Et vous violez à la porte le droit des pauvres. 13 Voilà pourquoi, en des temps comme ceux-ci, le sage se tait; Car ces temps sont mauvais. 14 Recherchez le bien et non le mal, afin que vous viviez, Et qu'ainsi l'Éternel, le Dieu des armées, soit avec vous, Comme vous le dites. 15 Haïssez le mal et aimez le bien, Faites régner à la porte la justice; Et peut-être l'Éternel, le Dieu des armées, aura pitié Des restes de Joseph. 16 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel, le Dieu des armées, le Seigneur; Dans toutes les places on se lamentera, Dans toutes les rues on dira: Hélas! hélas! On appellera le laboureur au deuil, Et aux lamentations ceux qui disent des complaintes. 17 Dans toutes les vignes on se lamentera, Lorsque je passerai au milieu de toi, dit l'Éternel. 18 Malheur à ceux qui désirent le jour de l'Éternel! Qu'attendez-vous du jour de l'Éternel? Il sera ténèbres et non lumière. 19 Vous serez comme un homme qui fuit devant un lion Et que rencontre un ours, Qui gagne sa demeure, appuie sa main sur la muraille, Et que mord un serpent. 20 Le jour de l'Éternel n'est-il pas ténèbres et non lumière? N'est-il pas obscur et sans éclat? 21 Je hais, je méprise vos fêtes, Je ne puis sentir vos assemblées. 22 Quand vous me présentez des holocaustes et des offrandes, Je n'y prends aucun plaisir; Et les veaux engraissés que vous sacrifiez en actions de grâces, Je ne les regarde pas. 23 Éloigne de moi le bruit de tes cantiques; Je n'écoute pas le son de tes luths. 24 Mais que la droiture soit comme un courant d'eau, Et la justice comme un torrent qui jamais ne tarit. 25 M'avez-vous fait des sacrifices et des offrandes Pendant les quarante années du désert, maison d'Israël?... 26 Emportez donc la tente de votre roi, Le piédestal de vos idoles, L'étoile de votre Dieu Que vous vous êtes fabriqué! 27 Et je vous emmènerai captifs au delà de Damas, Dit l'Éternel, dont le nom est le Dieu des armées.