| Chapitre 4 1 [Ny hanjo ny Isiraely noho ny tsi-fetezany hibebaka] Mihainoa izao teny izao, ianareo vantotr'ombivavin'i Basana, izay eny an-tendrombohitr'i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny malahelo ary manao amin'ny vadinareo* hoe: Mitondrà hosotrointsika. [Na: ny tomponareo: Heb. tompony, na vadiny] 2 Jehovah Tompo efa nianiana tamin'ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany anareo amin'ny farango sy izay sisa aminareo amin'ny fintana. 3 Ary avy eo amin'ny banga no hivoahanareo, samy amin'izay hitsiny avy; Ary horoahina ho any Harmona* ianareo**, hoy Jehovah.[Na: an-tranobe][Na: ary harianareo ny fahefana (?)] 4 Mankanesa any Betela, ka manotà, ary any Gilgala, ka manotà fatratra; Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-drà ary isan-kateloana ny fahafolon-karenareo; 5 Mandoroa zavatra misy masirasira ho fanati-pisaorana, ary miantsoa fanati-tsitrapo, eny, ambarao izany! Satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo. 6 Fa Izaho dia efa nanome anareo ny mahamavovava tao an-tanànanareo rehetra, sy ny tsi-fahampian-kanina tamin'ny fonenanareo rehetra; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. 7 Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin'ny tanàna iray no nampilatsahako orana, ary tamin'ny tanàna iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; Ny saha iray nilatsahan'ny orana. Ary ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina. 8 Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin'ny tanàna iray, kanjo tsy afa-ketaheta izy; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. 9 Efa nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra sy maty fotsy ianareo; Ny habetsahan'ny tanimbolinareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny aviavinareo sy ny hazo olivanareo dia nohanin'ny valala*; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. [Heb. mpikiky] 10 Efa naterako areti-mandringana tahaka ny any Egypta ianareo; Novonoiko sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; Ary nampakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan'ny tobinareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. 11 Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin'ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. 12 Koa izao no hataoko aminao, sy Isiraely, satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin'Andriamanitrao, ry Isiraely ô. 13 Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
| | Chapitre 4 4:1 Listen to this word, you cows of Bashan, who are on the mountain of Samaria, who oppress the poor, who crush the needy, who tell their husbands, “Bring us drinks!” 4:2 The Lord Yahweh has sworn by his holiness that behold, “The days shall come on you that they will take you away with hooks, and the last of you with fish hooks. 4:3 You will go out at the breaks in the wall, everyone straight before her; and you will cast yourselves into Harmon,” says Yahweh. 4:4 “Go to Bethel, and sin; to Gilgal, and sin more. Bring your sacrifices every morning, your tithes every three days, 4:5 offer a sacrifice of thanksgiving of that which is leavened, and proclaim free will offerings and brag about them: for this pleases you, you children of Israel,” says the Lord Yahweh. 4:6 “I also have given you cleanness of teeth in all your cities, and lack of bread in every town; yet you haven’t returned to me,” says Yahweh. 4:7 “I also have withheld the rain from you, when there were yet three months to the harvest; and I caused it to rain on one city, and caused it not to rain on another city. One place was rained on, and the piece where it didn’t rain withered. 4:8 So two or three cities staggered to one city to drink water, and were not satisfied: yet you haven’t returned to me,” says Yahweh. 4:9 “I struck you with blight and mildew many times in your gardens and your vineyards; and your fig trees and your olive trees have the swarming locust devoured: yet you haven’t returned to me,” says Yahweh. 4:10 “I sent plagues among you like I did Egypt. I have slain your young men with the sword, and have carried away your horses; and I filled your nostrils with the stench of your camp, yet you haven’t returned to me,” says Yahweh. 4:11 “I have overthrown some of you, as when God overthrew Sodom and Gomorrah, and you were like a burning stick plucked out of the fire; yet you haven’t returned to me,” says Yahweh. 4:12 “Therefore thus will I do to you, Israel; because I will do this to you, prepare to meet your God, Israel. 4:13 For, behold, he who forms the mountains, and creates the wind, and declares to man what is his thought; who makes the morning darkness, and treads on the high places of the earth: Yahweh, the God of Armies, is his name.”
| | Chapitre 4 1 Écoutez cette parole, génisses de Basan qui êtes sur la montagne de Samarie, Vous qui opprimez les misérables, qui écrasez les indigents, Et qui dites à vos maris: Apportez, et buvons! 2 Le Seigneur, l'Éternel, l'a juré par sa sainteté: Voici, les jours viendront pour vous Où l'on vous enlèvera avec des crochets, Et votre postérité avec des hameçons; 3 Vous sortirez par les brèches, chacune devant soi, Et vous serez jetées dans la forteresse, dit l'Éternel. 4 Allez à Béthel, et péchez! Allez à Guilgal, et péchez davantage! Offrez vos sacrifices chaque matin, Et vos dîmes tous les trois jours! 5 Faites vos sacrifices d'actions de grâces avec du levain! Proclamez, publiez vos offrandes volontaires! Car c'est là ce que vous aimez, enfants d'Israël, Dit le Seigneur, l'Éternel. 6 Et moi, je vous ai envoyé la famine dans toutes vos villes, Le manque de pain dans toutes vos demeures. Malgré cela, vous n'êtes pas revenus à moi, dit l'Éternel. 7 Et moi, je vous ai refusé la pluie, Lorsqu'il y avait encore trois mois jusqu'à la moisson; J'ai fait pleuvoir sur une ville, Et je n'ai pas fait pleuvoir sur une autre ville; Un champ a reçu la pluie, Et un autre qui ne l'a pas reçue s'est desséché. 8 Deux, trois villes sont allées vers une autre pour boire de l'eau, Et elles n'ont point apaisé leur soif. Malgré cela, vous n'êtes pas revenus à moi, dit l'Éternel. 9 Je vous ai frappés par la rouille et par la nielle; Vos nombreux jardins, vos vignes, vos figuiers et vos oliviers Ont été dévorés par les sauterelles. Malgré cela, vous n'êtes pas revenus à moi, dit l'Éternel. 10 J'ai envoyé parmi vous la peste, comme en Égypte; J'ai tué vos jeunes gens par l'épée, Et laissé prendre vos chevaux; J'ai fait monter à vos narines l'infection de votre camp. Malgré cela, vous n'êtes pas revenus à moi, dit l'Éternel. 11 Je vous ai bouleversés, Comme Sodome et Gomorrhe, que Dieu détruisit; Et vous avez été comme un tison arraché de l'incendie. Malgré cela, vous n'êtes pas revenus à moi, dit l'Éternel... 12 C'est pourquoi je te traiterai de la même manière, Israël; Et puisque je te traiterai de la même manière, Prépare-toi à la rencontre de ton Dieu, O Israël! 13 Car voici celui qui a formé les montagnes et créé le vent, Et qui fait connaître à l'homme ses pensées, Celui qui change l'aurore en ténèbres, Et qui marche sur les hauteurs de la terre: Son nom est l'Éternel, le Dieu des armées. | |