| Chapitre 3 1 [Ny hamaliana ny Isiraely noho ny fahotany] Henoy izao teny izao, izay lazain'i Jehovah ny aminareo, ry Zanak'Isiraely, dia ny amin'io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta io: 2 Hianareo ihany no fantatro tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra. 3 Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky? 4 Mierona any an'ala va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra? 5 Voan'ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra? 6 Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany? 7 Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony. 8 Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany? 9 Ambarao ao an-tranoben'i Asdoda sy ao an-tranobe any amin'ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr'i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana* ao anatiny. [Na: ny ampahorina] 10 Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny. 11 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao. 12 Izao no lazain'i Jehovah: Toy ny famonjin'ny mpiandry ondry ny tongotr'ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan'ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny Zanak'Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin'ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy. 13 Henoinareo, ka ambarao hamelezana ny taranak'i Jakoba, hoy ny Tompo, Jehovah, Andriamanitry ny maro: 14 Amin'ny andro hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana ao aminy no hamaliako ny alitara ao Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin'ny tany. 15 Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.
| | Chapitre 3 3:1 Hear this word that Yahweh has spoken against you, children of Israel, against the whole family which I brought up out of the land of Egypt, saying: 3:2 “You only have I chosen of all the families of the earth. Therefore I will punish you for all of your sins.” 3:3 Do two walk together, unless they have agreed? 3:4 Will a lion roar in the thicket, when he has no prey? Does a young lion cry out of his den, if he has caught nothing? 3:5 Can a bird fall in a trap on the earth, where no snare is set for him? Does a snare spring up from the ground, when there is nothing to catch? 3:6 Does the trumpet alarm sound in a city, without the people being afraid? Does evil happen to a city, and Yahweh hasn’t done it? 3:7 Surely the Lord Yahweh will do nothing, unless he reveals his secret to his servants the prophets. 3:8 The lion has roared. Who will not fear? The Lord Yahweh has spoken. Who can but prophesy? 3:9 Proclaim in the palaces at Ashdod, and in the palaces in the land of Egypt, and say, “Assemble yourselves on the mountains of Samaria, and see what unrest is in her, and what oppression is among them.” 3:10 “Indeed they don’t know to do right,” says Yahweh, “Who hoard plunder and loot in their palaces.” 3:11 Therefore thus says the Lord Yahweh: “An adversary will overrun the land; and he will pull down your strongholds, and your fortresses will be plundered.” 3:12 Thus says Yahweh: “As the shepherd rescues out of the mouth of the lion two legs, or a piece of an ear, so shall the children of Israel be rescued who sit in Samaria on the corner of a couch, and on the silken cushions of a bed.” 3:13 “Listen, and testify against the house of Jacob,” says the Lord Yahweh, the God of Armies. 3:14 “For in the day that I visit the transgressions of Israel on him, I will also visit the altars of Bethel; and the horns of the altar will be cut off, and fall to the ground. 3:15 I will strike the winter house with the summer house; and the houses of ivory will perish, and the great houses will have an end,” says Yahweh.
| | Chapitre 3 1 Écoutez cette parole que l'Éternel prononce contre vous, enfants d'Israël, Contre toute la famille que j'ai fait monter du pays d'Égypte! 2 Je vous ai choisis, vous seuls parmi toutes les familles de la terre; C'est pourquoi je vous châtierai pour toutes vos iniquités. 3 Deux hommes marchent-ils ensemble, Sans en être convenus? 4 Le lion rugit-il dans la forêt, Sans avoir une proie? Le lionceau pousse-t-il des cris du fond de sa tanière, Sans avoir fait une capture? 5 L'oiseau tombe-t-il dans le filet qui est à terre, Sans qu'il y ait un piège? Le filet s'élève-t-il de terre, Sans qu'il y ait rien de pris? 6 Sonne-t-on de la trompette dans une ville, Sans que le peuple soit dans l'épouvante? Arrive-t-il un malheur dans une ville, Sans que l'Éternel en soit l'auteur? 7 Car le Seigneur, l'Éternel, ne fait rien Sans avoir révélé son secret à ses serviteurs les prophètes. 8 Le lion rugit: qui ne serait effrayé? Le Seigneur, l'Éternel, parle: qui ne prophétiserait? 9 Faites retentir votre voix dans les palais d'Asdod Et dans les palais du pays d'Égypte, Et dites: Rassemblez-vous sur les montagnes de Samarie, Et voyez quelle immense confusion au milieu d'elle, Quelles violences dans son sein! 10 Ils ne savent pas agir avec droiture, dit l'Éternel, Ils entassent dans leurs palais les produits de la violence et de la rapine. 11 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: L'ennemi investira le pays, Il détruira ta force, Et tes palais seront pillés. 12 Ainsi parle l'Éternel: Comme le berger arrache de la gueule du lion Deux jambes ou un bout d'oreille, Ainsi se sauveront les enfants d'Israël qui sont assis dans Samarie A l'angle d'un lit et sur des tapis de damas. 13 Écoutez, et déclarez ceci à la maison de Jacob! Dit le Seigneur, l'Éternel, le Dieu des armées. 14 Le jour où je punirai Israël pour ses transgressions, Je frapperai sur les autels de Béthel; Les cornes de l'autel seront brisées, Et tomberont à terre. 15 Je renverserai les maisons d'hiver et les maisons d'été; Les palais d'ivoire périront, Les maisons des grands disparaîtront, dit l'Éternel. | |