T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria nodorany ho sokay ny taolan'ny mpanjakan'i Edoma; [Heb. tsy hahemotro]

2 Fa hataoko afo ao Moaba, ka handevona ny tranoben'i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin'ny tabataba sy amin'ny akora ary ny fanenon'ny anjomara;

3 Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.

 

4 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn'i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon'ny razany; [Heb. tsy hahemotro]

5 Fa haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben'i Jerosalema izany.

6 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo, [Heb. tsy hahemotro]

7 Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo* an-dohan'ny malahelo izy sady mamily ny alehan'ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin'ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masina; [Na: ho eo]

8 Amin'ny lamba azony tamin'ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan'ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin'ny sazy* ao an-tranon'ireo andriamaniny izy. [Heb. divain'y voasazy]

9 Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.

10 Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin'ny Amorita,

11 Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah.

12 Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.

13 Indro, Izaho no hitambesatra aminareo* toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara. [Na: Izaho dia itambesaranareo]

14 Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;

15 Izay mitana tsipìka tsy hahajanona, ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy;

16 Ary na dia izay sahy ao amin'ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin'izany andro izany, hoy Jehovah.

 

Chapitre 2

2:1 Thus says Yahweh:

“For three transgressions of Moab, yes, for four,
I will not turn away its punishment;
because he burned the bones of the king of Edom into lime;
2:2 but I will send a fire on Moab,
and it will devour the palaces of Kerioth;
and Moab will die with tumult, with shouting, and with the sound of the trumpet;
2:3 and I will cut off the judge from their midst,
and will kill all its princes with him,”

says Yahweh.
2:4 Thus says Yahweh:

“For three transgressions of Judah, yes, for four,
I will not turn away its punishment;
because they have rejected Yahweh’s law,
and have not kept his statutes,
and their lies have led them astray,
after which their fathers walked;
2:5 But I will send a fire on Judah,
and it will devour the palaces of Jerusalem.”
2:6 Thus says Yahweh:

“For three transgressions of Israel, yes, for four,
I will not turn away its punishment;
because they have sold the righteous for silver,
and the needy for a pair of shoes;
2:7 They trample on the dust of the earth on the head of the poor,
and deny justice to the oppressed;
and a man and his father use the same maiden, to profane my holy name;
2:8 and they lay themselves down beside every altar on clothes taken in pledge;
and in the house of their God they drink the wine of those who have been fined.
2:9 Yet I destroyed the Amorite before them,
whose height was like the height of the cedars,
and he was strong as the oaks;
yet I destroyed his fruit from above,
and his roots from beneath.
2:10 Also I brought you up out of the land of Egypt,
and led you forty years in the wilderness,
to possess the land of the Amorite.
2:11 I raised up some of your sons for prophets,
and some of your young men for Nazirites.
Isn’t this true,
you children of Israel?” says Yahweh.
2:12 “But you gave the Nazirites wine to drink,
and commanded the prophets, saying, ‘Don’t prophesy!’
2:13 Behold, I will crush you in your place,
as a cart crushes that is full of grain.
2:14 Flight will perish from the swift;
and the strong won’t strengthen his force;
neither shall the mighty deliver himself;
2:15 neither shall he stand who handles the bow;
and he who is swift of foot won’t escape;
neither shall he who rides the horse deliver himself;
2:16 and he who is courageous among the mighty will flee away naked on that day,”

says Yahweh.

 

Chapitre 2
1 Ainsi parle l'Éternel: A cause de trois crimes de Moab, Même de quatre, je ne révoque pas mon arrêt, Parce qu'il a brûlé, calciné les os du roi d'Édom. 2 J'enverrai le feu dans Moab, Et il dévorera les palais de Kerijoth; Et Moab périra au milieu du tumulte, Au milieu des cris de guerre et du bruit de la trompette. 3 J'exterminerai de son sein le juge, Et je tuerai tous ses chefs avec lui, dit l'Éternel. 4 Ainsi parle l'Éternel: A cause de trois crimes de Juda, Même de quatre, je ne révoque pas mon arrêt, Parce qu'ils ont méprisé la loi de l'Éternel Et qu'ils n'ont pas gardé ses ordonnances, Parce qu'ils ont été égarés par les idoles mensongères Après lesquelles leurs pères ont marché. 5 J'enverrai le feu dans Juda, Et il dévorera les palais de Jérusalem. 6 Ainsi parle l'Éternel: A cause de trois crimes d'Israël, Même de quatre, je ne révoque pas mon arrêt, Parce qu'ils ont vendu le juste pour de l'argent, Et le pauvre pour une paire de souliers. 7 Ils aspirent à voir la poussière de la terre sur la tête des misérables, Et ils violent le droit des malheureux. Le fils et le père vont vers la même fille, Afin de profaner mon saint nom. 8 Ils s'étendent près de chaque autel sur des vêtements pris en gage, Et ils boivent dans la maison de leurs dieux le vin de ceux qu'ils condamnent. 9 Et pourtant j'ai détruit devant eux les Amoréens, Dont la hauteur égalait celle des cèdres, Et la force celle des chênes; J'ai détruit leurs fruits en haut, Et leurs racines en bas. 10 Et pourtant je vous ai fait monter du pays d'Égypte, Et je vous ai conduits quarante ans dans le désert, Pour vous mettre en possession du pays des Amoréens. 11 J'ai suscité parmi vos fils des prophètes, Et parmi vos jeunes hommes des nazaréens. N'en est-il pas ainsi, enfants d'Israël? dit l'Éternel... 12 Et vous avez fait boire du vin aux nazaréens! Et aux prophètes vous avez donné cet ordre: Ne prophétisez pas! 13 Voici, je vous écraserai, Comme foule la terre un chariot chargé de gerbes. 14 Celui qui est agile ne pourra fuir, Celui qui a de la force ne pourra s'en servir, Et l'homme vaillant ne sauvera pas sa vie; 15 Celui qui manie l'arc ne résistera pas, Celui qui a les pieds légers n'échappera pas, Et le cavalier ne sauvera pas sa vie; 16 Le plus courageux des guerriers S'enfuira nu dans ce jour-là, dit l'Éternel.