T O R I T E N Y . N E T

J é s u s G u é r i t L e s M a l a d e s. J e s u s H e a l s T h e S i c k.
Baiboly Audio     Toriteny Audio     Testamenta Vaovao     Testamenta Taloha     Teny Soa     Hira Fiderana     Baiboly Malagasy     Vaovaom-Piangonana     Vavaka     Rohy      
MATIO
MARKA
LIOKA
JAONA
ASAN'NY APOSTOLY
ROMANA
1KORINTIANA
2KORINTIANA
GALATIANA
EFESIANA
FILIPIANA
KOLOSIANA
1TESALONIANA
2TESALONIANA
1TIMOTY
2TIMOTY
TITOSY
FILEMONA
HEBREO
JAKOBA
1PETERA
2PETERA
1JAONA
2JAONA
3JAONA
JODA
APOKALIPSY

Chapitre 1 

1 [Fisaorana an'i Gaio noho ny nandraisany vahiny, sy filazana ny amin'i Diotrefa sy Demetrio] Izaho loholona* mamangy an'i Galo, ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana.

2 Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany. 3 Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana. 4 Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.

5 Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,

6 izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana*; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin'Andriamanitra ianao; [* Gr. eklesia] 7 fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin'ny jentilisa izy. 8 Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana.

9 Nanoratra tamin'ny fiangonana* Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay. [* Gr. eklesia] 10 Koa amin'izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin'izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] 11 Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an'Andriamanitra.

12 Demetrio dia tsara laza amin'ny olona rehetra sy amin'ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay. 13 Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin'ny ranomainty sy ny penina*; [* Gr. volotara] 14 fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika. 15 Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin'ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.

Chapitre 1 

1:1 The elder to Gaius the beloved, whom I love in truth. 1:2 Beloved, I pray that you may prosper in all things and be healthy, even as your soul prospers. 1:3 For I rejoiced greatly, when brothers came and testified about your truth, even as you walk in truth. 1:4 I have no greater joy than this, to hear about my children walking in truth. 1:5 Beloved, you do a faithful work in whatever you accomplish for those who are brothers and strangers. 1:6 They have testified about your love before the assembly. You will do well to send them forward on their journey in a way worthy of God, 1:7 because for the sake of the Name they went out, taking nothing from the Gentiles. 1:8 We therefore ought to receive such, that we may be fellow workers for the truth. 1:9 I wrote to the assembly, but Diotrephes, who loves to be first among them, doesn’t accept what we say. 1:10 Therefore if I come, I will call attention to his deeds which he does, unjustly accusing us with wicked words. Not content with this, neither does he himself receive the brothers, and those who would, he forbids and throws out of the assembly. 1:11 Beloved, don’t imitate that which is evil, but that which is good. He who does good is of God. He who does evil hasn’t seen God. 1:12 Demetrius has the testimony of all, and of the truth itself; yes, we also testify, and you know that our testimony is true. 1:13 I had many things to write to you, but I am unwilling to write to you with ink and pen; 1:14 but I hope to see you soon, and we will speak face to face. Peace be to you. The friends greet you. Greet the friends by name.

Chapitre 1  

1 L'ancien, à Gaïus, le bien-aimé, que j'aime dans la vérité. 2 Bien-aimé, je souhaite que tu prospères à tous égards et sois en bonne santé, comme prospère l'état de ton âme. 3 J'ai été fort réjoui, lorsque des frères sont arrivés et ont rendu témoignage de la vérité qui est en toi, de la manière dont tu marches dans la vérité. 4 Je n'ai pas de plus grande joie que d'apprendre que mes enfants marchent dans la vérité. 5 Bien-aimé, tu agis fidèlement dans ce que tu fais pour les frères, et même pour des frères étrangers, 6 lesquels ont rendu témoignage de ta charité, en présence de l'Église. Tu feras bien de pourvoir à leur voyage d'une manière digne de Dieu. 7 Car c'est pour le nom de Jésus-Christ qu'ils sont partis, sans rien recevoir des païens. 8 Nous devons donc accueillir de tels hommes, afin d'être ouvriers avec eux pour la vérité. 9 J'ai écrit quelques mots à l'Église; mais Diotrèphe, qui aime à être le premier parmi eux, ne nous reçoit point. 10 C'est pourquoi, si je vais vous voir, je rappellerai les actes qu'il commet, en tenant contre nous de méchants propos; non content de cela, il ne reçoit pas les frères, et ceux qui voudraient le faire, il les en empêche et les chasse de l'Église. 11 Bien-aimé, n'imite pas le mal, mais le bien. Celui qui fait le bien est de Dieu; celui qui fait le mal n'a point vu Dieu. 12 Tous, et la vérité elle-même, rendent un bon témoignage à Démétrius; nous aussi, nous lui rendons témoignage, et tu sais que notre témoignage est vrai. 13 J'aurais beaucoup de choses à t'écrire, mais je ne veux pas le faire avec l'encre et la plume. 14 J'espère te voir bientôt, et nous parlerons de bouche à bouche. (1:15) Que la paix soit avec toi! Les amis te saluent. Salue les amis, chacun en particulier.