T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 4

1 Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy:

2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.

3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama]

4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano.

5 Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.

6 Fa izaho dia efa hatolotra* sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [* Gr. haidina ho fanatitra aidina]

7 Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;

8 hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.

9 [Fanaovam-beloma sy hafatra] Mazotoa hankatỳ amiko faingana ianao;

10 fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia.

11 Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin'ny fanompoana izy.

12 Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy.

13 Ilay kapôty navelako tany Troasy tao amin'i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra.

14 Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;

15 tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay.

16 Tamin'ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany).

17 Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin'ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan'ny liona.

18 Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

19 Manaova veloma amin'i Prisila sy Akoila mbamin'ny ankohonan'i Onesiforosy;

20 Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.

21 Mazotoa hankatỳ alohan'ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin'ny rahalahy rehetra.

22 Ho amin'ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.

 

Chapitre 4

4:1 I command you therefore before God and the Lord Jesus Christ, who will judge the living and the dead at his appearing and his Kingdom: 4:2 preach the word; be urgent in season and out of season; reprove, rebuke, and exhort, with all patience and teaching. 4:3 For the time will come when they will not listen to the sound doctrine, but, having itching ears, will heap up for themselves teachers after their own lusts; 4:4 and will turn away their ears from the truth, and turn aside to fables. 4:5 But you be sober in all things, suffer hardship, do the work of an evangelist, and fulfill your ministry.

4:6 For I am already being offered, and the time of my departure has come. 4:7 I have fought the good fight. I have finished the course. I have kept the faith. 4:8 From now on, there is stored up for me the crown of righteousness, which the Lord, the righteous judge, will give to me on that day; and not to me only, but also to all those who have loved his appearing. 4:9 Be diligent to come to me soon, 4:10 for Demas left me, having loved this present world, and went to Thessalonica; Crescens to Galatia, and Titus to Dalmatia. 4:11 Only Luke is with me. Take Mark, and bring him with you, for he is useful to me for service. 4:12 But I sent Tychicus to Ephesus. 4:13 Bring the cloak that I left at Troas with Carpus when you come, and the books, especially the parchments. 4:14 Alexander, the coppersmith, did much evil to me. The Lord will repay him according to his works, 4:15 of whom you also must beware; for he greatly opposed our words.

4:16 At my first defense, no one came to help me, but all left me. May it not be held against them. 4:17 But the Lord stood by me, and strengthened me, that through me the message might be fully proclaimed, and that all the Gentiles might hear; and I was delivered out of the mouth of the lion. 4:18 And the Lord will deliver me from every evil work, and will preserve me for his heavenly Kingdom; to whom be the glory forever and ever. Amen.

4:19 Greet Prisca and Aquila, and the house of Onesiphorus. 4:20 Erastus remained at Corinth, but I left Trophimus at Miletus sick. 4:21 Be diligent to come before winter. Eubulus salutes you, as do Pudens, Linus, Claudia, and all the brothers. 4:22 The Lord Jesus Christ be with your spirit. Grace be with you. Amen.

 

Chapitre 4
1 Je t'en conjure devant Dieu et devant Jésus-Christ, qui doit juger les vivants et les morts, et au nom de son apparition et de son royaume, 2 prêche la parole, insiste en toute occasion, favorable ou non, reprends, censure, exhorte, avec toute douceur et en instruisant. 3 Car il viendra un temps où les hommes ne supporteront pas la saine doctrine; mais, ayant la démangeaison d'entendre des choses agréables, ils se donneront une foule de docteurs selon leurs propres désirs, 4 détourneront l'oreille de la vérité, et se tourneront vers les fables. 5 Mais toi, sois sobre en toutes choses, supporte les souffrances, fais l'oeuvre d'un évangéliste, remplis bien ton ministère. 6 Car pour moi, je sers déjà de libation, et le moment de mon départ approche. 7 J'ai combattu le bon combat, j'ai achevé la course, j'ai gardé la foi. 8 Désormais la couronne de justice m'est réservée; le Seigneur, le juste juge, me la donnera dans ce jour-là, et non seulement à moi, mais encore à tous ceux qui auront aimé son avènement. 9 Viens au plus tôt vers moi; 10 car Démas m'a abandonné, par amour pour le siècle présent, et il est parti pour Thessalonique; Crescens est allé en Galatie, Tite en Dalmatie. 11 Luc seul est avec moi. Prends Marc, et amène-le avec toi, car il m'est utile pour le ministère. 12 J'ai envoyé Tychique à Éphèse. 13 Quand tu viendras, apporte le manteau que j'ai laissé à Troas chez Carpus, et les livres, surtout les parchemins. 14 Alexandre, le forgeron, m'a fait beaucoup de mal. Le Seigneur lui rendra selon ses oeuvres. 15 Garde-toi aussi de lui, car il s'est fortement opposé à nos paroles.

16 Dans ma première défense, personne ne m'a assisté, mais tous m'ont abandonné. Que cela ne leur soit point imputé! 17 C'est le Seigneur qui m'a assisté et qui m'a fortifié, afin que la prédication fût accomplie par moi et que tous les païens l'entendissent. Et j'ai été délivré de la gueule du lion. 18 Le Seigneur me délivrera de toute oeuvre mauvaise, et il me sauvera pour me faire entrer dans son royaume céleste. A lui soit la gloire aux siècles des siècles! Amen!

19 Salue Prisca et Aquilas, et la famille d'Onésiphore. 20 Éraste est resté à Corinthe, et j'ai laissé Trophime malade à Milet. 21 Tâche de venir avant l'hiver. Eubulus, Pudens, Linus, Claudia, et tous les frères te saluent. 22 Que le Seigneur soit avec ton esprit! Que la grâce soit avec vous!