T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2 

1 [Famporisihana an'Timoty haharitra tsara, na dia azom-pahoriana aza] Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.

2 Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.

3 Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy.

4 Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.

5 Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna.

6 Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.

7 Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao.

 

8 Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako,

9 izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.

10 Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay.

11 Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;

12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;

13 fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.

14 [Ny mety hataon'i Timoty noho ny fisian'ny mpampianatra sandoka] Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino,

15 Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara* ny teny fahamarinana. [* Na: mamoaka tsara; na: mizotra mahitsy amin']

16 Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin'ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,

17 ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady*; isan ireny Hymeneo sy Fileto, [* Gr. gangrena]

18 izay nania tamin'ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan'ny maty, dia mamadika ny finoan'ny sasany.

19 Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy."

20 Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.

21 Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin'ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an'ny Tompo, voavoatra ho amin'ny asa tsara rehetra.

22 Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.

23 Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.

24 Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,

25 mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,

26 ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony*. [* Na: ka hody ny sainy - ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona - hanao ny sitrapon'Andriamanitra; na: fa ataon'ny mpanompon'ny Tompo sambo-belona izay hanao ny sitrapon'Andriamanitra]

 

 Chapitre 2 

2:1 You therefore, my child, be strengthened in the grace that is in Christ Jesus. 2:2 The things which you have heard from me among many witnesses, commit the same to faithful men, who will be able to teach others also. 2:3 You therefore must endure hardship, as a good soldier of Christ Jesus. 2:4 No soldier on duty entangles himself in the affairs of life, that he may please him who enrolled him as a soldier. 2:5 Also, if anyone competes in athletics, he isn’t crowned unless he has competed by the rules. 2:6 The farmers who labor must be the first to get a share of the crops. 2:7 Consider what I say, and may the Lord give you understanding in all things.

2:8 Remember Jesus Christ, risen from the dead, of the seed of David, according to my Good News, 2:9 in which I suffer hardship to the point of chains as a criminal. But God’s word isn’t chained. 2:10 Therefore I endure all things for the chosen ones’ sake, that they also may obtain the salvation which is in Christ Jesus with eternal glory. 2:11 This saying is faithful:

“For if we died with him,
we will also live with him.
2:12 If we endure,
we will also reign with him.
If we deny him,
he also will deny us.
2:13 If we are faithless,
he remains faithful.
He can’t deny himself.”
2:14 Remind them of these things, charging them in the sight of the Lord, that they don’t argue about words, to no profit, to the subverting of those who hear.

2:15 Give diligence to present yourself approved by God, a workman who doesn’t need to be ashamed, properly handling the Word of Truth. 2:16 But shun empty chatter, for it will go further in ungodliness, 2:17 and those words will consume like gangrene, of whom is Hymenaeus and Philetus; 2:18 men who have erred concerning the truth, saying that the resurrection is already past, and overthrowing the faith of some. 2:19 However God’s firm foundation stands, having this seal, “The Lord knows those who are his,”* and, “Let every one who names the name of the Lord depart from unrighteousness.” 2:20 Now in a large house there are not only vessels of gold and of silver, but also of wood and of clay. Some are for honor, and some for dishonor. 2:21 If anyone therefore purges himself from these, he will be a vessel for honor, sanctified, and suitable for the master’s use, prepared for every good work.

2:22 Flee from youthful lusts; but pursue righteousness, faith, love, and peace with those who call on the Lord out of a pure heart. 2:23 But refuse foolish and ignorant questionings, knowing that they generate strife. 2:24 The Lord’s servant must not quarrel, but be gentle towards all, able to teach, patient, 2:25 in gentleness correcting those who oppose him: perhaps God may give them repentance leading to a full knowledge of the truth, 2:26 and they may recover themselves out of the devil’s snare, having been taken captive by him to his will.

 

 Chapitre 2 

1Toi donc, mon enfant, fortifie-toi dans la grâce qui est en Jésus-Christ.

2Et ce que tu as entendu de moi en présence de beaucoup de témoins, confie-le à des hommes fidèles, qui soient capables de l'enseigner aussi à d'autres.

3Souffre avec moi, comme un bon soldat de Jésus-Christ.

4Il n'est pas de soldat qui s'embarrasse des affaires de la vie, s'il veut plaire à celui qui l'a enrôlé;

5et l'athlète n'est pas couronné, s'il n'a combattu suivant les règles.

6Il faut que le laboureur travaille avant de recueillir les fruits.

7Comprends ce que je dis, car le Seigneur te donnera de l'intelligence en toutes choses.

8Souviens-toi de Jésus-Christ, issu de la postérité de David, ressuscité des morts, selon mon Evangile,

9pour lequel je souffre jusqu'à être lié comme un malfaiteur. Mais la parole de Dieu n'est pas liée.

10C'est pourquoi je supporte tout à cause des élus, afin qu'eux aussi obtiennent le salut qui est en Jésus-Christ, avec la gloire éternelle.

11Cette parole est certaine : Si nous sommes morts avec lui, nous vivrons aussi avec lui;

12si nous persévérons, nous régnerons aussi avec lui; si nous le renions, lui aussi nous reniera;

13si nous sommes infidèles, il demeure fidèle, car il ne peut se renier lui-même.

14Rappelle ces choses, en conjurant devant Dieu qu'on évite les disputes de mots, qui ne servent qu'à la ruine de ceux qui écoutent.

15Efforce-toi de te présenter devant Dieu comme un homme éprouvé, un ouvrier qui n'a point à rougir, qui dispense droitement la parole de la vérité.

16Evite les discours vains et profanes; car ceux qui les tiennent avanceront toujours plus dans l'impiété,

17et leur parole rongera comme la gangrène. De ce nombre sont Hyménée et Philète,

18qui se sont détournés de la vérité, disant que la résurrection est déjà arrivée, et qui renversent la foi de quelques uns.

19Néanmoins, le solide fondement de Dieu reste debout, avec ces paroles qui lui servent de sceau : Le Seigneur connaît ceux qui lui appartiennent; et: Quiconque prononce le nom du Seigneur, qu'il s'éloigne de l'iniquité.

20Dans une grande maison, il n'y a pas seulement des vases d'or et d'argent, mais il y en a aussi de bois et de terre; les uns sont des vases d'honneur, et les autres sont d'un usage vil.

21Si donc quelqu'un se conserve pur, en s'abstenant de ces choses, il sera un vase d'honneur, sanctifié, utile à son maître, propre à toute bonne oeuvre.

22Fuis les passions de la jeunesse, et recherche la justice, la foi, la charité, la paix, avec ceux qui invoquent le Seigneur d'un coeur pur.

23Repousse les discussions folles et inutiles, sachant qu'elles font naître des querelles.

24Or, il ne faut pas qu'un serviteur du Seigneur ait des querelles; il doit, au contraire, avoir de la condescendance pour tous, être propre à enseigner, doué de patience;

25il doit redresser avec douceur les adversaires, dans l'espérance que Dieu leur donnera la repentance pour arriver à la connaissance de la vérité,

26et que, revenus à leur bon sens, ils se dégageront des pièges du diable, qui s'est emparé d'eux pour les soumettre à sa volonté.