| Chapitre 1 1
[Ny fahatsiarovan'i Paoly an'i Timoty sy ny fitiavany azy] Paoly,
Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mba ho mpitory
ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin'i Kristy Jesosy, 2
mamangy an'i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny
famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy
Jesosy Tompontsika. 3
Misaotra an'Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon'ny razako
amin'ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny
fahatsiarovako anao amin'ny fivavahako andro aman'alina; 4
ary maniry hahita anao aho* (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho
feno fifaliana aho [* Na: fa andro aman'alina dia maniry hahita anao
aho]; 5
fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao
anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin'i Loisa renibenao sy Eonika
reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany. 6
[Famporisihana an'i Timoty mba hamelona tsara ny fanomezam-pahasoavana
azony avy tamin'Andriamanitra. ] Ary noho izany dia mampahatsiaro anao
aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra,
izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako. 7 Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. 8
Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony
ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara
araka ny herin'Andriamanitra, 9
Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy
araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena
antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola; 10
fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy
antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no
nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay; 11 ny amin'io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra*. [* Na: [mpampianatra ny jentilisa] 12
Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho,
satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay
zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay. [* Na: ilay
zavatra natolony ahy] 13 Tano amin'ny finoana ny ny fitiavana ao amin'i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko. 14 Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin'ny fampaherezan'ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika. 15 Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan'ireny Fygelo sy Hermogena. 16
Homen'ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan'i Onesiforosy; satria
namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako; 17 fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita 18
(ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro
izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao
tsara. | | Chapitre 1 1:1
Paul, an apostle of Jesus Christ through the will of God, according to
the promise of the life which is in Christ Jesus, 1:2 to Timothy, my
beloved child: Grace, mercy, and peace, from God the Father and Christ
Jesus our Lord. 1:3
I thank God, whom I serve as my forefathers did, with a pure
conscience. How unceasing is my memory of you in my petitions, night and
day 1:4 longing to see you, remembering your tears, that I may be
filled with joy; 1:5 having been reminded of the sincere faith that is
in you; which lived first in your grandmother Lois, and your mother
Eunice, and, I am persuaded, in you also. 1:6
For this cause, I remind you that you should stir up the gift of God
which is in you through the laying on of my hands. 1:7 For God didn’t
give us a spirit of fear, but of power, love, and self-control. 1:8
Therefore don’t be ashamed of the testimony of our Lord, nor of me his
prisoner; but endure hardship for the Good News according to the power
of God, 1:9 who saved us and called us with a holy calling, not
according to our works, but according to his own purpose and grace,
which was given to us in Christ Jesus before times eternal, 1:10 but has
now been revealed by the appearing of our Savior, Christ Jesus, who
abolished death, and brought life and immortality to light through the
Good News. 1:11 For this, I was appointed as a preacher, an apostle, and
a teacher of the Gentiles. 1:12 For this cause I also suffer these
things. Yet
I am not ashamed, for I know him whom I have believed, and I am
persuaded that he is able to guard that which I have committed to him
against that day. 1:13
Hold the pattern of sound words which you have heard from me, in faith
and love which is in Christ Jesus. 1:14 That good thing which was
committed to you, guard through the Holy Spirit who dwells in us. 1:15
This you know, that all who are in Asia turned away from me; of whom
are Phygelus and Hermogenes. 1:16 May the Lord grant mercy to the house
of Onesiphorus, for he often refreshed me, and was not ashamed of my
chain, 1:17 but when he was in Rome, he sought me diligently, and found
me 1:18 (the Lord grant to him to find the Lord’s mercy in that day);
and in how many things he served at Ephesus, you know very well. | | Chapitre 1 1
Paul, apôtre de Jésus-Christ, par la volonté de Dieu, pour annoncer la
promesse de la vie qui est en Jésus-Christ, 2 à Timothée, mon enfant
bien-aimé: que la grâce, la miséricorde et la paix te soient données de
la part de Dieu le Père et de Jésus-Christ notre Seigneur! 3 Je rends
grâces à Dieu, que mes ancêtres ont servi, et que je sers avec une
conscience pure, de ce que nuit et jour je me souviens continuellement
de toi dans mes prières, 4 me rappelant tes larmes, et désirant te voir
afin d'être rempli de joie, 5 gardant le souvenir de la foi sincère qui
est en toi, qui habita d'abord dans ton aïeule Loïs et dans ta mère
Eunice, et qui, j'en suis persuadé, habite aussi en toi. 6 C'est
pourquoi je t'exhorte à ranimer le don de Dieu que tu as reçu par
l'imposition de mes mains. 7 Car ce n'est pas un esprit de timidité que
Dieu nous a donné, mais un esprit de force, d'amour et de sagesse. 8
N'aie donc point honte du témoignage à rendre à notre Seigneur, ni de
moi son prisonnier. Mais souffre avec moi pour l'Évangile, (1:9) par la
puissance de Dieu 9 qui nous a sauvés, et nous a adressé une sainte
vocation, non à cause de nos oeuvres, mais selon son propre dessein, et
selon la grâce qui nous a été donnée en Jésus-Christ avant les temps
éternels, 10 et qui a été manifestée maintenant par l'apparition de
notre Sauveur Jésus-Christ, qui a détruit la mort et a mis en évidence
la vie et l'immortalité par l'Évangile. 11 C'est pour cet Évangile que
j'ai été établi prédicateur et apôtre, chargé d'instruire les païens. 12
Et c'est à cause de cela que je souffre ces choses; mais j'en ai point
honte, car je sais en qui j'ai cru, et je suis persuadé qu'il a la
puissance de garder mon dépôt jusqu'à ce jour-là. 13 Retiens dans la foi
et dans la charité qui est en Jésus-Christ le modèle des saines paroles
que tu as reçues de moi. 14 Garde le bon dépôt, par le Saint-Esprit qui
habite en nous. 15 Tu sais que tous ceux qui sont en Asie m'ont
abandonné, entre autres Phygelle et Hermogène. 16 Que le Seigneur
répande sa miséricorde sur la maison d'Onésiphore, car il m'a souvent
consolé, et il n'a pas eu honte de mes chaînes; 17 au contraire,
lorsqu'il est venu à Rome, il m'a cherché avec beaucoup d'empressement,
et il m'a trouvé. 18 Que le Seigneur lui donne d'obtenir miséricorde
auprès du Seigneur en ce jour-là. Tu sais mieux que personne combien de
services il m'a rendus à Éphèse.
| |