| Chapitre 2 1 [Fanitsiana ny hadisoan-kevitry ny sasany ny amin'ny andron'ny Tompo] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, ny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, 2 mba tsy halaky hohetsiketsehina amin'ny saina na hampitahorina ianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny teny, na amin'ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron'ny Tompo. 3 Aza mety hofitahin'olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, 4 ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra. 5 Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo? 6 Ary ankehitriny fantatrareo ny zavatra misakana, mba hampisehoana azy amin'ny fotoan'androny. 7 Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna. kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany*. [* Na: kanefa ao ihany ilay misakana mandra-panaisotra azy] 8 Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo* amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany; [* Na:(holevonin'ny Tompo)] 9 ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra 10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. 11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga, 12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina. 13 [Fananarana sy fanaovam-beloma] Fa izahay tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan'ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina, 14 sady ho amin'izany koa no niantsoany anareo tamin'ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsika. 15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay. 16 Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana, 17 no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.
| | Chapitre 2 2:1 Now, brothers, concerning the coming of our Lord Jesus Christ, and our gathering together to him, we ask you 2:2 not to be quickly shaken in your mind, nor yet be troubled, either by spirit, or by word, or by letter as from us, saying that the day of Christ had come. 2:3 Let no one deceive you in any way. For it will not be, unless the departure comes first, and the man of sin is revealed, the son of destruction, 2:4 he who opposes and exalts himself against all that is called God or that is worshiped; so that he sits as God in the temple of God, setting himself up as God. 2:5 Don’t you remember that, when I was still with you, I told you these things? 2:6 Now you know what is restraining him, to the end that he may be revealed in his own season. 2:7 For the mystery of lawlessness already works. Only there is one who restrains now, until he is taken out of the way. 2:8 Then the lawless one will be revealed, whom the Lord will kill with the breath of his mouth, and destroy by the manifestation of his coming; 2:9 even he whose coming is according to the working of Satan with all power and signs and lying wonders, 2:10 and with all deception of wickedness for those who are being lost, because they didn’t receive the love of the truth, that they might be saved. 2:11 Because of this, God sends them a working of error, that they should believe a lie; 2:12 that they all might be judged who didn’t believe the truth, but had pleasure in unrighteousness. 2:13 But we are bound to always give thanks to God for you, brothers loved by the Lord, because God chose you from the beginning for salvation through sanctification of the Spirit and belief in the truth; 2:14 to which he called you through our Good News, for the obtaining of the glory of our Lord Jesus Christ. 2:15 So then, brothers, stand firm, and hold the traditions which you were taught by us, whether by word, or by letter. 2:16 Now our Lord Jesus Christ himself, and God our Father, who loved us and gave us eternal comfort and good hope through grace, 2:17 comfort your hearts and establish you in every good work and word.
| | Chapitre 2 1 Pour ce qui concerne l'avènement de notre Seigneur Jésus-Christ et notre réunion avec lui, nous vous prions, frères, 2 de ne pas vous laisser facilement ébranler dans votre bon sens, et de ne pas vous laisser troubler, soit par quelque inspiration, soit par quelque parole, ou par quelque lettre qu'on dirait venir de nous, comme si le jour du Seigneur était déjà là. 3 Que personne ne vous séduise d'aucune manière; car il faut que l'apostasie soit arrivée auparavant, et qu'on ait vu paraître l'homme du péché, le fils de la perdition, 4 l'adversaire qui s'élève au-dessus de tout ce qu'on appelle Dieu ou de ce qu'on adore, jusqu'à s'asseoir dans le temple de Dieu, se proclamant lui-même Dieu. 5 Ne vous souvenez-vous pas que je vous disais ces choses, lorsque j'étais encore chez vous? 6 Et maintenant vous savez ce qui le retient, afin qu'il ne paraisse qu'en son temps. 7 Car le mystère de l'iniquité agit déjà; il faut seulement que celui qui le retient encore ait disparu. 8 Et alors paraîtra l'impie, que le Seigneur Jésus détruira par le souffle de sa bouche, et qu'il anéantira par l'éclat de son avènement. 9 L'apparition de cet impie se fera, par la puissance de Satan, avec toutes sortes de miracles, de signes et de prodiges mensongers, 10 et avec toutes les séductions de l'iniquité pour ceux qui périssent parce qu'ils n'ont pas reçu l'amour de la vérité pour être sauvés. 11 Aussi Dieu leur envoie une puissance d'égarement, pour qu'ils croient au mensonge, 12 afin que tous ceux qui n'ont pas cru à la vérité, mais qui ont pris plaisir à l'injustice, soient condamnés. 13 Pour nous, frères bien-aimés du Seigneur, nous devons à votre sujet rendre continuellement grâces à Dieu, parce que Dieu vous a choisis dès le commencement pour le salut, par la sanctification de l'Esprit et par la foi en la vérité. 14 C'est à quoi il vous a appelés par notre Évangile, pour que vous possédiez la gloire de notre Seigneur Jésus-Christ. 15 Ainsi donc, frères, demeurez fermes, et retenez les instructions que vous avez reçues, soit par notre parole, soit par notre lettre. 16 Que notre Seigneur Jésus-Christ lui-même, et Dieu notre Père, qui nous a aimés, et qui nous a donné par sa grâce une consolation éternelle et une bonne espérance, 17 consolent vos coeurs, et vous affermissent en toute bonne oeuvre et en toute bonne parole! | |