Chapitre 1
1
[Ny hafalian'i Paoly noho ny faharetan'ny Kristiana tao Tesalonika sy
ny finoany ary ny fitiavany] Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny
fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy
Kristy Tompo:
2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
3
Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny
aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny
finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra,
4
ka reharehan'ny tenanay ianareo eny amin'ny fiangonan*'Andriamanitra
noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin'ny fanenjehana rehetra izay
manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo- [* Gr. eklesia]
5
famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra izany - mba hatao ho
miendrika ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, sady izany koa no
iaretanareo
6 fa zavatra marina amin'Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,
7
ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin'ny
tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin'ny
anjelin'ny heriny,
8 amin'ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran'i Jesosy Tompontsika,
9
dia olona izay hiharan'ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay
avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,
10
raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin'ny olony masina sy higagana eo
amin'izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny
fanambaranay taminareo.
11
Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba
hataon'Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary
hotanterahiny amin'ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan'ny
finoana,
12
mba hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesosy Tompontsika, ary
ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan'Andriamanitsika sy Jesosy
Kristy Tompo.