T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 35

1 Ary Josia nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an'i Jehovah; dia namono ny Paska ny olona tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany.

2 Ary Josia nanendry ny mpisorona ho amin'ny anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.

3 Ary hoy izy tamin'ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masina ho an'i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, ny fiara masina; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony;

4 ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy ianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, sy araka ny voasoratr'i Solomona zanany koa.

5 Ary mitsangàna eo amin'ny fitoerana masina araka ny fizaran'ny fianakavian'ny rahalahinareo amin'ny vahoaka sy araka ny fizaran'ny fianakavian'ny Levita.

6 Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an'ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Mosesy.

7 Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen'i losia zanak'ondry sy zanak'osy, telo alina no isany hatao Paska avokoa ireo sy omby telo arivo; avy tamin'ny fananan'ny mpanjaka ireo.

8 Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an'ny olona sy ho an'ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra, nanome ondry aman'osy enin-jato amby roa arivo ho an'ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato.

9 Ary Konania sy Semaia sy Netanela rahalahiny ary Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben'ny Levita, nanome ondry aman'osy dimy arivo ho an'ny Levita hatao Paska ary omby dimam-jato.

10 Koa dia vonona ny zavatra; ary ny mpisorona nitsangana teo amin'ny fitoerany avy, ary ny Levita araka ny antokony avy, araka ny didin'ny mpanjaka.

11 Dia novonoin'ny olona ny Paska, ary natopin'ny mpisorona ny rà teny an-tànany, dia vao nohodiran'ny Levita kosa.

12 Dia natokany ny fanatitra dorana homen'ny olona araka ny fizaran'ny fianakaviany, mba hateriny ho an'i Jehovah araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Mosesy. Ary toy izany koa tamin'ny omby.

13 Ary ny Paska natsatsika tamin'ny afo araka ny fanao; fa ny zava-masina kosa nandrahoiny tao anaty vilany sy vilanibe ary kasiteronina, dia nozarainy faingana tamin'ny olona rehetra izany.

14 Ary rehefa afaka izany, dia nanamboatra io an'ny tenany sy ny mpisorona izy; fa ny mpisorona, taranak'i Arona, nanatitra ny fanatitra dorana sy ny saborany mandra-pahalin'ny andro; fa ny Levita kosa nanamboatra ny Paska ho an'ny tenany sy ny mpisorona, taranak'i Arona.

15 Ary ny mpihira, taranak'i Asafa, nitoetra teo amin'ny fitoerany, araka ny didin'i Davida sy Asafa sy Hemana ary Jedotona, mpahitan'ny mpanjaka, ary ny mpiandry varavarana dia teo amin'ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin'ny fanompoany ireo, ka ny Levita rahalahiny no nanamboatra ho azy.

16 Ary dia vonona androtrizay avokoa ny hatao fanompoana an'i Jehovah amin'ny hitandremana ny Paska sy ny hanaterana ny fanatitra dorana eo ambonin'ny alitaran'i Jehovah araka ny tenin'i Josia mpanjaka.

17 Ary ny Zanak'isiraely izay vory teo dia nitandrina ny paska fahizay sy ny andro firavoravoana hafitoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira.

18 Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin'ny Isiraely na dia hatramin'ny andron'i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon'i Josia sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Joda rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.

19 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia no nitandremana izany Paska izany.

 

20 Ary rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin'i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko, mpanjakan'i Egypta, hiady tany Karkemisy eo amoron'i Eofrata; ary Josia nivoaka hiady aminy.

21 Fa Neko naniraka olona ho any aminy hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan'ny Joda? Tsy ady aminao izao anio izao, fa amin'ny fahavaloko, sady nasain'Andriamanitra handeha faingana aho; koa aza manohitra an'Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.

22 Fa Josia tsy nety nihodina niala taminy, fa nody olon-kafa mba hiady taminy ka tsy nety nihaino ny tenin'i Neko, izay nampilazain'Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy ihany teo amin'ny lohasahan'i Megido.

23 Ary ny mpandefa tsipìka nahavoa an'i Josia mpanjaka; dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Ento miala eto aho; fa voa mafy aho.

24 Dia nesorin'ny mpanompony tamin'izany kalesy izany izy, ka napetrany teo amin'ny kalesiny faharoa ary nentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary ny Joda sy Jerosalema rehetra dia nisaona an'i Josia.

25 Ary Jeremia dia nanao hira fisaonana an'i Josia, ary ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra dia mahatsiahy an'i Josia mandraka androany, raha manao hira fisaonana, ka nataony fanao teo amin'ny Isiraely izany; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny fihirana fisaonana izany.

26 Ary ny tantaran'i Josia sisa mbamin'ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah,

27 dia ny asany voalohany sy farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany.

 

Chapitre 35

35:1 Josiah kept a Passover to Yahweh in Jerusalem: and they killed the Passover on the fourteenth day of the first month. 35:2 He set the priests in their offices, and encouraged them to the service of the house of Yahweh. 35:3 He said to the Levites who taught all Israel, who were holy to Yahweh, “Put the holy ark in the house which Solomon the son of David king of Israel built. There shall no more be a burden on your shoulders. Now serve Yahweh your God, and his people Israel. 35:4 Prepare yourselves after your fathers’ houses by your divisions, according to the writing of David king of Israel, and according to the writing of Solomon his son. 35:5 Stand in the holy place according to the divisions of the fathers’ houses of your brothers the children of the people, and let there be for each a portion of a fathers’ house of the Levites. 35:6 Kill the Passover, and sanctify yourselves, and prepare for your brothers, to do according to the word of Yahweh by Moses.”

35:7 Josiah gave to the children of the people, of the flock, lambs and young goats, all of them for the Passover offerings, to all who were present, to the number of thirty thousand, and three thousand bulls: these were of the king’s substance. 35:8 His princes gave for a freewill offering to the people, to the priests, and to the Levites. Hilkiah and Zechariah and Jehiel, the rulers of God’s house, gave to the priests for the Passover offerings two thousand and six hundred small livestock, and three hundred head of cattle. 35:9 Conaniah also, and Shemaiah and Nethanel, his brothers, and Hashabiah and Jeiel and Jozabad, the chiefs of the Levites, gave to the Levites for the Passover offerings five thousand small livestock, and five hundred head of cattle. 35:10 So the service was prepared, and the priests stood in their place, and the Levites by their divisions, according to the king’s commandment. 35:11 They killed the Passover, and the priests sprinkled the blood which they received of their hand, and the Levites flayed them. 35:12 They removed the burnt offerings, that they might give them according to the divisions of the fathers’ houses of the children of the people, to offer to Yahweh, as it is written in the book of Moses. So they did with the cattle. 35:13 They roasted the Passover with fire according to the ordinance: and the holy offerings boiled they in pots, and in caldrons, and in pans, and carried them quickly to all the children of the people. 35:14 Afterward they prepared for themselves, and for the priests, because the priests the sons of Aaron were busy with offering the burnt offerings and the fat until night: therefore the Levites prepared for themselves, and for the priests the sons of Aaron. 35:15 The singers the sons of Asaph were in their place, according to the commandment of David, and Asaph, and Heman, and Jeduthun the king’s seer; and the porters were at every gate: they didn’t need to depart from their service; for their brothers the Levites prepared for them. 35:16 So all the service of Yahweh was prepared the same day, to keep the Passover, and to offer burnt offerings on the altar of Yahweh, according to the commandment of king Josiah. 35:17 The children of Israel who were present kept the Passover at that time, and the feast of unleavened bread seven days. 35:18 There was no Passover like that kept in Israel from the days of Samuel the prophet; neither did any of the kings of Israel keep such a Passover as Josiah kept, and the priests, and the Levites, and all Judah and Israel who were present, and the inhabitants of Jerusalem. 35:19 In the eighteenth year of the reign of Josiah was this Passover kept. 35:20 After all this, when Josiah had prepared the temple, Neco king of Egypt went up to fight against Carchemish by the Euphrates: and Josiah went out against him. 35:21 But he sent ambassadors to him, saying, “What have I to do with you, you king of Judah? I come not against you this day, but against the house with which I have war. God has commanded me to make haste. Beware that it is God who is with me, that he not destroy you.”

35:22 Nevertheless Josiah would not turn his face from him, but disguised himself, that he might fight with him, and didn’t listen to the words of Neco from the mouth of God, and came to fight in the valley of Megiddo. 35:23 The archers shot at king Josiah; and the king said to his servants, “Take me away, because I am seriously wounded!”

35:24 So his servants took him out of the chariot, and put him in the second chariot that he had, and brought him to Jerusalem; and he died, and was buried in the tombs of his fathers. All Judah and Jerusalem mourned for Josiah. 35:25 Jeremiah lamented for Josiah: and all the singing men and singing women spoke of Josiah in their lamentations to this day; and they made them an ordinance in Israel: and behold, they are written in the lamentations. 35:26 Now the rest of the acts of Josiah, and his good deeds, according to that which is written in the law of Yahweh, 35:27 and his acts, first and last, behold, they are written in the book of the kings of Israel and Judah.

 

Chapitre 35
1 Josias célébra la Pâque en l'honneur de l'Éternel à Jérusalem, et l'on immola la Pâque le quatorzième jour du premier mois. 2 Il établit les sacrificateurs dans leurs fonctions, et les encouragea au service de la maison de l'Éternel. 3 Il dit aux Lévites qui enseignaient tout Israël et qui étaient consacrés à l'Éternel: Placez l'arche sainte dans la maison qu'a bâtie Salomon, fils de David, roi d'Israël; vous n'avez plus à la porter sur l'épaule. Servez maintenant l'Éternel, votre Dieu, et son peuple d'Israël. 4 Tenez-vous prêts, selon vos maisons paternelles, selon vos divisions, comme l'ont réglé par écrit David, roi d'Israël, et Salomon, son fils; 5 occupez vos places dans le sanctuaire, d'après les différentes maisons paternelles de vos frères les fils du peuple, et d'après la classification des maisons paternelles des Lévites. 6 Immolez la Pâque, sanctifiez-vous, et préparez-la pour vos frères, en vous conformant à la parole de l'Éternel prononcée par Moïse. 7 Josias donna aux gens du peuple, à tous ceux qui se trouvaient là, des agneaux et des chevreaux au nombre de trente mille, le tout pour la Pâque, et trois mille boeufs; cela fut pris sur les biens du roi. 8 Ses chefs firent de bon gré un présent au peuple, aux sacrificateurs et aux Lévites. Hilkija, Zacharie, et Jehiel, princes de la maison de Dieu, donnèrent aux sacrificateurs pour la Pâque deux mille six cents agneaux et trois cents boeufs. 9 Conania, Schemaeja et Nethaneel, ses frères, Haschabia, Jeïel et Jozabad, chefs des Lévites, donnèrent aux Lévites pour la Pâque cinq mille agneaux et cinq cents boeufs. 10 Le service s'organisa, et les sacrificateurs et les Lévites occupèrent leur place, selon leurs divisions, d'après l'ordre du roi. 11 Ils immolèrent la Pâque; les sacrificateurs répandirent le sang qu'ils recevaient de la main des Lévites, et les Lévites dépouillèrent les victimes. 12 Ils mirent à part les holocaustes pour les donner aux différentes maisons paternelles des gens du peuple, afin qu'ils les offrissent à l'Éternel, comme il est écrit dans le livre de Moïse; et de même pour les boeufs. 13 Ils firent cuire la Pâque au feu, selon l'ordonnance, et ils firent cuire les choses saintes dans des chaudières, des chaudrons et des poêles; et ils s'empressèrent de les distribuer à tout le peuple. 14 Ensuite ils préparèrent ce qui était pour eux et pour les sacrificateurs, car les sacrificateurs, fils d'Aaron, furent occupés jusqu'à la nuit à offrir les holocaustes et les graisses; c'est pourquoi les Lévites préparèrent pour eux et pour les sacrificateurs, fils d'Aaron. 15 Les chantres, fils d'Asaph, étaient à leur place, selon l'ordre de David, d'Asaph, d'Héman, et de Jeduthun le voyant du roi, et les portiers étaient à chaque porte; ils n'eurent pas à se détourner de leur office, car leurs frères les Lévites préparèrent ce qui était pour eux. 16 Ainsi fut organisé ce jour-là tout le service de l'Éternel pour faire la Pâque et pour offrir des holocaustes sur l'autel de l'Éternel, d'après l'ordre du roi Josias. 17 Les enfants d'Israël qui se trouvaient là célébrèrent la Pâque en ce temps et la fête des pains sans levain pendant sept jours. 18 Aucune Pâque pareille à celle-là n'avait été célébrée en Israël depuis les jours de Samuel le prophète; et aucun des rois d'Israël n'avait célébré une Pâque pareille à celle que célébrèrent Josias, les sacrificateurs et les Lévites, tout Juda et Israël qui s'y trouvaient, et les habitants de Jérusalem. 19 Ce fut la dix-huitième année du règne de Josias que cette Pâque fut célébrée. 20 Après tout cela, après que Josias eut réparé la maison de l'Éternel, Néco, roi d'Égypte, monta pour combattre à Carkemisch sur l'Euphrate. Josias marcha à sa rencontre; 21 et Néco lui envoya des messagers pour dire: Qu'y a-t-il entre moi et toi, roi de Juda? Ce n'est pas contre toi que je viens aujourd'hui; c'est contre une maison avec laquelle je suis en guerre. Et Dieu m'a dit de me hâter. Ne t'oppose pas à Dieu, qui est avec moi, de peur qu'il ne te détruise. 22 Mais Josias ne se détourna point de lui, et il se déguisa pour l'attaquer, sans écouter les paroles de Néco, qui venaient de la bouche de Dieu. Il s'avança pour combattre dans la vallée de Meguiddo. 23 Les archers tirèrent sur le roi Josias, et le roi dit à ses serviteurs: Emportez-moi, car je suis gravement blessé. 24 Ses serviteurs l'emportèrent du char, le mirent dans un second char qui était à lui, et l'amenèrent à Jérusalem. Il mourut, et fut enterré dans le sépulcre de ses pères. Tout Juda et Jérusalem pleurèrent Josias. 25 Jérémie fit une complainte sur Josias; tous les chanteurs et toutes les chanteuses ont parlé de Josias dans leurs complaintes jusqu'à ce jour, et en ont établi la coutume en Israël. Ces chants sont écrits dans les Complaintes. 26 Le reste des actions de Josias, et ses oeuvres de piété, telles que les prescrit la loi de l'Éternel, 27 ses premières et ses dernières actions, cela est écrit dans le livre des rois d'Israël et de Juda.