T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 33

1 [Ny nanjakan'i Manase sy Amona] Roa ambin'ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema .

2 Ary nanao izay ratsy eo mason'i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan'ny firenena izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.

3 Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay efa noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'ireo Bala izy sady nanao Aseraha sy niankohota teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra ka nanompo azy

4 sady nanorina alitara tao an-tranon'i Jehovah, dia tao amin'ilay nolazain'i Jehovah hoe: Any Jerosalema no hitoeran'ny anarako mandrakizay.

5 Fa nanao alitara teo anatin'ny kianja roa amin'ny tranon'i Jehovah izy ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra.

6 Ary ny zanany nampamakiny ny afo teo an-dohasahan'ny taranak'i Hinoma, sady nanandro sy nanao sikidy izy sy nanana ody ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, dia nahery nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.

7 Ary izay sarin-javatra voasokitra momba ny sampy nataony dia napetrany tao an-tranon'Andriamanitra, izay nolazain'Andriamanitra tamin'Davida sy Solomona zanany hoe: Eto amin'ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin'ny firenen'isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay;

8 ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay efa notendreko ho an'ny razanareo Aho, raha mba hitandrina koa izy hanao araka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny lalana rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay nampilazaina an'i Mosesy.

9 Kanjo nampivily ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.

10 Ary Jehovah niteny tamin'i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nety nihaino izy.

11 Dia nentin'i Jehovah hamely azy ny komandin'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Asyria, dia nosamborin'ireo Manase ka nasiany masom-by sady nogadrany gadra varahina ary nentiny ho any Babylona.

12 Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin'i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan'Andriamanitry ny razany

13 ka nivavaka taminy; ary Jehovah nanaiky ka nihaino ny fifonany, dia nampody azy ho any Jerosalema ho any amin'ny fanjakany. Ka dia fantatr'i Manase fa Jehovah no Andriamanitra.

14 Ary rehefa afaka izany, dia nanao manda teo ivelan'ny Tanànan'i Davida izy, dia teo andrefana hatrany Gihona, eo amin'ny lohasahan-driaka, ka hatramin'ny fidirana amin'ny vavahadin-kazandrano, ary nataony manodidina an'i Ofela sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho komandin'ny miaramila ho any amin'ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy.

15 Dia nesoriny ireny andriamanikafa sy ny sampy tao an-tranon'i Jehovah mbamin'ny alitara rehetra izay efa naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon'i Jehovah sy tany Jerosalema ka nariany teny ivelan'ny tanàna.

16 Ary nanorina indray ny alitaran'i Jehovah izy ka namono zavatra hatao fanati-pihavanana sy fanati-pisaorana teo amboniny, dia nandidy ny Joda hanompo an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

17 Fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin'ny fitoerana avo ihany, kanefa kosa ho an'i Jehovah Andriamaniny ihany.

18 Ary ny tantaran'i Manase sisa mbamin'ny vavaka nataony tamin'Andriamaniny sy ny tenin'ireo mpahita izay niteny taminy tamin'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely indro, ao amin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.

19 Ary koa, ny vavaka nataony sy ny naneken'Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin'ny fitoerana izay nanorenany fitoerana avo sy nananganany Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin'ny tenin'i Hozay izany.

20 Ary Manase lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tranony; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.

21 Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema.

22 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'i Manase rainy ihany izy; fa ny sarin-javatra voasokitra rehetra nataon'i Manase rainy dia namonoan'i Amona zavatra hatao fanatitra ka notompoiny;

23 ary tsy nanetry tena teo anatrehan'i Jehovah tahaka ny nataon'i Manase rainy izy, fa mainka nanota bebe kokoa aza.

24 Dia nikomy taminy ny mpanompony ka namono azy tao an-tranony.

25 Fa ny vahoaka kosa namono izay rehetra efa nikomy tamin'i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an'i Josia zanany hisolo azy.

 

Chapitre 33  

33:1 Manasseh was twelve years old when he began to reign; and he reigned fifty-five years in Jerusalem. 33:2 He did that which was evil in the sight of Yahweh, after the abominations of the nations whom Yahweh cast out before the children of Israel. 33:3 For he built again the high places which Hezekiah his father had broken down; and he reared up altars for the Baals, and made Asheroth, and worshiped all the army of the sky, and served them. 33:4 He built altars in the house of Yahweh, of which Yahweh said, “My name shall be in Jerusalem forever.” 33:5 He built altars for all the army of the sky in the two courts of the house of Yahweh. 33:6 He also made his children to pass through the fire in the valley of the son of Hinnom; and he practiced sorcery, and used enchantments, and practiced sorcery, and dealt with those who had familiar spirits, and with wizards: he worked much evil in the sight of Yahweh, to provoke him to anger. 33:7 He set the engraved image of the idol, which he had made, in God’s house, of which God said to David and to Solomon his son, “In this house, and in Jerusalem, which I have chosen out of all the tribes of Israel, will I put my name forever: 33:8 neither will I any more remove the foot of Israel from off the land which I have appointed for your fathers, if only they will observe to do all that I have commanded them, even all the law and the statutes and the ordinances given by Moses.” 33:9 Manasseh seduced Judah and the inhabitants of Jerusalem, so that they did more evil than the nations whom Yahweh destroyed before the children of Israel did. 33:10 Yahweh spoke to Manasseh, and to his people; but they gave no heed. 33:11 Therefore Yahweh brought on them the captains of the army of the king of Assyria, who took Manasseh in chains, and bound him with fetters, and carried him to Babylon. 33:12 When he was in distress, he begged Yahweh his God, and humbled himself greatly before the God of his fathers. 33:13 He prayed to him; and he was entreated by him, and heard his supplication, and brought him again to Jerusalem into his kingdom. Then Manasseh knew that Yahweh was God. 33:14 Now after this he built an outer wall to the city of David, on the west side of Gihon, in the valley, even to the entrance at the fish gate; and he encircled Ophel with it, and raised it up to a very great height: and he put valiant captains in all the fortified cities of Judah. 33:15 He took away the foreign gods, and the idol out of the house of Yahweh, and all the altars that he had built in the mountain of the house of Yahweh, and in Jerusalem, and cast them out of the city. 33:16 He built up the altar of Yahweh, and offered thereon sacrifices of peace offerings and of thanksgiving, and commanded Judah to serve Yahweh, the God of Israel. 33:17 Nevertheless the people sacrificed still in the high places, but only to Yahweh their God. 33:18 Now the rest of the acts of Manasseh, and his prayer to his God, and the words of the seers who spoke to him in the name of Yahweh, the God of Israel, behold, they are written among the acts of the kings of Israel. 33:19 His prayer also, and how God was entreated of him, and all his sin and his trespass, and the places in which he built high places, and set up the Asherim and the engraved images, before he humbled himself: behold, they are written in the history of Hozai. 33:20 So Manasseh slept with his fathers, and they buried him in his own house: and Amon his son reigned in his place. 33:21 Amon was twenty-two years old when he began to reign; and he reigned two years in Jerusalem. 33:22 He did that which was evil in the sight of Yahweh, as did Manasseh his father; and Amon sacrificed to all the engraved images which Manasseh his father had made, and served them. 33:23 He didn’t humble himself before Yahweh, as Manasseh his father had humbled himself; but this same Amon trespassed more and more. 33:24 His servants conspired against him, and put him to death in his own house. 33:25 But the people of the land killed all those who had conspired against king Amon; and the people of the land made Josiah his son king in his place.

 

Chapitre 33
1 Manassé avait douze ans lorsqu'il devint roi, et il régna cinquante-cinq ans à Jérusalem. 2 Il fit ce qui est mal aux yeux de l'Éternel, selon les abominations des nations que l'Éternel avait chassées devant les enfants d'Israël. 3 Il rebâtit les hauts lieux qu'Ézéchias, son père, avait renversés; il éleva des autels aux Baals, il fit des idoles d'Astarté, et il se prosterna devant toute l'armée des cieux et la servit. 4 Il bâtit des autels dans la maison de l'Éternel, quoique l'Éternel eût dit: C'est dans Jérusalem que sera mon nom à perpétuité. 5 Il bâtit des autels à toute l'armée des cieux dans les deux parvis de la maison de l'Éternel. 6 Il fit passer ses fils par le feu dans la vallée des fils de Hinnom; il observait les nuages et les serpents pour en tirer des pronostics, il s'adonnait à la magie, et il établit des gens qui évoquaient les esprits et qui prédisaient l'avenir. Il fit de plus en plus ce qui est mal aux yeux de l'Éternel, afin de l'irriter. 7 Il plaça l'image taillée de l'idole qu'il avait faite dans la maison de Dieu, de laquelle Dieu avait dit à David et à Salomon, son fils: C'est dans cette maison, et c'est dans Jérusalem que j'ai choisie parmi toutes les tribus d'Israël, que je veux à toujours placer mon nom. 8 Je ne ferai plus sortir Israël du pays que j'ai destiné à vos pères, pourvu seulement qu'ils aient soin de mettre en pratique tout ce que je leur ai commandé, selon toute la loi, les préceptes et les ordonnances prescrits par Moïse. 9 Mais Manassé fut cause que Juda et les habitants de Jérusalem s'égarèrent et firent le mal plus que les nations que l'Éternel avait détruites devant les enfants d'Israël. 10 L'Éternel parla à Manassé et à son peuple, et ils n'y firent point attention. 11 Alors l'Éternel fit venir contre eux les chefs de l'armée du roi d'Assyrie, qui saisirent Manassé et le mirent dans les fers; ils le lièrent avec des chaînes d'airain, et le menèrent à Babylone. 12 Lorsqu'il fut dans la détresse, il implora l'Éternel, son Dieu, et il s'humilia profondément devant le Dieu de ses pères. 13 Il lui adressa ses prières; et l'Éternel, se laissant fléchir, exauça ses supplications, et le ramena à Jérusalem dans son royaume. Et Manassé reconnut que l'Éternel est Dieu. 14 Après cela, il bâtit en dehors de la ville de David, à l'occident, vers Guihon dans la vallée, un mur qui se prolongeait jusqu'à la porte des poissons et dont il entoura la colline, et il l'éleva à une grande hauteur; il mit aussi des chefs militaires dans toutes les villes fortes de Juda. 15 Il fit disparaître de la maison de l'Éternel les dieux étrangers et l'idole, et il renversa tous les autels qu'il avait bâtis sur la montagne de la maison de l'Éternel et à Jérusalem; et il les jeta hors de la ville. 16 Il rétablit l'autel de l'Éternel et y offrit des sacrifices d'actions de grâces et de reconnaissance, et il ordonna à Juda de servir l'Éternel, le Dieu d'Israël. 17 Le peuple sacrifiait bien encore sur les hauts lieux, mais seulement à l'Éternel, son Dieu. 18 Le reste des actions de Manassé, sa prière à son Dieu, et les paroles des prophètes qui lui parlèrent au nom de l'Éternel, le Dieu d'Israël, cela est écrit dans les actes des rois d'Israël. 19 Sa prière et la manière dont Dieu l'exauça, ses péchés et ses infidélités, les places où il bâtit des hauts lieux et dressa des idoles et des images taillées avant de s'être humilié, cela est écrit dans le livre de Hozaï. 20 Manassé se coucha avec ses pères, et on l'enterra dans sa maison. Et Amon, son fils, régna à sa place. 21 Amon avait vingt-deux ans lorsqu'il devint roi, et il régna deux ans à Jérusalem. 22 Il fit ce qui est mal aux yeux de l'Éternel, comme avait fait Manassé, son père; il sacrifia à toutes les images taillées qu'avait faites Manassé, son père, et il les servit; 23 et il ne s'humilia pas devant l'Éternel, comme s'était humilié Manassé, son père, car lui, Amon, se rendit de plus en plus coupable. 24 Ses serviteurs conspirèrent contre lui, et le firent mourir dans sa maison. 25 Mais le peuple du pays frappa tous ceux qui avaient conspiré contre le roi Amon; et le peuple du pays établit roi Josias, son fils, à sa place.