T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 29

1 [Ny niandohan'ny nanjakan'i Hezekia, sy ny nanadiovany ny tempoly, ary ny nitokanany azy indray] Dimy amby roa-polo taona Hezekia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia, zanakavavin'i Zakaria.

2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy.

3 Tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah izy ka namboatra azy.

4 Ary dia nampidiriny tao ny mpisorona sy ny Levita ka nangoniny teo ankalalahana atsinanana.

5 Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin'ny fitoerana masina ny loto.

6 Fa ny razantsika nandiso sy nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy sy nihodina ka niamboho ny fonenan'i Jehovah.

7 Ary narindriny ny varavarana amin'ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro. sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin'ny fitoerana masina ho an'Andriamanitry ny Isiraely.

8 Ka dia nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran'i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena* izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan'ny masonareo izao. [Na: fampangovitana]

9 Fa he! lavon'ny sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika sy ny vadintsika dia efa babo noho izany.

10 Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.

11 Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin'i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.

12 Dia nitsangana ny Levita, dia Mahata, zanak'i Amasay, sy Joela, zanak'i Azaria, tamin'ny taranaky ny Kehatita; ary tamin'ny taranak'i Merary dia Kisy, zanak'i Abdia, sy Azaria, zanak'i Jehalalila; ary tamin'ny Gersonita dia Joa, zanak'i Zima, sy Edena, zanak'i Joa;

13 ary tamin'ny taranak'i Elizafana dia Simry sy Jeiela; ary tamin'ny taranak'i Asafa dia Zakaria sy Matania;

14 ary tamin'ny taranak'i Hemana dia Jehiela sy Simey; ary tamin'ny taranak'i Jedotona dia Semaia sy Oziela.

15 Ary namory ny rahalahiny izy, ka dia samy nanamasina ny tenany avy, dia tonga araka ny didin'ny mpanjaka noho ny tenin'i Jehovah mba hanadio ny tranon'i Jehovah.

16 Ary ny mpisorona niditra tao amin'ny efitra anatiny amin'ny tranon'i Jehovah mba hanadio azy, ka navoakany ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin'i Jehovah ho eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah. Ary ny Levita kosa nandray ireny havoakany ho any amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.

17 Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy, ary tamin'ny andro fahavalo tamin'io volana io dia niditra teo amin'ny lavarangana fidirana an'i Jehovah izy; ka dia nanamasina ny tranon'i Jehovah tamin'ny havaloana izy; ary tamin'ny andro fahenina ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany no nahavitany azy.

18 Dia niditra tao amin'i Hezekia mpanjaka izy ka nanao hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon'i Jehovah sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo aseho mbamin'ny fanaka rehetra momba azy koa.

19 Ary ny fanaka rehetra izay novetavetain'i Ahaza mpanjaka tamin'ny nanotany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo izy eo anoloan'ny alitaran'i Jehovah.

20 Dia nifoha maraina koa Hezekia mpanjaka ka namory ny mpanapaka ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah.

21 Ary nitondra vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito sy zanak'ondry fito izy ary osilahy fito ho fanatitra noho ny ota ho an'ny fanjakana sy ho an'ny fitoerana masina ary ho an'ny Joda. Ary ny mpisorona, taranak'i Arona, dia nasainy nanatitra ireo teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah.

22 Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy, ary noraisin'ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin'ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny; ary novonoiny koa ny zanak'ondry, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny.

23 Ary ny osilahy ho fanatitra noho ny ota dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny fiangonana ka nametrahany tanana;

24 dia novonoin'ny mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo amin'ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely; fa ho an'ny Isiraely rehetra no nasain'ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.

25 Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon'i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin'i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan'ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin'i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.

26 Ary ny Levita nitsangana teo nitondra ny zava-manenon'i Davida, ary ny mpisorona koa nitondra ny trompetra.

27 Ary nasain'i Hezekia naterina teo ambonin'ny alitara ny fanatitra dorana; ary raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an'i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka notarihin'ny zava-manenon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely.

28 Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka mandra-pahavitan'ny fanatitra dorana.

29 Ary nony efa nitsahatra ny nanaterana izany, dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin'izay rehetra teo aminy.

30 Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an'i Jehovah tamin'ny teny namboarin'i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin'ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.

31 Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo* ho an'i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon'i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana. [Heb. namanareo ny tananareo]

32 Ary ny isan'ny fanatitra dorana izay nentin'ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak'ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.

33 Ary ny zavatra nohamasinina dia omby enin-jato sy ondry aman'osy telo arivo.

34 Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan'ny raharaha sy ny nanamasinan'ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona.

35 Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah.

36 Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin'Andriamanitra ho an'ny olona, satria tampoka izany raharaha izany.

 

Chapitre 29

29:1 Hezekiah began to reign when he was twenty-five years old; and he reigned twenty-nine years in Jerusalem: and his mother’s name was Abijah, the daughter of Zechariah. 29:2 He did that which was right in the eyes of Yahweh, according to all that David his father had done. 29:3 He in the first year of his reign, in the first month, opened the doors of the house of Yahweh, and repaired them. 29:4 He brought in the priests and the Levites, and gathered them together into the broad place on the east, 29:5 and said to them, “Listen to me, you Levites! Now sanctify yourselves, and sanctify the house of Yahweh, the God of your fathers, and carry out the filthiness out of the holy place. 29:6 For our fathers have trespassed, and done that which was evil in the sight of Yahweh our God, and have forsaken him, and have turned away their faces from the habitation of Yahweh, and turned their backs. 29:7 Also they have shut up the doors of the porch, and put out the lamps, and have not burned incense nor offered burnt offerings in the holy place to the God of Israel. 29:8 Therefore the wrath of Yahweh was on Judah and Jerusalem, and he has delivered them to be tossed back and forth, to be an astonishment, and a hissing, as you see with your eyes. 29:9 For, behold, our fathers have fallen by the sword, and our sons and our daughters and our wives are in captivity for this. 29:10 Now it is in my heart to make a covenant with Yahweh, the God of Israel, that his fierce anger may turn away from us. 29:11 My sons, don’t be negligent now; for Yahweh has chosen you to stand before him, to minister to him, and that you should be his ministers, and burn incense.”

29:12 Then the Levites arose, Mahath, the son of Amasai, and Joel the son of Azariah, of the sons of the Kohathites; and of the sons of Merari, Kish the son of Abdi, and Azariah the son of Jehallelel; and of the Gershonites, Joah the son of Zimmah, and Eden the son of Joah; 29:13 and of the sons of Elizaphan, Shimri and Jeuel; and of the sons of Asaph, Zechariah and Mattaniah; 29:14 and of the sons of Heman, Jehuel and Shimei; and of the sons of Jeduthun, Shemaiah and Uzziel. 29:15 They gathered their brothers, and sanctified themselves, and went in, according to the commandment of the king by the words of Yahweh, to cleanse the house of Yahweh. 29:16 The priests went in to the inner part of the house of Yahweh, to cleanse it, and brought out all the uncleanness that they found in Yahweh’s temple into the court of the house of Yahweh. The Levites took it, to carry it out abroad to the brook Kidron. 29:17 Now they began on the first day of the first month to sanctify, and on the eighth day of the month came they to the porch of Yahweh; and they sanctified the house of Yahweh in eight days: and on the sixteenth day of the first month they made an end. 29:18 Then they went in to Hezekiah the king within the palace, and said, “We have cleansed all the house of Yahweh, and the altar of burnt offering, with all its vessels, and the table of show bread, with all its vessels. 29:19 Moreover all the vessels, which king Ahaz in his reign threw away when he trespassed, have we prepared and sanctified; and behold, they are before the altar of Yahweh.”

29:20 Then Hezekiah the king arose early, and gathered the princes of the city, and went up to the house of Yahweh. 29:21 They brought seven bulls, and seven rams, and seven lambs, and seven male goats, for a sin offering for the kingdom and for the sanctuary and for Judah. He commanded the priests the sons of Aaron to offer them on the altar of Yahweh. 29:22 So they killed the bulls, and the priests received the blood, and sprinkled it on the altar: and they killed the rams, and sprinkled the blood on the altar: they killed also the lambs, and sprinkled the blood on the altar. 29:23 They brought near the male goats for the sin offering before the king and the assembly; and they laid their hands on them: 29:24 and the priests killed them, and they made a sin offering with their blood on the altar, to make atonement for all Israel; for the king commanded that the burnt offering and the sin offering should be made for all Israel. 29:25 He set the Levites in the house of Yahweh with cymbals, with stringed instruments, and with harps, according to the commandment of David, and of Gad the king’s seer, and Nathan the prophet; for the commandment was of Yahweh by his prophets. 29:26 The Levites stood with the instruments of David, and the priests with the trumpets. 29:27 Hezekiah commanded to offer the burnt offering on the altar. When the burnt offering began, the song of Yahweh began also, and the trumpets, together with the instruments of David king of Israel. 29:28 All the assembly worshiped, and the singers sang, and the trumpeters sounded; all this continued until the burnt offering was finished. 29:29 When they had made an end of offering, the king and all who were present with him bowed themselves and worshiped. 29:30 Moreover Hezekiah the king and the princes commanded the Levites to sing praises to Yahweh with the words of David, and of Asaph the seer. They sang praises with gladness, and they bowed their heads and worshiped. 29:31 Then Hezekiah answered, “Now you have consecrated yourselves to Yahweh; come near and bring sacrifices and thank offerings into the house of Yahweh.” The assembly brought in sacrifices and thank offerings; and as many as were of a willing heart brought burnt offerings. 29:32 The number of the burnt offerings which the assembly brought was seventy bulls, one hundred rams, and two hundred lambs: all these were for a burnt offering to Yahweh. 29:33 The consecrated things were six hundred head of cattle and three thousand sheep. 29:34 But the priests were too few, so that they could not flay all the burnt offerings: therefore their brothers the Levites helped them, until the work was ended, and until the priests had sanctified themselves; for the Levites were more upright in heart to sanctify themselves than the priests. 29:35 Also the burnt offerings were in abundance, with the fat of the peace offerings, and with the drink offerings for every burnt offering. So the service of the house of Yahweh was set in order. 29:36 Hezekiah rejoiced, and all the people, because of that which God had prepared for the people: for the thing was done suddenly.

 

Chapitre 29
1 Ézéchias devint roi à l'âge de vingt-cinq ans, et il régna vingt-neuf ans à Jérusalem. Sa mère s'appelait Abija, fille de Zacharie. 2 Il fit ce qui est droit aux yeux de l'Éternel, entièrement comme avait fait David, son père. 3 La première année de son règne, au premier mois, il ouvrit les portes de la maison de l'Éternel, et il les répara. 4 Il fit venir les sacrificateurs et les Lévites, qu'il assembla dans la place orientale, 5 et il leur dit: Écoutez-moi, Lévites! Maintenant sanctifiez-vous, sanctifiez la maison de l'Éternel, le Dieu de vos pères, et mettez ce qui est impur hors du sanctuaire. 6 Car nos pères ont péché, ils ont fait ce qui est mal aux yeux de l'Éternel, notre Dieu, ils l'ont abandonné, ils ont détourné leurs regards du tabernacle de l'Éternel et lui ont tourné le dos. 7 Ils ont même fermé les portes du portique et éteint les lampes, et ils n'ont offert au Dieu d'Israël ni parfums ni holocaustes dans le sanctuaire. 8 Aussi la colère de l'Éternel a été sur Juda et sur Jérusalem, et il les a livrés au trouble, à la désolation et à la moquerie, comme vous le voyez de vos yeux. 9 Et voici, à cause de cela nos pères sont tombés par l'épée, et nos fils, nos filles et nos femmes sont en captivité. 10 J'ai donc l'intention de faire alliance avec l'Éternel, le Dieu d'Israël, pour que son ardente colère se détourne de nous. 11 Maintenant, mes fils, cessez d'être négligents; car vous avez été choisis par l'Éternel pour vous tenir à son service devant lui, pour être ses serviteurs, et pour lui offrir des parfums. 12 Et les Lévites se levèrent: Machath, fils d'Amasaï, Joël, fils d'Azaria, des fils des Kehathites; et des fils des Merarites, Kis, fils d'Abdi, Azaria, fils de Jehalléleel; et des Guerschonites, Joach, fils de Zimma, Éden, fils de Joach; 13 et des fils d'Élitsaphan, Schimri et Jeïel; et des fils d'Asaph, Zacharie et Matthania; 14 et des fils d'Héman, Jehiel et Schimeï; et des fils de Jeduthun, Schemaeja et Uzziel. 15 Ils réunirent leurs frères, et, après s'être sanctifiés, ils vinrent pour purifier la maison de l'Éternel, selon l'ordre du roi et d'après les paroles de l'Éternel. 16 Les sacrificateurs entrèrent dans l'intérieur de la maison de l'Éternel pour la purifier; ils sortirent toutes les impuretés qu'ils trouvèrent dans le temple de l'Éternel et les mirent dans le parvis de la maison de l'Éternel, où les Lévites les reçurent pour les emporter dehors au torrent de Cédron. 17 Ils commencèrent ces purifications le premier jour du premier mois; le huitième jour du mois, ils entrèrent dans le portique de l'Éternel, et ils mirent huit jours à purifier la maison de l'Éternel; le seizième jour du premier mois, ils avaient achevé. 18 Ils se rendirent ensuite chez le roi Ézéchias, et dirent: Nous avons purifié toute la maison de l'Éternel, l'autel des holocaustes et tous ses ustensiles, et la table des pains de proposition et tous ses ustensiles. 19 Nous avons remis en état et purifié tous les ustensiles que le roi Achaz avait profanés pendant son règne, lors de ses transgressions: ils sont devant l'autel de l'Éternel. 20 Le roi Ézéchias se leva de bon matin, assembla les chefs de la ville, et monta à la maison de l'Éternel. 21 Ils offrirent sept taureaux, sept béliers, sept agneaux et sept boucs, en sacrifice d'expiation pour le royaume, pour le sanctuaire, et pour Juda. Le roi ordonna aux sacrificateurs, fils d'Aaron, de les offrir sur l'autel de l'Éternel. 22 Les sacrificateurs égorgèrent les boeufs, et reçurent le sang, qu'ils répandirent sur l'autel; ils égorgèrent les béliers, et répandirent le sang sur l'autel; ils égorgèrent les agneaux, et répandirent le sang sur l'autel. 23 On amena ensuite les boucs expiatoires devant le roi et devant l'assemblée, qui posèrent leurs mains sur eux. 24 Les sacrificateurs les égorgèrent, et répandirent leur sang au pied de l'autel en expiation pour les péchés de tout Israël; car c'était pour tout Israël que le roi avait ordonné l'holocauste et le sacrifice d'expiation. 25 Il fit placer les Lévites dans la maison de l'Éternel avec des cymbales, des luths et des harpes, selon l'ordre de David, de Gad le voyant du roi, et de Nathan, le prophète; car c'était un ordre de l'Éternel, transmis par ses prophètes. 26 Les Lévites prirent place avec les instruments de David, et les sacrificateurs avec les trompettes. 27 Ézéchias ordonna d'offrir l'holocauste sur l'autel; et au moment où commença l'holocauste, commença aussi le chant de l'Éternel, au son des trompettes et avec accompagnement des instruments de David, roi d'Israël. 28 Toute l'assemblée se prosterna, on chanta le cantique, et l'on sonna des trompettes, le tout jusqu'à ce que l'holocauste fût achevé. 29 Et quand on eut achevé d'offrir l'holocauste, le roi et tous ceux qui étaient avec lui fléchirent le genou et se prosternèrent. 30 Puis le roi Ézéchias et les chefs dirent aux Lévites de célébrer l'Éternel avec les paroles de David et du prophète Asaph; et ils le célébrèrent avec des transports de joie, et ils s'inclinèrent et se prosternèrent. 31 Ézéchias prit alors la parole, et dit: Maintenant que vous vous êtes consacrés à l'Éternel, approchez-vous, amenez des victimes et offrez en sacrifices d'actions de grâces à la maison de l'Éternel. Et l'assemblée amena des victimes et offrit des sacrifices d'actions de grâces, et tous ceux dont le coeur était bien disposé offrirent des holocaustes. 32 Le nombre des holocaustes offerts par l'assemblée fut de soixante-dix boeufs, cent béliers, et deux cents agneaux; toutes ces victimes furent immolées en holocauste à l'Éternel. 33 Et l'on consacra encore six cents boeufs et trois mille brebis. 34 Mais les sacrificateurs étaient en petit nombre, et ils ne purent dépouiller tous les holocaustes; leurs frères, les Lévites, les aidèrent jusqu'à ce que l'ouvrage fût fini, et jusqu'à ce que les autres sacrificateurs se fussent sanctifiés, car les Lévites avaient eu plus à coeur de se sanctifier que les sacrificateurs. 35 Il y avait d'ailleurs beaucoup d'holocaustes, avec les graisses des sacrifices d'actions de grâces, et avec les libations des holocaustes. Ainsi fut rétabli le service de la maison de l'Éternel. 36 Ézéchias et tout le peuple se réjouirent de ce que Dieu avait bien disposé le peuple, car la chose se fit subitement.