T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 28

1 [Ny nanjakan'i Ahaza] Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary tsy mba nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tahaka an'i Davida rainy izy,

2 fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy sady nanao sarin-javatra an-idina ho an'ireo Bala koa.

3 Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin'ny afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.

4 Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo koa sy teny an-tampon'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.

5 Koa dia natolotr'i Jehovah Andriamaniny ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo.

6 Fa Peka, zanak'i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin'ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan'ireny an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.

7 Ary Zikry, lehilahy mahery tamin'ny Efraima, namono an'i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama, mpanapaka ny trano, ary Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka.

8 Ary ny Zanak'isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin'ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.

9 Ary nisy mpaminanin'i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin'ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tananareo, dia novonoinareo ireny tamin'ny fahatezerana manakatra ny lanitra.

10 Ary ankehitriny ny taranak'i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovanivareo; ka moa ianareo ireo va tsy mba manan-keloka amin'i Jehovah Andriamanitrareo koa?

11 Ary ankehitriny mihainoa ahy, koa alefaso ny babo izay efa nentinareo avy tamin'ny rahalahinareo; fa mirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah.

12 Dia nitsangana ny loholona sasany avy amin'ny taranak'i Efraima, dia Azaria, zanak'i Johanana, sy Berekia, zanak'i Mesilemota, sy Jehizkia, zanak'i Saloma, ary Amasa, zanak'i Hadlay, ka nanohitra izay vao avy tany an-tafika

13 nanao taminy hoe: Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin'i Jehovah; fa efa be ny fahadisoantsika, ka iharan'ny fahatezerana mirehitra ny Isiraely.

14 Dia nalefan'ny miaramila teo anatrehan'ny mpanapaka sy ny fiangonana rehetra izay sambo-belona sy babo azony,

15 ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin'ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanàna be rofia*, ho any amin'ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.[palma]

16 famin'izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria nangataka ny any hanampy azy.

17 Fa ny Edomita dia tonga indray ka namely ny Joda ary namabo azy.

18 Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka* sy eny amin'ny tany atsimo momba an'i Joda, dia nahafaka an'i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin'ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.[Heb. sefela]

19 Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan'ny Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin'ny Joda ka nivadika tamin'i Jehovah.

20 Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.

21 Fa efa nalain'i Ahaza ny zavatra tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-tranon'ny mpanjaka sy ny an'ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan'i Asyria, nefa tsy nahasoa azy akory izany.

22 Ary tamin'ny andro nampahoriana azy dia mbola nanao izay nahadiso amin'i Jehovah ihany io Ahaza mpanjaka io.

23 Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'ireo andriamanitr'i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan'i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo.

24 Ary Ahaza nanangona ny fanaky ny tranon'Andriamanitra ka namakivaky azy ary nandrindrina ny varavaran'ny tranon'i Jehovah sady nanao alitara teny amin'ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema.

25 Ary teny amin'ny tanànan'ny Joda rehetra dia nanaovany fitoerana avo handoroana ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.

26 Ary ny tantarany sisa sy ny fanaony rehetra, na ny voalohany na ny farany, indreo, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely izany.

27 Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin'ny fasan'ny mpanjakan'ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.

 

Chapitre 28

28:1 Ahaz was twenty years old when he began to reign; and he reigned sixteen years in Jerusalem: and he didn’t do that which was right in the eyes of Yahweh, like David his father; 28:2 but he walked in the ways of the kings of Israel, and made also molten images for the Baals. 28:3 Moreover he burnt incense in the valley of the son of Hinnom, and burnt his children in the fire, according to the abominations of the nations whom Yahweh cast out before the children of Israel. 28:4 He sacrificed and burnt incense in the high places, and on the hills, and under every green tree. 28:5 Therefore Yahweh his God delivered him into the hand of the king of Syria; and they struck him, and carried away of his a great multitude of captives, and brought them to Damascus. He was also delivered into the hand of the king of Israel, who struck him with a great slaughter. 28:6 For Pekah the son of Remaliah killed in Judah one hundred twenty thousand in one day, all of them valiant men; because they had forsaken Yahweh, the God of their fathers. 28:7 Zichri, a mighty man of Ephraim, killed Maaseiah the king’s son, and Azrikam the ruler of the house, and Elkanah who was next to the king. 28:8 The children of Israel carried away captive of their brothers two hundred thousand, women, sons, and daughters, and took also away much spoil from them, and brought the spoil to Samaria. 28:9 But a prophet of Yahweh was there, whose name was Oded: and he went out to meet the army that came to Samaria, and said to them, “Behold, because Yahweh, the God of your fathers, was angry with Judah, he has delivered them into your hand, and you have slain them in a rage which has reached up to heaven. 28:10 Now you purpose to keep under the children of Judah and Jerusalem for bondservants and bondmaids for yourselves. Aren’t there even with you trespasses of your own against Yahweh your God? 28:11 Now hear me therefore, and send back the captives, that you have taken captive from your brothers; for the fierce wrath of Yahweh is on you.” 28:12 Then some of the heads of the children of Ephraim, Azariah the son of Johanan, Berechiah the son of Meshillemoth, and Jehizkiah the son of Shallum, and Amasa the son of Hadlai, stood up against those who came from the war, 28:13 and said to them, “You shall not bring in the captives here: for you purpose that which will bring on us a trespass against Yahweh, to add to our sins and to our trespass; for our trespass is great, and there is fierce wrath against Israel.”

28:14 So the armed men left the captives and the spoil before the princes and all the assembly. 28:15 The men who have been mentioned by name rose up, and took the captives, and with the spoil clothed all who were naked among them, dressed them, gave them sandals, and gave them something to eat and to drink, anointed them, carried all the feeble of them on donkeys, and brought them to Jericho, the city of palm trees, to their brothers. Then they returned to Samaria. 28:16 At that time king Ahaz sent to the kings of Assyria to help him. 28:17 For again the Edomites had come and struck Judah, and carried away captives. 28:18 The Philistines also had invaded the cities of the lowland, and of the South of Judah, and had taken Beth Shemesh, and Aijalon, and Gederoth, and Soco with its towns, and Timnah with its towns, Gimzo also and its towns: and they lived there. 28:19 For Yahweh brought Judah low because of Ahaz king of Israel; for he had dealt wantonly in Judah, and trespassed severely against Yahweh. 28:20 Tilgath Pilneser king of Assyria came to him, and distressed him, but didn’t strengthen him. 28:21 For Ahaz took away a portion out of the house of Yahweh, and out of the house of the king and of the princes, and gave it to the king of Assyria: but it didn’t help him. 28:22 In the time of his distress, he trespassed yet more against Yahweh, this same king Ahaz. 28:23 For he sacrificed to the gods of Damascus, which struck him; and he said, “Because the gods of the kings of Syria helped them, so I will sacrifice to them, that they may help me.” But they were the ruin of him, and of all Israel. 28:24 Ahaz gathered together the vessels of God’s house, and cut in pieces the vessels of God’s house, and shut up the doors of the house of Yahweh; and he made him altars in every corner of Jerusalem. 28:25 In every city of Judah he made high places to burn incense to other gods, and provoked to anger Yahweh, the God of his fathers. 28:26 Now the rest of his acts, and all his ways, first and last, behold, they are written in the book of the kings of Judah and Israel. 28:27 Ahaz slept with his fathers, and they buried him in the city, even in Jerusalem; for they didn’t bring him into the tombs of the kings of Israel: and Hezekiah his son reigned in his place.

 

Chapitre 28
1 Achaz avait vingt ans lorsqu'il devint roi, et il régna seize ans à Jérusalem. Il ne fit point ce qui est droit aux yeux de l'Éternel, comme avait fait David, son père. 2 Il marcha dans les voies des rois d'Israël; et même il fit des images en fonte pour les Baals, 3 il brûla des parfums dans la vallée des fils de Hinnom, et il fit passer ses fils par le feu, suivant les abominations des nations que l'Éternel avait chassées devant les enfants d'Israël. 4 Il offrait des sacrifices et des parfums sur les hauts lieux, sur les collines et sous tout arbre vert. 5 L'Éternel, son Dieu, le livra entre les mains du roi de Syrie; et les Syriens le battirent et lui firent un grand nombre de prisonniers, qu'ils emmenèrent à Damas. Il fut aussi livré entre les mains du roi d'Israël, qui lui fit éprouver une grande défaite. 6 Pékach, fils de Remalia, tua dans un seul jour en Juda cent vingt mille hommes, tous vaillants, parce qu'ils avaient abandonné l'Éternel, le Dieu de leurs pères. 7 Zicri, guerrier d'Éphraïm, tua Maaséja, fils du roi, Azrikam, chef de la maison royale, et Elkana, le second après le roi. 8 Les enfants d'Israël firent parmi leurs frères deux cent mille prisonniers, femmes, fils et filles, et ils leur prirent beaucoup de butin, qu'ils emmenèrent à Samarie. 9 Il y avait là un prophète de l'Éternel, nommé Oded. Il alla au-devant de l'armée qui revenait à Samarie, et il leur dit: C'est dans sa colère contre Juda que l'Éternel, le Dieu de vos pères, les a livrés entre vos mains, et vous les avez tués avec une fureur qui est montée jusqu'aux cieux. 10 Et vous pensez maintenant faire des enfants de Juda et de Jérusalem vos serviteurs et vos servantes! Mais vous, n'êtes-vous pas coupables envers l'Éternel, votre Dieu? 11 Écoutez-moi donc, et renvoyez ces captifs que vous avez faits parmi vos frères; car la colère ardente de l'Éternel est sur vous. 12 Quelques-uns d'entre les chefs des fils d'Éphraïm, Azaria, fils de Jochanan, Bérékia, fils de Meschillémoth, Ézéchias, fils de Schallum, et Amasa, fils de Hadlaï, s'élevèrent contre ceux qui revenaient de l'armée, 13 et leur dirent: Vous ne ferez point entrer ici des captifs; car, pour nous rendre coupables envers l'Éternel, vous voulez ajouter à nos péchés et à nos fautes. Nous sommes déjà bien coupables, et la colère ardente de l'Éternel est sur Israël. 14 Les soldats abandonnèrent les captifs et le butin devant les chefs et devant toute l'assemblée. 15 Et les hommes dont les noms viennent d'être mentionnés se levèrent et prirent les captifs; ils employèrent le butin à vêtir tous ceux qui étaient nus, ils leur donnèrent des habits et des chaussures, ils les firent manger et boire, ils les oignirent, ils conduisirent sur des ânes tous ceux qui étaient fatigués, et ils les menèrent à Jéricho, la ville des palmiers, auprès de leurs frères. Puis ils retournèrent à Samarie. 16 En ce temps-là, le roi Achaz envoya demander du secours aux rois d'Assyrie. 17 Les Édomites vinrent encore, battirent Juda, et emmenèrent des captifs. 18 Les Philistins firent une invasion dans les villes de la plaine et du midi de Juda; ils prirent Beth-Schémesch, Ajalon, Guedéroth, Soco et les villes de son ressort, Thimna et les villes de son ressort Guimzo et les villes de son ressort, et ils s'y établirent. 19 Car l'Éternel humilia Juda, à cause d'Achaz, roi d'Israël, qui avait jeté le désordre dans Juda et commis des péchés contre l'Éternel. 20 Tilgath-Pilnéser, roi d'Assyrie, vint contre lui, le traita en ennemi, et ne le soutint pas. 21 Car Achaz dépouilla la maison de l'Éternel, la maison du roi et celle des chefs, pour faire des présents au roi d'Assyrie; ce qui ne lui fut d'aucun secours. 22 Pendant qu'il était dans la détresse, il continuait à pécher contre l'Éternel, lui, le roi Achaz. 23 Il sacrifia aux dieux de Damas, qui l'avaient frappé, et il dit: Puisque les dieux des rois de Syrie leur viennent en aide, je leur sacrifierai pour qu'ils me secourent. Mais ils furent l'occasion de sa chute et de celle de tout Israël. 24 Achaz rassembla les ustensiles de la maison de Dieu, et il mit en pièces les ustensiles de la maison de Dieu. Il ferma les portes de la maison de l'Éternel, il se fit des autels à tous les coins de Jérusalem, 25 et il établit des hauts lieux dans chacune des villes de Juda pour offrir des parfums à d'autres dieux. Il irrita ainsi l'Éternel, le Dieu de ses pères. 26 Le reste de ses actions et toutes ses voies, les premières et les dernières, cela est écrit dans le livre des rois de Juda et d'Israël. 27 Achaz se coucha avec ses pères, et on l'enterra dans la ville de Jérusalem, car on ne le mit point dans les sépulcres des rois d'Israël. Et Ézéchias, son fils, régna à sa place.