T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 24

1 [Ny nanjakan'i Joasy, sy ny nanamboarana ny rafitry ny tempoly] Fito taona no niainan'i Joasy, fony izy vao nanjaka, efa efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.

2 Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tamin'ny andro rehetra niainan'i Joiada mpisorona.

3 Ary nangalan'i Joiada vady roa Joasy, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

4 Ary nony afaka izany, dia mby ao am-pon i Joasy ny hanamboatra ny tranon'i Jehovah.

5 Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin'ny tanànan'ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin'ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon'Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.

6 Ary ny mpanjaka dia nampaka an'i Joiada, lohany tamin'ireo, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ny Levita, araka ny didin'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah sy ny fiangonan'ny Isiraely ho ao amin'ny tabernakelin'ny vavolombelona?

7 Fa ny zanak'i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, efa nandrava ny tranon'Andriamanitra; ary ny zavatra masina rehetra tao an-tranon'i Jehovah koa dia efa nateriny ho an'ireo Bala.

8 Ary nasain'ny mpanjaka nanao vata anankiray izy, dia napetrany teo ivelan'ny vavahadin'ny tranon'i Jehovah izany.

9 Ary nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an'i Jehovah ny hetra izay nasain'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, haloan'ny Isiraely, fony izy tany an-efitra.

10 Dia faly ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra, ka dia nitondra izany ary nandatsaka azy tao amin'ny vata ambara-pahatapiny.

11 Ary tamin'izay andro nitondran'ny Levita ny vata ho any amin'ny toniany voatendrin'ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola, dia avy ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny toniany voatendrin'ny mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin'ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin'ny fitoerany indray. Toy izany no nataony mandrakariva, ka nahavory vola betsaka izy.

12 Ary nomen'ny mpanjaka sy Joiada ho an'izay nanao ny raharahan'ny tranon'i Jehovah ny vola, ka nanakaraman'ireo mpipai-bato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboatra ny tranon'i Jehovah.

13 Dia nanao ny mpiasa, ka vita tsara ny asa; ary namboariny ho toy ny teo aloha ny tranon'Andriamanitra ka nataony mafy.

14 Ary nony vitany izany, dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an'ny tranon'i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao fanompoam-pivavahana sy manatitra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanatitra fanatitra dorana tao an-tranon'i Jehovah mandrakariva izy tamin'ny andron'i Joiada rehetra.

15 Fa tratrantitra sy ela niainana* Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty. [Heb. voky andro, na afa-pon'ny miaina]

16 Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida tao amin'ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin'ny Isiraely ary tamin'Andriamanitra sy ny tranony koa.

17 Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka.

18 Ary nandao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany.

19 Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin'i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy.

20 Ary Zakaria, zanak'i Joiada mpisorona, notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra, dia nitsangana teo amin'ny avoavo teo anatrehan'ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.

21 Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah araka ny tenin'ny mpanjaka.

22 Toy izany no tsy nahatsiarovan'i Joasy mpanjaka ny soa nataon'i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.

23 Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan'i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin'ny olona, ary nampitondrainy ho any amin'ny mpanjakan'i Damaskosy ny babo rehetra.

24 Fa vitsy ny miaramilan'ny Syriana izay tonga teo, nefa Jehovah nanolotra miaramila maro ho eo an-tànany noho ny nahafoizany an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan'ireo ny famaliana an'i Joasy.

25 Ary nony nilaozany tamin'ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran'ny zanak'i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.

26 Ary izao no niodina taminy: Zabada, zanak'i Simata Amonita, sy Jozabada, zanak'i Simrita Moabita.

27 Ary ny amin'ny zanany sy ny hamafin'ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon'Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.

 

Chapitre 24

24:1 Joash was seven years old when he began to reign; and he reigned forty years in Jerusalem: and his mother’s name was Zibiah, of Beersheba. 24:2 Joash did that which was right in the eyes of Yahweh all the days of Jehoiada the priest. 24:3 Jehoiada took for him two wives; and he became the father of sons and daughters. 24:4 It happened after this, that Joash intended to restore the house of Yahweh. 24:5 He gathered together the priests and the Levites, and said to them, “Go out to the cities of Judah, and gather money to repair the house of your God from all Israel from year to year. See that you expedite this matter.” However the Levites didn’t do it right away. 24:6 The king called for Jehoiada the chief, and said to him, “Why haven’t you required of the Levites to bring in the tax of Moses the servant of Yahweh, and of the assembly of Israel, out of Judah and out of Jerusalem, for the tent of the testimony?” 24:7 For the sons of Athaliah, that wicked woman, had broken up God’s house; and they also gave all the dedicated things of the house of Yahweh to the Baals. 24:8 So the king commanded, and they made a chest, and set it outside at the gate of the house of Yahweh. 24:9 They made a proclamation through Judah and Jerusalem, to bring in for Yahweh the tax that Moses the servant of God laid on Israel in the wilderness. 24:10 All the princes and all the people rejoiced, and brought in, and cast into the chest, until they had made an end. 24:11 It was so, that whenever the chest was brought to the king’s officers by the hand of the Levites, and when they saw that there was much money, the king’s scribe and the chief priest’s officer came and emptied the chest, and took it, and carried it to its place again. Thus they did day by day, and gathered money in abundance. 24:12 The king and Jehoiada gave it to such as did the work of the service of the house of Yahweh; and they hired masons and carpenters to restore the house of Yahweh, and also such as worked iron and brass to repair the house of Yahweh. 24:13 So the workmen worked, and the work of repairing went forward in their hands, and they set up God’s house in its state, and strengthened it. 24:14 When they had made an end, they brought the rest of the money before the king and Jehoiada, of which were made vessels for the house of Yahweh, even vessels with which to minister and to offer, and spoons, and vessels of gold and silver. They offered burnt offerings in the house of Yahweh continually all the days of Jehoiada. 24:15 But Jehoiada grew old and was full of days, and he died; one hundred thirty years old was he when he died. 24:16 They buried him in the city of David among the kings, because he had done good in Israel, and toward God and his house. 24:17 Now after the death of Jehoiada came the princes of Judah, and made obeisance to the king. Then the king listened to them. 24:18 They forsook the house of Yahweh, the God of their fathers, and served the Asherim and the idols: and wrath came on Judah and Jerusalem for this their guiltiness. 24:19 Yet he sent prophets to them, to bring them again to Yahweh; and they testified against them: but they would not give ear. 24:20 The Spirit of God came on Zechariah the son of Jehoiada the priest; and he stood above the people, and said to them, “Thus says God, ‘Why do you disobey the commandments of Yahweh, so that you can’t prosper? Because you have forsaken Yahweh, he has also forsaken you.’”

24:21 They conspired against him, and stoned him with stones at the commandment of the king in the court of the house of Yahweh. 24:22 Thus Joash the king didn’t remember the kindness which Jehoiada his father had done to him, but killed his son. When he died, he said, “May Yahweh look at it, and repay it.” 24:23 It happened at the end of the year, that the army of the Syrians came up against him: and they came to Judah and Jerusalem, and destroyed all the princes of the people from among the people, and sent all their spoil to the king of Damascus. 24:24 For the army of the Syrians came with a small company of men; and Yahweh delivered a very great army into their hand, because they had forsaken Yahweh, the God of their fathers. So they executed judgment on Joash. 24:25 When they were departed for him (for they left him very sick), his own servants conspired against him for the blood of the sons of Jehoiada the priest, and killed him on his bed, and he died; and they buried him in the city of David, but they didn’t bury him in the tombs of the kings. 24:26 These are those who conspired against him: Zabad the son of Shimeath the Ammonitess, and Jehozabad the son of Shimrith the Moabitess. 24:27 Now concerning his sons, and the greatness of the burdens laid on him, and the rebuilding of God’s house, behold, they are written in the commentary of the book of the kings. Amaziah his son reigned in his place.

Chapitre 24
1 Joas avait sept ans lorsqu'il devint roi, et il régna quarante ans à Jérusalem. Sa mère s'appelait Tsibja, de Beer-Schéba. 2 Joas fit ce qui est droit aux yeux de l'Éternel pendant toute la vie du sacrificateur Jehojada. 3 Jehojada prit pour Joas deux femmes, et Joas engendra des fils et des filles. 4 Après cela, Joas eut la pensée de réparer la maison de l'Éternel. 5 Il assembla les sacrificateurs et les Lévites, et leur dit: Allez par les villes de Juda, et vous recueillerez dans tout Israël de l'argent, chaque année, pour réparer la maison de votre Dieu; et mettez à cette affaire de l'empressement. Mais les Lévites ne se hâtèrent point. 6 Le roi appela Jehojada, le souverain sacrificateur, et lui dit: Pourquoi n'as-tu pas veillé à ce que les Lévites apportassent de Juda et de Jérusalem l'impôt ordonné par Moïse, serviteur de l'Éternel, et mis sur l'assemblée d'Israël pour la tente du témoignage? 7 Car l'impie Athalie et ses fils ont ravagé la maison de Dieu et fait servir pour les Baals toutes les choses consacrées à la maison de l'Éternel. 8 Alors le roi ordonna qu'on fît un coffre, et qu'on le plaçât à la porte de la maison de l'Éternel, en dehors. 9 Et l'on publia dans Juda et dans Jérusalem qu'on apportât à l'Éternel l'impôt mis par Moïse, serviteur de l'Éternel, sur Israël dans le désert. 10 Tous les chefs et tout le peuple s'en réjouirent, et l'on apporta et jeta dans le coffre tout ce qu'on avait à payer. 11 Quand c'était le moment où les Lévites, voyant qu'il y avait beaucoup d'argent dans le coffre, devaient le livrer aux inspecteurs royaux, le secrétaire du roi et le commissaire du souverain sacrificateur venaient vider le coffre; ils le prenaient et le remettaient à sa place; ils faisaient ainsi journellement, et ils recueillirent de l'argent en abondance. 12 Le roi et Jehojada le donnaient à ceux qui étaient chargés de faire exécuter l'ouvrage dans la maison de l'Éternel, et qui prenaient à gage des tailleurs de pierres et des charpentiers pour réparer la maison de l'Éternel, et aussi des ouvriers en fer ou en airain pour réparer la maison de l'Éternel. 13 Ceux qui étaient chargés de l'ouvrage travaillèrent, et les réparations s'exécutèrent par leurs soins; ils remirent en état la maison de Dieu et la consolidèrent. 14 Lorsqu'ils eurent achevé, ils apportèrent devant le roi et devant Jehojada le reste de l'argent; et l'on en fit des ustensiles pour la maison de l'Éternel, des ustensiles pour le service et pour les holocaustes, des coupes, et d'autres ustensiles d'or et d'argent. Et, pendant toute la vie de Jehojada, on offrit continuellement des holocaustes dans la maison de l'Éternel. 15 Jehojada mourut, âgé et rassasié de jours; il avait à sa mort cent trente ans. 16 On l'enterra dans la ville de David avec les rois, parce qu'il avait fait du bien en Israël, et à l'égard de Dieu et à l'égard de sa maison. 17 Après la mort de Jehojada, les chefs de Juda vinrent se prosterner devant le roi. Alors le roi les écouta. 18 Et ils abandonnèrent la maison de l'Éternel, le Dieu de leurs pères, et ils servirent les Astartés et les idoles. La colère de l'Éternel fut sur Juda et sur Jérusalem, parce qu'ils s'étaient ainsi rendus coupables. 19 L'Éternel envoya parmi eux des prophètes pour les ramener à lui, mais ils n'écoutèrent point les avertissements qu'ils en reçurent. 20 Zacharie, fils du sacrificateur Jehojada, fut revêtu de l'esprit de Dieu; il se présenta devant le peuple et lui dit: Ainsi parle Dieu: Pourquoi transgressez-vous les commandements de l'Éternel? Vous ne prospérerez point; car vous avez abandonné l'Éternel, et il vous abandonnera. 21 Et ils conspirèrent contre lui, et le lapidèrent par ordre du roi, dans le parvis de la maison de l'Éternel. 22 Le roi Joas ne se souvint pas de la bienveillance qu'avait eue pour lui Jehojada, père de Zacharie, et il fit périr son fils. Zacharie dit en mourant: Que l'Éternel voie, et qu'il fasse justice! 23 Quand l'année fut révolue, l'armée des Syriens monta contre Joas, et vint en Juda et à Jérusalem. Ils tuèrent parmi le peuple tous les chefs du peuple, et ils envoyèrent au roi de Damas tout leur butin. 24 L'armée des Syriens arriva avec un petit nombre d'hommes; et cependant l'Éternel livra entre leurs mains une armée très considérable, parce qu'ils avaient abandonné l'Éternel, le Dieu de leurs pères. Et les Syriens firent justice de Joas. 25 Lorsqu'ils se furent éloignés de lui, après l'avoir laissé dans de grandes souffrances, ses serviteurs conspirèrent contre lui à cause du sang des fils du sacrificateur Jehojada; ils le tuèrent sur son lit, et il mourut. On l'enterra dans la ville de David, mais on ne l'enterra pas dans les sépulcres des rois. 26 Voici ceux qui conspirèrent contre lui: Zabad, fils de Schimeath, femme Ammonite, et Jozabad, fils de Schimrith, femme Moabite. 27 Pour ce qui concerne ses fils, le grand nombre de prophéties dont il fut l'objet, et les réparations faites à la maison de Dieu, cela est écrit dans les mémoires sur le livre des rois. Amatsia, son fils, régna à sa place.