T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 22

1 [Ny nanjakan'i Ahazia] Ary ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an'i Ahazia, faralahin'i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin'ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, no nanjaka.

2 Roa amby efa-polo* taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanak'i Omry.[Na: Roa amby roa-polo; izahao 2 Mpan. viii. 26]

3 Nandeha tamin'ny lalan'ny taranak'i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy.

4 Ka dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah toy ny taranak'i Ahaba izy; fa ireny no nanome saina azy taorian'ny nahafatesan'ny rainy ka nampidi-doza taminy.

5 Ary ny saina nomen'ireo azy no narahiny, ka niara-nandeha tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, izy hiady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, teo Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an'i Jorama.

6 Dia niverina mba hotsaboina tao Jezirela izy amin'ny feriny tamin'ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Azaria*, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina mba hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, tao Jezirela, satria marary izy. [Na: Ahazia; izahao and. 1]

7 Ary avy tamin'Andriamanitra ny loza nanjo an'i Ahazia tamin'ny nankanesany tany amin'i Jorama, fa nony tonga izy, dia niara-nivoaka tamin'i Jorama mba hitsena an'i Jeho, zanak'i Nimsy, izay nohosoran'i Jehovah handringana ny taranak'i Ahaba.

8 Ary tamin'ny namalian'i Jeho ny taranak'i Ahaba dia hitany ireo mpanapaka ny Joda sy ny zana-drahalahin'i Ahazia, izay nanompo an'i Ahazia, ka novonoiny.

9 Ary nitady an'i Ahazia koa izy; koa nisy nahita azy, raha mbola niery tany Samaria izy, dia nitondra azy ho any amin'i Jeho, ary namono azy ny olona ka nandevina azy; fa hoy ireo: Zanak'i Josafata, ilay nitady an'i Jehovah tamin'ny fony rehetra, ity. [Ny nanjakan'i Atalia, sy ny namonoana azy, ary ny nampanjakana an'i Joasy handimby azy] Ka dia tsy nahatana ny fanjakana ny terak'i Ahazia.

10 Ary nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra tamin'ny taranak'i Joda.

11 Fa Joseba, zanakavavin'ny mpanjaka, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao an-trano fitehirizam-pandriana. Ary nafenin'i Joseba, zanakavavin'i Jehorama mpanjaka, vadin'i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin'i Ahazia ravehivavy) mba tsy ho hitan'i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy.

12 Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon'Andriamanitra izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany

 

Chapitre 22

22:1 The inhabitants of Jerusalem made Ahaziah his youngest son king in his place; for the band of men who came with the Arabians to the camp had slain all the eldest. So Ahaziah the son of Jehoram king of Judah reigned. 22:2 Forty-two years old was Ahaziah when he began to reign; and he reigned one year in Jerusalem: and his mother’s name was Athaliah the daughter of Omri. 22:3 He also walked in the ways of the house of Ahab; for his mother was his counselor to do wickedly. 22:4 He did that which was evil in the sight of Yahweh, as did the house of Ahab; for they were his counselors after the death of his father, to his destruction. 22:5 He walked also after their counsel, and went with Jehoram the son of Ahab king of Israel to war against Hazael king of Syria at Ramoth Gilead: and the Syrians wounded Joram. 22:6 He returned to be healed in Jezreel of the wounds which they had given him at Ramah, when he fought against Hazael king of Syria. Azariah the son of Jehoram king of Judah went down to see Jehoram the son of Ahab in Jezreel, because he was sick. 22:7 Now the destruction of Ahaziah was of God, in that he went to Joram: for when he had come, he went out with Jehoram against Jehu the son of Nimshi, whom Yahweh had anointed to cut off the house of Ahab. 22:8 It happened, when Jehu was executing judgment on the house of Ahab, that he found the princes of Judah, and the sons of the brothers of Ahaziah, ministering to Ahaziah, and killed them. 22:9 He sought Ahaziah, and they caught him (now he was hiding in Samaria), and they brought him to Jehu, and killed him; and they buried him, for they said, “He is the son of Jehoshaphat, who sought Yahweh with all his heart.” The house of Ahaziah had no power to hold the kingdom. 22:10 Now when Athaliah the mother of Ahaziah saw that her son was dead, she arose and destroyed all the royal seed of the house of Judah. 22:11 But Jehoshabeath, the daughter of the king, took Joash the son of Ahaziah, and stole him away from among the king’s sons who were slain, and put him and his nurse in the bedroom. So Jehoshabeath, the daughter of king Jehoram, the wife of Jehoiada the priest (for she was the sister of Ahaziah), hid him from Athaliah, so that she didn’t kill him. 22:12 He was with them hidden in God’s house six years: and Athaliah reigned over the land.

 

Chapitre 22
1 Les habitants de Jérusalem firent régner à sa place Achazia, son plus jeune fils; car la troupe venue au camp avec les Arabes avait tué tous les plus âgés. Ainsi régna Achazia, fils de Joram, roi de Juda. 2 Achazia avait quarante-deux ans lorsqu'il devint roi, et il régna un an à Jérusalem. Sa mère s'appelait Athalie, fille d'Omri. 3 Il marcha dans les voies de la maison d'Achab, car sa mère lui donnait des conseils impies. 4 Il fit ce qui est mal aux yeux de l'Éternel, comme la maison d'Achab, où il eut après la mort de son père des conseillers pour sa perte. 5 Entraîné par leur conseil, il alla avec Joram, fils d'Achab, roi d'Israël, à la guerre contre Hazaël, roi de Syrie, à Ramoth en Galaad. Et les Syriens blessèrent Joram. 6 Joram s'en retourna pour se faire guérir à Jizreel des blessures que les Syriens lui avaient faites à Rama, lorsqu'il se battait contre Hazaël, roi de Syrie. Azaria, fils de Joram, roi de Juda, descendit pour voir Joram, fils d'Achab, à Jizreel, parce qu'il était malade. 7 Par la volonté de Dieu, ce fut pour sa ruine qu'Achazia se rendit auprès de Joram. Lorsqu'il fut arrivé, il sortit avec Joram pour aller au-devant de Jéhu, fils de Nimschi, que l'Éternel avait oint pour exterminer la maison d'Achab. 8 Et comme Jéhu faisait justice de la maison d'Achab, il trouva les chefs de Juda et les fils des frères d'Achazia, qui étaient au service d'Achazia, et il les tua. 9 Il chercha Achazia, et on le saisit dans Samarie, où il s'était caché. On l'amena auprès de Jéhu, et on le fit mourir. Puis ils l'enterrèrent, car ils disaient: C'est le fils de Josaphat, qui cherchait l'Éternel de tout son coeur. Et il ne resta personne de la maison d'Achazia qui fût en état de régner. 10 Athalie, mère d'Achazia, voyant que son fils était mort, se leva et fit périr toute la race royale de la maison de Juda. 11 Mais Joschabeath, fille du roi, prit Joas, fils d'Achazia, et l'enleva du milieu des fils du roi, quand on les fit mourir: elle le mit avec sa nourrice dans la chambre des lits. Ainsi Joschabeath, fille du roi Joram, femme du sacrificateur Jehojada, et soeur d'Achazia, le déroba aux regards d'Athalie, qui ne le fit point mourir. 12 Il resta six ans caché avec eux dans la maison de Dieu. Et c'était Athalie qui régnait dans le pays.