T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 12

1 Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalan'i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra.

2 Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema, fa nivadika tamin'i Jehovah ny mponina tany,

3 ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.

4 Dia nahafaka ny tanàna mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema.

5 Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin'i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan'i Sisaka.

6 Dia niaiky ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny mpanjaka ka nanao hoe: Marina Jehovah.

7 Ary nony hitan'i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin'i Semaia indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy*; ary tsy haidiko amin'i Jerosalema avy amin'ny tànan'i Sisaka ny fahatezerako. [Na: fa hamonjeko ihany]

8 Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin'ny fanjakana hafa.

9 Dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon'i Solomona.

10 Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy ho eo an-tànan'ny lehiben'ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka.

11 Ary na oviana na oviana no nidiran'ny mpanjaka tao an-tranon'i Jehovah, dia avy ny mpiambina naka ireo ka namerina azy ho ao an-tranon'ny mpiambina indray.

12 Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran'i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin'ny Joda.

13 Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.

14 Ary nanao ratsy izy, satria tsy nampiomana ny fony hitady an'i Jehovah.

15 Ary ny tantaran-dRehoboama, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin'ny firazanana va izany? Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.

16 Ary Rehoboama lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.

 

Chapitre 12

12:1 It happened, when the kingdom of Rehoboam was established, and he was strong, that he forsook the law of Yahweh, and all Israel with him. 12:2 It happened in the fifth year of king Rehoboam, that Shishak king of Egypt came up against Jerusalem, because they had trespassed against Yahweh, 12:3 with twelve hundred chariots, and sixty thousand horsemen. The people were without number who came with him out of Egypt: the Lubim, the Sukkiim, and the Ethiopians. 12:4 He took the fortified cities which pertained to Judah, and came to Jerusalem. 12:5 Now Shemaiah the prophet came to Rehoboam, and to the princes of Judah, who were gathered together to Jerusalem because of Shishak, and said to them, “Thus says Yahweh, ‘You have forsaken me, therefore have I also left you in the hand of Shishak.’”

12:6 Then the princes of Israel and the king humbled themselves; and they said, “Yahweh is righteous.”

12:7 When Yahweh saw that they humbled themselves, the word of Yahweh came to Shemaiah, saying, “They have humbled themselves. I will not destroy them; but I will grant them some deliverance, and my wrath shall not be poured out on Jerusalem by the hand of Shishak. 12:8 Nevertheless they shall be his servants, that they may know my service, and the service of the kingdoms of the countries.”

12:9 So Shishak king of Egypt came up against Jerusalem, and took away the treasures of the house of Yahweh, and the treasures of the king’s house. He took it all away. He also took away the shields of gold which Solomon had made. 12:10 King Rehoboam made in their place shields of brass, and committed them to the hands of the captains of the guard, who kept the door of the king’s house. 12:11 It was so, that as often as the king entered into the house of Yahweh, the guard came and bore them, and brought them back into the guard room. 12:12 When he humbled himself, the wrath of Yahweh turned from him, so as not to destroy him altogether: and moreover in Judah there were good things found. 12:13 So king Rehoboam strengthened himself in Jerusalem, and reigned: for Rehoboam was forty-one years old when he began to reign, and he reigned seventeen years in Jerusalem, the city which Yahweh had chosen out of all the tribes of Israel, to put his name there: and his mother’s name was Naamah the Ammonitess. 12:14 He did that which was evil, because he didn’t set his heart to seek Yahweh. 12:15 Now the acts of Rehoboam, first and last, aren’t they written in the histories of Shemaiah the prophet and of Iddo the seer, after the way of genealogies? There were wars between Rehoboam and Jeroboam continually. 12:16 Rehoboam slept with his fathers, and was buried in the city of David: and Abijah his son reigned in his place.

 

Chapitre 12
1 Lorsque Roboam se fut affermi dans son royaume et qu'il eut acquis de la force, il abandonna la loi de l'Éternel, et tout Israël l'abandonna avec lui. 2 La cinquième année du règne de Roboam, Schischak, roi d'Égypte, monta contre Jérusalem, parce qu'ils avaient péché contre l'Éternel. 3 Il avait mille deux cents chars et soixante mille cavaliers; et il vint d'Égypte avec lui un peuple innombrable, des Libyens, des Sukkiens et des Éthiopiens. 4 Il prit les villes fortes qui appartenaient à Juda, et arriva jusqu'à Jérusalem. 5 Alors Schemaeja, le prophète, se rendit auprès de Roboam et des chefs de Juda qui s'étaient retirés dans Jérusalem à l'approche de Schischak, et il leur dit: Ainsi parle l'Éternel: Vous m'avez abandonné; je vous abandonne aussi, et je vous livre entre les mains de Schischak. 6 Les chefs d'Israël et le roi s'humilièrent et dirent: L'Éternel est juste! 7 Et quand l'Éternel vit qu'ils s'humiliaient, la parole de l'Éternel fut ainsi adressée à Schemaeja: Ils se sont humiliés, je ne les détruirai pas, je ne tarderai pas à les secourir, et ma colère ne se répandra pas sur Jérusalem par Schischak; 8 mais ils lui seront assujettis, et ils sauront ce que c'est que me servir ou servir les royaumes des autres pays. 9 Schischak, roi d'Égypte, monta contre Jérusalem. Il prit les trésors de la maison de l'Éternel et les trésors de la maison du roi, il prit tout. Il prit les boucliers d'or que Salomon avait faits. 10 Le roi Roboam fit à leur place des boucliers d'airain, et il les remit aux soins des chefs des coureurs, qui gardaient l'entrée de la maison du roi. 11 Toutes les fois que le roi allait à la maison de l'Éternel, les coureurs venaient et les portaient; puis ils les rapportaient dans la chambre des coureurs. 12 Comme Roboam s'était humilié, l'Éternel détourna de lui sa colère et ne le détruisit pas entièrement. Et il y avait encore de bonnes choses en Juda. 13 Le roi Roboam s'affermit dans Jérusalem et régna. Il avait quarante et un ans lorsqu'il devint roi, et il régna dix-sept ans à Jérusalem, la ville que l'Éternel avait choisie sur toutes les tribus d'Israël pour y mettre son nom. Sa mère s'appelait Naama, l'Ammonite. 14 Il fit le mal, parce qu'il n'appliqua pas son coeur à chercher l'Éternel. 15 Les actions de Roboam, les premières et les dernières, ne sont-elles pas écrites dans les livres de Schemaeja, le prophète et d'Iddo, le prophète, parmi les registres généalogiques? Il y eut toujours guerre entre Roboam et Jéroboam. 16 Roboam se coucha avec ses pères, et il fut enterré dans la ville de David. Et Abija, son fils, régna à sa place.