T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 11

1 [Ny nanjakan-dRehoboama] Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.

2 Kanjo kosa ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra, ka nanao hoe:

3 Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny Isiraely rehetra amin'ny Joda sy ny Benjamina hoe:

4 Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an'i Jeroboama.

5 Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.

6 Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa

7 sy Beti-zora sy Soko sy Adolama

8 sy Gata sy Maresa sy Zifa

9 sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka

10 sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin'ny Joda sy ny Benjamina.

11 Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.

12 Ary tamin'ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy.

13 Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin'ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin'ny fari-taniny avy.

14 Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an'i Jehovah,

15 fa nanendry mpisorona ho amin'ny fitoerana avo sy ho an'ny Seïrima* ary ho an'ny ombilahy kely izay nataony). [Heb. osilahy; anaran'andriamani-tsi-izy]

16 Ary na iza na iza tamin'ny firenen'Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.

17 Ka dia nampahery ny fanjakan'ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak'i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin'ny lalan'i Davida sy Solomona telo taona izy.

18 Ary Rehoboama naka an'i Mahalota, zanakavavin'i Jerimota, zanak'i Davida, sy Abihaila, zanakavavin'i Eliaba, zanak'i Jese, ho vadiny,

19 izay nahazoany zaza, dia Jeosy sy Semaria ary Zahama.

20 Ary nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka, zanakavavin'i Absaloma, izay niteraka an'i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy.

21 Ary Rehoboama tia an'Imaka, zanakavavin'i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo).

22 Ary Abia, zanakalahin'Imaka, no nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina.

23 Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin'ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.

 

Chapitre 11

11:1 When Rehoboam had come to Jerusalem, he assembled the house of Judah and Benjamin, one hundred eighty thousand chosen men, who were warriors, to fight against Israel, to bring the kingdom again to Rehoboam. 11:2 But the word of Yahweh came to Shemaiah the man of God, saying, 11:3 “Speak to Rehoboam the son of Solomon, king of Judah, and to all Israel in Judah and Benjamin, saying, 11:4 ‘Thus says Yahweh, “You shall not go up, nor fight against your brothers! Return every man to his house; for this thing is of me.”’” So they listened to the words of Yahweh, and returned from going against Jeroboam. 11:5 Rehoboam lived in Jerusalem, and built cities for defense in Judah. 11:6 He built Bethlehem, and Etam, and Tekoa, 11:7 Beth Zur, and Soco, and Adullam, 11:8 and Gath, and Mareshah, and Ziph, 11:9 and Adoraim, and Lachish, and Azekah, 11:10 and Zorah, and Aijalon, and Hebron, which are in Judah and in Benjamin, fortified cities. 11:11 He fortified the strongholds, and put captains in them, and stores of food, and oil and wine. 11:12 He put shields and spears in every city, and made them exceeding strong. Judah and Benjamin belonged to him. 11:13 The priests and the Levites who were in all Israel resorted to him out of all their border. 11:14 For the Levites left their suburbs and their possession, and came to Judah and Jerusalem: for Jeroboam and his sons cast them off, that they should not execute the priest’s office to Yahweh; 11:15 and he appointed him priests for the high places, and for the male goats, and for the calves which he had made. 11:16 After them, out of all the tribes of Israel, such as set their hearts to seek Yahweh, the God of Israel, came to Jerusalem to sacrifice to Yahweh, the God of their fathers. 11:17 So they strengthened the kingdom of Judah, and made Rehoboam the son of Solomon strong, three years; for they walked three years in the way of David and Solomon. 11:18 Rehoboam took him a wife, Mahalath the daughter of Jerimoth the son of David, and of Abihail the daughter of Eliab the son of Jesse; 11:19 and she bore him sons: Jeush, and Shemariah, and Zaham. 11:20 After her he took Maacah the daughter of Absalom; and she bore him Abijah, and Attai, and Ziza, and Shelomith. 11:21 Rehoboam loved Maacah the daughter of Absalom above all his wives and his concubines: (for he took eighteen wives, and sixty concubines, and became the father of twenty-eight sons and sixty daughters.) 11:22 Rehoboam appointed Abijah the son of Maacah to be chief, the prince among his brothers; for he intended to make him king. 11:23 He dealt wisely, and dispersed of all his sons throughout all the lands of Judah and Benjamin, to every fortified city: and he gave them food in abundance. He sought for them many wives.

 

Chapitre 11
1 Roboam, arrivé à Jérusalem, rassembla la maison de Juda et de Benjamin, cent quatre-vingt mille hommes d'élite propres à la guerre, pour qu'ils combattissent contre Israël afin de le ramener sous la domination de Roboam. 2 Mais la parole de l'Éternel fut ainsi adressée à Schemaeja, homme de Dieu: 3 Parle à Roboam, fils de Salomon, roi de Juda, et à tout Israël en Juda et en Benjamin. Et dis-leur: 4 Ainsi parle l'Éternel: Ne montez point, et ne faites pas la guerre à vos frères! Que chacun de vous retourne dans sa maison, car c'est de par moi que cette chose est arrivée. Ils obéirent aux paroles de l'Éternel, et ils s'en retournèrent, renonçant à marcher contre Jéroboam. 5 Roboam demeura à Jérusalem, et il bâtit des villes fortes en Juda. 6 Il bâtit Bethléhem, Étham, Tekoa, 7 Beth-Tsur, Soco, Adullam, 8 Gath, Maréscha, Ziph, 9 Adoraïm, Lakis, Azéka, 10 Tsorea, Ajalon et Hébron, qui étaient en Juda et en Benjamin, et il en fit des villes fortes. 11 Il les fortifia, et y établit des commandants, et des magasins de vivres, d'huile et de vin. 12 Il mit dans chacune de ces villes des boucliers et des lances, et il les rendit très fortes. Juda et Benjamin étaient à lui. 13 Les sacrificateurs et les Lévites qui se trouvaient dans tout Israël quittèrent leurs demeures pour se rendre auprès de lui; 14 car les Lévites abandonnèrent leurs banlieues et leurs propriétés et vinrent en Juda et à Jérusalem, parce que Jéroboam et ses fils les empêchèrent de remplir leurs fonctions comme sacrificateurs de l'Éternel. 15 Jéroboam établit des sacrificateurs pour les hauts lieux, pour les boucs, et pour les veaux qu'il avait faits. 16 Ceux de toutes les tribus d'Israël qui avaient à coeur de chercher l'Éternel, le Dieu d'Israël, suivirent les Lévites à Jérusalem pour sacrifier à l'Éternel, le Dieu de leurs pères. 17 Ils donnèrent ainsi de la force au royaume de Juda, et affermirent Roboam, fils de Salomon, pendant trois ans; car ils marchèrent pendant trois ans dans la voie de David et de Salomon. 18 Roboam prit pour femme Mahalath, fille de Jerimoth, fils de David et d'Abichaïl, fille d'Éliab, fils d'Isaï. 19 Elle lui enfanta des fils: Jeusch, Schemaria et Zaham. 20 Après elle, il prit Maaca, fille d'Absalom. Elle lui enfanta Abija, Attaï, Ziza et Schelomith. 21 Roboam aimait Maaca, fille d'Absalom, plus que toutes ses femmes et ses concubines; car il eut dix-huit femmes et soixante concubines, et il engendra vingt-huit fils et soixante filles. 22 Roboam donna le premier rang à Abija, fils de Maaca, et l'établit chef parmi ses frères, car il voulait le faire roi. 23 Il agit avec habileté en dispersant tous ses fils dans toutes les contrées de Juda et de Benjamin, dans toutes les villes fortes; il leur fournit des vivres en abondance, et demanda pour eux une multitude de femmes.