T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 10

1 [Ny niodinan'ny firenena folo tsy hanaiky an-dRehoboama] Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.

2 Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata, izay efa nandositra nankany Egypta niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Egypta izy.

3 Ary naniraka naka azy ny olona. Dia tonga Jeroboama sy ny Isiraely rehetra ka niteny tamin-dRehoboama hoe:

4 Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.

5 Fa hoy kosa izy taminy: Rehefa afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.

6 Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?

7 Dia hoy ireo taminy: Raha ho mora amin'ny vahoaka ianao ka hankasitraka azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.

8 Nefa nolavin-dRehoboama ny saina nomen'ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:

9 Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay ?

10 Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy. Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;

11 koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.

12 Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra dia nankany amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin'ny andro fahatelo.

13 Ary Rehoboama mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny hevitra nomen'ireo zoki-olona azy

14 ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa hamaizako anareo.

15 Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin'Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama,zanak'i Nebata.

16 Ary nony hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin'i Davida ? Tsy manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e! ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely rehetra.

17 Fa ny Zanak'isiraely izay nonina tany an-tanànan'ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.

18 Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak'isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.

19 Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany.

 

Chapitre 10

10:1 Rehoboam went to Shechem; for all Israel had come to Shechem to make him king. 10:2 It happened, when Jeroboam the son of Nebat heard of it, (for he was in Egypt, where he had fled from the presence of king Solomon), that Jeroboam returned out of Egypt. 10:3 They sent and called him; and Jeroboam and all Israel came, and they spoke to Rehoboam, saying, 10:4 “Your father made our yoke grievous: now therefore make you the grievous service of your father, and his heavy yoke which he put on us, lighter, and we will serve you.”

10:5 He said to them, “Come again to me after three days.” The people departed.

10:6 King Rehoboam took counsel with the old men, who had stood before Solomon his father while he yet lived, saying, “What counsel do you give me to return answer to this people?”

10:7 They spoke to him, saying, “If you are kind to this people, and please them, and speak good words to them, then they will be your servants forever.”

10:8 But he forsook the counsel of the old men which they had given him, and took counsel with the young men who had grown up with him, who stood before him. 10:9 He said to them, “What counsel do you give, that we may return answer to this people, who have spoken to me, saying, ‘Make the yoke that your father put on us lighter?’”

10:10 The young men who had grown up with him spoke to him, saying, “Thus you shall tell the people who spoke to you, saying, ‘Your father made our yoke heavy, but make it lighter on us;’ thus you shall say to them, ‘My little finger is thicker than my father’s waist. 10:11 Now whereas my father burdened you with a heavy yoke, I will add to your yoke. My father chastised you with whips, but I will chastise you with scorpions.’”

10:12 So Jeroboam and all the people came to Rehoboam the third day, as the king asked, saying, “Come to me again the third day.” 10:13 The king answered them roughly; and king Rehoboam forsook the counsel of the old men, 10:14 and spoke to them after the counsel of the young men, saying, “My father made your yoke heavy, but I will add to it. My father chastised you with whips, but I will chastise you with scorpions.”

10:15 So the king didn’t listen to the people; for it was brought about of God, that Yahweh might establish his word, which he spoke by Ahijah the Shilonite to Jeroboam the son of Nebat. 10:16 When all Israel saw that the king didn’t listen to them, the people answered the king, saying, “What portion have we in David? Neither have we inheritance in the son of Jesse! Every man to your tents, Israel! Now see to your own house, David.” So all Israel departed to their tents.

10:17 But as for the children of Israel who lived in the cities of Judah, Rehoboam reigned over them. 10:18 Then king Rehoboam sent Hadoram, who was over the men subject to forced labor; and the children of Israel stoned him to death with stones. King Rehoboam made speed to get himself up to his chariot, to flee to Jerusalem. 10:19 So Israel rebelled against the house of David to this day.

 

Chapitre 10
1 Roboam se rendit à Sichem, car tout Israël était venu à Sichem pour le faire roi. 2 Lorsque Jéroboam, fils de Nebath, eut des nouvelles, il était en Égypte, où il s'était enfui loin du roi Salomon, et il revint d'Égypte. 3 On l'envoya appeler. Alors Jéroboam et tout Israël vinrent vers Roboam et lui parlèrent ainsi: 4 Ton père a rendu notre joug dur; maintenant allège cette rude servitude et le joug pesant que nous a imposé ton père. Et nous te servirons. 5 Il leur dit: Revenez vers moi dans trois jours. Et le peuple s'en alla. 6 Le roi Roboam consulta les vieillards qui avaient été auprès de Salomon, son père, pendant sa vie, et il dit: Que conseillez-vous de répondre à ce peuple? 7 Et voici ce qu'ils lui dirent: Si tu es bon envers ce peuple, si tu les reçois favorablement, et si tu leur parles avec bienveillance, ils seront pour toujours tes serviteurs. 8 Mais Roboam laissa le conseil que lui donnaient les vieillards, et il consulta les jeunes gens qui avaient grandi avec lui et qui l'entouraient. 9 Il leur dit: Que conseillez-vous de répondre à ce peuple qui me tient ce langage: Allège le joug que nous a imposé ton père? 10 Et voici ce que lui dirent les jeunes gens qui avaient grandi avec lui: Tu parleras ainsi à ce peuple qui t'a tenu ce langage: Ton père a rendu notre joug pesant, et toi, allège-le-nous! tu leur parleras ainsi: Mon petit doigt est plus gros que les reins de mon père. 11 Maintenant, mon père vous a chargés d'un joug pesant, et moi je vous le rendrai plus pesant; mon père vous a châtiés avec des fouets, et moi je vous châtierai avec des scorpions. 12 Jéroboam et tout le peuple vinrent à Roboam le troisième jour, suivant ce qu'avait dit le roi: Revenez vers moi dans trois jours. 13 Le roi leur répondit durement. Le roi Roboam laissa le conseil des vieillards, 14 et leur parla ainsi d'après le conseil des jeunes gens: Mon père a rendu votre joug pesant, et moi je le rendrai plus pesant; mon père vous a châtiés avec des fouets, et moi je vous châtierai avec des scorpions. 15 Ainsi le roi n'écouta point le peuple; car cela fut dirigé par Dieu, en vue de l'accomplissement de la parole que l'Éternel avait dite par Achija de Silo à Jéroboam, fils de Nebath. 16 Lorsque tout Israël vit que le roi ne l'écoutait pas, le peuple répondit au roi: Quelle part avons-nous avec David? Nous n'avons point d'héritage avec le fils d'Isaï! A tes tentes, Israël! Maintenant, pourvois à ta maison, David! Et tout Israël s'en alla dans ses tentes. 17 Les enfants d'Israël qui habitaient les villes de Juda furent les seuls sur qui régna Roboam. 18 Alors le roi Roboam envoya Hadoram, qui était préposé aux impôts. Mais Hadoram fut lapidé par les enfants d'Israël, et il mourut. Et le roi Roboam se hâta de monter sur un char, pour s'enfuir à Jérusalem. 19 C'est ainsi qu'Israël s'est détaché de la maison de David jusqu'à ce jour.