| Chapitre 9 1 [Sy namangian'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona] Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan'i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin'ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin'i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin'izay rehetra tao am-pony. 2 Ary voavalin'i Solomona izy tamin'izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin'i Solomona, fa nambarany azy avokoa. 3 Ary rehefa hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona sy ny trano izay nataony 4 sy ny hanim-pihinany teo amin'ny latabany, sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian'ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy. 5 Dia hoy izy tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny teninao sy ny fahendrenao. 6 Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita; kanjo hay! na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa, indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao. 7 Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao! 8 Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an'i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan'Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana. 9 Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra tahaka ilay nomen'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona mpanjaka. 10 Ary ny mpanompon'i Hirama koa sy ny mpanompon'i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato soa. 11 Ary ny hazo almoga dia nataon'ny mpanjaka ambaratonga mankamin'ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an'ny mpihira koa; ary tsy mbola nisy hita toy izany teo aloha tamin'ny tanin'ny Joda. 12 Ary Solomona mpanjaka dia nanome ny mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay valin'ny nentiny ho an'ny mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony. 13 [Ny varotra nataon'i Solomona mbamin'ny hareny sy ny voninahiny] Ary ny lanjan'ny volamena izay tonga tao amin'i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato, 14 afa-tsy izay nentin'ny mpivarotra sy ny mpandranto. Ary ny mpanjakan'i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an'i Solomona. 15 Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray. 16 Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely telon-jato no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona lreo. 17 Ary ny mpanjaka nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara. 18 Nisy ambaratonga enina amin'ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin'ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin'ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana; 19 ary nisy sarin-diona roa ambin'ny folo teo an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin'ny fanjakana rehetra. 20 Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona. 21 Fa ny mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin'ny mpanompon'i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola*.[pavo] 22 Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany. 23 Ary ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay nataon'Andriamanitra tao am-pony. 24 Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra. 25 Ary Solomona nanana efi-trano efatra arivo fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna fitoeran-kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema. 26 Ary nanjaka tamin'ny mpanjaka rehetra hatramin'ny Ony* ka hatramin'ny tanin'ny Filistina ary hatramin'ny sisin'i Egypta izy.[Eofrata] 27 Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka*. [Heb. Sefela] 28 Ary nangalana soavaly avy tany Egypta sy tany amin'ny tany rehetra koa Solomona. 29 Ary ny tantaran'i Solomona sisa, na ny voalohany na ny farany. tsy efa voasoratra va izany ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany sy amin'ny faminanian'i Ahia Silonita sy amin'ny fahitan'Ido mpahita ny amin'i Jeroboama, zanak'i Nebata? 30 Ary Solomona nanjaka efa-polo taona tamin'ny Isiraely rehetra tany Jerosalema. 31 Ary Solomona lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy. | | Chapitre 9 9:1 When the queen of Sheba heard of the fame of Solomon, she came to prove Solomon with hard questions at Jerusalem, with a very great train, and camels that bore spices, and gold in abundance, and precious stones: and when she had come to Solomon, she talked with him of all that was in her heart. 9:2 Solomon told her all her questions; and there was not anything hidden from Solomon which he didn’t tell her. 9:3 When the queen of Sheba had seen the wisdom of Solomon, and the house that he had built, 9:4 and the food of his table, and the sitting of his servants, and the attendance of his ministers, and their clothing, his cup bearers also, and their clothing, and his ascent by which he went up to the house of Yahweh; there was no more spirit in her. 9:5 She said to the king, “It was a true report that I heard in my own land of your acts, and of your wisdom. 9:6 However I didn’t believe their words, until I came, and my eyes had seen it; and behold, the half of the greatness of your wisdom was not told me: you exceed the fame that I heard. 9:7 Happy are your men, and happy are these your servants, who stand continually before you, and hear your wisdom. 9:8 Blessed be Yahweh your God, who delighted in you, to set you on his throne, to be king for Yahweh your God: because your God loved Israel, to establish them forever, therefore made he you king over them, to do justice and righteousness.” 9:9 She gave the king one hundred and twenty talents of gold, and spices in great abundance, and precious stones: neither was there any such spice as the queen of Sheba gave to king Solomon. 9:10 The servants also of Huram, and the servants of Solomon, who brought gold from Ophir, brought algum trees and precious stones. 9:11 The king made of the algum trees terraces for the house of Yahweh, and for the king’s house, and harps and stringed instruments for the singers: and there were none like these seen before in the land of Judah. 9:12 King Solomon gave to the queen of Sheba all her desire, whatever she asked, besides that which she had brought to the king. So she turned, and went to her own land, she and her servants. 9:13 Now the weight of gold that came to Solomon in one year was six hundred and sixty-six talents of gold, 9:14 besides that which the traders and merchants brought: and all the kings of Arabia and the governors of the country brought gold and silver to Solomon. 9:15 King Solomon made two hundred bucklers of beaten gold; six hundred shekels of beaten gold went to one buckler. 9:16 He made three hundred shields of beaten gold; three hundred shekels of gold went to one shield: and the king put them in the house of the forest of Lebanon. 9:17 Moreover the king made a great throne of ivory, and overlaid it with pure gold. 9:18 And there were six steps to the throne, with a footstool of gold, which were fastened to the throne, and stays on either side by the place of the seat, and two lions standing beside the stays. 9:19 Twelve lions stood there on the one side and on the other on the six steps: there was nothing like it made in any kingdom. 9:20 All king Solomon’s drinking vessels were of gold, and all the vessels of the house of the forest of Lebanon were of pure gold: silver was nothing accounted of in the days of Solomon. 9:21 For the king had ships that went to Tarshish with the servants of Huram; once every three years came the ships of Tarshish, bringing gold, and silver, ivory, and apes, and peacocks. 9:22 So king Solomon exceeded all the kings of the earth in riches and wisdom. 9:23 All the kings of the earth sought the presence of Solomon, to hear his wisdom, which God had put in his heart. 9:24 They brought every man his tribute, vessels of silver, and vessels of gold, and clothing, armor, and spices, horses, and mules, a rate year by year. 9:25 Solomon had four thousand stalls for horses and chariots, and twelve thousand horsemen, that he stationed in the chariot cities, and with the king at Jerusalem. 9:26 He ruled over all the kings from the River even to the land of the Philistines, and to the border of Egypt. 9:27 The king made silver to be in Jerusalem as stones, and he made cedars to be as the sycamore trees that are in the lowland, for abundance. 9:28 They brought horses for Solomon out of Egypt, and out of all lands. 9:29 Now the rest of the acts of Solomon, first and last, aren’t they written in the history of Nathan the prophet, and in the prophecy of Ahijah the Shilonite, and in the visions of Iddo the seer concerning Jeroboam the son of Nebat? 9:30 Solomon reigned in Jerusalem over all Israel forty years. 9:31 Solomon slept with his fathers, and he was buried in the city of David his father: and Rehoboam his son reigned in his place.
| | Chapitre 9 1 La reine de Séba apprit la renommée de Salomon, et elle vint à Jérusalem pour l'éprouver par des énigmes. Elle avait une suite fort nombreuse, et des chameaux portant des aromates, de l'or en grande quantité et des pierres précieuses. Elle se rendit auprès de Salomon, et elle lui dit tout ce qu'elle avait dans le coeur. 2 Salomon répondit à toutes ses questions, et il n'y eut rien que Salomon ne sût lui expliquer. 3 La reine de Séba vit la sagesse de Salomon, et la maison qu'il avait bâtie, 4 et les mets de sa table, et la demeure de ses serviteurs, et les fonctions et les vêtements de ceux qui le servaient, et ses échansons et leurs vêtements, et les degrés par lesquels on montait à la maison de l'Éternel. (9:5) Hors d'elle-même, 5 elle dit au roi: C'était donc vrai ce que j'ai appris dans mon pays au sujet de ta position et de ta sagesse! 6 Je ne croyais pas ce qu'on en disait, avant d'être venue et d'avoir vu de mes yeux. Et voici, on ne m'a pas raconté la moitié de la grandeur de ta sagesse. Tu surpasses ce que la renommée m'a fait connaître. 7 Heureux tes gens, heureux tes serviteurs, qui sont continuellement devant toi et qui entendent ta sagesse! 8 Béni soit l'Éternel, ton Dieu, qui t'a accordé la faveur de te placer sur son trône comme roi pour l'Éternel, ton Dieu! C'est parce que ton Dieu aime Israël et veut le faire subsister à toujours, qu'il t'a établi roi sur lui pour que tu fasses droit et justice. 9 Elle donna au roi cent vingt talents d'or, une très grande quantité d'aromates et des pierres précieuses. Il n'y eut plus d'aromates tels que ceux donnés au roi Salomon par la reine de Séba. 10 Les serviteurs de Huram et les serviteurs de Salomon, qui apportèrent de l'or d'Ophir, amenèrent aussi du bois de sandal et des pierres précieuses. 11 Le roi fit avec le bois de sandal des escaliers pour la maison de l'Éternel et pour la maison du roi, et des harpes et des luths pour les chantres. On n'en avait pas vu de semblable auparavant dans le pays de Juda. 12 Le roi Salomon donna à la reine de Séba tout ce qu'elle désira, ce qu'elle demanda, plus qu'elle n'avait apporté au roi. Puis elle s'en retourna et alla dans son pays, elle et ses serviteurs. 13 Le poids de l'or qui arrivait chaque année à Salomon était de six cent soixante-six talents d'or, 14 outre ce qu'il retirait des négociants et des marchands qui en apportaient, de tous les rois d'Arabie et des gouverneurs du pays, qui apportaient de l'or et de l'argent à Salomon. 15 Le roi Salomon fit deux cents grands boucliers d'or battu, pour chacun desquels il employa six cents sicles d'or battu, 16 et trois cents autres boucliers d'or battu, pour chacun desquels il employa trois cents sicles d'or; et le roi les mit dans la maison de la forêt du Liban. 17 Le roi fit un grand trône d'ivoire, et le couvrit d'or pur. 18 Ce trône avait six degrés, et un marchepied d'or attenant au trône; il y avait des bras de chaque côté du siège; deux lions étaient près des bras, 19 et douze lions sur les six degrés de part et d'autre. Il ne s'est rien fait de pareil pour aucun royaume. 20 Toutes les coupes du roi Salomon étaient d'or, et toute la vaisselle de la maison de la forêt du Liban était d'or pur. Rien n'était d'argent: on n'en faisait aucun cas du temps de Salomon. 21 Car le roi avait des navires de Tarsis naviguant avec les serviteurs de Huram; et tous les trois ans arrivaient les navires de Tarsis, apportant de l'or et de l'argent, de l'ivoire, des singes et des paons. 22 Le roi Salomon fut plus grand que tous les rois de la terre par les richesses et par la sagesse. 23 Tous les rois de la terre cherchaient à voir Salomon, pour entendre la sagesse que Dieu avait mise dans son coeur. 24 Et chacun d'eux apportait son présent, des objets d'argent et des objets d'or, des vêtements, des armes, des aromates, des chevaux et des mulets; et il en était ainsi chaque année. 25 Salomon avait quatre mille crèches pour les chevaux destinés à ses chars, et douze mille cavaliers qu'il plaça dans les villes où il tenait ses chars et à Jérusalem près du roi. 26 Il dominait sur tous les rois, depuis le fleuve jusqu'au pays des Philistins et jusqu'à la frontière d'Égypte. 27 Le roi rendit l'argent aussi commun à Jérusalem que les pierres, et les cèdres aussi nombreux que les sycomores qui croissent dans la plaine. 28 C'était de l'Égypte et de tous les pays que l'on tirait des chevaux pour Salomon. 29 Le reste des actions de Salomon, les premières et les dernières, cela n'est-il pas écrit dans le livre de Nathan, le prophète, dans la prophétie d'Achija de Silo, et dans les révélations de Jéedo, le prophète sur Jéroboam, fils de Nebath? 30 Salomon régna quarante ans à Jérusalem sur tout Israël. 31 Puis Salomon se coucha avec ses pères, et on l'enterra dans la ville de David, son père. Et Roboam, son fils, régna à sa place.
| |