T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 8

1 [Ny amin'ny trano nataon'i Solomona sy ny nandaminay ny amin'ny fanatitra hatao ao amin'ny tempoly] Ary nony afaka ny roa-polo taona naonaovan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny tenany,

2 dia namboariny ny tanàna izay nomen'i Hirama azy ka namponenany ny Zanak'isiraely.

3 Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy azy.

4 Ary nanorina an'i Tadmora tany an-efitra sy ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany Hamata izy.

5 Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady mihidy,

6 ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an'i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian'i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany rehetra.

7 Ary ny amin'ny olona sisa rehetra tamin'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan'ny Isiraely

8 dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny taniny, fa tsy naringan'ny Isiraely, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.

9 Fa ny Zanak'isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin'ny mpanafika malaza ary komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny

10 Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin'i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona.

11 Ary Solomona nitondra ny zanakavavin'i Farao niakatra avy tany an-Tanànan'i Davida ho ao amin'ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran'ny fiaran'i Jehovah.

12 Ary tamin'izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah, izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana fidirana;

13 eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin'i Mosesy dia tamin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo.

14 Ary notendreny koa ny antokon'ny mpisorona araka ny nandaharan'i Davida rainy azy ho amin'ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin'ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan'ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan'andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin'ny isam-bavahady; fa izany no nandidian'i Davida lehilahin'Andriamanitra, azy.

15 Ary tsy nialan'ireo ny didin'ny mpanjaka tamin'ny mpisorona sy ny Levita na amin'inona na amin'inona, indrindra fa ny amin'ny rakitra.

16 Toy izany no nanamboaran'i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin'ny andro nanorenany ny tranon'i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon'i Jehovah.

17 Ary tamin'izay Solomona dia nankany Ezion-gebera sy Elota eo amoron'ny ranomasina any amin'ny tany Edoma,

18 ary ny mpanompon'i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin'ny mpanompon'i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.

 

Chapitre 8

8:1 It happened at the end of twenty years, in which Solomon had built the house of Yahweh, and his own house, 8:2 that the cities which Huram had given to Solomon, Solomon built them, and caused the children of Israel to dwell there. 8:3 Solomon went to Hamath Zobah, and prevailed against it. 8:4 He built Tadmor in the wilderness, and all the storage cities, which he built in Hamath. 8:5 Also he built Beth Horon the upper, and Beth Horon the lower, fortified cities, with walls, gates, and bars; 8:6 and Baalath, and all the storage cities that Solomon had, and all the cities for his chariots, and the cities for his horsemen, and all that Solomon desired to build for his pleasure in Jerusalem, and in Lebanon, and in all the land of his dominion. 8:7 As for all the people who were left of the Hittites, and the Amorites, and the Perizzites, and the Hivites, and the Jebusites, who were not of Israel; 8:8 of their children who were left after them in the land, whom the children of Israel didn’t consume, of them Solomon conscripted forced labor to this day. 8:9 But of the children of Israel, Solomon made no servants for his work; but they were men of war, and chief of his captains, and rulers of his chariots and of his horsemen. 8:10 These were the chief officers of king Solomon, even two-hundred fifty, who ruled over the people.

8:11 Solomon brought up the daughter of Pharaoh out of the city of David to the house that he had built for her; for he said, “My wife shall not dwell in the house of David king of Israel, because the places where the ark of Yahweh has come are holy.”

8:12 Then Solomon offered burnt offerings to Yahweh on the altar of Yahweh, which he had built before the porch, 8:13 even as the duty of every day required, offering according to the commandment of Moses, on the Sabbaths, and on the new moons, and on the set feasts, three times in the year, in the feast of unleavened bread, and in the feast of weeks, and in the feast of tents. 8:14 He appointed, according to the ordinance of David his father, the divisions of the priests to their service, and the Levites to their offices, to praise, and to minister before the priests, as the duty of every day required; the doorkeepers also by their divisions at every gate: for so had David the man of God commanded. 8:15 They didn’t depart from the commandment of the king to the priests and Levites concerning any matter, or concerning the treasures. 8:16 Now all the work of Solomon was prepared to the day of the foundation of the house of Yahweh, and until it was finished. So the house of Yahweh was completed. 8:17 Then went Solomon to Ezion Geber, and to Eloth, on the seashore in the land of Edom. 8:18 Huram sent him ships and servants who had knowledge of the sea by the hands of his servants; and they came with the servants of Solomon to Ophir, and fetched from there four hundred fifty talents of gold, and brought them to king Solomon.

 

Chapitre 8
1 Au bout de vingt ans, pendant lesquels Salomon bâtit la maison de l'Éternel et sa propre maison, 2 il reconstruisit les villes que lui donna Huram et y établit des enfants d'Israël. 3 Salomon marcha contre Hamath, vers Tsoba, et s'en empara. 4 Il bâtit Thadmor au désert, et toutes les villes servant de magasins en Hamath. 5 Il bâtit Beth-Horon la haute et Beth-Horon la basse, villes fortes, ayant des murs, des portes et des barres; 6 Baalath, et toutes les villes servant de magasins et lui appartenant, toutes les villes pour les chars, les villes pour la cavalerie, et tout ce qu'il plut à Salomon de bâtir à Jérusalem, au Liban, et dans tout le pays dont il était le souverain. 7 Tout le peuple qui était resté des Héthiens, des Amoréens, des Phéréziens, des Héviens et des Jébusiens, ne faisant point partie d'Israël, 8 leurs descendants qui étaient restés après eux dans le pays et que les enfants d'Israël n'avaient pas détruits, Salomon les leva comme gens de corvée, ce qu'ils ont été jusqu'à ce jour. 9 Salomon n'employa comme esclave pour ses travaux aucun des enfants d'Israël; car ils étaient des hommes de guerre, ses chefs, ses officiers, les commandants de ses chars et de sa cavalerie. 10 Les chefs placés par le roi Salomon à la tête du peuple, et chargés de le surveiller, étaient au nombre de deux cent cinquante. 11 Salomon fit monter la fille de Pharaon de la cité de David dans la maison qu'il lui avait bâtie; car il dit: Ma femme n'habitera pas dans la maison de David, roi d'Israël, parce que les lieux où est entrée l'arche de l'Éternel sont saints. 12 Alors Salomon offrit des holocaustes à l'Éternel sur l'autel de l'Éternel, qu'il avait construit devant le portique. 13 Il offrait ce qui était prescrit par Moïse pour chaque jour, pour les sabbats, pour les nouvelles lunes, et pour les fêtes, trois fois l'année, à la fête des pains sans levain, à la fête des semaines, et à la fête des tabernacles. 14 Il établit dans leurs fonctions, telles que les avait réglées David, son père, les classes des sacrificateurs selon leur office, les Lévites selon leur charge, consistant à célébrer l'Éternel et à faire jour par jour le service en présence des sacrificateurs, et les portiers distribués à chaque porte d'après leurs classes; car ainsi l'avait ordonné David, homme de Dieu. 15 On ne s'écarta point de l'ordre du roi pour les sacrificateurs et les Lévites, ni pour aucune chose, ni pour ce qui concernait les trésors. 16 Ainsi fut dirigée toute l'oeuvre de Salomon, jusqu'au jour où la maison de l'Éternel fut fondée et jusqu'à celui où elle fut terminée. La maison de l'Éternel fut donc achevée. 17 Salomon partit alors pour Etsjon-Guéber et pour Éloth, sur les bords de la mer, dans le pays d'Édom. 18 Et Huram lui envoya par ses serviteurs des navires et des serviteurs connaissant la mer. Ils allèrent avec les serviteurs de Salomon à Ophir, et ils y prirent quatre cent cinquante talents d'or, qu'ils apportèrent au roi Salomon.