| Chapitre 6 1 Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin'ny aizim-pito Izy. 2 Nefa izaho efa nanao trano hitoeranao tokoa, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay. 3 Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra), 4 ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe: 5 Hatramin'ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin'ny firenen'isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran'ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; 6 fa nifidy an'i Jerosalema Aho hitoeran'ny anarako, ary nifidy an'i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko. 7 Ary efa mby tao am-pon'i Davida raiko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. 8 Nefa hoy Jehovah tamin'i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an'ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany. 9 Kanefa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an'ny anarako. 10 Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida raiko aho ary mipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa nolazain'i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho. 11 Ary napetrako tao ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny Zanak'isiraely. 12 Ary Solomona nitsangana teo anoloan'ny alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany 13 fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan'ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin'io izy ka nandohalika teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra 14 ka nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra na etỳ an-tany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an'ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra, 15 sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy; fa nolazain'ny vavanao izany, dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao. 16 Koa tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany ka mankatò ny lalàko tahaka ny nandehananao teo anatrehako. 17 Koa ankehitriny, ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona amina aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin'i Davida mpanomponao. 18 Andriamanitra va dia honina amin'ny olona etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity! 19 Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan'ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao, 20 mba hihiratan'ny masonao andro aman'alina amin'ity trano ity, dia amin'ny fitoerana nolazainao hoe: Ao no hasiako ny anarako, hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity. 21 Ary henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa, ka mamelà heloka. 22 Raha misy olona manota amin'ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan'ny alitaranao amin'ity trano ity izy, 23 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hamaly ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin'ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany. 24 Raha resy eo anoloan'ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona eto anatrehanao amin'ity trano ity izy, 25 dia mihainoa any an-danitra, Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny Isiraely olonao, ary ampodio amin'ny tany nomenao azy sy ny razany izy. 26 Raha mihantona ny andro, ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan'ny olona taminao, ary mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin'ny fahotany, satria ampahorinao, 27 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao, satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao. 28 Raha misy mosary amin'ny tany, na areti-mandringana, na mainan'ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin'ny taniny, dia ao amin'ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina, 29 izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon'olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahoriany sy ny alahelony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy, 30 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ka omeo ny olona araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona,) 31 mba hatahorany Anao sy handehanany amin'ny lalanao amin'izay andro rehetra hiainany etỳ amin'ny tany nomenao ny razanay. 32 Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan'ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra noho ny amin'ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity, 33 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan'ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon'ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity trano nataoko ity. 34 Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalony ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka aminao manandrify ity tanana izay nofidinao ity sy ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao izy, 35 dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy. 36 Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan'ny fahavalony, ka dia entin'ny mpamabo ho babo any amin'ny tany na ho lavitra na ho akaiky izy, 37 ary mahatsiaro any amin'ny tany nitondrana azy ho babo izy ka mibebaka sy mifona aminao any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy, 38 ka dia miverina aminao amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy ao amin'ny tany nitondrana azy ho babo ary mivavaka manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao, 39 dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonanao ka omeo rariny izy; ary mamelà ny olonao izay efa nanota taminao. 40 Ankehitriny, ry Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hihiratra ny masonao, an aoka ny sofinao hihaino ny vavaka atao amin'ity fitoerana ity. 41 Koa ankehitriny mitsangàna, ry Jehovah Andriamanitra ô, ho amin'ny fitsaharanao, dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao; aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, Jehovah Andriamanitra ô. ary aoka ny olonao masina hifaly amin'ny soa. 42 Ry Jehovah Andriamanitra ô, aza lavinao ny voahosotrao; tsarovy ny famindram-po nampanantenaina an'i Davida mpanomponao.
| | Chapitre 6 6:1 Then Solomon said, “Yahweh has said that he would dwell in the thick darkness. 6:2 But I have built you a house of habitation, and a place for you to dwell in forever.” 6:3 The king turned his face, and blessed all the assembly of Israel: and all the assembly of Israel stood. 6:4 He said, “Blessed be Yahweh, the God of Israel, who spoke with his mouth to David my father, and has with his hands fulfilled it, saying, 6:5 ‘Since the day that I brought forth my people out of the land of Egypt, I chose no city out of all the tribes of Israel to build a house in, that my name might be there; neither chose I any man to be prince over my people Israel: 6:6 but I have chosen Jerusalem, that my name might be there; and have chosen David to be over my people Israel.’ 6:7 Now it was in the heart of David my father to build a house for the name of Yahweh, the God of Israel. 6:8 But Yahweh said to David my father, ‘Whereas it was in your heart to build a house for my name, you did well that it was in your heart: 6:9 nevertheless you shall not build the house; but your son who shall come forth out of your body, he shall build the house for my name.’ 6:10 “Yahweh has performed his word that he spoke; for I have risen up in the place of David my father, and sit on the throne of Israel, as Yahweh promised, and have built the house for the name of Yahweh, the God of Israel. 6:11 There I have set the ark, in which is the covenant of Yahweh, which he made with the children of Israel.” 6:12 He stood before the altar of Yahweh in the presence of all the assembly of Israel, and spread forth his hands 6:13 (for Solomon had made a bronze scaffold, five cubits long, and five cubits broad, and three cubits high, and had set it in the midst of the court; and on it he stood, and kneeled down on his knees before all the assembly of Israel, and spread forth his hands toward heaven;) 6:14 and he said, “Yahweh, the God of Israel, there is no God like you, in heaven, or on earth; you who keep covenant and loving kindness with your servants, who walk before you with all their heart; 6:15 who have kept with your servant David my father that which you promised him: yes, you spoke with your mouth, and have fulfilled it with your hand, as it is this day. 6:16 “Now therefore, Yahweh, the God of Israel, keep with your servant David my father that which you have promised him, saying, ‘There shall not fail you a man in my sight to sit on the throne of Israel, if only your children take heed to their way, to walk in my law as you have walked before me.’ 6:17 Now therefore, Yahweh, the God of Israel, let your word be verified, which you spoke to your servant David. 6:18 “But will God indeed dwell with men on the earth? Behold, heaven and the heaven of heavens can’t contain you; how much less this house which I have built! 6:19 Yet have respect for the prayer of your servant, and to his supplication, Yahweh my God, to listen to the cry and to the prayer which your servant prays before you; 6:20 that your eyes may be open toward this house day and night, even toward the place where you have said that you would put your name; to listen to the prayer which your servant shall pray toward this place. 6:21 Listen to the petitions of your servant, and of your people Israel, when they shall pray toward this place: yes, hear from your dwelling place, even from heaven; and when you hear, forgive. 6:22 “If a man sin against his neighbor, and an oath is laid on him to cause him to swear, and he comes and swears before your altar in this house; 6:23 then hear from heaven, and do, and judge your servants, bringing retribution to the wicked, to bring his way on his own head; and justifying the righteous, to give him according to his righteousness. 6:24 “If your people Israel be struck down before the enemy, because they have sinned against you, and shall turn again and confess your name, and pray and make supplication before you in this house; 6:25 then hear from heaven, and forgive the sin of your people Israel, and bring them again to the land which you gave to them and to their fathers. 6:26 “When the sky is shut up, and there is no rain, because they have sinned against you; if they pray toward this place, and confess your name, and turn from their sin, when you afflict them: 6:27 then hear in heaven, and forgive the sin of your servants, and of your people Israel, when you teach them the good way in which they should walk; and send rain on your land, which you have given to your people for an inheritance. 6:28 “If there is famine in the land, if there is pestilence, if there is blight or mildew, locust or caterpillar; if their enemies besiege them in the land of their cities; whatever plague or whatever sickness there is; 6:29 whatever prayer and supplication be made by any man, or by all your people Israel, who shall know every man his own plague and his own sorrow, and shall spread forth his hands toward this house: 6:30 then hear from heaven, your dwelling place and forgive, and render to every man according to all his ways, whose heart you know; (for you, even you only, know the hearts of the children of men;) 6:31 that they may fear you, to walk in your ways, so long as they live in the land which you gave to our fathers. 6:32 “Moreover concerning the foreigner, who is not of your people Israel, when he shall come from a far country for your great name’s sake, and your mighty hand, and your outstretched arm; when they shall come and pray toward this house: 6:33 then hear from heaven, even from your dwelling place, and do according to all that the foreigner calls to you for; that all the peoples of the earth may know your name, and fear you, as does your people Israel, and that they may know that this house which I have built is called by your name. 6:34 “If your people go out to battle against their enemies, by whatever way you shall send them, and they pray to you toward this city which you have chosen, and the house which I have built for your name; 6:35 then hear from heaven their prayer and their supplication, and maintain their cause. 6:36 “If they sin against you (for there is no man who doesn’t sin), and you are angry with them, and deliver them to the enemy, so that they carry them away captive to a land far off or near; 6:37 yet if they shall repent themselves in the land where they are carried captive, and turn again, and make supplication to you in the land of their captivity, saying, ‘We have sinned, we have done perversely, and have dealt wickedly;’ 6:38 if they return to you with all their heart and with all their soul in the land of their captivity, where they have carried them captive, and pray toward their land, which you gave to their fathers, and the city which you have chosen, and toward the house which I have built for your name: 6:39 then hear from heaven, even from your dwelling place, their prayer and their petitions, and maintain their cause, and forgive your people who have sinned against you. 6:40 “Now, my God, let, I beg you, your eyes be open, and let your ears be attentive, to the prayer that is made in this place. 6:41 “Now therefore arise, Yahweh God, into your resting place, you, and the ark of your strength: let your priests, Yahweh God, be clothed with salvation, and let your saints rejoice in goodness. 6:42 “Yahweh God, don’t turn away the face of your anointed. Remember your loving kindnesses to David your servant.”
| | Chapitre 6 1 Alors Salomon dit: L'Éternel veut habiter dans l'obscurité! 2 Et moi, j'ai bâti une maison qui sera ta demeure, un lieu où tu résideras éternellement! 3 Le roi tourna son visage, et bénit toute l'assemblée d'Israël; et toute l'assemblée d'Israël était debout. 4 Et il dit: Béni soit l'Éternel, le Dieu d'Israël, qui a parlé de sa bouche à David, mon père, et qui accomplit par sa puissance ce qu'il avait déclaré en disant: 5 Depuis le jour où j'ai fait sortir mon peuple du pays d'Égypte, je n'ai point choisi de ville parmi toutes les tribus d'Israël pour qu'il y fût bâti une maison où résidât mon nom, et je n'ai point choisi d'homme pour qu'il fût chef de mon peuple d'Israël; 6 mais j'ai choisi Jérusalem pour que mon nom y résidât, et j'ai choisi David pour qu'il régnât sur mon peuple d'Israël! 7 David, mon père, avait l'intention de bâtir une maison au nom de l'Éternel, le Dieu d'Israël. 8 Et l'Éternel dit à David, mon père: Puisque tu as eu l'intention de bâtir une maison à mon nom, tu as bien fait d'avoir eu cette intention. 9 Seulement, ce ne sera pas toi qui bâtiras la maison; mais ce sera ton fils, sorti de tes entrailles, qui bâtira la maison à mon nom. 10 L'Éternel a accompli la parole qu'il avait prononcée. Je me suis élevé à la place de David, mon père, et je me suis assis sur le trône d'Israël, comme l'avait annoncé l'Éternel, et j'ai bâti la maison au nom de l'Éternel, le Dieu d'Israël. 11 J'y ai placé l'arche où est l'alliance de l'Éternel, l'alliance qu'il a faite avec les enfants d'Israël. 12 Salomon se plaça devant l'autel de l'Éternel, en face de toute l'assemblée d'Israël, et il étendit ses mains. 13 Car Salomon avait fait une tribune d'airain, et l'avait mise au milieu du parvis; elle était longue de cinq coudées, large de cinq coudées, et haute de trois coudées; il s'y plaça, se mit à genoux en face de toute l'assemblée d'Israël, et étendit ses mains vers le ciel. 14 Et il dit: O Éternel, Dieu d'Israël! Il n'y a point de Dieu semblable à toi, dans les cieux et sur la terre: tu gardes l'alliance et la miséricorde envers tes serviteurs qui marchent en ta présence de tout leur coeur! 15 Ainsi tu as tenu parole à ton serviteur David, mon père; et ce que tu as déclaré de ta bouche, tu l'accomplis en ce jour par ta puissance. 16 Maintenant, Éternel, Dieu d'Israël, observe la promesse que tu as faite à David, mon père, en disant: Tu ne manqueras jamais devant moi d'un successeur assis sur le trône d'Israël, pourvu que tes fils prennent garde à leur voie et qu'ils marchent dans ma loi comme tu as marché en ma présence. 17 Qu'elle s'accomplisse donc, Éternel, Dieu d'Israël, la promesse que tu as faite à ton serviteur David! 18 Mais quoi! Dieu habiterait-il véritablement avec l'homme sur la terre? Voici, les cieux et les cieux des cieux ne peuvent te contenir: combien moins cette maison que j'ai bâtie! 19 Toutefois, Éternel mon Dieu, sois attentif à la prière de ton serviteur et à sa supplication; écoute le cri et la prière que t'adresse ton serviteur. 20 Que tes yeux soient jour et nuit ouverts sur cette maison, sur le lieu dont tu as dit que là serait ton nom! Écoute la prière que ton serviteur fait en ce lieu. 21 Daigne exaucer les supplications de ton serviteur et de ton peuple d'Israël, lorsqu'ils prieront en ce lieu! Exauce du lieu de ta demeure, des cieux, exauce et pardonne! 22 Si quelqu'un pèche contre son prochain et qu'on lui impose un serment pour le faire jurer, et s'il vient jurer devant ton autel, dans cette maison, 23 écoute-le des cieux, agis, et juge tes serviteurs; condamne le coupable, et fais retomber sa conduite sur sa tête, rends justice à l'innocent, et traite-le selon son innocence! 24 Quand ton peuple d'Israël sera battu par l'ennemi, pour avoir péché contre toi; s'ils reviennent à toi et rendent gloire à ton nom, s'ils t'adressent des prières et des supplications dans cette maison, 25 exauce-les des cieux, pardonne le péché de ton peuple d'Israël, et ramène-les dans le pays que tu as donné à eux et à leurs pères! 26 Quand le ciel sera fermé et qu'il n'y aura point de pluie, à cause de leurs péchés contre toi; s'ils prient dans ce lieu et rendent gloire à ton nom, et s'ils se détournent de leurs péchés, parce que tu les auras châtiés; 27 exauce-les des cieux, pardonne le péché de tes serviteurs et de ton peuple d'Israël, à qui tu enseigneras la bonne voie dans laquelle ils doivent marcher, et fais venir la pluie sur la terre que tu as donnée pour héritage à ton peuple! 28 Quand la famine, la peste, la rouille et la nielle, les sauterelles d'une espèce ou d'une autre, seront dans le pays, quand l'ennemi assiégera ton peuple dans son pays, dans ses portes, quand il y aura des fléaux ou des maladies quelconques; 29 si un homme, si tout ton peuple d'Israël fait entendre des prières et des supplications, et que chacun reconnaisse sa plaie et sa douleur et étende les mains vers cette maison, 30 exauce-le des cieux, du lieu de ta demeure, et pardonne; rends à chacun selon ses voies, toi qui connais le coeur de chacun, car seul tu connais le coeur des enfants des hommes, 31 et ils te craindront pour marcher dans tes voies tout le temps qu'ils vivront dans le pays que tu as donné à nos pères! 32 Quand l'étranger, qui n'est pas de ton peuple d'Israël, viendra d'un pays lointain, à cause de ton grand nom, de ta main forte et de ton bras étendu, quand il viendra prier dans cette maison, 33 exauce-le des cieux, du lieu de ta demeure, et accorde à cet étranger tout ce qu'il te demandera, afin que tous les peuples de la terre connaissent ton nom pour te craindre, comme ton peuple d'Israël, et sachent que ton nom est invoqué sur cette maison que j'ai bâtie! 34 Quand ton peuple sortira pour combattre ses ennemis, en suivant la voie que tu lui auras prescrite; s'ils t'adressent des prières, les regards tournés vers cette ville que tu as choisie et vers la maison que j'ai bâtie en ton nom, 35 exauce des cieux leurs prières et leurs supplications, et fais-leur droit! 36 Quand ils pécheront contre toi, car il n'y a point d'homme qui ne pèche, quand tu seras irrité contre eux et que tu les livreras à l'ennemi, qui les emmènera captifs dans un pays lointain ou rapproché; 37 s'ils rentrent en eux-mêmes dans le pays où ils seront captifs, s'ils reviennent à toi et t'adressent des supplications dans le pays de leur captivité, et qu'ils disent: Nous avons péché, nous avons commis des iniquités, nous avons fait le mal! 38 s'ils reviennent à toi de tout leur coeur et de toute leur âme, dans le pays de leur captivité où ils ont été emmenés captifs, s'ils t'adressent des prières, les regards tournés vers leur pays que tu as donné à leurs pères, vers la ville que tu as choisie et vers la maison que j'ai bâtie à ton nom, 39 exauce des cieux, du lieu de ta demeure, leurs prières et leurs supplications, et fais-leur droit; pardonne à ton peuple ses péchés contre toi! 40 Maintenant, ô mon Dieu, que tes yeux soient ouverts, et que tes oreilles soient attentives à la prière faite en ce lieu! 41 Maintenant, Éternel Dieu, lève-toi, viens à ton lieu de repos, toi et l'arche de ta majesté! Que tes sacrificateurs, Éternel Dieu, soient revêtus de salut, et que tes bien-aimés jouissent du bonheur! 42 Éternel Dieu, ne repousse pas ton oint, souviens-toi des grâces accordées à David, ton serviteur!
| |