T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 3

1 [Ny nanaovana ny tempoly sy ny fanaka momba azy] Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan'i Jehovah tamin'i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin'ny fitoerana nofidin'i Davida teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.

2 Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin'ny andro faharoa tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona fahefatra nanjakany.

3 Ary toy izao no nanorenan'i Solomona ny tranon'Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.

4 Ary ny amin'ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan'ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.

5 Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia* sy tongalika. [palma]

6 Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.

7 Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima ny rindrina.

8 Ary nanao ny efi-trano masina indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy

9 Ary ny lanjan'ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.

10 Ary tao amin'ny efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin'ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.

11 Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray;

12 ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray.

13 Nivelatra ny elatr'ireo kerobima Ireo. ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin'ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.

14 Ary izy nanao ny efitra lamba tamin'ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin'ny kerobima ny sorany.

15 Ary nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.

16 Ary nanao tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon'ny andry ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin'ny tongalika ireo.

17 Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina*, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza**.[*Jakina = Hampiorina izy][**Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]

 

Chapitre 3

3:1 Then Solomon began to build the house of Yahweh at Jerusalem on Mount Moriah, where Yahweh appeared to David his father, which he prepared in the place that David had appointed, in the threshing floor of Ornan the Jebusite. 3:2 He began to build in the second day of the second month, in the fourth year of his reign. 3:3 Now these are the foundations which Solomon laid for the building of God’s house. The length by cubits after the first measure was sixty cubits, and the breadth twenty cubits. 3:4 The porch that was in front, its length, according to the breadth of the house, was twenty cubits, and the height one hundred twenty; and he overlaid it within with pure gold. 3:5 The greater house he made a ceiling with fir wood, which he overlaid with fine gold, and ornamented it with palm trees and chains. 3:6 He garnished the house with precious stones for beauty: and the gold was gold of Parvaim. 3:7 He overlaid also the house, the beams, the thresholds, and its walls, and its doors, with gold; and engraved cherubim on the walls. 3:8 He made the most holy house: its length, according to the breadth of the house, was twenty cubits, and its breadth twenty cubits; and he overlaid it with fine gold, amounting to six hundred talents. 3:9 The weight of the nails was fifty shekels of gold. He overlaid the upper rooms with gold. 3:10 In the most holy house he made two cherubim of image work; and they overlaid them with gold. 3:11 The wings of the cherubim were twenty cubits long: the wing of the one was five cubits, reaching to the wall of the house; and the other wing was five cubits, reaching to the wing of the other cherub. 3:12 The wing of the other cherub was five cubits, reaching to the wall of the house; and the other wing was five cubits, joining to the wing of the other cherub. 3:13 The wings of these cherubim spread themselves forth twenty cubits: and they stood on their feet, and their faces were toward the house. 3:14 He made the veil of blue, and purple, and crimson, and fine linen, and ornamented it with cherubim. 3:15 Also he made before the house two pillars of thirty-five cubits high, and the capital that was on the top of each of them was five cubits. 3:16 He made chains in the oracle, and put them on the tops of the pillars; and he made one hundred pomegranates, and put them on the chains. 3:17 He set up the pillars before the temple, one on the right hand, and the other on the left; and called the name of that on the right hand Jachin, and the name of that on the left Boaz.

 

Chapitre 3
1 Salomon commença à bâtir la maison de l'Éternel à Jérusalem, sur la montagne de Morija, qui avait été indiquée à David, son père, dans le lieu préparé par David sur l'aire d'Ornan, le Jébusien. 2 Il commença à bâtir le second jour du second mois de la quatrième année de son règne. 3 Voici sur quels fondements Salomon bâtit la maison de Dieu. La longueur en coudées de l'ancienne mesure était de soixante coudées, et la largeur de vingt coudées. 4 Le portique sur le devant avait vingt coudées de longueur, répondant à la largeur de la maison, et cent vingt de hauteur; Salomon le couvrit intérieurement d'or pur. 5 Il revêtit de bois de cyprès la grande maison, la couvrit d'or pur, et y fit sculpter des palmes et des chaînettes. 6 Il couvrit la maison de pierres précieuses comme ornement; et l'or était de l'or de Parvaïm. 7 Il couvrit d'or la maison, les poutres, les seuils, les parois et les battants des portes, et il fit sculpter des chérubins sur les parois. 8 Il fit la maison du lieu très saint; elle avait vingt coudées de longueur répondant à la largeur de la maison, et vingt coudées de largeur. Il la couvrit d'or pur, pour une valeur de six cents talents; 9 et le poids de l'or pour les clous montait à cinquante sicles. Il couvrit aussi d'or les chambres hautes. 10 Il fit dans la maison du lieu très saint deux chérubins sculptés, et on les couvrit d'or. 11 Les ailes des chérubins avaient vingt coudées de longueur. L'aile du premier, longue de cinq coudées, touchait au mur de la maison; et l'autre aile, longue de cinq coudées, touchait à l'aile du second chérubin. 12 L'aile du second chérubin, longue de cinq coudées, touchait au mur de la maison; et l'autre aile, longue de cinq coudées, joignait l'aile du premier chérubin. 13 Les ailes de ces chérubins, déployées, avaient vingt coudées. Ils étaient debout sur leurs pieds, la face tournée vers la maison. 14 Il fit le voile bleu, pourpre et cramoisi, et de byssus, et il y représenta des chérubins. 15 Il fit devant la maison deux colonnes de trente-cinq coudées de hauteur, avec un chapiteau de cinq coudées sur leur sommet. 16 Il fit des chaînettes comme celles qui étaient dans le sanctuaire, et les plaça sur le sommet des colonnes, et il fit cent grenades qu'il mit dans les chaînettes. 17 Il dressa les colonnes sur le devant du temple, l'une à droite et l'autre à gauche; il nomma celle de droite Jakin, et celle de gauche Boaz.