| Chapitre 2 1 Dia nanisa olona fito alina ho mpitondra entana Solomona ary valo alina ho mpikapa hazo eny an-tendrombohitra ary enin-jato amby telo arivo ho mpifehy azy. 2 Ary Solomona naniraka hankany amin'i Hirama, mpanjakan'i Tyro, hanao hoe: Tahaka ny nataonao tamin'i Davida raiko, raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanaovany trano hitoerany ianao, 3 indro, izaho efa efa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy ka handoroana ditin-kazo mani-pofona eo anatrehany sy hasiana ny mofo aseho mandrakariva ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy Isan-kariva ary amin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin'ny fotoam-pivavahina voatendrin'i Jehovah Andriamanitray; ho adidin'ny Isiraely mandrakizay izany. 4 Ary ny trano efa hataoko dia lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray. 5 Nefa iza no mahay manao trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Ka iza moa aho, no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany? 6 Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy volomparasy sy jaky ary manga, ary izay mahay misokitra manao sarin-javatra mba hiara-manao amin'ny olo-mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin'i Davida raiko. 7 Ary anatero hazo sedera sy kypreso ary almoga avy any Libanona koa aho; fa fantatro fa mahay mikapa hazo any Libanona ny vahoakanao; ary, indro, ny vahoakako hiaraka amin'ny vahoakanao 8 mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay efa hataoko dia ho lehibe higagana. 9 Ary, indro, homeko vary tritika voafotsy sy vary hordea roa alina kora avy ary divay sy diloilo roa alina bata avy ny vahoakanao mpikapa hazo. 10 Ary hoy Hirama, mpanjakan'i Tyro, tamin'ny taratasy izay nampanateriny ho any amin'i Solomona: Noho ny fitiavan'i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany. 11 Ary hoy koa Hirama: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an'i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano ho an'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany izy. 12 Koa ankehitriny, indro, maniraka olona mahay zavatra sady manana fahalalana aho, dia Hiram-aby*,[Na: Ikaky Hirama] 13 zanaky ny vehivavy Danita sy ny lehilahy Tyriana. Ary izy dia mahay miasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy vato sy hazo sy volomparasy sy manga sy rongony fotsy madinika ary jaky; ary mahay misokitra manao sarin-javatra samy hafa sy mahay manao marika amin'izay asa rehetra asaina ataony, ka dia hiara-manao amin'ny olon-kendrinao sy ny olon-kendrin'itompokolahy Davida rainao Izy. 14 Ary ny vary tritika sy ny vary hordea ary ny diloilo sy ny divay, izay nolazainao, tompokolahy dia aoka hampanaterina ho atỳ aminay mpanomponao; 15 Ary izahay dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; ary hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona amin'ny ranomasina ho any Jopa; ary ianao kosa no hitondra azy miakatra hankany Jerosalema. 16 Ary Solomona nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin'ny tanin'ny Isiraely araka ny nanisan'i Davida rainy Lzy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy. 17 Ary ny fito alina tamin'ireo dia nataony mpitondra entana, ary ny valo alina nataony mpikapa hazo eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato amby telo arivo nataony mpifehy hampiasa ny olona.
| | Chapitre 2 2:1 Now Solomon purposed to build a house for the name of Yahweh, and a house for his kingdom. 2:2 Solomon counted out seventy thousand men to bear burdens, and eighty thousand men who were stone cutters in the mountains, and three thousand and six hundred to oversee them. 2:3 Solomon sent to Huram the king of Tyre, saying, “As you dealt with David my father, and sent him cedars to build him a house in which to dwell, so deal with me. 2:4 Behold, I am about to build a house for the name of Yahweh my God, to dedicate it to him, and to burn before him incense of sweet spices, and for the continual show bread, and for the burnt offerings morning and evening, on the Sabbaths, and on the new moons, and on the set feasts of Yahweh our God. This is an ordinance forever to Israel. 2:5 “The house which I build is great; for our God is great above all gods. 2:6 But who is able to build him a house, since heaven and the heaven of heavens can’t contain him? who am I then, that I should build him a house, except just to burn incense before him? 2:7 “Now therefore send me a man skillful to work in gold, and in silver, and in brass, and in iron, and in purple, and crimson, and blue, and who knows how to engrave engravings, to be with the skillful men who are with me in Judah and in Jerusalem, whom David my father provided. 2:8 “Send me also cedar trees, fir trees, and algum trees, out of Lebanon; for I know that your servants know how to cut timber in Lebanon: and behold, my servants shall be with your servants, 2:9 even to prepare me timber in abundance; for the house which I am about to build shall be great and wonderful. 2:10 Behold, I will give to your servants, the cutters who cut timber, twenty thousand measures of beaten wheat, and twenty thousand measures of barley, and twenty thousand baths of wine, and twenty thousand baths of oil.” 2:11 Then Huram the king of Tyre answered in writing, which he sent to Solomon, “Because Yahweh loves his people, he has made you king over them.” 2:12 Huram continued, “Blessed be Yahweh, the God of Israel, that made heaven and earth, who has given to David the king a wise son, endowed with discretion and understanding, that should build a house for Yahweh, and a house for his kingdom. 2:13 Now I have sent a skillful man, endowed with understanding, of Huram my father’s, 2:14 the son of a woman of the daughters of Dan; and his father was a man of Tyre, skillful to work in gold, and in silver, in brass, in iron, in stone, and in timber, in purple, in blue, and in fine linen, and in crimson, also to engrave any kind of engraving, and to devise any device; that there may be a place appointed to him with your skillful men, and with the skillful men of my lord David your father. 2:15 “Now therefore the wheat and the barley, the oil and the wine, which my lord has spoken of, let him send to his servants: 2:16 and we will cut wood out of Lebanon, as much as you shall need; and we will bring it to you in floats by sea to Joppa; and you shall carry it up to Jerusalem.” 2:17 Solomon numbered all the foreigners who were in the land of Israel, after the numbering with which David his father had numbered them; and they were found one hundred fifty-three thousand six hundred. 2:18 He set seventy thousand of them to bear burdens, and eighty thousand who were stone cutters in the mountains, and three thousand six hundred overseers to set the people at work.
| | Chapitre 2 1 Salomon ordonna que l'on bâtît une maison au nom de l'Éternel et une maison royale pour lui. 2 Salomon compta soixante-dix mille hommes pour porter les fardeaux, quatre-vingt mille pour tailler les pierres dans la montagne, et trois mille six cents pour les surveiller. 3 Salomon envoya dire à Huram, roi de Tyr: Fais pour moi comme tu as fait pour David, mon père, à qui tu as envoyé des cèdres afin qu'il se bâtît une maison d'habitation. 4 Voici, j'élève une maison au nom de l'Éternel, mon Dieu, pour la lui consacrer, pour brûler devant lui le parfum odoriférant, pour présenter continuellement les pains de proposition, et pour offrir les holocaustes du matin et du soir, des sabbats, des nouvelles lunes, et des fêtes de l'Éternel, notre Dieu, suivant une loi perpétuelle pour Israël. 5 La maison que je vais bâtir doit être grande, car notre Dieu est plus grand que tous les dieux. 6 Mais qui a le pouvoir de lui bâtir une maison, puisque les cieux et les cieux des cieux ne peuvent le contenir? Et qui suis-je pour lui bâtir une maison, si ce n'est pour faire brûler des parfums devant lui? 7 Envoie-moi donc un homme habile pour les ouvrages en or, en argent, en airain et en fer, en étoffes teintes en pourpre, en cramoisi et en bleu, et connaissant la sculpture, afin qu'il travaille avec les hommes habiles qui sont auprès de moi en Juda et à Jérusalem et que David, mon père, a choisis. 8 Envoie-moi aussi du Liban des bois de cèdre, de cyprès et de sandal; car je sais que tes serviteurs s'entendent à couper les bois du Liban. Voici, mes serviteurs seront avec les tiens. 9 Que l'on me prépare du bois en abondance, car la maison que je vais bâtir sera grande et magnifique. 10 Je donnerai à tes serviteurs qui couperont, qui abattront les bois, vingt mille cors de froment foulé, vingt mille cors d'orge, vingt mille baths de vin, et vingt mille baths d'huile. 11 Huram, roi de Tyr, répondit dans une lettre qu'il envoya à Salomon: C'est parce que l'Éternel aime son peuple qu'il t'a établi roi sur eux. 12 Huram dit encore: Béni soit l'Éternel, le Dieu d'Israël, qui a fait les cieux et la terre, de ce qu'il a donné au roi David un fils sage, prudent et intelligent, qui va bâtir une maison à l'Éternel et une maison royale pour lui! 13 Je t'envoie donc un homme habile et intelligent, (2:14) Huram-Abi, 14 fils d'une femme d'entre les filles de Dan, et d'un père Tyrien. Il est habile pour les ouvrages en or, en argent, en airain et en fer, en pierre et en bois, en étoffes teintes en pourpre et en bleu, en étoffes de byssus et de carmin, et pour toute espèce de sculptures et d'objets d'art qu'on lui donne à exécuter. Il travaillera avec tes hommes habiles et avec les hommes habiles de mon seigneur David, ton père. 15 Maintenant, que mon seigneur envoie à ses serviteurs le froment, l'orge, l'huile et le vin dont il a parlé. 16 Et nous, nous couperons des bois du Liban autant que tu en auras besoin; nous te les expédierons par mer en radeaux jusqu'à Japho, et tu les feras monter à Jérusalem. 17 Salomon compta tous les étrangers qui étaient dans le pays d'Israël, et dont le dénombrement avait été fait par David, son père. On en trouva cent cinquante-trois mille six cents. 18 Et il en prit soixante-dix mille pour porter les fardeaux, quatre-vingt mille pour tailler les pierres dans la montagne, et trois mille six cents pour surveiller et faire travailler le peuple.
| |