| Chapitre 9 1 [Ny soa nataon'i Davida tamin'i Mefiboseta] Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa noho ny amin'i Jonatana? 2 Ary nisy mpanompon'ny fianakavian'i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin'i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy. 3 Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon'Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin'i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy. 4 Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, ao Lo-debara. 5 Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, tao Lodebara. 6 Ary nony tonga teo amin'i Davida Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao. 7 Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin'i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an'i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. 8 Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao? 9 Dia niantso an'i Ziba, mpanompon'i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan'i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin'ny tomponao. 10 Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an'ny zanakalahin'ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin'ny tomponao, hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roa-polo. 11 Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon'ny mpanomponao. Fa ny amin'i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin'ny latabatro toy ny anankiray amin'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy. 12 Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa. 13 Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa. | | Chapitre 9 9:1 David said, “Is there yet any who is left of the house of Saul, that I may show him kindness for Jonathan’s sake?” 9:2 There was of the house of Saul a servant whose name was Ziba, and they called him to David; and the king said to him, “Are you Ziba?” He said, “Your servant is he.” 9:3 The king said, “Is there not yet any of the house of Saul, that I may show the kindness of God to him?” Ziba said to the king, “Jonathan has yet a son, who is lame of his feet.” 9:4 The king said to him, “Where is he?” Ziba said to the king, “Behold, he is in the house of Machir the son of Ammiel, in Lo Debar.” 9:5 Then king David sent, and fetched him out of the house of Machir the son of Ammiel, from Lo Debar. 9:6 Mephibosheth, the son of Jonathan, the son of Saul, came to David, and fell on his face, and showed respect. David said, “Mephibosheth.” He answered, “Behold, your servant!” 9:7 David said to him, “Don’t be afraid of him; for I will surely show you kindness for Jonathan your father’s sake, and will restore to you all the land of Saul your father. You shall eat bread at my table continually.” 9:8 He bowed down, and said, “What is your servant, that you should look on such a dead dog as I am?” 9:9 Then the king called to Ziba, Saul’s servant, and said to him, “All that pertained to Saul and to all his house have I given to your master’s son. 9:10 You shall till the land for him, you, and your sons, and your servants; and you shall bring in the harvest, that your master’s son may have bread to eat: but Mephibosheth your master’s son shall eat bread always at my table.” Now Ziba had fifteen sons and twenty servants. 9:11 Then Ziba said to the king, “According to all that my lord the king commands his servant, so your shall servant do.” So Mephibosheth ate at the king’s table, like one of the king’s sons. 9:12 Mephibosheth had a young son, whose name was Mica. All that lived in the house of Ziba were servants to Mephibosheth. 9:13 So Mephibosheth lived in Jerusalem; for he ate continually at the king’s table. He was lame in both his feet.
| | Chapitre 9 1 David dit: Reste-t-il encore quelqu'un de la maison de Saül, pour que je lui fasse du bien à cause de Jonathan? 2 Il y avait un serviteur de la maison de Saül, nommé Tsiba, que l'on fit venir auprès de David. Le roi lui dit: Es-tu Tsiba? Et il répondit: Ton serviteur! 3 Le roi dit: N'y a-t-il plus personne de la maison de Saül, pour que j'use envers lui de la bonté de Dieu? Et Tsiba répondit au roi: Il y a encore un fils de Jonathan, perclus des pieds. 4 Le roi lui dit: Où est-il? Et Tsiba répondit au roi: Il est dans la maison de Makir, fils d'Ammiel, à Lodebar. 5 Le roi David l'envoya chercher dans la maison de Makir, fils d'Ammiel, à Lodebar. 6 Et Mephiboscheth, fils de Jonathan, fils de Saül, vint auprès de David, tomba sur sa face et se prosterna. David dit: Mephiboscheth! Et il répondit: Voici ton serviteur. 7 David lui dit: Ne crains point, car je veux te faire du bien à cause de Jonathan, ton père. Je te rendrai toutes les terres de Saül, ton père, et tu mangeras toujours à ma table. 8 Il se prosterna, et dit: Qu'est ton serviteur, pour que tu regardes un chien mort, tel que moi? 9 Le roi appela Tsiba, serviteur de Saül, et lui dit: Je donne au fils de ton maître tout ce qui appartenait à Saül et à toute sa maison. 10 Tu cultiveras pour lui les terres, toi, tes fils, et tes serviteurs, et tu feras les récoltes, afin que le fils de ton maître ait du pain à manger; et Mephiboscheth, fils de ton maître, mangera toujours à ma table. Or Tsiba avait quinze fils et vingt serviteurs. 11 Il dit au roi: Ton serviteur fera tout ce que le roi mon seigneur ordonne à son serviteur. Et Mephiboscheth mangea à la table de David, comme l'un des fils du roi. 12 Mephiboscheth avait un jeune fils, nommé Mica, et tous ceux qui demeuraient dans la maison de Tsiba étaient serviteurs de Mephiboscheth. 13 Mephiboscheth habitait à Jérusalem, car il mangeait toujours à la table du roi. Il était boiteux des deux pieds. | |