T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 8

1 [Ny nandresen'i Davida ny fahavalony] Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin'i Davida tamin'ny tanan'ny Filistina.

2 Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin'ny tany ireo ary nohariny tamin'ny kofehy, ka izay indroan'ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon'i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.

3 Dia resin'i Davida koa Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba, tamin'izy lasa nampody ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata.

4 Ary Davida nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.

5 Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an'i Hadadezera, mpanjakan'i Zoba; dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana.

6 Ary nametrahan'i Davida miaramila tany Syria momba an'i Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.

7 Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena izay teny amin'ny mpanompon'i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema.

8 Ary teo Beta sy Berotahy, tanànan'i Hadadezera, no nahazoan'i Davida mpanjaka babo varahina be dia be.

9 Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan'i Hadadezera rehetra Davida,

10 dia nirahin'i Toy Jorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon'i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina;

11 dia nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena izay nohamasininy avy tamin'ny firenena rehetra izay efa resiny,

12 dia tamin'i Syria sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo azony tamin'i Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba.

13 Ary Davida nahazo laza nony niverina avy nandresy ny Syriana valo arivo sy iray alina teo amin'ny Lohasahan-tsira.

14 Ary nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon'i Davida. Ary Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.

15 [Ny mpanao raharaham-panjakana tamin'i Davida] Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra.

16 Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;

17 ary Zadoka, zanak'i Ahitoba, sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Seraia no mpanoratra;

18 ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana*; ary ny zanak'i Davida no mpanolo-tsaina**. [*Heb. Kerenita sy Peletita][**Na: mpisorona]

 

Chapitre 8

8:1 After this it happened that David struck the Philistines, and subdued them: and David took the bridle of the mother city out of the hand of the Philistines. 8:2 He struck Moab, and measured them with the line, making them to lie down on the ground; and he measured two lines to put to death, and one full line to keep alive. The Moabites became servants to David, and brought tribute. 8:3 David struck also Hadadezer the son of Rehob, king of Zobah, as he went to recover his dominion at the River. 8:4 David took from him one thousand seven hundred horsemen, and twenty thousand footmen: and David hamstrung all the chariot horses, but reserved of them for one hundred chariots. 8:5 When the Syrians of Damascus came to help Hadadezer king of Zobah, David struck of the Syrians two and twenty thousand men. 8:6 Then David put garrisons in Syria of Damascus; and the Syrians became servants to David, and brought tribute. Yahweh gave victory to David wherever he went. 8:7 David took the shields of gold that were on the servants of Hadadezer, and brought them to Jerusalem. 8:8 From Betah and from Berothai, cities of Hadadezer, king David took exceeding much brass. 8:9 When Toi king of Hamath heard that David had struck all the army of Hadadezer, 8:10 then Toi sent Joram his son to king David, to Greet him, and to bless him, because he had fought against Hadadezer and struck him: for Hadadezer had wars with Toi. Joram brought with him vessels of silver, and vessels of gold, and vessels of brass: 8:11 King David also dedicated these to Yahweh, with the silver and gold that he dedicated of all the nations which he subdued; 8:12 of Syria, and of Moab, and of the children of Ammon, and of the Philistines, and of Amalek, and of the spoil of Hadadezer, son of Rehob, king of Zobah. 8:13 David earned a reputation when he returned from smiting the Syrians in the Valley of Salt, even eighteen thousand men. 8:14 He put garrisons in Edom; throughout all Edom put he garrisons, and all the Edomites became servants to David. Yahweh gave victory to David wherever he went. 8:15 David reigned over all Israel; and David executed justice and righteousness to all his people. 8:16 Joab the son of Zeruiah was over the army; and Jehoshaphat the son of Ahilud was recorder; 8:17 and Zadok the son of Ahitub, and Ahimelech the son of Abiathar, were priests; and Seraiah was scribe; 8:18 and Benaiah the son of Jehoiada was over the Cherethites and the Pelethites; and David’s sons were chief ministers.

 

Chapitre 8
1 Après cela, David battit les Philistins et les humilia, et il enleva de la main des Philistins les rênes de leur capitale. 2 Il battit les Moabites, et il les mesura avec un cordeau, en les faisant coucher par terre; il en mesura deux cordeaux pour les livrer à la mort, et un plein cordeau pour leur laisser la vie. Et les Moabites furent assujettis à David, et lui payèrent un tribut. 3 David battit Hadadézer, fils de Rehob, roi de Tsoba, lorsqu'il alla rétablir sa domination sur le fleuve de l'Euphrate. 4 David lui prit mille sept cents cavaliers et vingt mille hommes de pied; il coupa les jarrets à tous les chevaux de trait, et ne conserva que cent attelages. 5 Les Syriens de Damas vinrent au secours d'Hadadézer, roi de Tsoba, et David battit vingt-deux mille Syriens. 6 David mit des garnisons dans la Syrie de Damas. Et les Syriens furent assujettis à David, et lui payèrent un tribut. L'Éternel protégeait David partout où il allait. 7 Et David prit les boucliers d'or qu'avaient les serviteurs d'Hadadézer, et les apporta à Jérusalem. 8 Le roi David prit encore une grande quantité d'airain à Béthach et à Bérothaï, villes d'Hadadézer. 9 Thoï, roi de Hamath, apprit que David avait battu toute l'armée d'Hadadézer, 10 et il envoya Joram, son fils, vers le roi David, pour le saluer, et pour le féliciter d'avoir attaqué Hadadézer et de l'avoir battu. Car Thoï était en guerre avec Hadadézer. Joram apporta des vases d'argent, des vases d'or, et des vases d'airain. 11 Le roi David les consacra à l'Éternel, comme il avait déjà consacré l'argent et l'or pris sur toutes les nations qu'il avait vaincues, 12 sur la Syrie, sur Moab, sur les fils d'Ammon, sur les Philistins, sur Amalek, et sur le butin d'Hadadézer, fils de Rehob, roi de Tsoba. 13 Au retour de sa victoire sur les Syriens, David se fit encore un nom, en battant dans la vallée du sel dix-huit mille Édomites. 14 Il mit des garnisons dans Édom, il mit des garnisons dans tout Édom. Et tout Édom fut assujetti à David. L'Éternel protégeait David partout où il allait. 15 David régna sur Israël, et il faisait droit et justice à tout son peuple. 16 Joab, fils de Tseruja, commandait l'armée; Josaphat, fils d'Achilud, était archiviste; 17 Tsadok, fils d'Achithub, et Achimélec, fils d'Abiathar, étaient sacrificateurs; Seraja était secrétaire; 18 Benaja, fils de Jehojada, était chef des Kéréthiens et des Péléthiens; et les fils de David étaient ministres d'état.