| Chapitre 6 1 [Ny namindrana ny fiaran'i Jehovah nankany Jerosalema] Ary novorin'i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin'ny Isiraely, dia telo alina. 2 Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran'Andriamanitra izay niantsoana* ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima.[Na: izay nantsoina tamin'] 3 Ary nataony teo amin'ny sariety vaovao ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana*; ary Oza sy Ahio, zanak'i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao.[Na: Gibea] 4 Ary dia nentiny niala tao an-tranon'i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin'ny fiaran'Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan'ny fiara. 5 Ary Davida sy ny taranak'Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah tamin'ny karazan'ny zava-maneno rehetra natao tamin'ny hazo kypreso, dia tamin'ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona. 6 Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin'ny fiaran'Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran'ny omby ny fiara. 7 Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy. 8 Ary dia tezitra* Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza** ny anaran'izany tany izany mandraka androany.[*Na: nalahelo][**Perez-oza = Famelezana an'i Oza] 9 Ary Davida natahotra an'i Jehovah tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina atỳ amiko ny fiaran'i Jehovah? 10 Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran'i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan'i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon'i Obed-edoma Gatita. 11 Ary nipetraka telo volana tao an-tranon'i Obed-edoma Gatita ny fiaran'i Jehovah; ka dia notahin'i Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra. 12 Ary nambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran'Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran'Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon'i Obed-edoma ho any an-Tanànan'i Davida. 13 Ary rehefa namindra inenina ny mpitondra ny fiaran'i Jehovah, dia namono omby sy zanak'omby mifahy izy hatao fanatitra. 14 Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan'i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy. 15 Ary Davida sy ny taranak'i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran'i Jehovah tamin'ny hoby sy ny feon'ny anjomara. 16 Ary nony tonga teo an-Tanànan'i Davida ny fiaran'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy. 17 Ary nampiditra ny fiaran'i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin'ny fitoerany tao amin'ny lay izay naorin'i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah. 18 Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy. 19 Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy* ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.[Na: divay eran'ny kapoaka] 20 Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly, nivoaka hitsena an'i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan'ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason'ny zanakavavin'ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra. 21 Ary hoy kosa Davida tamin'i Mikala: Teo anatrehan'i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon'i Jehovah, eny, teo anatrehan'i Jehovah no nitsinjahako. 22 Ary mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin'ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho. 23 Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin'i Saoly.
| | Chapitre 6 6:1 David again gathered together all the chosen men of Israel, thirty thousand. 6:2 David arose, and went with all the people who were with him, from Baale Judah, to bring up from there the ark of God, which is called by the Name, even the name of Yahweh of Armies who sits above the cherubim. 6:3 They set the ark of God on a new cart, and brought it out of the house of Abinadab that was in the hill: and Uzzah and Ahio, the sons of Abinadab, drove the new cart. 6:4 They brought it out of the house of Abinadab, which was in the hill, with the ark of God: and Ahio went before the ark. 6:5 David and all the house of Israel played before Yahweh with all kinds of instruments made of fir wood, and with harps, and with stringed instruments, and with tambourines, and with castanets, and with cymbals. 6:6 When they came to the threshing floor of Nacon, Uzzah reached for the ark of God, and took hold of it; for the cattle stumbled. 6:7 The anger of Yahweh was kindled against Uzzah; and God struck him there for his error; and there he died by the ark of God. 6:8 David was displeased, because Yahweh had broken forth on Uzzah; and he called that place Perez Uzzah, to this day. 6:9 David was afraid of Yahweh that day; and he said, “How shall the ark of Yahweh come to me?” 6:10 So David would not move the ark of Yahweh to be with him in the city of David; but David carried it aside into the house of Obed-Edom the Gittite. 6:11 The ark of Yahweh remained in the house of Obed-Edom the Gittite three months: and Yahweh blessed Obed-Edom, and all his house. 6:12 It was told king David, saying, “Yahweh has blessed the house of Obed-Edom, and all that pertains to him, because of the ark of God.” David went and brought up the ark of God from the house of Obed-Edom into the city of David with joy. 6:13 It was so, that, when those who bore the ark of Yahweh had gone six paces, he sacrificed an ox and a fattened calf. 6:14 David danced before Yahweh with all his might; and David was clothed in a linen ephod. 6:15 So David and all the house of Israel brought up the ark of Yahweh with shouting, and with the sound of the trumpet. 6:16 It was so, as the ark of Yahweh came into the city of David, that Michal the daughter of Saul looked out at the window, and saw king David leaping and dancing before Yahweh; and she despised him in her heart. 6:17 They brought in the ark of Yahweh, and set it in its place, in the midst of the tent that David had pitched for it; and David offered burnt offerings and peace offerings before Yahweh. 6:18 When David had made an end of offering the burnt offering and the peace offerings, he blessed the people in the name of Yahweh of Armies. 6:19 He gave to all the people, even among the whole multitude of Israel, both to men and women, to everyone a portion of bread, dates, and raisins. So all the people departed everyone to his house. 6:20 Then David returned to bless his household. Michal the daughter of Saul came out to meet David, and said, “How glorious the king of Israel was today, who uncovered himself today in the eyes of the handmaids of his servants, as one of the vain fellows shamelessly uncovers himself!” 6:21 David said to Michal, “It was before Yahweh, who chose me above your father, and above all his house, to appoint me prince over the people of Yahweh, over Israel. Therefore will I celebrate before Yahweh. 6:22 I will be yet more vile than this, and will be base in my own sight. But of the handmaids of whom you have spoken, they shall honor me.” 6:23 Michal the daughter of Saul had no child to the day of her death.
| | Chapitre 6 1 David rassembla encore toute l'élite d'Israël, au nombre de trente mille hommes. 2 Et David, avec tout le peuple qui était auprès de lui, se mit en marche depuis Baalé-Juda, pour faire monter de là l'arche de Dieu, devant laquelle est invoqué le nom de l'Éternel des armées qui réside entre les chérubins au-dessus de l'arche. 3 Ils mirent sur un char neuf l'arche de Dieu, et l'emportèrent de la maison d'Abinadab sur la colline; Uzza et Achjo, fils d'Abinadab, conduisaient le char neuf. 4 Ils l'emportèrent donc de la maison d'Abinadab sur la colline; Uzza marchait à côté de l'arche de Dieu, et Achjo allait devant l'arche. 5 David et toute la maison d'Israël jouaient devant l'Éternel de toutes sortes d'instruments de bois de cyprès, des harpes, des luths, des tambourins, des sistres et des cymbales. 6 Lorsqu'ils furent arrivés à l'aire de Nacon, Uzza étendit la main vers l'arche de Dieu et la saisit, parce que les boeufs la faisaient pencher. 7 La colère de l'Éternel s'enflamma contre Uzza, et Dieu le frappa sur place à cause de sa faute. Uzza mourut là, près de l'arche de Dieu. 8 David fut irrité de ce que l'Éternel avait frappé Uzza d'un tel châtiment. Et ce lieu a été appelé jusqu'à ce jour Pérets-Uzza. 9 David eut peur de l'Éternel en ce jour-là, et il dit: Comment l'arche de l'Éternel entrerait-elle chez moi? 10 Il ne voulut pas retirer l'arche de l'Éternel chez lui dans la cité de David, et il la fit conduire dans la maison d'Obed-Édom de Gath. 11 L'arche de l'Éternel resta trois mois dans la maison d'Obed-Édom de Gath, et l'Éternel bénit Obed-Édom et toute sa maison. 12 On vint dire au roi David: L'Éternel a béni la maison d'Obed-Édom et tout ce qui est à lui, à cause de l'arche de Dieu. Et David se mit en route, et il fit monter l'arche de Dieu depuis la maison d'Obed-Édom jusqu'à la cité de David, au milieu des réjouissances. 13 Quand ceux qui portaient l'arche de l'Éternel eurent fait six pas, on sacrifia un boeuf et un veau gras. 14 David dansait de toute sa force devant l'Éternel, et il était ceint d'un éphod de lin. 15 David et toute la maison d'Israël firent monter l'arche de l'Éternel avec des cris de joie et au son des trompettes. 16 Comme l'arche de l'Éternel entrait dans la cité de David, Mical, fille de Saül, regardait par la fenêtre, et, voyant le roi David sauter et danser devant l'Éternel, elle le méprisa dans son coeur. 17 Après qu'on eut amené l'arche de l'Éternel, on la mit à sa place au milieu de la tente que David avait dressée pour elle; et David offrit devant l'Éternel des holocaustes et des sacrifices d'actions de grâces. 18 Quand David eut achevé d'offrir les holocaustes et les sacrifices d'actions de grâces, il bénit le peuple au nom de l'Éternel des armées. 19 Puis il distribua à tout le peuple, à toute la multitude d'Israël, hommes et femmes, à chacun un pain, une portion de viande et un gâteau de raisins. Et tout le peuple s'en alla, chacun dans sa maison. 20 David s'en retourna pour bénir sa maison, et Mical, fille de Saül, sortit à sa rencontre. Elle dit: Quel honneur aujourd'hui pour le roi d'Israël de s'être découvert aux yeux des servantes de ses serviteurs, comme se découvrirait un homme de rien! 21 David répondit à Mical: C'est devant l'Éternel, qui m'a choisi de préférence à ton père et à toute sa maison pour m'établir chef sur le peuple de l'Éternel, sur Israël, c'est devant l'Éternel que j'ai dansé. 22 Je veux paraître encore plus vil que cela, et m'abaisser à mes propres yeux; néanmoins je serai en honneur auprès des servantes dont tu parles. 23 Or Mical, fille de Saül, n'eut point d'enfants jusqu'au jour de sa mort.
| |