T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 5

1 [Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra, sy ny nahazoany an'i Jerosalema ho renivohitry ny fanjakany] Dia tonga tao amin'i Davida tao Hebrona ny firenen'Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.

2 Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.

3 Eny, tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy.

4 Telo-polo taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy.

5 Tao Hebrona no nanjakany tamin'ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona.

6 Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin'ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe*: Tsy ho tafiditra eto Davida.[Na: ary ny heviny tamin'izany dia toy ny manao hoe:]

7 Kanjo afak'i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan'i Davida izany).

8 Ary hoy Davida tamin'izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin'ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan'ny fon'i Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano.

9 Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan'i Davida. Ary narafitr'i Davida ny manodidina hatrany Milo* mbamin'ny ao anatiny.[Heb. fiarovana]

10 Koa dia nandroso sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy.

11 [Ny amin'ny lapan'i Davida, sy ny vadiny aman-janany] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an'i Davida ireo.

12 Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.

13 Ary Davida mbola naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak'i Davida.

14 Ary izao no anaran'ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona

15 sy Jibara sy Elisoa sy Nafega sy Jafia

16 sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta.

17 [Ny nandresen'i Davida ny Filistina] Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosoran'ny olona ho mpanjakan'ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren'i Davida izany dia nidina tao amin'ny batery fiarovana izy.

18 Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.

19 Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin'i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.

20 Ary Davida tonga tao Bala-perazima* ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.[Bala-perazima = Tany nahavakiana]

21 Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan'i Davida sy ny olony ireny.

22 Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.

23 Ary nanontany tamin'i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama.

24 Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan'ny Filistina.

25 Ary dia nanao araka ny nandidian'i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin'i Gazera izy.

 

Chapitre 5

5:1 Then came all the tribes of Israel to David to Hebron, and spoke, saying, “Behold, we are your bone and your flesh. 5:2 In times past, when Saul was king over us, it was you who led out and brought in Israel. Yahweh said to you, ‘You shall be shepherd of my people Israel, and you shall be prince over Israel.’” 5:3 So all the elders of Israel came to the king to Hebron; and king David made a covenant with them in Hebron before Yahweh; and they anointed David king over Israel. 5:4 David was thirty years old when he began to reign, and he reigned forty years. 5:5 In Hebron he reigned over Judah seven years and six months; and in Jerusalem he reigned thirty-three years over all Israel and Judah. 5:6 The king and his men went to Jerusalem against the Jebusites, the inhabitants of the land, who spoke to David, saying, “Unless you take away the blind and the lame, you shall not come in here”; thinking, “David can’t come in here.” 5:7 Nevertheless David took the stronghold of Zion; the same is the city of David. 5:8 David said on that day, “Whoever strikes the Jebusites, let him get up to the watercourse, and strike the lame and the blind, who are hated by David’s soul.” Therefore they say, “The blind and the lame can’t come into the house.” 5:9 David lived in the stronghold, and called it the city of David. David built around from Millo and inward. 5:10 David grew greater and greater; for Yahweh, the God of Armies, was with him. 5:11 Hiram king of Tyre sent messengers to David, and cedar trees, and carpenters, and masons; and they built David a house. 5:12 David perceived that Yahweh had established him king over Israel, and that he had exalted his kingdom for his people Israel’s sake. 5:13 David took him more concubines and wives out of Jerusalem, after he had come from Hebron; and there were yet sons and daughters born to David. 5:14 These are the names of those who were born to him in Jerusalem: Shammua, and Shobab, and Nathan, and Solomon, 5:15 and Ibhar, and Elishua, and Nepheg, and Japhia, 5:16 and Elishama, and Eliada, and Eliphelet. 5:17 When the Philistines heard that they had anointed David king over Israel, all the Philistines went up to seek David; and David heard of it, and went down to the stronghold. 5:18 Now the Philistines had come and spread themselves in the valley of Rephaim. 5:19 David inquired of Yahweh, saying, “Shall I go up against the Philistines? Will you deliver them into my hand?”

Yahweh said to David, “Go up; for I will certainly deliver the Philistines into your hand.”

5:20 David came to Baal Perazim, and David struck them there; and he said, “Yahweh has broken my enemies before me, like the breach of waters.” Therefore he called the name of that place Baal Perazim. 5:21 They left their images there; and David and his men took them away. 5:22 The Philistines came up yet again, and spread themselves in the valley of Rephaim. 5:23 When David inquired of Yahweh, he said, “You shall not go up. Circle around behind them, and attack them over against the mulberry trees. 5:24 It shall be, when you hear the sound of marching in the tops of the mulberry trees, that then you shall stir yourself up; for then Yahweh has gone out before you to strike the army of the Philistines.”

5:25 David did so, as Yahweh commanded him, and struck the Philistines from Geba until you come to Gezer.

 

Chapitre 5
1 Toutes les tribus d'Israël vinrent auprès de David, à Hébron, et dirent: Voici, nous sommes tes os et ta chair. 2 Autrefois déjà, lorsque Saül était notre roi, c'était toi qui conduisais et qui ramenais Israël. L'Éternel t'a dit: Tu paîtras mon peuple d'Israël, et tu seras le chef d'Israël. 3 Ainsi tous les anciens d'Israël vinrent auprès du roi à Hébron, et le roi David fit alliance avec eux à Hébron, devant l'Éternel. Ils oignirent David pour roi sur Israël. 4 David était âgé de trente ans lorsqu'il devint roi, et il régna quarante ans. 5 A Hébron il régna sur Juda sept ans et six mois, et à Jérusalem il régna trente-trois ans sur tout Israël et Juda. 6 Le roi marcha avec ses gens sur Jérusalem contre les Jébusiens, habitants du pays. Ils dirent à David: Tu n'entreras point ici, car les aveugles mêmes et les boiteux te repousseront! Ce qui voulait dire: David n'entrera point ici. 7 Mais David s'empara de la forteresse de Sion: c'est la cité de David. 8 David avait dit en ce jour: Quiconque battra les Jébusiens et atteindra le canal, quiconque frappera ces boiteux et ces aveugles qui sont les ennemis de David... -C'est pourquoi l'on dit: L'aveugle et le boiteux n'entreront point dans la maison. 9 David s'établit dans la forteresse, qu'il appela cité de David. Il fit de tous côtés des constructions, en dehors et en dedans de Millo. 10 David devenait de plus en plus grand, et l'Éternel, le Dieu des armées, était avec lui. 11 Hiram, roi de Tyr, envoya des messagers à David, et du bois de cèdre, et des charpentiers et des tailleurs de pierres, qui bâtirent une maison pour David. 12 David reconnut que l'Éternel l'affermissait comme roi d'Israël, et qu'il élevait son royaume à cause de son peuple d'Israël. 13 David prit encore des concubines et des femmes de Jérusalem, après qu'il fut venu d'Hébron, et il lui naquit encore des fils et des filles. 14 Voici les noms de ceux qui lui naquirent à Jérusalem: Schammua, Schobab, Nathan, Salomon, 15 Jibhar, Élischua, Népheg, Japhia, 16 Élischama, Éliada et Éliphéleth. 17 Les Philistins apprirent qu'on avait oint David pour roi sur Israël, et ils montèrent tous à sa recherche. David, qui en fut informé, descendit à la forteresse. 18 Les Philistins arrivèrent, et se répandirent dans la vallée des Rephaïm. 19 David consulta l'Éternel, en disant: Monterai-je contre les Philistins? Les livreras-tu entre mes mains? Et l'Éternel dit à David: Monte, car je livrerai les Philistins entre tes mains. 20 David vint à Baal-Peratsim, où il les battit. Puis il dit: L'Éternel a dispersé mes ennemis devant moi, comme des eaux qui s'écoulent. C'est pourquoi l'on a donné à ce lieu le nom de Baal-Peratsim. 21 Ils laissèrent là leurs idoles, et David et ses gens les emportèrent. 22 Les Philistins montèrent de nouveau, et se répandirent dans la vallée des Rephaïm. 23 David consulta l'Éternel. Et l'Éternel dit: Tu ne monteras pas; tourne-les par derrière, et tu arriveras sur eux vis-à-vis des mûriers. 24 Quand tu entendras un bruit de pas dans les cimes des mûriers, alors hâte-toi, car c'est l'Éternel qui marche devant toi pour battre l'armée des Philistins. 25 David fit ce que l'Éternel lui avait ordonné, et il battit les Philistins depuis Guéba jusqu'à Guézer.