| Chapitre 3 1 [Ny nandrosoan'ny fanjakan'i Davida, sy ny nihenan'ny an'Isboseta kosa, ary ny nivadihan'i Abnera hanaraka an'i Davida, sy ny namonoan'i Joaba azy] Ary naharitra ela ny adin'ny tamingan'i Saoly sy ny tamingan'i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan'i Saoly kosa nihahosa. 2 Ary Davida niteraka zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin'i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany; 3 ary Kileaba, tamin'i Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny fahatelo dia Absaloma, zanak'i Maka, zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora; 4 ary ny fahefatra dia Adonia, zanak'i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak'i Abitala; 5 ary ny fahenina dia Jitreama, tamin'i Egla, vadin'i Davida. Ireo no naterak'i Davida tao Hebrona. 6 Ary raha mbola niady ny tamingan'i Davida sy ny tamingan'i Saoly, Abnera dia nampiseho hery niandany tamin'ny tamingan'i Saoly. 7 (Ary Saoly nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin'i Aia) Kanefa Isboseta niteny tamin'i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon'ikaky? 8 Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin'Isboseta, ka hoy izy: Lohan'alika no miandany amin'ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan'i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan'i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin'iny vehivavy iny? 9 Hataon'Andriamanitra amin'i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan'i Jehovah tamin'i Davida, 10 ka hampiala ny fanjakana amin'ny tamingan'i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan'i Davida amin'ny Isiraely sy amin'ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba. 11 Dia tsy nahavaly an'i Abnera intsony izy noho ny tahony azy. 12 Ary Abnera dia naniraka olona tany amin'i Davida niaraka tamin'izay* hanao hoe: An'iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.[Na: hisolo vava azy] 13 Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin'i Saoly. 14 Ary Davida naniraka olona nankany amin'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin'ny mariky ny fahafatesan*'ny Filistina zato lahy.[Heb. saron-tsotsoka] 15 Ary Isboseta naniraka naka an'i Mikala tany amin'i Paltiela vadiny, zanak'i Laisy. 16 Ary io vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy. 17 Ary Abnera efa niteny tamin'ny loholon'ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an'i Davida ho mpanjakanareo; 18 koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an'i Davida hoe: Amin'ny tànan'i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin'ny tanan'ny Filistina sy amin'ny tanan'ny fahavalony rehetra. 19 Ary Abnera efa niteny tamin'ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin'i Davida ao Hebrona koa izay rehetra tian'ny Isiraely sy ny taranak'i Benjamina rehetra hatao. 20 Dia tonga tany amin'i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an'i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida. 21 Ary hoy Abnera tamin'i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin'izay rehetra irin'ny fonao. Ary Davida nampandeha an'i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy. 22 Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an'i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin'i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara. 23 Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin'i Joaba hoe: Tonga tao amin'ny mpanjaka Abnera, zanak'i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara. 24 Ary Joaba nankao amin'ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy? 25 Fantatrao anefa ny amin'i Abnera, zanak'i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao. 26 Dia nivoaka Joaba avy tao amin'i Davida ka naniraka olona hanaraka an'i Abnera, ary nitondra azy niverina avy any amin'ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy fantatr'i Davida izany. 27 Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin'i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin'ny kibony ka matiny ho todin'ny ran'i Asahela rahalahiny. 28 Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan'i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin'ny ran'i Abnera, zanak'i Nera. 29 Hitsingerina amin'ny lohan'i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin'izany; ary tsy ho tapaka amin'ny taranak'i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin'ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina. 30 Toy izany no namonoan'i Joaba sy Abisay rahalahiny an'i Abnera noho ny namonoany an'i Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin'ny ady. 31 Ary hoy Davida tamin'i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary misikìna lamba fisaonana*, ka aoka hisaona eo anolohan'i Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona.[Heb. lamba malailay] 32 Dia nandevina an'i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin'ny fasan'i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa. 33 Ary ny mpanjaka nanao hira fisaonana an'i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan'ny adala va no tokony ho nahafatesan'i Abnera? 34 Ny tananao tsy nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok'izay asian'ny olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola nitomany azy indray. 35 Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an'i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro. 36 Ary azon'ny vahoaka rehetra ny hevitr'izany ka nankasitrahany, dia tahaka ny nankasitrahany izay rehetra nataon'ny mpanjaka. 37 Ka dia fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin'izany andro izany fa tsy avy tamin'ny mpanjaka no nahafaty an'i Abnera, zanak'i Nera. 38 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza no maty androany tamin'ny Isiraely? 39 Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak'i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
| | Chapitre 3 3:1 Now there was long war between the house of Saul and the house of David: and David grew stronger and stronger, but the house of Saul grew weaker and weaker. 3:2 To David were sons born in Hebron: and his firstborn was Amnon, of Ahinoam the Jezreelitess; 3:3 and his second, Chileab, of Abigail the wife of Nabal the Carmelite; and the third, Absalom the son of Maacah the daughter of Talmai king of Geshur; 3:4 and the fourth, Adonijah the son of Haggith; and the fifth, Shephatiah the son of Abital; 3:5 and the sixth, Ithream, of Eglah, David’s wife. These were born to David in Hebron. 3:6 It happened, while there was war between the house of Saul and the house of David, that Abner made himself strong in the house of Saul. 3:7 Now Saul had a concubine, whose name was Rizpah, the daughter of Aiah: and Ishbosheth said to Abner, “Why have you gone in to my father’s concubine?” 3:8 Then was Abner very angry for the words of Ishbosheth, and said, “Am I a dog’s head that belongs to Judah? Today I show kindness to the house of Saul your father, to his brothers, and to his friends, and have not delivered you into the hand of David; and yet you charge me this day with a fault concerning this woman! 3:9 God do so to Abner, and more also, if, as Yahweh has sworn to David, I don’t do even so to him; 3:10 to transfer the kingdom from the house of Saul, and to set up the throne of David over Israel and over Judah, from Dan even to Beersheba.” 3:11 He could not answer Abner another word, because he feared him. 3:12 Abner sent messengers to David on his behalf, saying, “Whose is the land?” and saying, “Make your alliance with me, and behold, my hand shall be with you, to bring all Israel around to you.” 3:13 He said, “Good; I will make a treaty with you; but one thing I require of you. That is, you shall not see my face, unless you first bring Michal, Saul’s daughter, when you come to see my face.” 3:14 David sent messengers to Ishbosheth, Saul’s son, saying, “Deliver me my wife Michal, whom I pledged to be married to me for one hundred foreskins of the Philistines.” 3:15 Ishbosheth sent, and took her from her husband, even from Paltiel the son of Laish. 3:16 Her husband went with her, weeping as he went, and followed her to Bahurim. Then Abner said to him, “Go! Return!” and he returned. 3:17 Abner had communication with the elders of Israel, saying, “In times past, you sought for David to be king over you. 3:18 Now then do it; for Yahweh has spoken of David, saying, ‘By the hand of my servant David, I will save my people Israel out of the hand of the Philistines, and out of the hand of all their enemies.’” 3:19 Abner also spoke in the ears of Benjamin: and Abner went also to speak in the ears of David in Hebron all that seemed good to Israel, and to the whole house of Benjamin. 3:20 So Abner came to David to Hebron, and twenty men with him. David made Abner and the men who were with him a feast. 3:21 Abner said to David, “I will arise and go, and will gather all Israel to my lord the king, that they may make a covenant with you, and that you may reign over all that your soul desires.” David sent Abner away; and he went in peace. 3:22 Behold, the servants of David and Joab came from a foray, and brought in a great spoil with them: but Abner was not with David in Hebron; for he had sent him away, and he was gone in peace. 3:23 When Joab and all the army who was with him had come, they told Joab, saying, Abner the son of Ner came to the king, and he has sent him away, and he is gone in peace. 3:24 Then Joab came to the king, and said, “What have you done? Behold, Abner came to you. Why is it that you have sent him away, and he is quite gone? 3:25 You know Abner the son of Ner, that he came to deceive you, and to know your going out and your coming in, and to know all that you do.” 3:26 When Joab had come out from David, he sent messengers after Abner, and they brought him back from the well of Sirah; but David didn’t know it. 3:27 When Abner was returned to Hebron, Joab took him aside into the midst of the gate to speak with him quietly, and struck him there in the body, so that he died, for the blood of Asahel his brother. 3:28 Afterward, when David heard it, he said, “I and my kingdom are guiltless before Yahweh forever of the blood of Abner the son of Ner. 3:29 Let it fall on the head of Joab, and on all his father’s house. Let there not fail from the house of Joab one who has an issue, or who is a leper, or who leans on a staff, or who falls by the sword, or who lacks bread.” 3:30 So Joab and Abishai his brother killed Abner, because he had killed their brother Asahel at Gibeon in the battle. 3:31 David said to Joab, and to all the people who were with him, Tear your clothes, and clothe yourselves with sackcloth, and mourn before Abner. King David followed the bier. 3:32 They buried Abner in Hebron: and the king lifted up his voice, and wept at the grave of Abner; and all the people wept. 3:33 The king lamented for Abner, and said, “Should Abner die as a fool dies? 3:34 Your hands were not bound, nor your feet put into fetters. As a man falls before the children of iniquity, so you fell.” All the people wept again over him. 3:35 All the people came to cause David to eat bread while it was yet day; but David swore, saying, “God do so to me, and more also, if I taste bread, or anything else, until the sun goes down.” 3:36 All the people took notice of it, and it pleased them; as whatever the king did pleased all the people. 3:37 So all the people and all Israel understood that day that it was not of the king to kill Abner the son of Ner. 3:38 The king said to his servants, “Don’t you know that there a prince and a great man has fallen this day in Israel? 3:39 I am this day weak, though anointed king; and these men the sons of Zeruiah are too hard for me. May Yahweh reward the evildoer according to his wickedness.”
| | Chapitre 3 1 La guerre dura longtemps entre la maison de Saül et la maison de David. David devenait de plus en plus fort, et la maison de Saül allait en s'affaiblissant. 2 Il naquit à David des fils à Hébron. Son premier-né fut Amnon, d'Achinoam de Jizreel; 3 le second, Kileab, d'Abigaïl de Carmel, femme de Nabal; le troisième, Absalom, fils de Maaca, fille de Talmaï, roi de Gueschur; 4 le quatrième, Adonija, fils de Haggith; le cinquième, Schephathia, fils d'Abithal; 5 et le sixième, Jithream, d'Égla, femme de David. Ce sont là ceux qui naquirent à David à Hébron. 6 Pendant la guerre entre la maison de Saül et la maison de David, Abner tint ferme pour la maison de Saül. 7 Or Saül avait eu une concubine, nommée Ritspa, fille d'Ajja. Et Isch-Boscheth dit à Abner: Pourquoi es-tu venu vers la concubine de mon père? 8 Abner fut très irrité des paroles d'Isch-Boscheth, et il répondit: Suis-je une tête de chien, qui tienne pour Juda? Je fais aujourd'hui preuve de bienveillance envers la maison de Saül, ton père, envers ses frères et ses amis, je ne t'ai pas livré entre les mains de David, et c'est aujourd'hui que tu me reproches une faute avec cette femme? 9 Que Dieu traite Abner dans toute sa rigueur, si je n'agis pas avec David selon ce que l'Éternel a juré à David, 10 en disant qu'il ferait passer la royauté de la maison de Saül dans la sienne, et qu'il établirait le trône de David sur Israël et sur Juda depuis Dan jusqu'à Beer-Schéba. 11 Isch-Boscheth n'osa pas répliquer un seul mot à Abner, parce qu'il le craignait. 12 Abner envoya des messagers à David pour lui dire de sa part: A qui est le pays? Fais alliance avec moi, et voici, ma main t'aidera pour tourner vers toi tout Israël. 13 Il répondit: Bien! je ferai alliance avec toi; mais je te demande une chose, c'est que tu ne voies point ma face, à moins que tu n'amènes d'abord Mical, fille de Saül, en venant auprès de moi. 14 Et David envoya des messagers à Isch-Boscheth, fils de Saül, pour lui dire: Donne-moi ma femme Mical, que j'ai fiancée pour cent prépuces de Philistins. 15 Isch-Boscheth la fit prendre chez son mari Palthiel, fils de Laïsch. 16 Et son mari la suivit en pleurant jusqu'à Bachurim. Alors Abner lui dit: Va, retourne-t'en! Et il s'en retourna. 17 Abner eut un entretien avec les anciens d'Israël, et leur dit: Vous désiriez autrefois d'avoir David pour roi; 18 établissez-le maintenant, car l'Éternel a dit de lui: C'est par David, mon serviteur, que je délivrerai mon peuple d'Israël de la main des Philistins et de la main de tous ses ennemis. 19 Abner parla aussi à Benjamin, et il alla rapporter aux oreilles de David à Hébron ce qu'avaient résolu Israël et toute la maison de Benjamin. 20 Il arriva auprès de David à Hébron, accompagné de vingt hommes; et David fit un festin à Abner et à ceux qui étaient avec lui. 21 Abner dit à David: Je me lèverai, et je partirai pour rassembler tout Israël vers mon seigneur le roi; ils feront alliance avec toi, et tu règneras entièrement selon ton désir. David renvoya Abner, qui s'en alla en paix. 22 Voici, Joab et les gens de David revinrent d'une excursion, et amenèrent avec eux un grand butin. Abner n'était plus auprès de David à Hébron, car David l'avait renvoyé, et il s'en était allé en paix. 23 Lorsque Joab et toute sa troupe arrivèrent, on fit à Joab ce rapport: Abner, fils de Ner, est venu auprès du roi, qui l'a renvoyé, et il s'en est allé en paix. 24 Joab se rendit chez le roi, et dit: Qu'as-tu fait? Voici, Abner est venu vers toi; pourquoi l'as-tu renvoyé et laissé partir? 25 Tu connais Abner, fils de Ner! c'est pour te tromper qu'il est venu, pour épier tes démarches, et pour savoir tout ce que tu fais. 26 Et Joab, après avoir quitté David, envoya sur les traces d'Abner des messagers, qui le ramenèrent depuis la citerne de Sira: David n'en savait rien. 27 Lorsque Abner fut de retour à Hébron, Joab le tira à l'écart au milieu de la porte, comme pour lui parler en secret, et là il le frappa au ventre et le tua, pour venger la mort d'Asaël, son frère. 28 David l'apprit ensuite, et il dit: Je suis à jamais innocent, devant l'Éternel, du sang d'Abner, fils de Ner, et mon royaume l'est aussi. 29 Que ce sang retombe sur Joab et sur toute la maison de son père! Qu'il y ait toujours quelqu'un dans la maison de Joab, qui soit atteint d'un flux ou de la lèpre, ou qui s'appuie sur un bâton, ou qui tombe par l'épée, ou qui manque de pain! 30 Ainsi Joab et Abischaï, son frère, tuèrent Abner, parce qu'il avait donné la mort à Asaël, leur frère, à Gabaon, dans la bataille. 31 David dit à Joab et à tout le peuple qui était avec lui: Déchirez vos vêtements, ceignez-vous de sacs, et pleurez devant Abner! Et le roi David marcha derrière le cercueil. 32 On enterra Abner à Hébron. Le roi éleva la voix et pleura sur le sépulcre d'Abner, et tout le peuple pleura. 33 Le roi fit une complainte sur Abner, et dit: Abner devait-il mourir comme meurt un criminel? 34 Tu n'avais ni les mains liées, ni les pieds dans les chaînes! Tu es tombé comme on tombe devant des méchants. (3:35) Et tout le peuple pleura de nouveau sur Abner. 35 Tout le peuple s'approcha de David pour lui faire prendre quelque nourriture, pendant qu'il était encore jour; mais David jura, en disant: Que Dieu me traite dans toute sa rigueur, si je goûte du pain ou quoi que ce soit avant le coucher du soleil! 36 Cela fut connu et approuvé de tout le peuple, qui trouva bon tout ce qu'avait fait le roi. 37 Tout le peuple et tout Israël comprirent en ce jour que ce n'était pas par ordre du roi qu'Abner, fils de Ner, avait été tué. 38 Le roi dit à ses serviteurs: Ne savez-vous pas qu'un chef, qu'un grand homme, est tombé aujourd'hui en Israël? 39 Je suis encore faible, quoique j'aie reçu l'onction royale; et ces gens, les fils de Tseruja, sont trop puissants pour moi. Que l'Éternel rende selon sa méchanceté à celui qui fait le mal!
| |