| Chapitre 23 1 [Ny fara-teny nataon'i Davida] Ary izao no fara-teny nataon'i Davida: hoy Davida, zanak'i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry* ny Andriamanitr'i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely:[Na: Izay nampanantenaina ny amin'ny voahosotry, etc] 2 Ny Fanahin'i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin'ny lelako; 3 Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin'ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra; 4 Ary izany dia toy ny fahazavan'ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin'ny tany noho ny hain'andro manarakaraka ny ranonorana. 5 Ary tsy toy izany indrindra amin'Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin'ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va? 6 Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin'ny tanana izy; 7 Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona*; Ary hodorana amin'ny afo avokoa amin'izay itoerany ireny.[Heb. feno vy sy zaran-defona] 8 [Ny anaran'ny lehilahy maherin'i Davida] Ary izao no anaran'ny lehilahy maherin'i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben'ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin'ny ady indray mandeha monja. 9 Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak'i Dodo, zanak'i Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy mahery teo amin'i Davida, raha nihaika ny Filistina izay niangona hiady ireo, ka niakatra ny lehilahy amin'ny Isiraely; 10 dia nitsangana Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan'ny tànany ka efa niraikitra tamin'ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin'izany andro izany, ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan'ny olona azy. 11 Ary ny manarakaraka azy dia Sama, zanak'i Age Hararita. Ary nony nivory ho iray toko teo amin'ny tany nisy voanemba* maniry ny Filistina, ary ny olona nandositra azy,[erva lenta] 12 dia nijanona teo afovoan'io tany io kosa izy ka nahazo io ary namono ny Filistina; ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah. 13 Ary nisy telo lahy samy malaza avy tamin'ny telo-polo lahy nidina ka tonga tao amin'i Davida tao amin'ny zohin'i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby teo amin'ny Lohasahan'ny Refaita. 14 Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema. 15 Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady! 16 Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tamin'ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan'ny vavahady, dia nentiny ho any amin'i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah iny. 17 Fa hoy Davida: Sanatria, Jehovah ô, raha hanao izany aho; tsy ran'ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo telo lahy mahery ireo. 18 Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, zanak'i Zeroia, no lehibe amin'izy telo lahy, ary izy namely ny telon-jato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy. 19 Tsy izy va no be voninahitra noho izy telo lahy? Fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby ny telo lahy teo izy. 20 Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery* tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny;[Heb. lionan'Andriamanitra] 21 ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny an-tànany, nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy. 22 Izany no nataon'i Benaia, zanak'i Joiada, ary tamin'izy telo lahy mahery dia izy no nalaza. 23 Izy no nalaza noho ny telo-polo lahy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy. Ary Davida nanendry azy ho isan'ny mpanolo-tsaina azy. 24 Asahela, rahalahin'i Joaba, no anankiray amin'ny telo-polo, ary Elanana, zanak'i Dodo, avy any Betlehema, 25 Sama Harodita, Elika Harodita, 26 Heleza Paltita, Ira, zanak'Ikesy Tekoita, 27 Abiezera Anatotita, Mebonay Hosatita, 28 Zalmona Ahohita, Maharay Netofatita, 29 Haleba, zanak'i Bana Netofatita, Itahy, zanak'i Ribay, avy any Gibean'ny taranak'i Benjamina, 30 Benaia Piratonita, Hiday, avy any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy, 31 Abi-albona Arbatita, Azmaveta Psaromita, 32 Eliaba Salbonita, tamin'ny zanak'i Jasena, Jonatana, 33 Sama Hararita, Ahiama, zanak'i Sarara Hararita, 34 Elifeleta, zanak'i Ahasbay, zanaky ny Makatita, Eliama, zanak'i Ahitofela Gilonita, 35 Hezray Karmelita, Paray Arbita, 36 Jigala, zanak'i Natana, avy any Zoba, Bany Gadita, 37 Zaleka Amonita, Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian'i Joaba, zanak'i Zeroia, 38 Ira Jitrita, Gareba Jitrita, 39 Oria Hetita; fito amby telo-polo no isan'izy rehetra.
| | Chapitre 23 23:1 Now these are the last words of David. David the son of Jesse says, the man who was raised on high says, the anointed of the God of Jacob, the sweet psalmist of Israel: 23:2 “The Spirit of Yahweh spoke by me. His word was on my tongue. 23:3 The God of Israel said, the Rock of Israel spoke to me, ‘One who rules over men righteously, who rules in the fear of God, 23:4 shall be as the light of the morning, when the sun rises, a morning without clouds, when the tender grass springs out of the earth, through clear shining after rain.’ 23:5 Most certainly my house is not so with God, yet he has made with me an everlasting covenant, ordered in all things, and sure, for it is all my salvation, and all my desire, although he doesn’t make it grow. 23:6 But all of the ungodly shall be as thorns to be thrust away, because they can’t be taken with the hand, 23:7 But the man who touches them must be armed with iron and the staff of a spear. They shall be utterly burned with fire in their place.” 23:8 These are the names of the mighty men whom David had: Josheb Basshebeth a Tahchemonite, chief of the captains; the same was Adino the Eznite, against eight hundred slain at one time. 23:9 After him was Eleazar the son of Dodai the son of an Ahohite, one of the three mighty men with David, when they defied the Philistines who were there gathered together to battle, and the men of Israel were gone away. 23:10 He arose, and struck the Philistines until his hand was weary, and his hand froze to the sword; and Yahweh worked a great victory that day; and the people returned after him only to take spoil. 23:11 After him was Shammah the son of Agee a Hararite. The Philistines were gathered together into a troop, where there was a plot of ground full of lentils; and the people fled from the Philistines. 23:12 But he stood in the midst of the plot, and defended it, and killed the Philistines; and Yahweh worked a great victory. 23:13 Three of the thirty chief men went down, and came to David in the harvest time to the cave of Adullam; and the troop of the Philistines was encamped in the valley of Rephaim. 23:14 David was then in the stronghold; and the garrison of the Philistines was then in Bethlehem. 23:15 David longed, and said, “Oh that one would give me water to drink of the well of Bethlehem, which is by the gate!” 23:16 The three mighty men broke through the army of the Philistines, and drew water out of the well of Bethlehem, that was by the gate, and took it, and brought it to David: but he would not drink of it, but poured it out to Yahweh. 23:17 He said, “Be it far from me, Yahweh, that I should do this! Isn’t it the blood of the men who went in jeopardy of their lives?” Therefore he would not drink it. The three mighty men did these things. 23:18 Abishai, the brother of Joab, the son of Zeruiah, was chief of the three. He lifted up his spear against three hundred and killed them, and had a name among the three. 23:19 Wasn’t he most honorable of the three? therefore he was made their captain: however he didn’t attain to the three. 23:20 Benaiah the son of Jehoiada, the son of a valiant man of Kabzeel, who had done mighty deeds, he killed the two sons of Ariel of Moab: he went down also and killed a lion in the midst of a pit in time of snow. 23:21 He killed an Egyptian, a goodly man: and the Egyptian had a spear in his hand; but he went down to him with a staff, and plucked the spear out of the Egyptian’s hand, and killed him with his own spear. 23:22 Benaiah the son of Jehoiada did these things, and had a name among the three mighty men. 23:23 He was more honorable than the thirty, but he didn’t attain to the three. David set him over his guard. 23:24 Asahel the brother of Joab was one of the thirty; Elhanan the son of Dodo of Bethlehem, 23:25 Shammah the Harodite, Elika the Harodite, 23:26 Helez the Paltite, Ira the son of Ikkesh the Tekoite, 23:27 Abiezer the Anathothite, Mebunnai the Hushathite, 23:28 Zalmon the Ahohite, Maharai the Netophathite, 23:29 Heleb the son of Baanah the Netophathite, Ittai the son of Ribai of Gibeah of the children of Benjamin, 23:30 Benaiah a Pirathonite, Hiddai of the brooks of Gaash. 23:31 Abialbon the Arbathite, Azmaveth the Barhumite, 23:32 Eliahba the Shaalbonite, the sons of Jashen, Jonathan, 23:33 Shammah the Hararite, Ahiam the son of Sharar the Ararite, 23:34 Eliphelet the son of Ahasbai, the son of the Maacathite, Eliam the son of Ahithophel the Gilonite, 23:35 Hezro the Carmelite, Paarai the Arbite, 23:36 Igal the son of Nathan of Zobah, Bani the Gadite, 23:37 Zelek the Ammonite, Naharai the Beerothite, armor bearers to Joab the son of Zeruiah, 23:38 Ira the Ithrite, Gareb the Ithrite, 23:39 Uriah the Hittite: thirty-seven in all.
| | Chapitre 23 1 Voici les dernières paroles de David. Parole de David, fils d'Isaï, Parole de l'homme haut placé, De l'oint du Dieu de Jacob, Du chantre agréable d'Israël. 2 L'esprit de l'Éternel parle par moi, Et sa parole est sur ma langue. 3 Le Dieu d'Israël a parlé, Le rocher d'Israël m'a dit: Celui qui règne parmi les hommes avec justice, Celui qui règne dans la crainte de Dieu, 4 Est pareil à la lumière du matin, quand le soleil brille Et que la matinée est sans nuages; Ses rayons après la pluie font sortir de terre la verdure. 5 N'en est-il pas ainsi de ma maison devant Dieu, Puisqu'il a fait avec moi une alliance éternelle, En tous points bien réglée et offrant pleine sécurité? Ne fera-t-il pas germer tout mon salut et tous mes désirs? 6 Mais les méchants sont tous comme des épines que l'on rejette, Et que l'on ne prend pas avec la main; 7 Celui qui les touche s'arme d'un fer ou du bois d'une lance, Et on les brûle au feu sur place. 8 Voici les noms des vaillants hommes qui étaient au service de David. Joscheb-Basschébeth, le Tachkemonite, l'un des principaux officiers. Il brandit sa lance sur huit cents hommes, qu'il fit périr en une seule fois. 9 Après lui, Éléazar, fils de Dodo, fils d'Achochi. Il était l'un des trois guerriers qui affrontèrent avec David les Philistins rassemblés pour combattre, tandis que les hommes d'Israël se retiraient sur les hauteurs. 10 Il se leva, et frappa les Philistins jusqu'à ce que sa main fût lasse et qu'elle restât attachée à son épée. L'Éternel opéra une grande délivrance ce jour-là. Le peuple revint après Éléazar, seulement pour prendre les dépouilles. 11 Après lui, Schamma, fils d'Agué, d'Harar. Les Philistins s'étaient rassemblés à Léchi. Il y avait là une pièce de terre remplie de lentilles; et le peuple fuyait devant les Philistins. 12 Schamma se plaça au milieu du champ, le protégea, et battit les Philistins. Et l'Éternel opéra une grande délivrance. 13 Trois des trente chefs descendirent au temps de la moisson et vinrent auprès de David, dans la caverne d'Adullam, lorsqu'une troupe de Philistins était campée dans la vallée des Rephaïm. 14 David était alors dans la forteresse, et il y avait un poste de Philistins à Bethléhem. 15 David eut un désir, et il dit: Qui me fera boire de l'eau de la citerne qui est à la porte de Bethléhem? 16 Alors les trois vaillants hommes passèrent au travers du camp des Philistins, et puisèrent de l'eau de la citerne qui est à la porte de Bethléhem. Ils l'apportèrent et la présentèrent à David; mais il ne voulut pas la boire, et il la répandit devant l'Éternel. 17 Il dit: Loin de moi, ô Éternel, la pensée de faire cela! Boirais-je le sang de ces hommes qui sont allés au péril de leur vie? Et il ne voulut pas la boire. Voilà ce que firent ces trois vaillants hommes. 18 Abischaï, frère de Joab, fils de Tseruja, était le chef des trois. Il brandit sa lance sur trois cents hommes, et les tua; et il eut du renom parmi les trois. 19 Il était le plus considéré des trois, et il fut leur chef; mais il n'égala pas les trois premiers. 20 Benaja, fils de Jehojada, fils d'un homme de Kabtseel, rempli de valeur et célèbre par ses exploits. Il frappa les deux lions de Moab. Il descendit au milieu d'une citerne, où il frappa un lion, un jour de neige. 21 Il frappa un Égyptien d'un aspect formidable et ayant une lance à la main; il descendit contre lui avec un bâton, arracha la lance de la main de l'Égyptien, et s'en servit pour le tuer. 22 Voilà ce que fit Benaja, fils de Jehojada; et il eut du renom parmi les trois vaillants hommes. 23 Il était le plus considéré des trente; mais il n'égala pas les trois premiers. David l'admit dans son conseil secret. 24 Asaël, frère de Joab, du nombre des trente. Elchanan, fils de Dodo, de Bethléhem. 25 Schamma, de Harod. Élika, de Harod. 26 Hélets, de Péleth. Ira, fils d'Ikkesch, de Tekoa. 27 Abiézer, d'Anathoth. Mebunnaï, de Huscha. 28 Tsalmon, d'Achoach. Maharaï, de Nethopha. 29 Héleb, fils de Baana, de Nethopha. Ittaï, fils de Ribaï, de Guibea des fils de Benjamin. 30 Benaja, de Pirathon. Hiddaï, de Nachalé-Gaasch. 31 Abi-Albon, d'Araba. Azmaveth, de Barchum. 32 Éliachba, de Schaalbon. Bené-Jaschen. Jonathan. 33 Schamma, d'Harar. Achiam, fils de Scharar, d'Arar. 34 Éliphéleth, fils d'Achasbaï, fils d'un Maacathien. Éliam, fils d'Achitophel, de Guilo. 35 Hetsraï, de Carmel. Paaraï, d'Arab. 36 Jigueal, fils de Nathan, de Tsoba. Bani, de Gad. 37 Tsélek, l'Ammonite. Naharaï, de Beéroth, qui portait les armes de Joab, fils de Tseruja. 38 Ira, de Jéther. Gareb, de Jéther. 39 Urie, le Héthien. En tout, trente-sept. | |