T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 22

1 [Hira fisaorana nataon'i Davida noho ny nandreseny ny fahavalony rehetra] Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an'i Jehovah tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tànan'i Saoly,

2 ka hoy izy: Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy,

3 Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin'ny fampahoriana Hianao.

4 Miantso an'i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.

5 Fa nihodidina tamiko ny onjan'ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.

6 Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita* nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.[Heb. Sheola]

7 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.

8 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan'ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.

9 Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.

10 Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.

11 Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin'ny ela-drivotra Izy.

12 Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina

13 Ary avy teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda.

14 Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo.

15 Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy.

16 Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin'ny tany, noho ny teny mafy nataon'i Jehovah, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavorony.

17 Naninjitra ny tànany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy.

18 Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny.

19 Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.

20 Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.

21 Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.

22 Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;

23 Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako;

24 Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;

25 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony.

26 Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;

27 Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina*.[Heb. miolakolaka]

28 Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.

29 Fa Hianao no jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.

30 Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.

31 Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.

32 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?

33 Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin'ny lalany Izy.

34 Ary manao ny tongony ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo Izy.

35 Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.

36 Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.

37 Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.

38 Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany.

39 Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin'ny tongotro izy.

40 Hianao mampisikina ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.

41 Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; Ka aringako izay mankahala ahy.

42 Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an'i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy.

43 Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako.

44 Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.

45 Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy.

46 Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao* amin'ny fiarovany mafy.[Izahao Sal. xviii.46. Ny dikan'ny teny Hebreo eto dia misikina avy ao, etc]

47 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,

48 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,

49 Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin'ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe;

50 Koa Izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.

51 Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.

 

Chapitre 22

22:1 David spoke to Yahweh the words of this song in the day that Yahweh delivered him out of the hand of all his enemies, and out of the hand of Saul: 22:2 and he said,

“Yahweh is my rock,
my fortress,
and my deliverer, even mine;
22:3 God, my rock, in him I will take refuge;
my shield, and the horn of my salvation,
my high tower, and my refuge.
My savior, you save me from violence.
22:4 I will call on Yahweh, who is worthy to be praised:
So shall I be saved from my enemies.
22:5 For the waves of death surrounded me.
The floods of ungodliness made me afraid.
22:6 The cords of Sheol were around me.
The snares of death caught me.
22:7 In my distress I called on Yahweh.
Yes, I called to my God.
He heard my voice out of his temple.
My cry came into his ears.
22:8 Then the earth shook and trembled.
The foundations of heaven quaked and were shaken,
because he was angry.
22:9 Smoke went up out of his nostrils.
Fire out of his mouth devoured.
Coals were kindled by it.
22:10 He bowed the heavens also, and came down.
Thick darkness was under his feet.
22:11 He rode on a cherub, and flew.
Yes, he was seen on the wings of the wind.
22:12 He made darkness pavilions around himself:
gathering of waters, and thick clouds of the skies.
22:13 At the brightness before him,
coals of fire were kindled.
22:14 Yahweh thundered from heaven.
The Most High uttered his voice.
22:15 He sent out arrows, and scattered them;
lightning, and confused them.
22:16 Then the channels of the sea appeared.
The foundations of the world were laid bare by the rebuke of Yahweh,
At the blast of the breath of his nostrils.
22:17 He sent from on high and he took me.
He drew me out of many waters.
22:18 He delivered me from my strong enemy,
from those who hated me, for they were too mighty for me.
22:19 They came on me in the day of my calamity,
but Yahweh was my support.
22:20 He also brought me out into a large place.
He delivered me, because he delighted in me.
22:21 Yahweh rewarded me according to my righteousness.
He rewarded me according to the cleanness of my hands.
22:22 For I have kept the ways of Yahweh,
and have not wickedly departed from my God.
22:23 For all his ordinances were before me.
As for his statutes, I did not depart from them.
22:24 I was also perfect toward him.
I kept myself from my iniquity.
22:25 Therefore Yahweh has rewarded me according to my righteousness,
According to my cleanness in his eyesight.
22:26 With the merciful you will show yourself merciful.
With the perfect man you will show yourself perfect.
22:27 With the pure you will show yourself pure.
With the crooked you will show yourself shrewd.
22:28 You will save the afflicted people,
But your eyes are on the haughty, that you may bring them down.
22:29 For you are my lamp, Yahweh.
Yahweh will light up my darkness.
22:30 For by you, I run against a troop.
By my God, I leap over a wall.
22:31 As for God, his way is perfect.
The word of Yahweh is tested.
He is a shield to all those who take refuge in him.
22:32 For who is God, besides Yahweh?
Who is a rock, besides our God?
22:33 God is my strong fortress.
He makes my way perfect.
22:34 He makes his feet like hinds’ feet,
and sets me on my high places.
22:35 He teaches my hands to war,
so that my arms bend a bow of brass.
22:36 You have also given me the shield of your salvation.
Your gentleness has made me great.
22:37 You have enlarged my steps under me.
My feet have not slipped.
22:38 I have pursued my enemies and destroyed them.
I didn’t turn again until they were consumed.
22:39 I have consumed them,
and struck them through,
so that they can’t arise.
Yes, they have fallen under my feet.
22:40 For you have armed me with strength for the battle.
You have subdued under me those who rose up against me.
22:41 You have also made my enemies turn their backs to me,
that I might cut off those who hate me.
22:42 They looked, but there was none to save;
even to Yahweh, but he didn’t answer them.
22:43 Then I beat them as small as the dust of the earth.
I crushed them as the mire of the streets, and spread them abroad.
22:44 You also have delivered me from the strivings of my people.
You have kept me to be the head of the nations.
A people whom I have not known will serve me.
22:45 The foreigners will submit themselves to me.
As soon as they hear of me, they will obey me.
22:46 The foreigners will fade away,
and will come trembling out of their close places.
22:47 Yahweh lives!
Blessed be my rock!
Exalted be God, the rock of my salvation,
22:48 even the God who executes vengeance for me,
who brings down peoples under me,
22:49 who brings me away from my enemies.
Yes, you lift me up above those who rise up against me.
You deliver me from the violent man.
22:50 Therefore I will give thanks to you, Yahweh, among the nations.
Will sing praises to your name.
22:51 He gives great deliverance to his king,
and shows loving kindness to his anointed,
to David and to his seed, forevermore.”

 

Chapitre 22
1 David adressa à l'Éternel les paroles de ce cantique, lorsque l'Éternel l'eut délivré de la main de tous ses ennemis et de la main de Saül. 2 Il dit: L'Éternel est mon rocher, ma forteresse, mon libérateur. 3 Dieu est mon rocher, où je trouve un abri, Mon bouclier et la force qui me sauve, Ma haute retraite et mon refuge. O mon Sauveur! tu me garantis de la violence. 4 Je m'écrie: Loué soit l'Éternel! Et je suis délivré de mes ennemis. 5 Car les flots de la mort m'avaient environné, Les torrents de la destruction m'avaient épouvanté; 6 Les liens du sépulcre m'avaient entouré, Les filets de la mort m'avaient surpris. 7 Dans ma détresse, j'ai invoqué l'Éternel, J'ai invoqué mon Dieu; De son palais, il a entendu ma voix, Et mon cri est parvenu à ses oreilles. 8 La terre fut ébranlée et trembla, Les fondements des cieux frémirent, Et ils furent ébranlés, parce qu'il était irrité. 9 Il s'élevait de la fumée dans ses narines, Et un feu dévorant sortait de sa bouche: Il en jaillissait des charbons embrasés. 10 Il abaissa les cieux, et il descendit: Il y avait une épaisse nuée sous ses pieds. 11 Il était monté sur un chérubin, et il volait, Il paraissait sur les ailes du vent. 12 Il faisait des ténèbres une tente autour de lui, Il était enveloppé d'amas d'eaux et de sombres nuages. 13 De la splendeur qui le précédait S'élançaient des charbons de feu. 14 L'Éternel tonna des cieux, Le Très-Haut fit retentir sa voix; 15 Il lança des flèches et dispersa mes ennemis, La foudre, et les mit en déroute. 16 Le lit de la mer apparut, Les fondements du monde furent découverts, Par la menace de l'Éternel, Par le bruit du souffle de ses narines. 17 Il étendit sa main d'en haut, il me saisit, Il me retira des grandes eaux; 18 Il me délivra de mon adversaire puissant, De mes ennemis qui étaient plus forts que moi. 19 Ils m'avaient surpris au jour de ma détresse, Mais l'Éternel fut mon appui. 20 Il m'a mis au large, Il m'a sauvé, parce qu'il m'aime. 21 L'Éternel m'a traité selon ma droiture, Il m'a rendu selon la pureté de mes mains; 22 Car j'ai observé les voies de l'Éternel, Et je n'ai point été coupable envers mon Dieu. 23 Toutes ses ordonnances ont été devant moi, Et je ne me suis point écarté de ses lois. 24 J'ai été sans reproche envers lui, Et je me suis tenu en garde contre mon iniquité. 25 Aussi l'Éternel m'a rendu selon ma droiture, Selon ma pureté devant ses yeux. 26 Avec celui qui est bon tu te montres bon, Avec l'homme droit tu agis selon la droiture, 27 Avec celui qui est pur tu te montres pur, Et avec le pervers tu agis selon sa perversité. 28 Tu sauves le peuple qui s'humilie, Et de ton regard, tu abaisses les orgueilleux. 29 Oui, tu es ma lumière, ô Éternel! L'Éternel éclaire mes ténèbres. 30 Avec toi je me précipite sur une troupe en armes, Avec mon Dieu je franchis une muraille. 31 Les voies de Dieu sont parfaites, La parole de l'Éternel est éprouvée; Il est un bouclier pour tous ceux qui se confient en lui. 32 Car qui est Dieu, si ce n'est l'Éternel? Et qui est un rocher, si ce n'est notre Dieu? 33 C'est Dieu qui est ma puissante forteresse, Et qui me conduit dans la voie droite. 34 Il rend mes pieds semblables à ceux des biches, Et il me place sur mes lieux élevés. 35 Il exerce mes mains au combat, Et mes bras tendent l'arc d'airain. 36 Tu me donnes le bouclier de ton salut, Et je deviens grand par ta bonté. 37 Tu élargis le chemin sous mes pas, Et mes pieds ne chancellent point. 38 Je poursuis mes ennemis, et je les détruis; Je ne reviens pas avant de les avoir anéantis. 39 Je les anéantis, je les brise, et ils ne se relèvent plus; Ils tombent sous mes pieds. 40 Tu me ceins de force pour le combat, Tu fais plier sous moi mes adversaires. 41 Tu fais tourner le dos à mes ennemis devant moi, Et j'extermine ceux qui me haïssent. 42 Ils regardent autour d'eux, et personne pour les sauver! Ils crient à l'Éternel, et il ne leur répond pas! 43 Je les broie comme la poussière de la terre, Je les écrase, je les foule, comme la boue des rues. 44 Tu me délivres des dissensions de mon peuple; Tu me conserves pour chef des nations; Un peuple que je ne connaissais pas m'est asservi. 45 Les fils de l'étranger me flattent, Ils m'obéissent au premier ordre. 46 Les fils de l'étranger sont en défaillance, Ils tremblent hors de leurs forteresses. 47 Vive l'Éternel, et béni soit mon rocher! Que Dieu, le rocher de mon salut, soit exalté, 48 Le Dieu qui est mon vengeur, Qui m'assujettit les peuples, 49 Et qui me fait échapper à mes ennemis! Tu m'élèves au-dessus de mes adversaires, Tu me délivres de l'homme violent. 50 C'est pourquoi je te louerai parmi les nations, ô Éternel! Et je chanterai à la gloire de ton nom. 51 Il accorde de grandes délivrances à son roi, Et il fait miséricorde à son oint, A David, et à sa postérité, pour toujours.