| Chapitre 21 1 [Ny amin'ny mosary naharitra telo taona] Ary nisy mosary telo taona misesy tamin'ny andron'i Davida, ary Davida nanontany tamin*'i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin'ny taranak'i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.[Heb. nitady ny tavan'] 2 Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan'ny Zanak'Isiraely, fa sisa tamin'ny Amorita, ary ny Zanak'Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin'ny firehetan'ny fitiavany ny Zanak'Isiraely sy ny Joda), 3 ary hoy Davida tamin'ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin'inona no hanaovako fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan'i Jehovah? 4 Dia hoy ny Gibeonita taminy: Izahay tsy mahazo mandray volafotsy na volamena amin'i Saoly na amin'ny taranany sady tsy mahazo mamono olona amin'ny Isiraely Ary hoy izy: Koa ahoana ary no tianareo hataoko ho anareo? 5 Dia hoy izy ireo tamin'ny mpanjaka: Ny lehilahy izay nandringana anay sy nikasa hamely anay ho ringana tsy hitoetra amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra 6 no avelao hisy fito lahy amin'ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an'i Jehovah ao Gibean'i Saoly, ilay voafidin'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy. 7 Fa ny mpanjaka niaro an'i Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, noho ny fianianana tamin'i Jehovah nataon'i Davida sy Jonatana, zanak'i Saoly. 8 Ary ny mpanjaka naka azy roa lahy, zanak'i Rizpa, zanakavavin'i Aia, izay naterany tamin'i Saoly, dia Armony sy Mefiboseta, ary ny dimy lahy zanak'i Mikala*, zanakavavin'i Saoly, izay naterany tamin'i Adriela, zanak'i Barzilay Meholatita,[Na: (Meraba); izahao 1 Sam.xviii.19] 9 dia natolony teo an-tànan'ny Gibeonita ireo ka nahanton'ireo teo amin'ny havoana teo anatrehan'i Jehovah; ary niara-maty izy fitolahy, samy novonoiny tamin'ny niandohan'ny fararano tamin'ny voalohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea izy. 10 Ary Rizpa, zanakavavin'i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin'ny vatolampy iny hitoerany hatramin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin'ny faty, ka tsy navelany hipetrahan'ny voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina. 11 Ary nambara tamin'i Davida izay nataon'i Rizpa, zanakavavin'i Aia, vaditsindranon'i Saoly. 12 Dia lasa Davida naka ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany tany amin'ny mponina tao Jabesi-gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana any Beti-sana, ilay nanantonan'ny Filistina azy tamin'ny andro namonoan'ny Filistina an'i Saoly tao Gilboa. 13 Ary dia nentiny niakatra avy tany ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany, ary nangoniny koa ny taolan'ireo voahantona ireo. 14 Ary ny taolan'i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin'ny olona tao amin'ny tanin'ny Benjamina tao Zela, tao amin'ny fasan'i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian'ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken'Andriamanitra ny fifonana natao ho an'ny tany. 15 [Ny herim-pon'ny mpiadin'i Davida raha niady tamin'ny Filistina] Ary niady indray ny Filistina sy ny Isiraely; ary Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy dia nidina ka niady tamin'ny Filistina, ary reraka Davida. 16 Ary Jisbibenoba, izay isan'ny taranaky ny Refaita (ny lanjan'ny lefony dia varahina telon-jato sekely), dia nitondra fiadiana vaovao ka nikasa hahafaty an'i Davida. 17 Fa Abisay, zanak'i Zeroia, nanampy azy, dia namely ilay Filistina ka nahafaty azy. Ary tamin'izay ny olon'i Davida dia nianiana taminy ka nanao hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay intsony ho amin'ny ady ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan'ny Isiraely. 18 Ary nony afaka izany, dia nisy ady indray amin'ny Filistina teo Goba, ary Sibeka Hosatita nahafaty an'i Safa, izay isan'ny taranaky ny Refaita. 19 Ary nisy ady indray koa tamin'ny Filistina teo Goba, ary Elanana, zanak'i Jare-oregima Betlehemita, namono an'i Goliata Gatita*, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.[Na: ny rahalahin'i Goliata; izahao 1 Tan. xx.5] 20 Ary nisy ady koa tao Gata, ary nisy lehilahy vaventy, izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, ary izy koa dia mba teraky ny Refaita. 21 Ary izy nihaika ny Isiraely, ka matin'i Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida. 22 Ireo efatra ireo no teraky ny Refaita teo Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony avokoa ireo.
| | Chapitre 21 21:1 There was a famine in the days of David three years, year after year; and David sought the face of Yahweh. Yahweh said, “It is for Saul, and for his bloody house, because he put to death the Gibeonites.” 21:2 The king called the Gibeonites, and said to them (now the Gibeonites were not of the children of Israel, but of the remnant of the Amorites; and the children of Israel had sworn to them: and Saul sought to kill them in his zeal for the children of Israel and Judah); 21:3 and David said to the Gibeonites, “What shall I do for you? And with what shall I make atonement, that you may bless the inheritance of Yahweh?” 21:4 The Gibeonites said to him, “It is no matter of silver or gold between us and Saul, or his house; neither is it for us to put any man to death in Israel.” He said, “Whatever you say, that will I do for you.” 21:5 They said to the king, “The man who consumed us, and who devised against us, that we should be destroyed from remaining in any of the borders of Israel, 21:6 let seven men of his sons be delivered to us, and we will hang them up to Yahweh in Gibeah of Saul, the chosen of Yahweh.” The king said, “I will give them.” 21:7 But the king spared Mephibosheth, the son of Jonathan the son of Saul, because of Yahweh’s oath that was between them, between David and Jonathan the son of Saul. 21:8 But the king took the two sons of Rizpah the daughter of Aiah, whom she bore to Saul, Armoni and Mephibosheth; and the five sons of Michal the daughter of Saul, whom she bore to Adriel the son of Barzillai the Meholathite. 21:9 He delivered them into the hands of the Gibeonites, and they hanged them in the mountain before Yahweh, and all seven of them fell together. They were put to death in the days of harvest, in the first days, at the beginning of barley harvest. 21:10 Rizpah the daughter of Aiah took sackcloth, and spread it for her on the rock, from the beginning of harvest until water was poured on them from the sky. She allowed neither the birds of the sky to rest on them by day, nor the animals of the field by night. 21:11 It was told David what Rizpah the daughter of Aiah, the concubine of Saul, had done. 21:12 David went and took the bones of Saul and the bones of Jonathan his son from the men of Jabesh Gilead, who had stolen them from the street of Beth Shan, where the Philistines had hanged them, in the day that the Philistines killed Saul in Gilboa; 21:13 and he brought up from there the bones of Saul and the bones of Jonathan his son: and they gathered the bones of those who were hanged. 21:14 They buried the bones of Saul and Jonathan his son in the country of Benjamin in Zela, in the tomb of Kish his father: and they performed all that the king commanded. After that God was entreated for the land. 21:15 The Philistines had war again with Israel; and David went down, and his servants with him, and fought against the Philistines. David grew faint; 21:16 and Ishbibenob, who was of the sons of the giant, the weight of whose spear was three hundred shekels of brass in weight, he being armed with a new sword, thought to have slain David. 21:17 But Abishai the son of Zeruiah helped him, and struck the Philistine, and killed him. Then the men of David swore to him, saying, “You shall go no more out with us to battle, that you don’t quench the lamp of Israel.” 21:18 It came to pass after this, that there was again war with the Philistines at Gob: then Sibbecai the Hushathite killed Saph, who was of the sons of the giant. 21:19 There was again war with the Philistines at Gob; and Elhanan the son of Jaareoregim the Bethlehemite killed Goliath the Gittite’s brother, the staff of whose spear was like a weaver’s beam. 21:20 There was again war at Gath, where there was a man of great stature, who had on every hand six fingers, and on every foot six toes, four and twenty in number; and he also was born to the giant. 21:21 When he defied Israel, Jonathan the son of Shimei, David’s brother, killed him. 21:22 These four were born to the giant in Gath; and they fell by the hand of David, and by the hand of his servants. | | Chapitre 21 1 Du temps de David, il y eut une famine qui dura trois ans. David chercha la face de l'Éternel, et l'Éternel dit: C'est à cause de Saül et de sa maison sanguinaire, c'est parce qu'il a fait périr les Gabaonites. 2 Le roi appela les Gabaonites pour leur parler. -Les Gabaonites n'étaient point d'entre les enfants d'Israël, mais c'était un reste des Amoréens; les enfants d'Israël s'étaient liés envers eux par un serment, et néanmoins Saül avait voulu les frapper, dans son zèle pour les enfants d'Israël et de Juda. - 3 David dit aux Gabaonites: Que puis-je faire pour vous, et avec quoi ferai-je expiation, afin que vous bénissiez l'héritage de l'Éternel? 4 Les Gabaonites lui répondirent: Ce n'est pas pour nous une question d'argent et d'or avec Saül et avec sa maison, et ce n'est pas à nous qu'il appartient de faire mourir personne en Israël. Et le roi dit: Que voulez-vous donc que je fasse pour vous? 5 Ils répondirent au roi: Puisque cet homme nous a consumés, et qu'il avait le projet de nous détruire pour nous faire disparaître de tout le territoire d'Israël, 6 qu'on nous livre sept hommes d'entre ses fils, et nous les pendrons devant l'Éternel à Guibea de Saül, l'élu de l'Éternel. Et le roi dit: Je les livrerai. 7 Le roi épargna Mephiboscheth, fils de Jonathan, fils de Saül, à cause du serment qu'avaient fait entre eux, devant l'Éternel, David et Jonathan, fils de Saül. 8 Mais le roi prit les deux fils que Ritspa, fille d'Ajja, avait enfantés à Saül, Armoni et Mephiboscheth, et les cinq fils que Mérab, fille de Saül, avait enfantés à Adriel de Mehola, fils de Barzillaï; 9 et il les livra entre les mains des Gabaonites, qui les pendirent sur la montagne, devant l'Éternel. Tous les sept périrent ensemble; ils furent mis à mort dans les premiers jours de la moisson, au commencement de la moisson des orges. 10 Ritspa, fille d'Ajja, prit un sac et l'étendit sous elle contre le rocher, depuis le commencement de la moisson jusqu'à ce que la pluie du ciel tombât sur eux; et elle empêcha les oiseaux du ciel de s'approcher d'eux pendant le jour, et les bêtes des champs pendant la nuit. 11 On informa David de ce qu'avait fait Ritspa, fille d'Ajja, concubine de Saül. 12 Et David alla prendre les os de Saül et les os de Jonathan, son fils, chez les habitants de Jabès en Galaad, qui les avaient enlevés de la place de Beth-Schan, où les Philistins les avaient suspendus lorsqu'ils battirent Saül à Guilboa. 13 Il emporta de là les os de Saül et de Jonathan, son fils; et l'on recueillit aussi les os de ceux qui avaient été pendus. 14 On enterra les os de Saül et de Jonathan, son fils, au pays de Benjamin, à Tséla, dans le sépulcre de Kis, père de Saül. Et l'on fit tout ce que le roi avait ordonné. Après cela, Dieu fut apaisé envers le pays. 15 Les Philistins firent encore la guerre à Israël. David descendit avec ses serviteurs, et ils combattirent les Philistins. David était fatigué. 16 Et Jischbi-Benob, l'un des enfants de Rapha, eut la pensée de tuer David; il avait une lance du poids de trois cents sicles d'airain, et il était ceint d'une épée neuve. 17 Abischaï, fils de Tseruja, vint au secours de David, frappa le Philistin et le tua. Alors les gens de David jurèrent, en lui disant: Tu ne sortiras plus avec nous pour combattre, et tu n'éteindras pas la lampe d'Israël. 18 Il y eut encore, après cela, une bataille à Gob avec les Philistins. Alors Sibbecaï, le Huschatite, tua Saph, qui était un des enfants de Rapha. 19 Il y eut encore une bataille à Gob avec les Philistins. Et Elchanan, fils de Jaaré-Oreguim, de Bethléhem, tua Goliath de Gath, qui avait une lance dont le bois était comme une ensouple de tisserand. 20 Il y eut encore une bataille à Gath. Il s'y trouva un homme de haute taille, qui avait six doigts à chaque main et à chaque pied, vingt-quatre en tout, et qui était aussi issu de Rapha. 21 Il jeta un défi à Israël; et Jonathan, fils de Schimea, frère de David, le tua. 22 Ces quatre hommes étaient des enfants de Rapha à Gath. Ils périrent par la main de David et par la main de ses serviteurs. | |