| Chapitre 18 1 Ary Davida nandamina ny olona izay nomba azy ka nanendry mpifehy arivo sy mpifehy zato hifehy azy. 2 Ary Davida nampandeha ny olona, ka ny ampahatelony nofehezin'i Joaba, ary ny ampahatelony nofehezin'i Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba, ary ny ampahatelony kosa nofehezin'Itahy Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny vahoaka: Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa. 3 Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay andeha ianao; fa raha mandositra izahay, dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay, dia tsy hahoany akory; fa ianao no hoatra ny iray alina aminay; koa tsara raha hamonjy anay avy tao an-tanàna ianao. 4 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan'ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan'arivo. 5 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Joaba sy Abisay ary Itahy hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin'i Absaloma zatovo. Ary ny olona rehetra dia nahare ny nandidian'ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin'i Absaloma. 6 Ka dia nivoaka teny an-tsaha ny vahoaka hiady amin'ny Isiraely, ka rafitra tao amin'ny alan'i Efraima ny ady; 7 ary resy tao ny lehilahy amin'ny Isiraely teo anoloan'ny mpanompon'i Davida, ka be dia be no ringana androtrizay, dia olona roa alina. 8 Fa nihahakahaka teny rehetra teny ny ady; ka ny matin'ny ala androtrizay dia be noho ny matin'ny sabatra. 9 Ary Absaloma nifanehatra tamin'ny mpanompon'i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin'ny rantsan-kazo mikirindro tamin'ny hazo terebinta, ka voahazon'ny hazo terebinta ny lohan'i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan'ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany. 10 Ary nisy lehilahy anankiray nahita izany, dia nanambara tamin'i Joaba hoe: Indro, hitako mihantona amin'ny hazo terebinta Absaloma. 11 Ary hoy Joaba tamin'ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao hianjera amin'ny tany izy, ka dia tsy maintsy ho nomeko sekely volafotsy folo sy fehin-kibo ianao? 12 Fa hoy ralehilahy tamin'i Joaba: Na dia efa mby an-tanako aza ny sekely volafotsy arivo, tsy haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian'ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an'i Absaloma zatovo. 13 Tsy misy zavatra azo afenina amin'ny mpanjaka, koa raha nanao hafahafa taminy aho, na dia ianao io aza dia ho nitsangana hanameloka ahy*.[Na: ho nahafoy ahy] 14 Dia hoy Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany Izy, ka natsatony tamin'ny fon'i Absaloma, raha mbola velona teo amin'ny hazo terebinta izy. 15 Ary nisy tovolahy folo, mpitondra ny fiadian'i Joaba, nanodidina an'i Absaloma ka namely azy ho faty. 16 Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niverina avy nanenjika ny Isiraely ny vahoaka, satria niantran'i Joaba izy. 17 Dia nalain'ny olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy nandositra ho any amin'ny lainy avy. 18 Ary fony mbola velona Absaloma, dia efa naka vato izy ka nanao ilay tsangam-bato ho azy tao an-dohasahan'ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ahy aho; ary dia nataony araka ny anaran'ny tenany ihany ilay tsangam-bato, ka mbola atao hoe: Fahatsiarovana an'i Absaloma no anarany mandraka androany. 19 [Ny nandrenesan'i Davida ny nahafatesan'i Absaloma sy ny hamafin'ny alahelony azy] Dia hoy Ahimaza, zanak'i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin'ny mpanjaka ny amin'ny nanomezan'i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin'ny fahavalony. 20 Fa hoy Joaba taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao, raha mandeha anio, satria maty ny zanakalahin'ny mpanjaka, fa andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany ianao. 21 Ary hoy Joaba tamin'ilay Kosita: Andeha, ambarao amin'ny mpanjaka izay efa hitanao. Ary ilay Kosita niankohoka teo anatrehan'i Joaba, dia lasa nihazakazaka. 22 Fa Ahimaza, zanak'i Zadoka, dia mbola niteny tamin'i Joaba ihany nanao hoe: Ka nahoana aza, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao, tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona? 23 Ka nahoana aza, hoy izy: Aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy Joaba taminy: Miezaha ary. Ary dia niezaka tamin'ny lalana eny amin'ny lemaka Ahimaza ka nihoatra an'ilay Kosita. 24 Ary Davida nipetraka teo anelanelan'ny vavahady roa; ary ny mpitily niakatra teo ambony vavahady teo amin'ny manda, ka nanopy ny masony, dia nahita, ka indry misy lehilahy iray mihazakazaka. 25 Ary ny mpitily niantso ka nilaza tamin'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia ho teny mahafaly no entiny. Ary mbola nanatona anatona ihany ralehilahy. 26 Ary ny mpitily nahita lehilahy iray koa nihazakazaka, dia niantso ny mpiandry vavahady izy nanao hoe: Indry koa misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Dia hoy ny mpanjaka: Mitondra teny mahafaly ihany koa izy. 27 Ary hoy ny mpitily: Raha toa ahy, dia tahaka ny fihazakazak'i Ahimaza, zanak'i Zadoka, no fihazakazak'iny aloha. Ary hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no ihaviany. 28 Ary Ahimaza niantso ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Fiadanana! sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay efa nanolotra ny olona nanainga tanana hikomy amin'ny mpanjaka tompoko. 29 Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy Ahimaza: Tamin'ny nanirahan'i Joaba ny mpanompon'ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony. 30 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mitanilà kely ary, ka mijanòna etsy; dia nitanila izy ka nitoetra teo. 31 Ary, indro, avy ilay Kosita ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly; fa Jehovah efa nanome anao ny rariny ka nahafaka anao ankehitriny tamin'izay rehetra nitsangana hikomy aminao. 32 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay Kosita: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy ilay Kosita: Aoka ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao ho tahaka iny zatovo iny. | | Chapitre 18 18:1 David numbered the people who were with him, and set captains of thousands and captains of hundreds over them. 18:2 David sent forth the people, a third part under the hand of Joab, and a third part under the hand of Abishai the son of Zeruiah, Joab’s brother, and a third part under the hand of Ittai the Gittite. The king said to the people, “I will surely go forth with you myself also.” 18:3 But the people said, “You shall not go forth; for if we flee away, they will not care for us; neither if half of us die, will they care for us. But you are worth ten thousand of us. Therefore now it is better that you are ready to help us out of the city.” 18:4 The king said to them, “I will do what seems best to you.” The king stood beside the gate, and all the people went out by hundreds and by thousands. 18:5 The king commanded Joab and Abishai and Ittai, saying, “Deal gently for my sake with the young man, even with Absalom.” All the people heard when the king commanded all the captains concerning Absalom. 18:6 So the people went out into the field against Israel: and the battle was in the forest of Ephraim. 18:7 The people of Israel were struck there before the servants of David, and there was a great slaughter there that day of twenty thousand men. 18:8 For the battle was there spread over the surface of all the country; and the forest devoured more people that day than the sword devoured. 18:9 Absalom happened to meet the servants of David. Absalom was riding on his mule, and the mule went under the thick boughs of a great oak, and his head caught hold of the oak, and he was taken up between the sky and earth; and the mule that was under him went on. 18:10 A certain man saw it, and told Joab, and said, “Behold, I saw Absalom hanging in an oak.” 18:11 Joab said to the man who told him, “Behold, you saw it, and why didn’t you strike him there to the ground? I would have given you ten pieces of silver, and a sash.” 18:12 The man said to Joab, “Though I should receive a thousand pieces of silver in my hand, I still wouldn’t put forth my hand against the king’s son; for in our hearing the king commanded you and Abishai and Ittai, saying, ‘Beware that none touch the young man Absalom.’ 18:13 Otherwise if I had dealt falsely against his life (and there is no matter hidden from the king), then you yourself would have set yourself against me.” 18:14 Then Joab said, “I’m not going to wait like this with you.” He took three darts in his hand, and thrust them through the heart of Absalom, while he was yet alive in the midst of the oak. 18:15 Ten young men who bore Joab’s armor surrounded and struck Absalom, and killed him. 18:16 Joab blew the trumpet, and the people returned from pursuing after Israel; for Joab held back the people. 18:17 They took Absalom, and cast him into the great pit in the forest, and raised over him a very great heap of stones. Then all Israel fled everyone to his tent. 18:18 Now Absalom in his lifetime had taken and reared up for himself the pillar, which is in the king’s dale; for he said, “I have no son to keep my name in memory.” He called the pillar after his own name; and it is called Absalom’s monument, to this day. 18:19 Then Ahimaaz the son of Zadok said, “Let me now run, and bear the king news, how that Yahweh has avenged him of his enemies.” 18:20 Joab said to him, “You shall not be the bearer of news this day, but you shall bear news another day. But today you shall bear no news, because the king’s son is dead.” 18:21 Then Joab said to the Cushite, “Go, tell the king what you have seen!” The Cushite bowed himself to Joab, and ran. 18:22 Then Ahimaaz the son of Zadok said yet again to Joab, “But come what may, please let me also run after the Cushite.” Joab said, “Why do you want to run, my son, since that you will have no reward for the news?” 18:23 “But come what may,” he said, “I will run.” He said to him, “Run!” Then Ahimaaz ran by the way of the Plain, and outran the Cushite. 18:24 Now David was sitting between the two gates: and the watchman went up to the roof of the gate to the wall, and lifted up his eyes, and looked, and, behold, a man running alone. 18:25 The watchman cried, and told the king. The king said, “If he is alone, there is news in his mouth.” He came closer and closer. 18:26 The watchman saw another man running; and the watchman called to the porter, and said, “Behold, a man running alone!” The king said, “He also brings news.” 18:27 The watchman said, “I think the running of the first one is like the running of Ahimaaz the son of Zadok.” The king said, “He is a good man, and comes with good news.” 18:28 Ahimaaz called, and said to the king, “All is well.” He bowed himself before the king with his face to the earth, and said, “Blessed is Yahweh your God, who has delivered up the men who lifted up their hand against my lord the king!” 18:29 The king said, “Is it well with the young man Absalom?” Ahimaaz answered, “When Joab sent the king’s servant, even me your servant, I saw a great tumult, but I don’t know what it was.” 18:30 The king said, “Turn aside, and stand here.” He turned aside, and stood still. 18:31 Behold, the Cushite came. The Cushite said, “News for my lord the king; for Yahweh has avenged you this day of all those who rose up against you.” 18:32 The king said to the Cushite, “Is it well with the young man Absalom?” The Cushite answered, “May the enemies of my lord the king, and all who rise up against you to do you harm, be as that young man is.” 18:33 The king was much moved, and went up to the room over the gate, and wept. As he went, he said, “My son Absalom! My son, my son Absalom! I wish I had died for you, Absalom, my son, my son!”
| | Chapitre 18 1 David passa en revue le peuple qui était avec lui, et il établit sur eux des chefs de milliers et des chefs de centaines. 2 Il plaça le tiers du peuple sous le commandement de Joab, le tiers sous celui d'Abischaï, fils de Tseruja, frère de Joab, et le tiers sous celui d'Ittaï, de Gath. Et le roi dit au peuple: Moi aussi, je veux sortir avec vous. 3 Mais le peuple dit: Tu ne sortiras point! Car si nous prenons la fuite, ce n'est pas sur nous que l'attention se portera; et quand la moitié d'entre nous succomberait, on n'y ferait pas attention; mais toi, tu es comme dix mille de nous, et maintenant il vaut mieux que de la ville tu puisses venir à notre secours. 4 Le roi leur répondit: Je ferai ce qui vous paraît bon. Et le roi se tint à côté de la porte, pendant que tout le peuple sortait par centaines et par milliers. 5 Le roi donna cet ordre à Joab, à Abischaï et à Ittaï: Pour l'amour de moi, doucement avec le jeune Absalom! Et tout le peuple entendit l'ordre du roi à tous les chefs au sujet d'Absalom. 6 Le peuple sortit dans les champs à la rencontre d'Israël, et la bataille eut lieu dans la forêt d'Éphraïm. 7 Là, le peuple d'Israël fut battu par les serviteurs de David, et il y eut en ce jour une grande défaite de vingt mille hommes. 8 Le combat s'étendit sur toute la contrée, et la forêt dévora plus de peuple ce jour-là que l'épée n'en dévora. 9 Absalom se trouva en présence des gens de David. Il était monté sur un mulet. Le mulet pénétra sous les branches entrelacées d'un grand térébinthe, et la tête d'Absalom fut prise au térébinthe; il demeura suspendu entre le ciel et la terre, et le mulet qui était sous lui passa outre. 10 Un homme ayant vu cela vint dire à Joab: Voici, j'ai vu Absalom suspendu à un térébinthe. 11 Et Joab dit à l'homme qui lui apporta cette nouvelle: Tu l'as vu! pourquoi donc ne l'as-tu pas abattu sur place? Je t'aurais donné dix sicles d'argent et une ceinture. 12 Mais cet homme dit à Joab: Quand je pèserais dans ma main mille sicles d'argent, je ne mettrais pas la main sur le fils du roi; car nous avons entendu cet ordre que le roi t'a donné, à toi, à Abischaï et à Ittaï: Prenez garde chacun au jeune Absalom! 13 Et si j'eusse attenté perfidement à sa vie, rien n'aurait été caché au roi, et tu aurais été toi-même contre moi. 14 Joab dit: Je ne m'arrêterai pas auprès de toi! Et il prit en main trois javelots, et les enfonça dans le coeur d'Absalom encore plein de vie au milieu du térébinthe. 15 Dix jeunes gens, qui portaient les armes de Joab, entourèrent Absalom, le frappèrent et le firent mourir. 16 Joab fit sonner de la trompette; et le peuple revint, cessant ainsi de poursuivre Israël, parce que Joab l'en empêcha. 17 Ils prirent Absalom, le jetèrent dans une grande fosse au milieu de la forêt, et mirent sur lui un très grand monceau de pierres. Tout Israël s'enfuit, chacun dans sa tente. 18 De son vivant, Absalom s'était fait ériger un monument dans la vallée du roi; car il disait: Je n'ai point de fils par qui le souvenir de mon nom puisse être conservé. Et il donna son propre nom au monument, qu'on appelle encore aujourd'hui monument d'Absalom. 19 Achimaats, fils de Tsadok, dit: Laisse-moi courir, et porter au roi la bonne nouvelle que l'Éternel lui a rendu justice en le délivrant de la main de ses ennemis. 20 Joab lui dit: Ce n'est pas toi qui dois porter aujourd'hui les nouvelles; tu les porteras un autre jour, mais non aujourd'hui, puisque le fils du roi est mort. 21 Et Joab dit à Cuschi: Va, et annonce au roi ce que tu as vu. Cuschi se prosterna devant Joab, et courut. 22 Achimaats, fils de Tsadok, dit encore à Joab: Quoi qu'il arrive, laisse-moi courir après Cuschi. Et Joab dit: Pourquoi veux-tu courir, mon fils? Ce n'est pas un message qui te sera profitable. 23 Quoi qu'il arrive, je veux courir, reprit Achimaats. Et Joab lui dit: Cours! Achimaats courut par le chemin de la plaine, et il devança Cuschi. 24 David était assis entre les deux portes. La sentinelle alla sur le toit de la porte vers la muraille; elle leva les yeux et regarda. Et voici, un homme courait tout seul. 25 La sentinelle cria, et avertit le roi. Le roi dit: S'il est seul, il apporte des nouvelles. Et cet homme arrivait toujours plus près. 26 La sentinelle vit un autre homme qui courait; elle cria au portier: Voici un homme qui court tout seul. Le roi dit: Il apporte aussi des nouvelles. 27 La sentinelle dit: La manière de courir du premier me paraît celle d'Achimaats, fils de Tsadok. Et le roi dit: C'est un homme de bien, et il apporte de bonnes nouvelles. 28 Achimaats cria, et il dit au roi: Tout va bien! Il se prosterna devant le roi la face contre terre, et dit: Béni soit l'Éternel, ton Dieu, qui a livré les hommes qui levaient la main contre le roi mon seigneur! 29 Le roi dit: Le jeune Absalom est-il en bonne santé? Achimaats répondit: J'ai aperçu un grand tumulte au moment où Joab envoya le serviteur du roi et moi ton serviteur; mais je ne sais ce que c'était. 30 Et le roi dit: Mets-toi là de côté. Et Achimaats se tint de côté. 31 Aussitôt arriva Cuschi. Et il dit: Que le roi mon seigneur apprenne la bonne nouvelle! Aujourd'hui l'Éternel t'a rendu justice en te délivrant de la main de tous ceux qui s'élevaient contre toi. 32 Le roi dit à Cuschi: Le jeune homme Absalom est-il en bonne santé? Cuschi répondit: Qu'ils soient comme ce jeune homme, les ennemis du roi mon seigneur et tous ceux qui s'élèvent contre toi pour te faire du mal! 33 Alors le roi, saisi d'émotion, monta dans la chambre au-dessus de la porte et pleura. Il disait en marchant: Mon fils Absalom! mon fils, mon fils Absalom! Que ne suis-je mort à ta place! Absalom, mon fils, mon fils! | |