| Chapitre 16 1 [] Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon'i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara*.[Na: siny hoditra] 2 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Ahoana no hevitrao amin'ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an'ny ankohonan'ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin'ny zatovo; ary ny divay hosotroin'izay reraka any an-efitra. 3 Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin'ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian'ny taranak'Isiraely ny fanjakan'ikaky ho ahy. 4 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Indro, anao izay rehetra an'i Mefiboseta. Ary hoy Ziba: Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko. 5 Ary nony nanakaiky an'i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan'i Saoly ny anarany dia Simey, zanak'i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny ampandehanana. 6 Ary nitora-bato an'i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary ny vahoaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra dia teo amin'ny ankavanan'ny mpanjaka sy teo amin'ny ankaviany. 7 Ary hoy ny fanozon'i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-drà sy tena ratsy fanahy! 8 Nataon'i Jehovah manody anao izao ny ran'ny tamingan'i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-tànan'i Absaloma zanakao kosa; ary indro, efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-drà. 9 Ary hoy Abisay, zanak'i Zeroia, tamin'ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany. 10 Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany? 11 Ary hoy koa Davida tamin'i Abisay sy tamin'ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany. 12 Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin'ny heloko* ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.[Na: hijery ny fahoriako (na, ny ranomasoko?)] 13 Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin'ny ilan'ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny ampandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka. 14 Ary dia tonga tao ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka*, ka dia naka aina teo izy.[Na: Ary tonga tao Aiefima ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy] 15 [Ny nataon'i Absaloma tany Jerosalema, sy ny hevitra nomen'i Ahitofela azy, ary ny nanafoanan'i Hosay izany] Ary Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin'ny Isiraely dia tonga tany Jerosalema, ary Ahitofela koa dia teo aminy. 16 Ary Hosay Arkita, sakaizan'i Davida, dia tonga tao amin'i Absaloma ka nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! ho ela velona anie ny mpanjaka! 17 Fa hoy Absaloma tamin'i Hosay: izao va no fitianao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin'ny sakaizanao? 18 Ary hoy Hosay tamin'i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin'i Jehovah sa ireto vahoaka ireto mbamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no hitoerako. 19 Ary koa, iza indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan'ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan'ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa. 20 Ary hoy Absaloma tamin'i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika. 21 Dia hoy Ahitofela tamin'i Absaloma: Midira ao amin'ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren'ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny tànan'izay rehetra momba anao. 22 Ary dia nanorin-day ho an'i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin'ny vaditsindranon-drainy teo imason'ny Isiraely rehetra. 23 Ary ny hevitr'i Ahitofela izay nataony tamin'izany dia hoatra ny manontany amin'Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon'i Ahitofela, na tamin'i Davida, na tamin'i Absaloma. | | Chapitre 16 16:1 When David was a little past the top, behold, Ziba the servant of Mephibosheth met him, with a couple of donkeys saddled, and on them two hundred loaves of bread, and one hundred clusters of raisins, and one hundred summer fruits, and a bottle of wine. 16:2 The king said to Ziba, What do you mean by these? Ziba said, The donkeys are for the king’s household to ride on; and the bread and summer fruit for the young men to eat; and the wine, that such as are faint in the wilderness may drink. 16:3 The king said, “Where is your master’s son?” Ziba said to the king, “Behold, he is staying in Jerusalem; for he said, ‘Today the house of Israel will restore me the kingdom of my father.’” 16:4 Then the king said to Ziba, “Behold, all that pertains to Mephibosheth is yours.” Ziba said, “I do obeisance. Let me find favor in your sight, my lord, O king.” 16:5 When king David came to Bahurim, behold, a man of the family of the house of Saul came out, whose name was Shimei, the son of Gera. He came out, and cursed still as he came. 16:6 He cast stones at David, and at all the servants of king David, and all the people and all the mighty men were on his right hand and on his left. 16:7 Shimei said when he cursed, “Be gone, be gone, you man of blood, and base fellow! 16:8 Yahweh has returned on you all the blood of the house of Saul, in whose place you have reigned! Yahweh has delivered the kingdom into the hand of Absalom your son! Behold, you are caught by your own mischief, because you are a man of blood!” 16:9 Then Abishai the son of Zeruiah said to the king, “Why should this dead dog curse my lord the king? Please let me go over and take off his head.” 16:10 The king said, “What have I to do with you, you sons of Zeruiah? Because he curses, and because Yahweh has said to him, ‘Curse David;’ who then shall say, ‘Why have you done so?’” 16:11 David said to Abishai, and to all his servants, “Behold, my son, who came forth from my bowels, seeks my life. How much more this Benjamite, now? Leave him alone, and let him curse; for Yahweh has invited him. 16:12 It may be that Yahweh will look on the wrong done to me, and that Yahweh will repay me good for the cursing of me today.” 16:13 So David and his men went by the way; and Shimei went along on the hillside opposite him, and cursed as he went, threw stones at him, and threw dust. 16:14 The king, and all the people who were with him, came weary; and he refreshed himself there. 16:15 Absalom, and all the people, the men of Israel, came to Jerusalem, and Ahithophel with him. 16:16 It happened, when Hushai the Archite, David’s friend, had come to Absalom, that Hushai said to Absalom, “Long live the king! Long live the king!” 16:17 Absalom said to Hushai, “Is this your kindness to your friend? Why didn’t you go with your friend?” 16:18 Hushai said to Absalom, “No; but whomever Yahweh, and this people, and all the men of Israel have chosen, his will I be, and with him I will stay. 16:19 Again, whom should I serve? Shouldn’t I serve in the presence of his son? As I have served in your father’s presence, so will I be in your presence.” 16:20 Then Absalom said to Ahithophel, “Give your counsel what we shall do.” 16:21 Ahithophel said to Absalom, “Go in to your father’s concubines, that he has left to keep the house. Then all Israel will hear that you are abhorred by your father. Then the hands of all who are with you will be strong.” 16:22 So they spread Absalom a tent on the top of the house; and Absalom went in to his father’s concubines in the sight of all Israel. 16:23 The counsel of Ahithophel, which he gave in those days, was as if a man inquired at the oracle of God: so was all the counsel of Ahithophel both with David and with Absalom.
| | Chapitre 16 1 Lorsque David eut un peu dépassé le sommet, voici, Tsiba, serviteur de Mephiboscheth, vint au-devant de lui avec deux ânes bâtés, sur lesquels il y avait deux cents pains, cent masses de raisins secs, cent de fruits d'été, et une outre de vin. 2 Le roi dit à Tsiba: Que veux-tu faire de cela? Et Tsiba répondit: Les ânes serviront de monture à la maison du roi, le pain et les fruits d'été sont pour nourrir les jeunes gens, et le vin pour désaltérer ceux qui seront fatigués dans le désert. 3 Le roi dit: Où est le fils de ton maître? Et Tsiba répondit au roi: Voici, il est resté à Jérusalem, car il a dit: Aujourd'hui la maison d'Israël me rendra le royaume de mon père. 4 Le roi dit à Tsiba: Voici, tout ce qui appartient à Mephiboscheth est à toi. Et Tsiba dit: Je me prosterne! Que je trouve grâce à tes yeux, ô roi mon seigneur! 5 David était arrivé jusqu'à Bachurim. Et voici, il sortit de là un homme de la famille et de la maison de Saül, nommé Schimeï, fils de Guéra. Il s'avança en prononçant des malédictions, 6 et il jeta des pierres à David et à tous les serviteurs du roi David, tandis que tout le peuple et tous les hommes vaillants étaient à la droite et à la gauche du roi. 7 Schimeï parlait ainsi en le maudissant: Va-t'en, va-t'en, homme de sang, méchant homme! 8 L'Éternel fait retomber sur toi tout le sang de la maison de Saül, dont tu occupais le trône, et l'Éternel a livré le royaume entre les mains d'Absalom, ton fils; et te voilà malheureux comme tu le mérites, car tu es un homme de sang! 9 Alors Abischaï, fils de Tseruja, dit au roi: Pourquoi ce chien mort maudit-il le roi mon seigneur? Laisse-moi, je te prie, aller lui couper la tête. 10 Mais le roi dit: Qu'ai-je affaire avec vous, fils de Tseruja? S'il maudit, c'est que l'Éternel lui a dit: Maudis David! Qui donc lui dira: Pourquoi agis-tu ainsi? 11 Et David dit à Abischaï et à tous ses serviteurs: Voici, mon fils, qui est sorti de mes entrailles, en veut à ma vie; à plus forte raison ce Benjamite! Laissez-le, et qu'il maudisse, car l'Éternel le lui a dit. 12 Peut-être l'Éternel regardera-t-il mon affliction, et me fera-t-il du bien en retour des malédictions d'aujourd'hui. 13 David et ses gens continuèrent leur chemin. Et Schimeï marchait sur le flanc de la montagne près de David, et, en marchant, il maudissait, il jetait des pierres contre lui, il faisait voler la poussière. 14 Le roi et tout le peuple qui était avec lui arrivèrent à Ajephim, et là ils se reposèrent. 15 Absalom et tout le peuple, les hommes d'Israël, étaient entrés dans Jérusalem; et Achitophel était avec Absalom. 16 Lorsque Huschaï, l'Arkien, ami de David, fut arrivé auprès d'Absalom, il lui dit: Vive le roi! vive le roi! 17 Et Absalom dit à Huschaï: Voilà donc l'attachement que tu as pour ton ami! Pourquoi n'es-tu pas allé avec ton ami? 18 Huschaï répondit à Absalom: C'est que je veux être à celui qu'ont choisi l'Éternel et tout ce peuple et tous les hommes d'Israël, et c'est avec lui que je veux rester. 19 D'ailleurs, qui servirai-je? Ne sera-ce pas son fils? Comme j'ai servi ton père, ainsi je te servirai. 20 Absalom dit à Achitophel: Consultez ensemble; qu'avons-nous à faire? 21 Et Achitophel dit à Absalom: Va vers les concubines que ton père a laissées pour garder la maison; ainsi tout Israël saura que tu t'es rendu odieux à ton père, et les mains de tous ceux qui sont avec toi se fortifieront. 22 On dressa pour Absalom une tente sur le toit, et Absalom alla vers les concubines de son père, aux yeux de tout Israël. 23 Les conseils donnés en ce temps-là par Achitophel avaient autant d'autorité que si l'on eût consulté Dieu lui-même. Il en était ainsi de tous les conseils d'Achitophel, soit pour David, soit pour Absalom. | |